LAHATSORATRA FIANARANA 18
Vitao Hatramin’ny Farany Ilay Hazakazaka!
“Efa nahavita ny fihazakazahako aho.”—2 TIM. 4:7.
HIRA 129 Miareta fa Aza Kivy
HO HITANAO ATO *
1. Inona no tsy maintsy ataontsika rehetra?
HANDRAY anjara amin’ny hazakazaka iray ve ianao raha efa fantatrao hoe sarotra ilay izy, sady amin’izay ianao marary na reraka? Azo antoka fa tsia. Nilaza ny apostoly Paoly fa manao hazakazaka daholo ny tena Kristianina. (Heb. 12:1) Raha te hahazo ny loka ampanantenain’i Jehovah isika rehetra dia tsy maintsy miaritra hatramin’ny farany, na tanora isika na antitra ary na matanjaka na reraka.—Mat. 24:13.
2. Raha jerena ny 2 Timoty 4:7, 8, nahoana i Paoly no sahy nampirisika ny hafa hamita an’ilay hazakazaka?
2 ‘Nahavita ny fihazakazahany’ hatramin’ny farany i Paoly, dia izany no nahatonga azy ho sahy nampirisika ny hafa hanao hoatr’izany koa. (Vakio ny 2 Timoty 4:7, 8.) Fa inona ilay hazakazaka noresahiny?
INONA ILAY HAZAKAZAKA?
3. Inona ilay hazakazaka noresahin’i Paoly?
3 Rehefa nisy lesona lehibe tian’i Paoly hampianarina, dia indraindray izy naka ohatra avy tamin’ny lalao natao tany Gresy fahiny. (1 Kor. 9:25-27; 2 Tim. 2:5) Imbetsaka, ohatra, no nohariny tamin’ny hazakazaka ny fiainan’ny Kristianina. (1 Kor. 9:24; Gal. 2:2; Fil. 2:16) Manomboka an’io “hazakazaka” io ny olona iray rehefa manokana ny fiainany ho an’i Jehovah sy atao batisa. (1 Pet. 3:21) Tonga eo amin’ilay tsipika farany izy rehefa omen’i Jehovah ny valisoa, izany hoe ny fiainana mandrakizay.—Mat. 25:31-34, 46; 2 Tim. 4:8.
4. Inona no hodinihintsika ato?
4 Misy zavatra maromaro mampitovy ny fiainan’ny Kristianina amin’ny hazakazaka lavitra ezaka. Andao isika handinika telo amin’izany. Voalohany, tsy tokony hiala amin’ilay lalana tokony harahina isika. Faharoa, tsy maintsy mifantoka amin’ilay
tsipika farany isika. Ary fahatelo, mila manohy foana isika na dia misy olana aza.AZA MIALA AMIN’ILAY LALANA TOKONY HARAHINA
5. Inona ilay lalana tokony harahintsika? Nahoana?
5 Inona no tokony hataon’ny mpihazakazaka raha te hahazo ny loka izy? Tsy maintsy mandeha amin’ilay lalana nofidin’ireo mpikarakara an’ilay hazakazaka izy. Hoatr’izany koa isika. Raha te hahazo ny fiainana mandrakizay isika, dia tsy maintsy mandeha amin’ilay lalana tokony harahin’ny Kristianina, izany hoe manaraka ny fomba fiaina atoron’i Jehovah. (Asa. 20:24; 1 Pet. 2:21) Tian’i Satana sy ny mpanara-dia azy anefa raha tsy manao an’izany isika, fa “miara-mihazakazaka aminy” foana. (1 Pet. 4:4) Manaratsy ny fomba fiainantsika ry zareo, ary lazainy hoe ny azy no tsara kokoa satria manome fahafahana. Diso anefa izany!—2 Pet. 2:19.
6. Inona no ianaranao avy amin’i Brian?
6 Tsy maintsy ho tonga saina izay olona manaraka ny fomba fiainan’ny tontolon’i Satana hoe tsy manana fahafahana akory ry zareo, fa vao mainka aza lasa andevo. (Rom. 6:16) Nahatsapa an’izany i Brian. Nampirisihin’ny ray aman-dreniny izy mba handeha amin’ilay lalana tokony harahin’ny Kristianina. Nisalasala anefa izy tamin’izy tanora raha tena hahasambatra azy izany. Nanapa-kevitra hihazakazaka miaraka amin’ny olona manaraka ny toe-tsain’i Satana i Brian. Hoy izy: “Tena te hanao izay tiako aho tamin’izany. Tsy nampoiziko mihitsy anefa hoe ho lasa handevozin’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao aho. ... Lasa zatra nifoka rongony aho rehefa nandeha ny fotoana, niboboka toaka, ary ratsy fitondran-tena. Nidoroka zava-mahadomelina mahery kokoa aho tatỳ aoriana, ary lasa zatra nifoka ny sasany tamin’ireny. ... Nanjary nivarotra rongony mihitsy [aho] mba hahazoako vola.” Nanapa-kevitra ny hanaraka ny fitsipik’i Jehovah i Brian tatỳ aoriana. Niova lalana izy dia natao batisa tamin’ny 2001. Tena sambatra izy izao satria mandeha amin’ilay lalana tokony harahina. *
7. Araka ny Matio 7:13, 14, inona ireo lalana roa azontsika isafidianana?
7 Tena mila mifidy an’ilay lalana tokony harahin’ny Kristianina isika! Tian’i Satana anefa raha miala amin’ilay lalana tery “mankany amin’ny fiainana” isika rehetra, ka mifindra any amin’ilay lalana malalaka arahin’ny olona eto amin’ity tontolo ity. Be mpitia io lalana io sady mora andehanana, nefa “mankany amin’ny fandringanana.” (Vakio ny Matio 7:13, 14.) Tsy maintsy matoky an’i Jehovah sy mihaino azy isika, raha tsy te ho voatarika hiala amin’ilay lalana atorony fa handeha amin’izy io foana.
MIFANTOHA FOANA!
8. Inona no ataon’ny mpihazakazaka raha sanatria mianjera izy?
8 Ahoana no ataon’ny mpanao hazakazaka lavitra ezaka mba tsy ho tafintohina? Mijery tsara ny lalany izy. Na izany aza, dia mety ho voafingan’ny mpihazakazaka hafa izy, na ho latsaka ao anaty lavaka. Miarina anefa izy raha sanatria mianjera ary manohy foana. Ilay tsipika farany sy ny loka ho azony no tena ifantohany, fa tsy izay nanafintohina azy.
9. Inona no tokony hataontsika raha sanatria tafintohina?
9 Mety ho tafintohina imbetsaka koa isika amin’ilay hazakazaka, izany hoe hanao fahadisoana amin’izay lazaintsika sy ataontsika. Na ny mpiara-mihazakazaka amintsika no mety hanao fahadisoana, dia mety handratra ny fontsika. Tsy mahagaga izany satria tsy lavorary daholo isika, moa ilay lalana tery. Tsy maintsy hifandona àry isika indraindray. Nilaza i Paoly fa mety hanao zavatra hahatonga ny hafa hitaraina isika, na ry zareo no mety hanao zavatra hahatonga antsika hitaraina. (Kol. 3:13) Aza mifantoka amin’izay nanafintohina anao anefa, fa ilay loka foana no ataovy an-tsaina. Raha sendra tafintohina ianao, dia miarena ary tohizo foana ilay hazakazaka. Raha tezitra sy mitana lolompo mantsy ianao ka tsy manaiky hiarina, dia tsy ho tonga any amin’ny tsipika farany sady tsy hahazo ny loka. Mety ho ianao indray aza no ho lasa sakana ho an’ny hafa, izany hoe hisakana an-dry zareo tsy ho faly manompo an’i Jehovah. Ry zareo anefa efa manezakezaka erỳ mihazakazaka amin’ilay lalana tery.
10. Inona no hanampy antsika mba tsy ho “vato mahatafintohina” ho an’ny hafa?
10 Inona koa no hanampy antsika mba tsy ho “vato mahatafintohina” ho an’ny hafa? (Rom. 14:13, 19-21; 1 Kor. 8:9, 13) Tokony handefitra isika raha mbola azo atao, ka hanaiky an’izay mba tian’izy ireo fa tsy hiziriziry amin’izay tiantsika. Izany no tsy mampitovy antsika amin’ny mpihazakazaka ara-bakiteny. Samy miezaka hahazo an’ilay loka ho azy irery mantsy ny tsirairay aminy, dia lasa mifaninana. Izay hahatafita azy matetika no tena eritreretiny, ka mety hanosika ny hafa mihitsy izy mba ho voaloha ny. Isika kosa tsy mifaninana. (Gal. 5:26; 6:4) Ny hanampy olona betsaka araka izay azo atao mba ho tonga amin’ilay tsipika farany hoatr’antsika no tanjontsika. Hahazo ny loka koa ry zareo amin’izay, izany hoe hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao. Izany no mahatonga antsika hiezaka hampihatra ny torohevitr’i Paoly hoe: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Fil. 2:4.
11. Inona no ifantohan’ny mpihazakazaka? Nahoana?
11 Tsy mijery ny lalana eo anoloany fotsiny ny mpihazakazaka, fa mifantoka amin’ny tsipika farany koa. Na tsy hitan’ny masony aza izy io, dia azony sary an-tsaina hoe iny izy fa mandingana an’ilay tsipika dia avy eo mahazo loka. Rehefa mitadidy an’ilay loka izy, dia mazotozoto tsara foana amin’ilay hazakazaka.
12. Inona no ampanantenain’i Jehovah antsika?
12 Tsara fanahy i Jehovah ka nanome toky hoe hahazo valisoa izay mahavita an’ilay hazakazaka. Ho afaka hiaina mandrakizay any an-danitra na ao amin’ny Paradisa eto an-tany izy ireo. Miresaka an’io valisoa io ny Baiboly, amin’izay isika afaka maka sary an-tsaina ny hatsaran’ny fiainana miandry antsika. Raha ataontsika miredareda ao am-pontsika foana ny fanantenantsika, dia hanohy an’ilay hazakazaka isika ary hiarina foana na tafintohina aza.
MIHAZAKAZAHA FOANA NA DIA MISY OLANA AZA
13. Inona no tombony ananantsika raha oharina amin’ny tena mpihazakazaka?
13 Niatrika olana ny mpihazakazaka tamin’ny lalao tany Gresy fahiny. Reraka, ohatra, ry zareo indraindray na nanaintaina. Ny fiofanana azony sy ny heriny ihany anefa no mba azony nianteherana. Inona no mampitovy antsika amin’izy ireo? Mahazo fiofanana koa isika satria ampianarina ny fomba hanaovana an’ilay hazakazaka. Manana tombony anefa isika raha oharina amin’ny tena mpihazakazaka. Isika mantsy afaka mahazo hery avy amin’i Jehovah, ary tsy misy fetra ny hery azony omena antsika. Mampanantena izy hoe raha miantehitra aminy isika, dia tsy hoe hampiofaniny fotsiny fa hataony koa izay hampahatanjaka antsika.—1 Pet. 5:10.
14. Nahoana ny 2 Korintianina 12:9, 10 no manampy antsika hiatrika olana?
14 Nanana olana be dia be i Paoly. Nalam-baraka sy nenjehina, ohatra, izy. Indraindray izy nahatsiaro ho tsy ampy hery. Niatrika zava-tsarotra hafa koa izy, ary nantsoiny hoe “tsilo ao amin’ny nofo” izany. (2 Kor. 12:7) Nilavo lefona ve izy? Tsy izany mihitsy! Nohararaotiny kosa ireny olana ireny mba hianteherana amin’i Jehovah. (Vakio ny 2 Korintianina 12:9, 10.) Vokatr’izany, dia nanampy azy foana i Jehovah.
15. Inona no ho vokany raha manahaka an’i Paoly isika?
15 Mety halam-baraka sy henjehina koa ianao noho ny finoanao, na koa ianao mety harary na hahatsiaro ho lany hery. Raha manahaka an’i Paoly ianao, dia hanararaotra an’ireny olana ireny mba hianteherana amin’i Jehovah. Ho hitanao fa hanohana sy haneho fitiavana anao izy.
16. Inona no azonao atao na tsy salama aza ianao?
16 Tsy afa-miala ao am-pandriana ve ianao satria marary? Sa ianao mampiasa seza misy kodiarana? Sa malemy ny lohalikao? Sa tsy mahita firy intsony ny masonao? Raha izany, dia mbola hahavita hihazakazaka miaraka amin’ny olona tanora sy salama tsara ve ianao? Tena hahavita an’izany ianao! Betsaka ny zokiolona sy marary mihazakazaka eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana. Tsy hahavita an’izany izy ireo raha ny heriny samirery. Miezaka hahazo hery avy amin’i Jehovah izy ireo, ka manaraka fivoriana amin’ny alalan’ny
telefaonina na video. Mitory amin’ny havany sy ny dokotera ary ny mpitsabo mpanampy koa ry zareo.17. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny mpanompony tsy salama?
17 Na kivy aza ianao satria marary, dia aza mieritreritra mihitsy hoe malemy loatra ianao ka tsy hahavita hihazakazaka amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana. Tadidio fa ny finoanao sy ny fiaretanao hatramin’izay no itiavan’i Jehovah anao. Izao mihitsy ianao no tena mila ny fanampiany. Tsy hahafoy anao izy fa vao mainka aza hanatona anao. (Sal. 9:10) Izao no nolazain’ny anabavy iray tsy salama: “Mihabetsaka foana ny aretiko, dia tsy dia mahita olona azoko iresahana ny fahamarinana aho. Fantatro anefa fa na kely aza ny vitako dia mampifaly ny fon’i Jehovah izany, dia sambatra aho.” Rehefa kivy àry ianao, dia tsarovy fa eo foana i Jehovah. Eritrereto ny nataon’i Paoly ary tadidio ireto teniny mampahery ireto: “Finaritra aho amin’ny fahalemena, ... fa rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.”—2 Kor. 12:10.
18. Inona no zava-tsarotra tena mafy mahazo ny olona sasany?
18 Misy zava-tsarotra hafa atrehin’ny olona sasany manao an’ilay hazakazaka hahazoana fiainana. Tsy hitan’ny olon-kafa ny manjo azy sady mety tsy ho azon’izy ireo. Misy, ohatra, kivy be na mitebiteby be, ary efa lasa aretina mihitsy ilay izy. Nahoana no tena mafy ny mahazo an’ireny rahalahy sy anabavy malala ireny? Satria raha tapa-tanana ny olona iray na atosika amin’ny seza misy kodiarana, dia hitan’ny olona rehetra ny mahazo azy ka mety ho te hanampy azy ny olona. Tsy hoatr’izany kosa ny olona manana aretina ara-pihetseham-po na ara-tsaina. Tsy hita etỳ ivelany ny mahazo azy ka mety tsy hangoraka azy ny olona. Tena mijaly anefa izy ireny, hoatran’ny olona tapa-tanana na tapa-tongotra ihany.
19. Inona no ianarantsika avy amin’i Mefiboseta?
19 Miatrika zava-tsarotra ve ianao ka tsy mahavita betsaka araka izay tianao ho an’i Jehovah, sady tsapanao hoe tsy azon’ny olona ny mahazo anao? Raha izany dia mety hampahery anao ny tantaran’i Mefiboseta. (2 Sam. 4:4) Tsy vitan’ny hoe kilemaina izy, fa mbola nitsara an-tendrony azy koa i Davida Mpanjaka. Tsy avy aminy anefa no nahatonga an’ireo olana ireo. Navelany hahakivy azy ve izany? Tsy izany mihitsy! Nankasitraka ny zavatra tsara teo amin’ny fiainany izy, anisan’izany ilay hoe tsara fanahy taminy i Davida. (2 Sam. 9:6-10) Vokatr’izany, dia niezaka nahazo ny zava-misy rehetra i Mefiboseta rehefa diso hevitra momba azy ny mpanjaka. Tsy hoe lasa tezitra izy noho ny fahadisoan’i Davida. Tsy nanome tsiny an’i Jehovah koa izy. Izay azony natao mba hano hanana ny mpanjaka notendren’i Jehovah no nifantohany. (2 Sam. 16:1-4; 19:24-30) Nasain’i Jehovah nosoratana tao amin’ny Teniny ny ohatra tena tsara avy amin’i Mefiboseta, amin’izay isika afaka mandray soa avy amin’izany.—Rom. 15:4.
20. Inona no zava-tsarotra atrehin’ny olona sasany? Inona no azon’izy ireo atokisana?
20 Misy zavatra mampitebiteby be ny rahalahy sy anabavy sasany. Vokatr’izany, dia lasa tsy mahazo aina mihitsy izy ireny rehefa manao zavatra miaraka amin’ny olon-kafa, na dia zavatra efa mahazatra aza no atao. Tsy zakany mihitsy angamba ny miaraka amin’ny olona be dia be, nefa mbola mivory sy manatrika fivoriambe ihany ry zareo. Sarotra aminy koa ny miresaka amin’ny olona tsy fantany, nefa mbola mandeha manompo ihany ry zareo. Hoatr’izany ve ianao? Raha izany dia matokia fa tsy irery ianao. Betsaka ny olona miady mafy hoatr’izany. Tadidio hoe faly i Jehovah mahita anao miezaka amin’ny fo manontolo. Matoa ianao mbola tsy nilavo lefona, dia midika izany fa tahin’i Jehovah ianao sady omeny ny hery ilainao. * (Fil. 4:6, 7; 1 Pet. 5:7) Voafetra àry ve ny azonao atao noho ianao marary na manana olana ara-pihetseham-po, nefa ianao mbola manompo an’i Jehovah foana? Raha izany, dia matokia fa mampifaly an’i Jehovah ianao.
21. Inona no ho vitantsika rehetra noho ny fanampian’i Jehovah?
21 Soa ihany fa tsy mitovy amin’ny hazakazaka ara-bakiteny ilay hazakazaka noresahin’i Paoly. Olona iray ihany no nahazo loka tamin’ny hazakazaka natao fahiny. Amin’ilay hazakazaka ataon’ny Kristianina indray, dia mahazo loka daholo izay tody hatramin’ny farany. (Jaona 3:16) Ankoatra izany, dia tsy maintsy salama tsara daholo izay mandray anjara amin’ny hazakazaka ara-bakiteny, raha tsy izany mety tsy handresy. Tsy hoatr’izany anefa amin’ilay hazakazaka ataontsika. Betsaka amintsika no tsy salama nefa mahavita miaritra. (2 Kor. 4:16) Hahavita an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany isika rehetra satria ampian’i Jehovah.
HIRA 144 Banjino Ilay Lokanao!
^ feh. 5 Betsaka ny mpanompon’i Jehovah mijaly satria mihantitra na marary. Mahatsiaro ho vizana koa isika rehetra indraindray. Hoatran’ny tsy ho vita àry izany hoe hihazakazaka izany. Manao hazakazaka hahazoana fiainana anefa isika, araka ny noresahin’ny apostoly Paoly. Hodinihintsika ato hoe inona no azontsika rehetra atao mba hahavitana hiaritra amin’ilay hazakazaka sy hahazoana loka.
^ feh. 6 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2013.
^ feh. 63 SARY: Miezaka ho be atao amin’ny fanompoana foana ilay rahalahy zokiolona. Manampy azy izany mba tsy hiala amin’ilay lalana tokony harahin’ny Kristianina.
^ feh. 65 SARY: Mety hahatonga ny hafa ho tafintohina isika raha mbola mampirisika azy hisotro zava-pisotro misy alkaola betsaka kokoa, na isika no tsy mahafehy tena fa misotro be loatra.
^ feh. 67 SARY: Any amin’ny hopitaly ny rahalahy iray. Na dia marary tsy afa-mihetsika eo am-pandriana aza izy, dia mbola manohy an’ilay hazakazaka ihany ka mitory amin’ny mpikarakara azy.