Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kenneth Cook sy Jamie vadiny

Niampy Iray ny Rahalahy ao Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Niampy Iray ny Rahalahy ao Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

FALY be ny fianakavian’ny Betela any Etazonia sy Kanada, tamin’ny alarobia 24 Janoary 2018. Nisy fampandrenesana manokana mantsy tamin’io maraina io, hoe lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Rahalahy Kenneth Cook.

Teraka tany Pennsylvanie, any Etazonia, ny Rahalahy Cook, ary tany koa izy no lehibe. Mpiara-mianatra taminy no nahalalany ny fahamarinana, taloha kelin’ny nahavitany ny fianarany teny amin’ny lise. Natao batisa izy tamin’ny 7 Jona 1980. Nanomboka nanao mpisava lalana maharitra izy, tamin’ny 1 Septambra 1982. Rehefa avy nanao mpisava lalana roa taona izy, dia nantsoina hanompo tany amin’ny Betelan’i Wallkill, any New York. Tamin’ny 12 Oktobra 1984 izy no nanomboka niasa tany.

Nanao asa isan-karazany tao amin’ny Fanontam-pirinty sy ny Biraon’ny Betela izy, nandritra ny 25 taona. Nivady izy sy Jamie tamin’ny 1996, dia lasa nanompo tany amin’ny Betelan’i Wallkill koa i Jamie. Nasaina nifindra tany amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana, any Patterson, any New York, izy mivady tamin’ny Desambra 2009. Voatendry hanampy ny Sampan’asan’ny Famaliana Taratasy ny Rahalahy Cook tany. Niverina vetivety tany Wallkill izy mivady, ary avy eo nasaina nifindra tany Brooklyn, any New York, tamin’ny Aprily 2016. Nafindra tany amin’ny foibe any Warwick, any New York, izy ireo dimy volana taorian’izay. Voatendry ho mpanampy ny Komitin’ny Fanoratana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana ny Rahalahy Cook, tamin’ny Janoary 2017.