Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hopotehina ny fitaovam-piadiana rehetra

Inona no Lazain’​ny Baiboly?

Inona no Lazain’​ny Baiboly?

Mbola hiadana ihany ve ny olona indray andro any?

Ahoana ny hevitrao?

  • Eny

  • Tsia

  • Angamba

Izay lazain’ny Baiboly

“Ho be ny fiadanana raha mbola misy koa ny volana.” (Salamo 72:7) Hiadana mandrakizay ny olona rehefa mitondra ny tany i Jesosy Kristy.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?

  • Horinganina daholo ny ratsy fanahy, ka “tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be” ny tsara fanahy.—Salamo 37:10, 11.

  • Hofoanan’Andriamanitra ny ady rehetra. —Salamo 46:8, 9.

Afaka ny hiadan-tsaina ve ny olona na amin’izao aza?

Misy milaza fa . . . tsy hiadan-tsaina mihitsy ny olona, raha mbola be dia be ny fijaliana sy ny tsy rariny. Ahoana ny hevitrao?

Izay lazain’ny Baiboly

‘Lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra ny fiadanan’Andriamanitra.’ (Filipianina 4:6, 7) Na amin’izao aza, dia afaka manana an’izany ireo mifandray tsara amin’Andriamanitra.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?

  • Mampanantena Andriamanitra fa hofoanany ny fijaliana sy ny tsy rariny, ary ‘hataony vaovao ny zava-drehetra.’—Apokalypsy 21:4, 5.

  • Afaka ny hilamin-tsaina isika, raha miezaka hifandray tsara aminy.—Matio 5:3.