Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Izay Tokony ho Nataoko Ihany no Nataoko

Izay Tokony ho Nataoko Ihany no Nataoko

MPISOLOVAVA ny Rahalahy Donald Ridley, ary niaro ny Vavolombelon’i Jehovah teny amin’ny fitsarana nandritra ny 30 taona mahery. Tena nanampy tamin’ny fiarovana ny zon’ny marary tsy hanaiky hampidiran-dra izy. Nahazo fandresena maromaro tany amin’ny fitsarana tampony tany Etazonia ny fandaminana, noho ny asa nataony. Don no fiantsoan’ny namany azy. Nazoto niasa sy nanetry tena ary nahafoy tena izy.

Fantatra tamin’ny 2019 hoe voan’ny aretina tsy misy fanafany i Don. Nihombo haingana be ilay aretina, dia maty izy tamin’ny 16 Aogositra 2019. Ho hitanao ato ny tantarany.

Tamin’ny 1954 aho no teraka, tany Saint Paul, any Minnesota. Katolika ny fianakaviako ary tsy dia nanan-karena izahay nefa koa tsy nahantra. Dimy mianadahy izahay, dia izaho no faharoa. Tany amin’ny sekoly katolika aho no nianatra tamin’ny mbola kely, ary mpiserivy lamesa aho tamin’izany. Zara raha nahay Baiboly anefa aho. Nino aho hoe misy Andriamanitra ary izy no namorona an’izao rehetra izao, saingy nieritreritra aho hoe tsy ny Fivavahana Katolika no hanampy ahy hanompo azy.

NIANATRA NY FAHAMARINANA AHO

Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amiko, tamin’ny taona voalohany nianarako lalàna. Sahirana nanasa lamba aho tamin’izay, dia noteneniko ry zareo hoe aleo amin’ny manaraka. Nametrahako fanontaniana roa ry zareo rehefa niverina. Ny iray hoe: “Fa maninona ny ratsy fanahy no tafita kokoa noho ny tsara fanahy?” Dia ny iray hoe: “Inona no hatao mba ho sambatra?” Nomen-dry zareo an’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay aho, dia nomeny an’ilay Baiboly hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Maitsomaitso tsara tarehy ilay Baiboly! Nanaiky hianatra Baiboly koa aho, dia nahalala zavatra be dia be. Tena faly aho nahafantatra hoe ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny tany amin’ny hoavy. Niaiky aho hoe tsy mahomby mihitsy ny fitondran’olombelona. Mahatonga ny olona hijaly sy hiharan’ny tsy rariny fotsiny izy ireny.

Nanokan-tena ho an’i Jehovah aho teo am-piandohan’ny taona 1982. Natao batisa aho taoriana kelin’izay, tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Ny Fahamarinan’ilay Fanjakana.” Tao amin’ny tranom-pokonolona tany Saint Paul ilay izy no natao. Niverina tany amin’ilay tranom-pokonolona aho ny herinandro nanaraka. Tao mantsy no natao ny fanadinana ho an’izay te ho lasa mpisolovava. Henoko tamin’ny voalohandohan’ny volana Oktobra hoe afa-panadinana aho, dia afaka nanao mpisolovava amin’izay.

Nihaona tamin’i Mike Richardson aho tamin’ilay fivoriambe. Betelita tany Brooklyn izy. Nolazainy tamiko hoe lasa nisy sampan-draharaha momba ny lalàna any amin’ny foibe. Tadidiko ny tenin’ilay tandapa etiopianina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:36 tamin’izay, dia nieritreritra aho hoe: ‘Inona no misakana ahy tsy hiasa ao amin’izany sampan-draharaha izany?’ Nandefa fangatahana hanompo ao amin’ny Betela àry aho.

Tsy faly i Dada sy Neny hoe lasa Vavolombelon’i Jehovah aho. Nanontany ahy i Dada raha mba misy tombontsoa ho azoko amin’izany miasa any amin’ny Betela izany. Nohazavaiko taminy hoe asa an-tsitrapo no hataoko any, ary homena vola fanampiana kely aho isam-bolana.

Tamin’ny 1984 aho no nanomboka nanompo tao amin’ny Betela tany Brooklyn, any New York. Nisy asa efa nekeko hatao anefa talohan’izay, dia namita an’izay aloha aho vao nankany amin’ny Betela. Voatendry hiasa tao amin’ny Birao Momba ny Lalàna aho. Nety be ilay izy satria vao avy niasa teny amin’ny fitsarana aho tamin’izay.

NOHAVAOZINA NY STANLEY THEATER

Ny Stanley Theater, tamin’izy vao novidina

Tamin’ny Novambra 1983 no novidin’ny fandaminana ny Stanley Theater. Any amin’ny Tanànan’i Jersey, any New Jersey, no misy azy io. Nila nohavaozina ny elektrisite sy ny fantson-drano tao amin’ilay trano, dia nangataka alalana hanao an’izany ireo rahalahy. Nohazavain’izy ireo tamin’ny manam-pahefana hoe hatao trano fanaovana fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay izy. Tsy nanaiky anefa ny manam-pahefana. Araka ny lalàna mifehy an’ilay tanàna mantsy, dia any amin’ny faritra misy trano fonenana ihany no tokony hisy trano fivavahana. Ny Stanley Theater anefa teny amin’ny toerana be fivarotana sy toeram-piasana. Niverina nangataka alalana ireo rahalahy fa mbola tsy nahazo ihany.

Nampakarin’ny fandaminana teny amin’ny fitsarana àry ny raharaha. Ny herinandro voalohany niasako tao amin’ny Betela tamin’izay. Tsy vaovao tamiko ny raharaham-pitsarana hoatr’izany, satria vao avy niasa roa taona teny amin’ny fitsarana tany Saint Paul aho. Nilaza ny iray tamin’ny mpisolovavan’ny fandaminana hoe: “Efa nampiasaina hanaovana rindran-kira ilay trano, dia nijerena filma sy nanaovana zavatra hafa hoatr’izany. Koa maninona no tsy azo ampiasaina rehefa fivavahana?” Nandinika an’ilay olana ny fitsarana, dia nilaza hoe nanao tsinontsinona ny fahalalahana ara-pivavahana ananantsika ny Tanànan’i Jersey. Namoaka didy koa ilay fitsarana hoe tsy maintsy omen’izy ireo alalana hanao an’ilay fanavaozana isika. Tamin’izay no nanomboka hitako hoe tahin’i Jehovah ny fandaminana rehefa mampiasa ny lalàna mba hampandrosoana ny asany. Faly erỳ aho hoe nandray anjara tamin’ilay izy!

Nohavaozina be ilay trano dia natao efitrano fivoriambe. Tsy ampy herintaona taorian’izay dia nampiasaina hizarana diplaoma ilay izy. Tao no nozaraina ny diplaoman’ny kilasy faha-79 amin’ny Sekolin’i Gileada, tamin’ny 8 Septambra 1985. Faly be aho hoe afaka nanampy tamin’ny resaka lalàna mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Nahafa-po ahy kokoa noho ny asa nataoko teo aloha ilay izy. Tsy nampoiziko hoe hay mbola ho betsaka ny tombontsoa homen’i Jehovah ahy!

NIARO NY ZON’NY MARARY MBA TSY HAMPIDIRAN-DRA

Nisy olana nitranga teo anelanelan’ny 1980 sy 1990. Rehefa nangataka tsy hampidiran-dra ny Vavolombelon’i Jehovah iray efa ampy taona, dia matetika no tsy niraharaha an’izany ny dokotera sy ny hopitaly. Ny vehivavy bevohoka no tena sahirana, satria matetika ny mpitsara no nieritreritra hoe tsy manan-jo handa fampidiran-dra ry zareo. Mety ho faty mantsy, hono, ilay reny raha tsy ampidiran-dra ka ho kamboty ilay zaza.

Nandeha ra be ny Ranabavy Nicoleau rehefa avy niteraka lahikely, tamin’ny 29 Desambra 1988. Nidina ho ambanin’ny 5 ny fatran’ny hemoglobinina tao amin’ny vatany, ka natahorana ho faty izy. Nanontany azy àry ny dokoterany hoe azo ampidiran-dra ve izy. Tsy nanaiky anefa ny Ranabavy Nicoleau. Nangataka tamin’ny mpitsara ny hopitaly ny ampitso maraina mba homena alalana hampiditra ra aminy. Tonga dia nanaiky ilay mpitsara nefa tsy nilazany akory ny Ranabavy Nicoleau na ny vadiny, sady tsy navela hanazava ny heviny.

Nampidiran-dra ihany ny Ranabavy Nicoleau ny zoma 30 Desambra, na dia tsy nanaiky mihitsy aza ny vadiny sy izay havany niaraka taminy teo. Nosamborin’ny polisy ny havany maromaro sy ny anti-panahy sasany ny harivan’iny. Nendrikendrehina mantsy ry zareo hoe nihodidina ny fandrianan’ny Ranabavy Nicoleau, dia nisakana ny dokotera tsy hampiditra ra taminy. Nivoaka tamin’ny vaovao tany New York sy Long Island izany ny marainan’ny asabotsy 31 Desambra.

Izahay sy Philip Brumley, tamin’ny mbola tanora

Nankany amin’ny mpitsara tany amin’ny fitsarana ambony aho ny alatsinainy maraina. Milton Mollen no anarany. Noresahiko taminy ny tsipiriany momba an’ilay raharaha sady nantitranteriko hoe tonga dia nanome alalana ny fitsarana nefa tsy nohenoiny akory ny Ranabavy Nicoleau sy ny vadiny. Nasain’Atoa Mollen nankany amin’ny biraony aho tamin’ny tolakandro mba hiara-midinika an’ilay raharaha sy ny lalàna mifandray amin’izany. Niaraka nankany izahay sy Philip Brumley, mpiandraikitra anay. Nasain’Atoa Mollen ho tonga koa ny mpisolovavan’ny hopitaly. Nafana ny adihevitra! Nisy fotoana ny Rahalahy Brumley nanoratra tamin’ny fandraisany an-tsoratra hoe: “Moramora ihany!”, dia nasehony ahy ilay izy. Soa ihany izy fa nampahatsiahy an’izany! Nafana fo be mantsy aho rehefa niezaka nanaporofo hoe diso ilay mpisolovavan’ny hopitaly.

Avy eo ankavia miankavanana: Richard Moake, Gregory Olds, Paul Polidoro, Philip Brumley, izaho, ary Mario Moreno. Ireo izahay no mpisolovava nanatrika ny fanazavana an’ilay raharaha Watchtower miady amin’ny Tanànan’i Stratton teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony Amerikanina.​—Jereo ny Mifohaza! 8 Janoary 2003

Nilaza Atoa Mollen rehefa afaka adiny iray teo ho eo hoe io raharaha io no hodinihina voalohany ny ampitso maraina. Rehefa nivoaka ny biraony izahay, dia nilaza izy hoe “ho mafimafy ny ady miandry” an’ilay mpisolovavan’ny hopitaly. Fantatray àry hoe tsy ho mora aminy ny hiaro an’ilay hopitaly. Hoatran’ny nanome toky ahy i Jehovah hoe tsy ho sarotra aminay ny handresy. Tena nahavariana ny fomba nampiasan’i Jehovah anay mba hanatanterahana ny sitrapony.

Niasa alina izahay nanomana an’izay holazaina ny ampitso. Tsy lavitra ny Betelan’i Brooklyn ny fitsarana, dia nandeha an-tongotra nankany ny ankamaroan’ny ekipa kelinay. Rehefa avy nihaino anay ireo mpitsara efatra, dia nanapa-kevitra hoe tsy tokony ho nampidiran-dra ny Ranabavy Nicoleau. Nanome rariny ny anabavintsika ilay fitsarana. Nilaza koa izy io fa izay mamoaka didy momba ny olona iray nefa tsy mihaino ny heviny akory, dia manao tsinontsinona ny zo fototra arovan’ny lalàm-panorenana.

Tsy ela taorian’izay dia nohamafisin’ny fitsarana tampony tao New York hoe zon’ny Ranabavy Nicoleau ny hahazo fitsaboana tsy misy fampidiran-dra. Efatra amin’io ny raharaham-pitsarana nandraisako anjara mifandray amin’ny fampidiran-dra ka nentina teny amin’ny fitsarana tampony. (Jereo ilay hoe “ Fandresena Teny Amin’ny Fitsarana Tampony.”) Nanampy ny mpisolovava tao amin’ny Betela koa aho rehefa nisy raharaha nokarakarain-dry zareo mifandray amin’ny tany, trano, fisaraham-panambadiana, ary zo hikarakara zanaka.

NANORIN-TOKANTRANO AHO

Izahay sy Denise

Efa nisara-panambadiana i Denise tamin’izahay nihaona voalohany, ary nanan-janaka telo. Sady niasa izy no nanao mpisava lalana. Tena tsy mora ny fiainany. Nampiaiky ahy ny nahita azy tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah. Nanatrika an’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Ireo Mpitondra Fahazavana”, tany New York, izahay tamin’ny 1992. Noresahiko izy tany hoe te hiaraka aminy aho. Nivady izahay herintaona taorian’izay. Tena fanomezana avy amin’i Jehovah i Denise! I Jehovah foana no ataony loha laharana sady tia vazivazy izy. Betsaka ny soa nataony tamiko hatramin’izay nivadianay izay.​—Ohab. 31:12.

Tamin’izahay nivady, dia 11 sy 13 ary 16 taona izy telo mianadahy. Te hikarakara tsara an-dry zareo aho, dia novakiko tsara sy nampihariko daholo izay nolazain’ny bokintsika momba ny raikely. Nisy olana ihany aloha e! Faly anefa aho satria lasa nandray ahy ho namana azo itokisana sy dada be fitiavana ry zareo. Navelanay mivady hanasa ny namany foana ry zareo, dia lasa feno tanora mavitribitrika tao an-trano. Nahafinaritra erỳ tamin’izany!

Nifindra teto Wisconsin izahay sy Denise tamin’ny 2013 mba hikarakara ny ray aman-dreninay. Efa be taona mantsy ry zareo. Gaga aho fa mbola afaka niasa tany amin’ny Betela ihany. Mpiasa an-tsitrapo tsy maharitra aho, dia nanampy ny fandaminana mba handamina raharaham-pitsarana.

NIOVA TAMPOKA NY FIAINAKO!

Lasa nikohaka matetika aho tamin’ny Septambra 2018, dia nankany amin’ny dokoteranay. Tsy hitany mihitsy anefa hoe inona ilay olana. Nijery dokotera hafa aho tatỳ aoriana, dia nilaza izy hoe aleo mankany amin’ny manam-pahaizana manokana. Nandeha nijery manam-pahaizana aho tamin’ny Janoary 2019, dia nilaza izy fa aretina tsy fahita firy angamba no nahazo ahy. Hisy vokany be amin’ny vatako manontolo koa, hono, ilay izy.

Nanao spaoro aho telo andro tatỳ aoriana. Tena nanavanana ahy izy io sady tiako be ary efa fanaoko hatramin’izay. Nianjera anefa aho dia tapaka ny hatotanako. Tamin’izay aho no tonga saina hoe nanomboka tsy nahafehy ny fihetsiky ny vatako intsony. Gaga aho fa nihombo haingana be ilay aretiko. Lasa sahirana be aho rehefa niteny sy nihetsika ary nitelina sakafo.

Faly be aho fa afaka nampiasa ny fahaizako lalàna mba hampandrosoana ny asan’i Jehovah, na dia kely ihany aza no vitako. Faly koa aho hoe nanoratra lahatsoratra be dia be, ary navoaka tao amin’ny gazety natao ho an’ny dokotera sy ny mpahay lalàna izy ireny. Nitety tany koa aho dia nanao famelabelarana hiarovana ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba tsy hampidiran-dra rehefa tsaboina na didiana. Na izany aza, dia marina mihitsy ny voalazan’ny Lioka 17:10. ‘Mpanompo tsy mahasoa aho, fa izay tokony ho nataoko no nataoko.’