Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahari-po: Sady Miaritra no Tsy Manary Toky

Fahari-po: Sady Miaritra no Tsy Manary Toky

MIHABETSAKA ny olana amin’izao “andro farany” izao, ka mila manam-paharetana noho ny hatramin’izay ny vahoakan’i Jehovah. (2 Tim. 3:1-5) Tsy manam-paharetana matetika ny ankamaroan’ny olona, fa tia tena sy tsy azo ifanarahana ary tsy mahafehy tena. Mila mieritreritra àry isika hoe: ‘Lasa tsy manam-paharetana hoatran’ny olona eto amin’ity tontolo ity ve aho? Inona no atao hoe mahari-po na manam-paharetana? Inona no azoko atao mba hanam-paharetana foana aho?’

INONA NO ATAO HOE MANAM-PAHARETANA?

Inona no dikan’ilay teny hoe manam-paharetana ao amin’ny Baiboly? Tsy hoe mizaka an’izay manjo azy fotsiny ny olona manam-paharetana, fa miaritra sady tsy manary toky. Tsy izay mahasoa azy ihany no eritreretiny, fa izay mahasoa ny olon-kafa koa, na dia nampahasosotra azy aza ilay olona na ratsy fanahy taminy. Rehefa misy mampijaly azy na misy mampahatezitra azy, dia manantena foana izy hoe mbola hihatsara ny fifandraisan’izy ireo. Tsy mahagaga àry raha ny hoe “mahari-po” no tononina voalohany hoe vokatry ny fitiavana, ao amin’ny Baiboly. * (1 Kor. 13:4) Voalaza ao koa fa anisan’ny “vokatry ny fanahy” izy io. (Gal. 5:22, 23) Inona anefa no tsy maintsy ataontsika mba hananana an’io toetra io?

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HANAM-PAHARETANA?

Tsy maintsy mangataka fanahy masina amin’i Jehovah isika raha te hanam-paharetana. Manome fanahy masina an’izay matoky azy sy miantehitra aminy izy. (Lioka 11:13) Na mahery be aza anefa io fanahy io, dia tsy maintsy miezaka isika manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataontsika. (Sal. 86:10, 11) Midika izany hoe tsy maintsy miezaka mafy isika isan’andro mba hanam-paharetana, amin’izay izy io ho lasa toetrantsika mihitsy. Mety tsy ho vitantsika anefa izany indraindray. Inona koa àry no mety hanampy antsika?

Mila mandinika ny modely tonga lafatra navelan’i Jesosy isika ary manahaka azy. Niresaka momba “ny toetra vaovao” ny apostoly Paoly, ary anisan’izany ny “fahari-po.” Nilaza izy avy eo hoe: ‘Aoka ny fiadanan’i Kristy hanjaka ao am-ponareo.’ (Kol. 3:10, 12, 15) “Hanjaka” ao am-pontsika io fiadanana io, raha matoky tanteraka hoatran’i Jesosy isika hoe handamina ny olana mahazo antsika i Jehovah amin’ny fotoana mety aminy. Raha izany no ataontsika, dia hanam-paharetana foana isika na inona na inona mitranga.—Jaona 14:27; 16:33.

Efa tsy andrintsika ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Hanam-paharetana kokoa anefa isika raha misaintsaina hoe manam-paharetana amintsika i Jehovah. Manome toky ny Soratra Masina hoe: “Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany, araka izay heverin’ny sasany ho fahelana, fa manam-paharetana aminareo izy, satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (2 Pet. 3:9) Raha te hanam-paharetana kokoa amin’ny hafa àry isika, dia mila misaintsaina hoe manam-paharetana amintsika i Jehovah. (Rom. 2:4) Rahoviana, ohatra, isika no mila an’io toetra io?

RAHOVIANA ISIKA NO MILA MANAM-PAHARETANA?

Be dia be ny zava-mitranga ilantsika faharetana isan’andro. Mety hisy zavatra tena lehibe tiantsika holazaina, ohatra, dia mila manam-paharetana isika mba tsy hitsatsaingoka rehefa miteny ny hafa. (Jak. 1:19) Mety hisy mpiara-manompo manana fahazarana mahasosotra antsika koa, dia mila manam-paharetana isika rehefa miaraka aminy. Tsy tokony ho entim-po isika, fa hitadidy hoe inona no ataon’i Jehovah sy Jesosy rehefa mahita ny fahalementsika. Tsy mitsongoloka ny fahadisoana kely ataontsika izy ireo. Ny toetra tsarantsika kosa no ifantohany. Manam-paharetana koa izy ireo ka mamela antsika hiezaka hanatsara ny toetrantsika.—1 Tim. 1:16; 1 Pet. 3:12.

Mila manam-paharetana koa angamba isika rehefa misy milaza amintsika hoe tsy nety ny zavatra notenenintsika na nataontsika. Matetika isika no tonga dia tezitra sy manamarin-tena. Tsy izany anefa no asain’ny Tenin’Andriamanitra ataontsika. Izao no voalaza ao: “Aleo olona manam-paharetana toy izay olona mihevi-tena ho ambony. Aoka ianao tsy ho mora tezitra, fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” (Mpito. 7:8, 9) Midika izany hoe na diso be aza ny zavatra nolazain’ilay olona, dia mila manam-paharetana isika ary mieritreritra tsara an’izay havalintsika na hataontsika. Izany no nataon’i Jesosy rehefa nisy nanendrikendrika azy.—Mat. 11:19.

Tena mila manam-paharetana ny ray aman-dreny, rehefa manampy ny zanany hanitsy ny toetrany na handresy fanirian-dratsy. Diniho ny tantaran’i Mattias, izay manompo ao amin’ny Betelan’i Skandinavia izao. Nesoesoin’ny mpiara-mianatra taminy foana izy noho ny zavatra inoany. Tsy nahalala an’izany ny dada sy mamany tamin’ny voalohany. Hitan’izy ireo anefa hoe niova i Mattias. Lasa nisalasala izy hoe sao dia tsy marina ny zavatra inoany. Nilaza i Gillis, dadan’i Mattias, hoe nila nanam-paharetana be izy mivady. Hoatr’izao mantsy no nanontanian’i Mattias: “Iza marina Andriamanitra? Dia ahoana raha tsy Tenin’Andriamanitra akory ny Baiboly? Ahoana no ahalalantsika hoe Andriamanitra mihitsy no mandidy antsika hanao an’izao na izao?” Nanontaniany koa ny dadany hoe: “Fa maninona aho no voateny foana rehefa tsy miombon-kevitra aminareo na tsy mino ny zavatra inoanareo?”

Hoy i Gillis: “Sady tezitra i Mattias indraindray no nanontany. Tsy izahay mivady anefa no nahatezitra azy fa ny fahamarinana. Lasa manasarotra ny fiainany, hono, ilay izy.” Inona àry no nataon’i Gillis? Izao no nolazainy: “Niresaka nandritra ny ora maromaro izahay mianaka. Nihaino an’i Mattias no tena nataoko, dia nametraka fanontaniana aho teny an-tsefatsefany teny mba hahalalana tsara ny heviny sy izay tao am-pony. Indraindray aho nanazava zavatra taminy, dia navelako hieritreritra an’ilay izy tany izy nandritra ny iray andro teo ho eo, izay vao niresaka indray izahay. Fa indraindray koa izaho no nila andro vitsivitsy hieritreretana ny zavatra nolazainy tamiko. Nifampiresaka hoatr’izany foana izahay, dia lasa azon’i Mattias tsikelikely ny fampianaran’ny Baiboly sady nekeny. Anisan’izany ny vidim-panavotana sy ny zon’i Jehovah hitondra ary ny fitiavan’i Jehovah antsika. Nila fotoana izany sady nanahirana matetika, nefa nihatia an’i Jehovah izy. Soa ihany fa nanam-paharetana izahay mivady, dia afaka nanampy an’ilay zanakay tamin’izy tanora. Faly izahay fa nisy vokany ny ezaka nataonay sady nanohina ny fony.”

Niantehitra tamin’i Jehovah i Gillis sy ny vadiny sady nanampy foana an’ilay zanany. Hoy i Gillis: “Niteny tamin’i Mattias aho matetika hoe tianay be izy, dia nitalaho mafy tamin’i Jehovah izahay mba hanampy azy hahatakatra tsara ny fahamarinana.” Tena faly izy mivady satria nanam-paharetana foana.

Tsy maintsy manam-paharetana sy fitiavana koa isika, rehefa mikarakara fianakaviana na namana manana aretina mitaiza. Eritrereto ny manjo an’i Ellen, * izay any Skandinavia koa.

Indroa tapaka lalan-dra ny vadin’i Ellen, valo taona lasa teo ho eo izay. Lasa tsy miasa tsara ny atidohany, ka tsy mahay mangoraka intsony izy sady tsy mety faly na malahelo intsony. Tena mafy amin’i Ellen izany. Hoy izy: “Mila manam-paharetana be aho sady mila mivavaka matetika.” Hoy koa izy: “Ny Filipianina 4:13 no andinin-teny tiako indrindra sady mampahery ahy. Voalaza ao hoe: ‘Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.’” Omen’i Jehovah hery i Ellen, dia manam-paharetana ka mahavita miatrika an’ilay olana mahazo azy. Matoky tanteraka izy hoe tsy hanary azy i Jehovah.—Sal. 62:5, 6.

TAHAFO I JEHOVAH

Modely ho antsika i Jehovah satria izy no manam-paharetana indrindra. (2 Pet. 3:15) Misy tantara maro mampiseho an’izany ao amin’ny Baiboly. (Neh. 9:30; Isaia 30:18) Tamin’i Jehovah nanapa-kevitra handrava an’i Sodoma, ohatra, dia nametraka fanontaniana be dia be taminy i Abrahama. Tsy nanapaka ny teniny anefa i Jehovah, fa nohenoiny tsara ny fanontaniana tsirairay napetrany sy ny zavatra nampitebiteby azy. Naverin’i Jehovah taminy koa ny zavatra noresahiny, mba hampisehoana hoe tena nihaino azy izy. Nomeny toky koa izy hoe tsy horinganiny i Sodoma na folo fotsiny aza ny olona marina ao. (Gen. 18:22-33) Tena modely ho antsika i Jehovah satria mihaino tsara ary tsy mora tezitra.

Anisan’ny toetra vaovao tsy maintsy ananan’ny Kristianina rehetra àry ny fahari-po na faharetana. Raha miezaka mafy isika mba hanana an’io toetra tena sarobidy io, dia hahazo voninahitra i Jehovah, ilay Raintsika tena tia antsika sy manam-paharetana amintsika. Ho anisan’ireo ‘manana finoana sy faharetana’ isika, ka ‘handova ny fampanantenana.’—Heb. 6:10-12.

^ feh. 4 Noresahina tao amin’ny lahatsoratra voalohany amin’ity andian-dahatsoratra ity ny hoe fitiavana.

^ feh. 15 Novana ny anarana.