Fanontanian’ny Mpamaky
Milaza ny Ohabolana 24:16 hoe: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.” Midika ve izany fa na dia manota imbetsaka aza ny olona iray dia hahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra foana?
Tsy izay no tian’io andinin-teny io horesahina, raha ny marina. Olona miatrika olana no tiana horesahina amin’ilay hoe “lavo” eo. Tafarina foana anefa izy, izany hoe mahavita miatrika an’izay mahazo azy.
Andao hodinihintsika ny teny manodidina. Izao no voalaza eo: “Aza manao toy ny ratsy fanahy izay miafina mba hanafika ny tranon’ny marina, ary aza robaina ny fonenany. Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany, fa ny ratsy fanahy kosa ho solafaka noho ny loza manjo azy. Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao, ary aoka tsy ho ravoravo ny fonao raha solafaka izy.”—Ohab. 24:15-17.
Misy mieritreritra hoe olona nanota no voaresaka eo amin’ny andininy faha-16, fa avy eo ilay olona mibebaka dia lasa mifandray tsara amin’Andriamanitra indray. Nilaza ny mpitondra fivavahana anglisy anankiroa fa “imbetsaka ny mpanao toriteny taloha no nanazava an’io andinin-teny io hoatr’izany, ary mbola betsaka no manazava azy io hoatr’izany amin’izao.” Midika, hono, izany hoe ‘na dia manao fahotana lehibe imbetsaka aza ny olona iray, nefa mbola tia an’Andriamanitra foana sady mibebaka, dia ankasitrahan’Andriamanitra ihany.’ Mety hahafinaritra ny olona izany fomba fihevitra izany, raha tsy te hiezaka izy mba tsy hanota. Mieritreritra angamba izy hoe na manota im-be dia be aza, dia tsy maintsy hamela azy foana Andriamanitra.
Tsy izany anefa no tian’ny andininy faha-16 holazaina.
Mety hanana heviny maromaro mantsy ilay teny hebreo nadika hoe “lavo” ao amin’ny andininy faha-16 sy faha-17. Mety hidika hoe lavo ara-bakiteny izy io, ohatra hoe omby lavo eny an-dalana, na olona mianjera avy eny an-tampon-trano, na vatokilonjy milatsaka amin’ny tany. (Deot. 22:4, 8; Amosa 9:9) Mety hisy dikany an’ohatra koa anefa io teny io. Milaza, ohatra, ny Joba 4:4 hoe: “Raha nisy saika lavo, dia ny teninao no nanarina azy.”—Ohab. 11:5, 28.
Mariho anefa ny tenin’i Edward Plumptre. Manam-pahaizana momba ny fivavahana izy. Izao no nolazainy: “Ilay teny hebreo nadika hoe [“lavo”] dia tsy ampiasaina mihitsy mba hilazana hoe manota.” Ahoana àry no azo anazavana an’io andininy io? Milaza ny manam-pahaizana iray hafa hoe hoatr’izao no dikan’izy io: “Ho very maina ny ezaka ataon’izay mampijaly ny mpanompon’Andriamanitra, satria ry zareo hahavita hiaritra foana. Ny ratsy fanahy kosa ho ratsy fiafara.”
Araka izany, dia tsy midika hoe manota ilay hoe “lavo” ao amin’ny Ohabolana 24:16. Midika kosa izy io hoe miatrika olana, ary mety ho matetika mihitsy aza. Mety harary na hanana olana hafa, ohatra, ny olo-marina amin’izao. Mety henjehin’ny fitondram-panjakana koa izy. Afaka matoky anefa izy hoe hanampy azy Andriamanitra, dia hahavita hiaritra sy tsy hivadika izy. Tsy efa imbetsaka ve ianao no nahita an’izany? Tsy hitanao ve hoe tsara fiafara ny mpanompon’Andriamanitra matetika? Nahoana? Satria “manohana an’izay rehetra lavo i Jehovah, ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.”—Sal. 145:14-19; 41:1-3.
Na dia fantatry ny olo-marina aza fa manana olana koa ny olon-kafa, dia tsy izany no mampahery azy. Mampahery azy kosa ny mahalala hoe ‘ho tsara fiafara izay matahotra an’Andriamanitra.’—Mpito. 8:11-13; Joba 31:3-6; Sal. 27:5, 6.