Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aoka Haharitra ny Fitiavanareo ny Rahalahy”

“Aoka Haharitra ny Fitiavanareo ny Rahalahy”

“Aoka haharitra ny fitiavanareo ny rahalahy.”—HEB. 13:1.

HIRA: 72, 119

1, 2. Nahoana i Paoly no nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo?

TAONA 61 tamin’izay. Azo lazaina hoe nilamindamina ny fiainan’ny Kristianina nanerana an’i Israely. Mbola nigadra tany Roma ny apostoly Paoly, nefa nanantena fa ho afaka tsy ho ela. I Timoty kosa vao haingana no nivoaka ny fonja, ary nikasa hitsidika an’ireo Kristianina tany Jodia izy roa lahy. (Heb. 13:23) Dimy taona anefa sisa dia ho tanteraka ilay tenin’i Jesosy hoe ‘hisy miaramila hitoby manodidina an’i Jerosalema.’ Nila nankatò avy hatrany an’i Jesosy ny Kristianina tany Jodia, indrindra fa ny tao Jerosalema, rehefa ho tonga io fotoana io. Efa nilaza mantsy i Jesosy hoe mila mandositra haingana izy ireo, raha vao mahita an’ireo miaramila ireo.—Lioka 21:20-24.

2 Efa 28 taona no lasa hatramin’ny nilazan’i Jesosy an’io faminaniana io. Efa nahavita niaritra fanoherana sy fanenjehana be dia be ireo Kristianina tany Israely. (Heb. 10:32-34) Fantatr’i Paoly anefa fa mbola hisy fitsapana miandry azy ireo, ary ho mafy noho ny hatramin’izay izany. (Mat. 24:20, 21; Heb. 12:4) Tiany ho vonona hiatrika an’izay hitranga izy ireo. Nila niaritra sy nanana finoana matanjaka izy ireo, mba ho tafavoaka velona. (Vakio ny Hebreo 10:36-39.) Nasain’i Jehovah nanoratra ny bokin’ny Hebreo àry i Paoly, mba hampaherezana azy ireo.

3. Nahoana no tokony hahaliana antsika ny bokin’ny Hebreo?

3 Tokony hahaliana antsika rehetra koa ilay taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Hebreo. Nahoana? Satria miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” koa isika, ka miatrika fanoherana sy fanenjehana isan-karazany. (2 Tim. 3:1, 12) Nahavita niaritra isika, ka hita fa manana finoana matanjaka sy mahafoy tena ho an’i Jehovah. Marina aloha fa mbola maro ny Kristianina tsy miaritra fanenjehana mafy, ka azo lazaina hoe milamindamina ny fiainany. Tadidio anefa fa kely sisa dia hiatrika an’ilay fitsapana mafy indrindra noho ny hatramin’izay isika.—Vakio ny Lioka 21:34-36.

4. Inona no andinin-teny ho an’ny taona 2016, ary nahoana no mety tsara izany?

4 Inona no hanampy antsika ho vonona hiatrika an’izany zavatra hitranga tsy ho ela izany? Misy zavatra maromaro hanampy antsika hanana finoana matanjaka, ao amin’ilay taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo. Nasongadiny ao amin’ny Hebreo 13:1 ny iray amin’izany, ary io no nofidina ho andinin-teny ho an’ny taona 2016. Voalaza ao hoe: “Aoka haharitra ny fitiavanareo ny rahalahy.”

Andinin-teny ho an’ny taona 2016: “Aoka haharitra ny fitiavanareo ny rahalahy.”—Hebreo 13:1

INONA NO ATAO HOE FITIAVAN-DRAHALAHY?

5. Inona no atao hoe fitiavan-drahalahy?

5 Inona no atao hoe fitiavan-drahalahy? Teny grika hoe filadelfia no nampiasain’i Paoly eo amin’ilay andininy, ary midika ara-bakiteny hoe “firaiketam-po amin’ny rahalahy” izy io. Ny fitiavan-drahalahy àry dia fifankahazoana am-po, toy izay misy eo amin’ny mpianakavy sy ny tena mpinamana. (Jaona 11:36) Tena mpirahalahy sy mpianadahy ary mpirahavavy isika, fa tsy mody miseho ho mpirahalahy na mpianadahy na mpirahavavy fotsiny. (Mat. 23:8) Ahoana no ahitana fa tena tiantsika ny mpiray finoana amintsika? Hoy i Paoly: “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy. Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Rom. 12:10) Manaraka ny toro lalan’Andriamanitra koa anefa isika, ka maneho an’ilay fitiavana atao hoe agape. Ho mpinamana be isika rehetra raha maneho azy io sady manana fitiavan-drahalahy.

6. Inona no atao hoe “rahalahy”, amin’ny tena Kristianina?

6 Milaza ny manam-pahaizana iray fa “ao amin’ny boky kristianina ihany no tena ahitana an’ilay teny hoe ‘fitiavan-drahalahy.’” Marina fa nantsoin’ny olona tao amin’ny Fivavahana Jiosy hoe “rahalahy”, na dia ireo tsy iray tam-po aminy aza. Tsy noheverin’izy ireo ho rahalahiny anefa ny hafa firenena. Tsy mitovy hevitra amin’izy ireo kosa ny tena Kristianina. Raisiny ho rahalahiny daholo ny mpiray finoana aminy, na inona na inona fireneny. (Rom. 10:12) Ampianarin’i Jehovah hifankatia toy ny mpirahalahy isika. (1 Tes. 4:9) Nahoana isika no tokony ho tia foana ny rahalahintsika?

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HO TIA FOANA NY RAHALAHINTSIKA?

7. a) Inona no tena antony tokony hitiavantsika ny rahalahintsika? b) Nahoana koa isika no tokony hiezaka ho tia kokoa ny rahalahintsika?

7 I Jehovah mihitsy no mandidy antsika mba ho tia ny rahalahintsika. Tsy afaka milaza isika hoe tia an’Andriamanitra, raha ny rahalahintsika aza tsy tiantsika. (1 Jaona 4:7, 20, 21) Tsy vitan’izany fa mila antsika ny rahalahintsika ary isika koa mila azy, indrindra rehefa misy olana. Fantatr’i Paoly fa tsy ho ela ny Kristianina hebreo sasany dia tsy maintsy hamoy ny tranony sy ny fananany. Efa nilaza koa i Jesosy fa tena ho mafy ny fiainana amin’izay fotoana izay. (Mar. 13:14-18; Lioka 21:21-23) Vao mainka àry nila nifankatia ireo Kristianina ireo.—Rom. 12:9.

8. Inona no tokony hataontsika dieny mbola tsy tonga ny fahoriana lehibe?

8 Tsy ho ela dia havotsotra ny rivotry ny fandringanana, ka hanomboka ny fahoriana lehibe. Mbola tsy nisy fahoriana hoatran’io mihitsy. (Mar. 13:19; Apok. 7:1-3) Tokony hankatò an’ity torohevitra ity isika amin’izay: “Mandehana miditra ao amin’ny efitranonao anatiny, ry oloko, ka hidio ny varavarana. Miafena kely vetivety, mandra-pahalasan’ny fanamelohana.” (Isaia 26:20) Mety ho ny fiangonana kristianina no tiana holazaina amin’ny hoe ‘efitrano anatiny.’ Ao isika no manompo an’i Jehovah miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavintsika. Tsy ampy anefa ny hoe miara-mivory tsy tapaka. Nampahatsiahy an’ireo Kristianina hebreo i Paoly fa tokony hifandrisika ho amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara” izy ireo rehefa mivory. (Heb. 10:24, 25) Vao mainka àry isika izao tokony ho tia ny rahalahintsika. Hanampy antsika hiatrika an’izay fitsapana sy olana mety hitranga amin’ny hoavy izany.

9. a) Inona no zava-mitranga azontsika hararaotina mba hanaporofoana fa tia ny rahalahintsika isika? b) Milazà fitantarana ahitana fa mifankatia ny vahoakan’i Jehovah.

9 Nahoana tokoa isika no tena tokony ho tia ny rahalahintsika, na dia mbola tsy tonga aza ny fahoriana lehibe? Maro ny rahalahintsika mijaly noho ny horohoron-tany, tondra-drano, rivo-doza, tsunami, na loza hafa. Ny hafa indray mijaly satria misy manohitra na manenjika. (Mat. 24:6-9) Manginy fotsiny ny fiakaran’ny vidim-piainana. Tia vola mantsy ny olona eto amin’ity tontolo ity. (Apok. 6:5, 6) Vao mainka isika afaka manaporofo hoe tia an’ireo rahalahintsika, arakaraka ny maha betsaka ny olana. Tokony hasehontsika hoe tiantsika foana izy ireo, na dia ‘mihamangatsiaka’ aza “ny fitiavan’ny olona maro.”—Mat. 24:12. [1]

TIAVO FOANA NY RAHALAHINAO

10. Inona izao no hodinihintsika?

10 Inona avy no azontsika atao mba hanaporofoana fa tiantsika foana ny rahalahintsika, na dia maro aza ny olana atrehintsika? Nitanisa zavatra maromaro azon’ny Kristianina atao i Paoly, rehefa avy nampirisika hoe: “Aoka haharitra ny fitiavanareo ny rahalahy.” Hijery enina amin’izany isika.

11, 12. Inona no dikan’ny hoe tia mandray vahiny? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

11 “Aza hadinoina ny fitiavana mandray vahiny.” (Vakio ny Hebreo 13:2.) Midika hoe ‘tsara fanahy amin’ny olon-tsy fantatra’ ilay teny grika nadika hoe ‘tia mandray vahiny.’ I Abrahama sy Lota angamba no tonga ao an-tsaintsika amin’izany. Nisy vahiny tonga tao amin’izy ireo, ary noraisiny tsara na dia tsy fantany aza. Hay anjely ireo vahiny ireo! (Gen. 18:2-5; 19:1-3) Niresaka an-kolaka momba an’i Abrahama sy Lota i Paoly, satria te hampirisika ny Kristianina hebreo ho tia mandray vahiny. Tia ny rahalahiny izy ireo raha manao izany.

12 Tia mandray vahiny ve isika ka manasa olona ho any amintsika, ohatra hoe mba hisakafo na hiresadresaka sy hifampahery? Tsy voatery hanao sakafo be na handany vola be isika vao azo lazaina hoe tia mandray vahiny. Tsy mety koa raha izay olona afaka mamaly soa antsika ihany no asaintsika. (Lioka 10:42; 14:12-14) Ny hifampahery no tanjontsika fa tsy ny hisehoseho. Mazoto mampiantrano ny mpiandraikitra ny faritra ve, ohatra, isika na manasa azy hisakafo, na dia mbola tsy tena mifankazatra amintsika aza izy? (3 Jaona 5-8) Marina fa tsy mora ny fiainana sady mirotoroto lava, nefa miezaha ho ‘tia mandray vahiny.’

13, 14. Inona no hataontsika raha ‘mahatsiaro an’ireo mifatotra any am-ponja’ isika?

13 “Tsarovy ireo mifatotra any am-ponja.” (Vakio ny Hebreo 13:3.) Tsy izay olona rehetra migadra no tian’i Paoly horesahina eo, fa ireo Kristianina migadra noho ny finoany. Efa nigadra efa-taona teo ho eo i Paoly tamin’izy nanoratra an’ireo teny ireo. (Fil. 1:12-14) Noderainy ny Kristianina hebreo satria “nangoraka an’ireo tany am-ponja.” (Heb. 10:34) Marina fa nisy mpiray finoana tonga nanampy an’i Paoly tamin’izy nigadra. Tsy afaka nankany aminy kosa ny Kristianina hebreo. Inona àry no azon’izy ireo natao mba hahatsiarovana an’i Paoly? Afaka nivavaka imbetsaka ho azy izy ireo.—Heb. 13:18, 19.

14 Maro koa ankehitriny ny Vavolombelona migadra noho ny finoany, ary manampy azy ireny ny rahalahy sy anabavy eny akaikin’ilay fonja. Tsy afaka mankany kosa ny maro amintsika. Inona àry no hataontsika raha tia an’ireny Kristianina tsy mivadika ireny isika sady miara-ory aminy? Afaka mivavaka ho azy ireny foana isika, sady mitalaho amin’i Jehovah mba hanampy azy. Tsaroantsika foana ve, ohatra, ireo rahalahy sy anabavy migadra any Érythrée? Eo, ohatra, ny Rahalahy Paulos Eyassu sy Isaac Mogos ary Negede Teklemariam, izay efa 20 taona mahery nigadrana. Misy ankizy migadra koa aza any.

15. Inona no tokony hataontsika raha manaja ny fanambadiana isika?

15 “Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana.” (Vakio ny Hebreo 13:4.) Tia an’ireo rahalahintsika isika ka miezaka hadio fitondran-tena foana. (1 Tim. 5:1, 2) Misy anefa rahalahy na anabavy mijangajanga amin’ny mpiray finoana aminy na amin’ny mpianakavin’ny mpiray finoana aminy. ‘Manimba ny rahalahiny’ izay manao izany, ary ‘manitsakitsaka ny zony.’ Mety hahatonga ny mpiray finoana tsy hifampatoky intsony izany. (1 Tes. 4:3-8) Eritrereto koa hoe inona no ho tsapan’ny anabavy iray raha fantany hoe mijery sary vetaveta ny vadiny. Tia azy sy manaja ny fanambadiana ve ilay vadiny, raha manao an’izany?—Mat. 5:28.

16. Nahoana isika no ho tia an’ireo rahalahintsika raha mahay mianina?

16 “Aoka ianareo hianina amin’izay efa eo.” (Vakio ny Hebreo 13:5.) Hahay hianina na ho afa-po amin’izay ananantsika isika, raha matoky an’i Jehovah. Tsy ho tia vola isika raha mahay mianina. (1 Tim. 6:6-8) Tsy hatakalontsika vola aman-karena koa ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy amin’ny mpiray finoana amintsika. Tsy be taraina na be menomenona na tia manakiana ny olona mahay mianina. Tsy mialona na mitsiriritra koa izy, satria mety hahatonga azy tsy ho tia ny rahalahiny izany. Tia manome kosa izy.—1 Tim. 6:17-19.

17. Inona no ho vokany raha be herim-po isika?

17 Miezaha ho “be herim-po.” (Vakio ny Hebreo 13:6.) Raha matoky an’i Jehovah isika, dia ho be herim-po, na inona na inona olana mahazo antsika. Tsy ho mora kivy isika amin’izay ka ho afaka hampiseho hoe tia ny rahalahintsika, ary hahavita hampahery sy hampionona azy. (1 Tes. 5:14, 15) Hahavita hijoro sy hitraka koa isika amin’ny fahoriana lehibe, na dia io aza no fotoana manjombona indrindra eo amin’ny tantara. Fantatsika mantsy fa efa akaiky ny fanafahana antsika.—Lioka 21:25-28.

Mankasitraka an’izay ataon’ny anti-panahy ho antsika ve ianao? (Fehintsoratra 18)

18. Inona no hanampy antsika ho tia kokoa an’ireo anti-panahy?

18 “Tsarovy ireo mitarika eo aminareo.” (Vakio ny Hebreo 13:7, 17.) Miasa mafy ho antsika ny anti-panahy nefa tsy mandray karama. Vao mainka isika ho tia sy hankasitraka azy ireo, rehefa misaintsaina an’izany. Tsy hanao zavatra mampalahelo na mampisento azy ireo mihitsy isika. Hankatò sy hanaiky azy ireo kosa isika, satria ‘manaja fatratra azy ireo amim-pitiavana, noho izay ataony.’—1 Tes. 5:13.

TOHIZO HATRANY IZANY ARY ATAOVY BEBE KOKOA

19, 20. Inona avy no azontsika atao mba hanaporofoana fa tena tia an’ireo rahalahintsika isika?

19 Malaza ho tia ny mpiara-mivavaka aminy ny vahoakan’i Jehovah. Efa toy izany koa ny tamin’ny andron’i Paoly. Mbola nampirisika ny rehetra anefa izy ‘mba hanohy hanao izany bebe kokoa.’ (1 Tes. 4:9, 10) Afaka miezaka ho tia ny rahalahintsika foana àry isika.

20 Isaky ny mijery ny andinin-teny ho an’ny taona ianao, dia saintsaino ireto: ‘Afaka miezaka kokoa ho tia mandray vahiny ve aho? Inona no azoko atao ho an’ireo rahalahy sy anabavy migadra? Tena manaja ny fanambadiana ve aho? Inona no hanampy ahy hahay hianina? Inona no hanampy ahy hatoky kokoa an’i Jehovah? Ahoana no hanaporofoako fa mankatò an’ireo anti-panahy aho?’ Ampiharo ireo torohevitra enina nodinihintsika tato, dia tsy ho haingon’ny Efitrano Fanjakana fotsiny ilay andinin-teny ho an’ny taona. Hampahatsiahy antsika kosa izy io hoe tokony ho tia ny rahalahintsika foana isika.—Heb. 13:1.

^ [1] (fehintsoratra 9) Mifanampy ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa misy loza. Jereo, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2002, pejy 8-9, sy ny boky Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra, toko 19.