Ahoana no Hahazoana ny Tena Fahafahana?
‘Tena ho afaka ianareo, raha ny Zanaka no manafaka anareo.’—JAONA 8:36.
1, 2. a) Inona no porofo fa mitady fahafahana mafy ny olona? b) Inona no vokatr’izany?
MALAZA be izao ny hoe tokony hitovy zo ny olombelona ary tokony hanana fahafahana ny tsirairay. Te ho afaka amin’ny fampijaliana sy ny fanavakavahana ary ny fahantrana ny olona, any amin’ny faritra maro eran-tany. Misy indray mitaky ny fahafahany haneho hevitra sy hisafidy ary hahaleo tena. Toa samy te hanao izay mahafinaritra azy sy hitondra ny fiainany araka izay tiany daholo ny olona hatraiza hatraiza.
2 Betsaka koa ny olona mitokona na midina an-dalambe mba hitakiana fahafahana. Misy aza mikomy amin’ny fitondrana, na manongam-panjakana mihitsy. Tanteraka anefa ve ny hetahetan’izy ireo? Tsia. Fijaliana aza matetika no vokatr’ireny fihetsiketsehana ireny, ary amoizana aina mihitsy. Tena marina ny tenin’i Solomona Mpanjaka hoe: “Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.”—Mpito. 8:9.
3. Inona no azontsika atao raha te ho sambatra sy ho afa-po amin’ny fiainana isika?
3 Inona àry no tokony hataontsika raha te ho sambatra sy ho Jak. 1:25) I Jehovah no nanome an’io lalàna tonga lafatra io. Izy no tena mahalala hoe inona no ilaintsika mba ho tena sambatra sy ho afa-po amin’ny fiainana isika. Nomeny an’izay rehetra nilainy ny mpivady voalohany mba ho sambatra. Anisan’ny nomeny azy ireo ny tena fahafahana.
afa-po amin’ny fiainana isika? Hoy i Jakoba mpianatra: ‘Izay mijery tsara ny lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana, ary maharitra amin’izany, dia ho sambatra rehefa mankatò.’ (NANANA NY TENA FAHAFAHANA NY OLOMBELONA TALOHA
4. Hoatran’ny ahoana ny fahafahana nananan’i Adama sy Eva? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
4 Hitantsika ao amin’ny toko roa voalohany ao amin’ny Genesisy fa nanana ny fahafahana irin’ny olona amin’izao i Adama sy Eva. Tsy mba nahantra na natahotra na nisy nampijaly izy mivady. Tsy nanahy momba ny sakafo na ny asa izy ireo, ary tsy natahotra ny harary na ho faty. (Gen. 1:27-29; 2:8, 9, 15) Tena nanana fahafahana izy ireo. Midika ve izany fa afaka nanao izay rehetra tiany ry zareo?
5. Ahoana no fiheveran’ny olona maro ny atao hoe fahafahana? Inona anefa no ilaina mba hananan’ny rehetra fahafahana?
5 Maro no mieritreritra hoe manana ny tena fahafahana izy rehefa afaka manao izay rehetra tiany, na inona na inona vokany. Milaza Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy) fa ny hoe manana fahafahana, dia midika hoe “afaka misafidy sy manatanteraka ny safidiny.” Milaza koa anefa izy io fa ‘azo lazaina hoe manana fahafahana ny olona, raha mametraka fitsipika tena ilaina ny fitondram-panjakana ary tsy sarotra tanterahina ny fitsipika apetrany sady ara-drariny.’ Midika izany fa misy fitsipika sasany ilaina, raha tiana hanana fahafahana daholo ny olona. Iza anefa no manana zo hametraka fitsipika ara-drariny sy tena ilaina ary tsy sarotra tanterahina?
6. a) Nahoana no i Jehovah irery no afaka manao izay rehetra tiany? b) Hoatran’ny ahoana ny fahafahana ananan’ny olombelona, ary nahoana?
6 Mila mitadidy isika fa i Jehovah irery no tena afaka manao izay rehetra tiany. Izy mantsy no Mpamorona sy Mpanjakan’izao rehetra izao ary Mahery Indrindra. (1 Tim. 1:17; Apok. 4:11) Niresaka momba an’izany fahefana miavaka ananan’i Jehovah izany i Davida Mpanjaka. (Vakio ny 1 Tantara 29:11, 12.) Voafetra kosa ny fahafahana ananan’ny zavaboary rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Tsy maintsy eken’izy ireo fa i Jehovah no manana fahefana fara tampony hametraka hoe inona no fitsipika tena ilaina sy ara-drariny ary tsy sarotra tanterahina. Vao namorona ny olombelona izy dia efa nanome fitsipika hoatr’izany.
7. Inona ny zavatra sasany tsy maintsy ataontsika nefa mahafaly antsika?
7 Na dia nanana fahafahana hanao zavatra maro aza i Adama sy Eva, dia tsy nanan-tsafidy izy ireo tamin’ny zavatra sasany. Tsy maintsy nifoka rivotra, ohatra, izy ireo, nisakafo, natory, sy ny sisa. Tsy maintsy nanao an’ireo izy mivady raha te ho velona foana. Nahatsiaro ho voafehifehy be ve anefa izy ireo vokatr’izany? Tsia. Nataon’i Jehovah nahafinaritra an-dry zareo ilay izy. (Sal. 104:14, 15; Mpito. 3:12, 13) Iza tokoa moa no tsy falifaly rehefa mifoka rivotra madio, na mihinana ny sakafo tiany indrindra, na natory tsara ka afa-bizana? Tsy mahatsiaro ho voafehifehy be isika rehefa manao an’ireo. Azo antoka fa hoatr’izany koa i Adama sy Eva.
8. Inona no didy nomen’Andriamanitra an’i Adama sy Eva, ary nahoana?
Gen. 1:28) Lasa tsy nanana fahafahana ve izy ireo satria tsy maintsy nankatò an’izany? Tsia. Nomen’Andriamanitra an’io didy io ry zareo mba ho afaka hanampy azy hanatanteraka ny fikasany. Tiany hatao paradisa mantsy ity tany ity, ary olona lavorary no tiany hipetraka eto mandrakizay. (Isaia 45:18) Marina fa misy olona mifidy ny tsy hanambady, na manambady izy fa tsy miteraka. Tsy azo lazaina hoe tsy mankatò an’i Jehovah anefa izy ireny. Mbola betsaka ny olona mifidy ny hanambady sy hiteraka, na dia tsy mora aza izany. (1 Kor. 7:36-38) Mahasambatra sy mahafa-po mantsy izany rehefa tsy misy ny olana. (Sal. 127:3) Raha nankatò an’i Jehovah i Adama sy Eva, dia azo antoka hoe sambatra mandrakizay izy mivady sy ny fianakaviany.
8 Nasain’i Jehovah niteraka dia nameno ny tany sy nikarakara azy io i Adama sy Eva. (VERY ILAY TENA FAHAFAHANA
9. Inona no porofo fa tena nilaina ilay didy ao amin’ny Genesisy 2:17 ary ara-drariny sady tsy sarotra tanterahina?
9 Nanome didy hafa an’i Adama sy Eva i Jehovah, ary nolazainy mazava tsara ny sazy hihatra amin’izy ireo raha tsy ankatoavin’izy ireo ilay izy. Izao ilay didy: ‘Aza ihinananao ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.’ (Gen. 2:17) Tsy ara-drariny ve io didy io sady sarotra tanterahina? Tsy nisy nilana an’io akory ve? Voafehifehy be ve i Adama sy Eva noho izy ireo tsy maintsy nankatò azy io? Tsy izany mihitsy! Betsaka ny manam-pahaizana momba ny Baiboly milaza fa tena mety ny nanomezan’Andriamanitra an’io didy io. Izao, ohatra, no nolazain’ny anankiray: ‘Hita avy amin’io didy io hoe Andriamanitra irery no mahalala izay tsara sy ratsy ho an’ny olombelona. Mila matoky sy mankatò azy izy ireo, raha te hankafy ny “tsara.” Raha tsy mankatò azy izy ireo, dia izy ireo indray no hamaritra izay tsara sy ratsy.’ Tsy ho vitan’ny olombelona samirery anefa izany.
10. Nahoana no tsy mitovy ny hoe manana safidy sy ny hoe manana zo hamaritra ny tsara sy ny ratsy?
10 Misy milaza hoe tsy nomen’Andriamanitra fahafahana hanao izay tiany i Adama. Ampitoviny ny hoe manana safidy sy ny hoe manana zo hamaritra izay tsara sy ratsy. Tsy mitovy anefa izany. Tena afaka nisafidy i Adama sy Eva hoe hankatò an’Andriamanitra sa tsia. I Jehovah irery anefa no manana zo hamaritra hoe inona no tsara sy ratsy. Nampahatsiahy an’i Adama sy Eva an’izany zon’i Jehovah izany ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” (Gen. 2:9) Tsy fantatsika indraindray hoe inona no ho vokatry ny safidintsika ary hoe hahasoa antsika ve ilay izy sa tsia. Tsy mahagaga àry raha matetika isika no mahita olona nikasa hanao zavatra tsara rehefa nanapa-kevitra na nanao safidy, nefa loza na fijaliana no vokatr’ilay izy. (Ohab. 14:12) Hita amin’izany hoe misy zavatra tsy vitan’ny olombelona. Nandrara an’i Adama sy Eva tsy hihinana ny voan’ilay hazo i Jehovah, mba hampianarana azy ireo hoe mila mankatò azy izy ireo raha te hanana ny tena fahafahana. Inona no nataon’izy mivady?
11, 12. Nahoana no nampidi-doza ny safidin’i Adama sy Eva? Hazavao amin’ny ohatra.
11 Nifidy ny tsy hankatò i Adama sy Eva. Tena nahasarika an’i Eva ny tenin’i Satana hoe: “Hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Gen. 3:5) Lasa nanana fahafahana bebe kokoa ve anefa izy mivady taorian’izay? Tsia. Tsy tanteraka akory ny tenin’i Satana. Hitan’izy ireo, tsy ela taorian’izay, hoe nijaly izy ireo rehefa tsy nankatò an’i Jehovah fa nanao izay tiany fotsiny. (Gen. 3:16-19) Tsy nomen’i Jehovah fahafahana hamaritra ny tsara sy ny ratsy mantsy ny olombelona.—Vakio ny Ohabolana 20:24; Jeremia 10:23.
12 Eritrereto, ohatra, ny mpanamory fiaramanidina. Efa misy lalana tsy maintsy arahiny matetika rehefa mitondra fiaramanidina ho any amin’ny toerana iray izy. Misy fitaovana ao anatin’ilay fiaramanidina manoro azy ny lalany sy manampy azy hifandray amin’ireo mpandrindra ny fifamoivoizana ana habakabaka. Mila manaraka an’izay lazain’ireo izy, raha te ho tody soa aman-tsara any amin’ny toerana tiany haleha. Raha tsy izany no ataony fa mandeha any amin’izay tiany fotsiny izy, dia mety ho loza no vokany. Toy ny mpanamory nanao izay tiany fotsiny i Adama sy Eva. Tsy nety nanaraka ny toromarika nomen’Andriamanitra izy ireo ka lasa mpanota sy maty, ary toy izany koa ny taranany. (Rom. 5:12) Nanandrana nanapa-kevitra samirery ny atao hoe tsara sy ratsy izy ireo mba hahazoany fahafahana bebe kokoa, kanjo ilay tena fahafahana efa nananany indray no nafoiny.
FOMBA HAHAZOANA NY TENA FAHAFAHANA
13, 14. Ahoana no hahazoana ny tena fahafahana?
13 Misy mieritreritra hoe ho tsara kokoa ny fiainany raha afaka manao izay rehetra tiany izy. Mety hampidi-doza anefa izany. Marina fa betsaka ny soa azon’ny olona rehefa omena fahafahana izy. Eritrereto anefa hoe hanao ahoana ny fiainana, raha avela hanao izay rehetra tiantsika isika. Izany no mahatonga Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao hilaza fa sarotra be indraindray ny manao lalàna ho an’ny fiaraha-monina. Sady tokony hiaro ny fahafahan’ny olona mantsy ilay izy no tokony hametra ny fahafahana omena azy ireo koa. Lasa be dia be àry ny lalàna. Be dia be koa ny mpahay lalàna sy mpitsara ilaina mba hanazava azy
ireny sy hanao izay hampiharan’ny olona azy ireny.14 Nilaza anefa i Jesosy Kristy fa tsotra ny fomba hahazoana ny tena fahafahana. Hoy izy: “Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:31, 32) Zavatra roa àry no tokony hataontsika: Voalohany, mila manaiky ny fahamarinana nampianarin’i Jesosy isika. Faharoa, tokony ho lasa mpianany isika. Ny tena fahafahana no ho azontsika raha manao an’izany isika. Ho afaka amin’inona anefa? Hoy i Jesosy: “Andevon’ny ota ireo zatra manota. ... Tena ho afaka àry ianareo, raha ny Zanaka no manafaka anareo.”—Jaona 8:34, 36.
15. Nahoana isika no “tena ho afaka” rehefa hahazo an’ilay fahafahana nampanantenain’i Jesosy?
15 Tsara lavitra noho ny fahafahana tadiavin’ny ankamaroan’ny olona ny fahafahana nampanantenain’i Jesosy. Fanafahana amin’ny ota mantsy no tiany horesahina, rehefa nilaza izy hoe ‘tena ho afaka ianareo, raha ny Zanaka no manafaka anareo.’ Faran’izay ratsy ny hoe “andevon’ny ota.” Tsy hoe lasa manao ratsy fotsiny mantsy isika rehefa andevozin’ny ota, fa mety tsy hanao izay zavatra fantatsika hoe tsara koa. Na ny zavatra fantatsika hoe ho vitantsika aza mety tsy hataontsika. Lasa kivy sy malahelo isika vokatr’izany, sady mijaly. Ho faty mihitsy aza isika amin’ny farany. (Rom. 6:23) Tena kivy sy nahatsiaro ho nijaly, ohatra, ny apostoly Paoly noho izy andevon’ny ota. (Vakio ny Romanina 7:21-25.) Rehefa tsy andevon’ny ota intsony isika vao hanana an’ilay tena fahafahana nafoin’i Adama sy Eva.
16. Rahoviana isika vao tena ho afaka?
16 Misy zavatra tsy maintsy ataontsika, raha tiantsika hanafaka antsika i Jesosy. Izay no tiany holazaina tamin’ilay hoe: “Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo.” Inona àry no tokony hataontsika? Mila mandà ny tenantsika isika, ary mifidy ny hankatò an’izay nampianarin’i Kristy. (Mat. 16:24) Nanao an’izany ny Kristianina nanokan-tena ho an’i Jehovah. Amin’ny hoavy anefa isika vao tena ho afaka, araka ny nampanantenain’i Jesosy, rehefa tanteraka amintsika daholo ny zavatra tsara rehetra vokatry ny vidim-panavotana.
17. a) Inona no azontsika atao raha te ho sambatra isika? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
17 Ho sambatra sy ho afa-po amin’ny fiainana isika mpanara-dia an’i Jesosy, raha mankatò an’izay nampianariny. Afaka manantena ny hafahana tanteraka amin’ny ota sy ny fahafatesana isika raha manao an’izany. (Vakio ny Romanina 8:1, 2, 20, 21.) Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no hahaizantsika mampiasa ny fahafahana ananantsika. Amin’izay isika ho afaka hanome voninahitra an’i Jehovah mandrakizay.