LAHATSORATRA FIANARANA 28
Aza Mifaninana fa Miezaha Hihavana
“Aoka isika tsy hirehareha ka hampisy fifaninanana sy fifampialonana.”—GAL. 5:26.
HIRA 101 Miara-miasa sy Miray Saina
HO HITANAO ATO *
1. Inona no ataon’ny olona tia mifaninana?
BETSAKA ny olona tia tena eto amin’ity tontolo ity ka lasa tia mifaninana. Mety ho sahy hanao zavatra ratsy amin’ny mpifaninana aminy, ohatra, ny mpandraharaha iray mba hisongonana azy ireo. Mety hanao fanahy iniana handratra ny mpilalao ao amin’ny ekipa mifanandrina aminy koa ny mpanao fanatanjahan-tena iray satria te handresy. Mety hifraody koa ny mpianatra te hiditra amin’ny oniversite malaza iray, satria be dia be ny mifaninana hiditra ao. Kristianina isika ka fantatsika hoe ratsy ireo satria anisan’ny “asan’ny nofo.” (Gal. 5:19-21) Ny mpanompon’i Jehovah ve anefa mety hifaninana amin’ny hafa na hahatonga ny hafa hifaninana, na dia tsy tonga saina amin’izany aza? Tena tsara ny mandinika an’izany, satria mety tsy hiray saina ny fiangonana raha misy tia mifaninana ao.
2. Inona no hodinihintsika ato?
2 Horesahintsika ato hoe inona no toetra ratsy mety hahatonga antsika hifaninana amin’ny hafa. Handinika tantaran’ny mpanompon’i Jehovah tsy tia nifaninana koa isika. Andao anefa aloha hojerentsika hoe inona no mety hahatonga antsika hanao zavatra sasany.
DINIHO HOE INONA NO MAHATONGA ANAO HANAO ZAVATRA
3. Inona ny fanontaniana tokony hoeritreretintsika?
3 Tsara indraindray ny mandinika ny antony mahatonga antsika hanao zavatra. Eritrereto, ohatra, hoe: ‘Mampitaha tena amin’ny hafa ve aho mba hahitako hoe misy vidiny aho? Inona no mahatonga ahy hiezaka be ao amin’ny fiangonana? Satria ve tiako hoe izaho foana no mahavita zavatra tsara indrindra? Sa izaho te hahatsapa hoe mahay kokoa noho ny rahalahy na anabavy iray, fara faharatsiny? Sa te hanome ny tsara
indrindra ho an’i Jehovah fotsiny aho?’ Tokony hieritreritra an’ireo isika. Nahoana?4. Fa maninona isika no tsy tokony hampitaha tena amin’ny hafa, araka ny Galatianina 6:3, 4?
4 Milaza ny Baiboly hoe tsy tokony hampitaha tena amin’ny olon-kafa isika. (Vakio ny Galatianina 6:3, 4.) Fa maninona? Satria mety hanambony tena isika raha mieritreritra hoe mahay kokoa noho ny hafa na tsara kokoa noho ny hafa. Mety ho kivy kosa isika raha mahita hoe mahay kokoa noho isika ny olon-kafa, na tsara kokoa noho isika. Ratsy foana àry ny mampitaha tena amin’ny hafa. Tsy misaina tsara isika raha manao an’izany. (Rom. 12:3) Izao no nolazain’i Katerina, * anabavy any Gresy: “Nampitaha tena tamin’ny olon-kafa foana aho taloha, ohatra hoe tamin’ny olona noeritreretiko hoe manja kokoa noho izaho, na mahita vokatra kokoa noho izaho rehefa manompo, na tamin’ny olona mora mahazo namana kokoa noho izaho. Lasa nieritreritra aho hoe tsy misy dikany mihitsy.” Tsy maintsy mitadidy anefa isika hoe tsy noho isika tsara tarehy na be mpitia, na noho isika mahay maneho hevitra no nahatonga an’i Jehovah hitaona antsika hanompo azy. Notaominy kosa isika satria vonona ho tia azy sy hihaino ny Zanany.—Jaona 6:44; 1 Kor. 1:26-31.
5. Inona no ianaranao avy amin’ny Rahalahy Hyun?
5 Afaka mieritreritra koa isika hoe: ‘Tia mitandro fihavanana ve no ahalalana ahy sa mpiady aman’olona?’ Eritrereto i Hyun, anti-panahy mipetraka any Korea Atsimo. Nisy fotoana noraisiny ho mpifaninana taminy ny rahalahy sasany nanana andraikitra. Izao no nolazainy: “Nanakiana an’ireny rahalahy ireny aho ary matetika aho no nanohitra an’izay noteneniny.” Inona no vokany? Niaiky izy hoe: “Lasa tsy niray saina ny fiangonana noho ny nataoko.” Nampian’ny namany sasany i Hyun mba ho tonga saina. Niova izy tatỳ aoriana, ary anti-panahy tena mahafinaritra izy izao. Ary ianao? Hitanao ve hoe tia mifaninana ianao fa tsy miezaka hampisy fihavanana? Raha izany, dia tsy maintsy miezaka miova haingana ianao.
TANDREMO SAO MIREHAREHA SY MIALONA
6. Inona no toetra ratsy mety hahatonga antsika ho tia mifaninana, araka ny Galatianina 5:26?
6 Vakio ny Galatianina 5:26. Inona ny toetra ratsy mety hahatonga antsika ho tia mifaninana? Anisan’ny mety hahatonga an’izany ny fireharehana. Tia tena ny olona mirehareha. Mety hahatonga antsika ho tia mifaninana koa ny fialonana. Tsy hoe te hahazo an’izay ananan’ny hafa fotsiny ny olona mialona, fa tiany koa raha tsy manana an’izany intsony izy ireo. Karazana fankahalana ihany àry ny fialonana. Azo antoka fa tsy te hanana an’ireo toetra ratsy ireo mihitsy isika.
7. Inona no voka-dratsin’ny fireharehana sy ny fialonana? Hazavao amin’ny ohatra.
7 Azo ampitahaina amin’ny loto ao amin’ny solika mampandeha ny raoplanina ny fireharehana sy ny fialonana. Hahavita hanainga ihany angamba ilay raoplanina. Mety ho tsentsin’ireny loto ireny anefa ny fantsona mitondra an’ilay solika. Hampihena ny herin’ilay raoplanina izany rehefa hidina izy ka hampianjera azy. Hoatr’izany koa no manjo ny olona iray raha mialona sy mirehareha izy. Mety hahavita hanompo an’i Jehovah ihany izy, nefa ho lavo amin’ny farany. (Ohab. 16:18) Tsy hanompo an’i Jehovah intsony izy, ka hisy vokany ratsy aminy sy amin’ny olon-kafa izany. Inona àry no azontsika atao mba tsy hirehareha sy hialona?
8. Inona no hanampy antsika tsy hirehareha?
8 Hahavita tsy hirehareha isika raha mitadidy ny torohevitry ny apostoly Paoly ho an’ny Fil. 2:3) Mety hisy rahalahy na anabavy mahay noho isika. Raha mihevitra an-dry zareo ho ambony noho isika anefa isika, dia tsy hifaninana aminy. Ho faly kosa aza isika, indrindra raha ampiasainy mba hanompoana an’i Jehovah sy hiderana azy izany fahaizana izany. Ary raha manaraka ny torohevitr’i Paoly ry zareo, dia hahita ny toetra tsarantsika sy hifantoka amin’izany. Hanampy ny fiangonana mba hihavana sy hiray saina isika rehetra amin’izay.
Filipianina hoe: “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny fireharehana, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.” (9. Inona no azontsika atao mba tsy hialona?
9 Hahavita tsy hialona ianao raha miaiky hoe voafetra ny zavatra hainao sy vitanao. Raha miaiky an’izany ianao, dia tsy hiezaka hanaporofo hoe mahay kokoa noho ny olona rehetra. Hiezaka kosa ianao mba hianatra avy amin’izay mahay kokoa noho ianao. Eritrereto, ohatra, hoe mahay manao lahateny be ny rahalahy iray. Afaka manontany azy angamba ianao hoe ahoana no fomba fanomanany lahateny. Ary ahoana raha misy anabavy tena mahay mahandro sakafo? Azonao anontaniana izy raha manana soso-kevitra hanampiana anao hahay hahandro kokoa. Ahoana indray raha sarotra amin’ny tanora iray ny mahita namana? Afaka mangataka torohevitra amin’ny mpiara-manompo mora mahazo namana izy. Raha manao an’ireo isika, dia hahavita tsy hialona sady hampitombo ny fahaizantsika.
MIANARA AVY AMIN’NY OLONA RESAHIN’NY BAIBOLY
10. Inona ny olana nahazo an’i Gideona?
10 Eritrereto ny nanjo an’i Gideona. Avy amin’ny fokon’i Manase izy. Nandresy tamin’ny ady iray izy sy ireo 300 lahy niaraka taminy satria nampian’i Jehovah. Afaka nirehareha tamin’izany ry zareo. Nankany amin’i Gideona ny lehilahy avy amin’ny fokon’i Efraima avy eo. Tsy hidera azy anefa no nahatongavan-dry zareo tany fa hila ady taminy. Tsy hatramin’ny voalohany mantsy i Gideona no niantso an-dry zareo mba hiaraka hiady amin’ny fahavalon’Andriamanitra, dia nandratra ny hambom-pon’Mpits. 8:1.
izy ireo izany. Nieritreritra loatra hiaro ny voninahitry ny fokony ireo Efraimita ireo. Lasa hadinon-dry zareo àry hoe misy zava-dehibe kokoa noho izany. Vao avy nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah i Gideona sady niaro ny vahoakany.—11. Inona no navalin’i Gideona an’ireo lehilahy avy amin’ny fokon’i Efraima?
11 Nanetry tena i Gideona ka nilaza tamin’ireo lehilahy avy amin’ny fokon’i Efraima hoe: “Fa inona moa no mba vitako raha ampitahaina amin’ny vitanareo?” Nampahatsiahiviny an’ireo lehilahy ireo avy eo hoe efa nahavita zavatra niavaka ry zareo satria nampian’i Jehovah. Lasa “tony ny fahatezeran’izy ireo” vokatr’izany. (Mpits. 8:2, 3) Vonona hanetry tena i Gideona mba hahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hihavana tsara foana.
12. Inona no ianarantsika avy amin’ny Efraimita sy Gideona?
12 Afaka mandray lesona avy amin’io tantara io isika. Ianarantsika avy amin’ny Efraimita hoe ny hanome voninahitra an’i Jehovah no tokony hifantohantsika, fa tsy izay hahazoantsika voninahitra. Afaka mandray lesona avy amin’i Gideona koa ny loham-pianakaviana sy ny anti-panahy. Ahoana raha tezitra amin’ny zavatra nataonao ny olona iray? Miezaha hahazo hoe fa maninona izy no tezitra. Afaka midera azy amin’izay zavatra tsara nataony koa ianao. Mila manetry tena ianao raha te hahavita an’izany, indrindra raha mazava hoe ilay olona no diso. Aleo miezaka hihavana, toy izay hanaporofo hoe ny anao no marina.
13. Inona ny olana nahazo an’i Hana, ary ahoana no niatrehany an’izany?
13 Eritrereto koa i Hana. Levita antsoina hoe Elkana no vadiny, ary tia be azy i Elkana. Nanana vady hafa koa anefa i Elkana. Penina no anarany. I Hana no tian’i Elkana kokoa noho i Penina. Nanan-janaka anefa i Penina, fa i Hana kosa tsy mba nanana. “Nanorisory azy mafy” àry i Penina, “mba hahamenatra azy.” Inona no vokatr’izany? Nalahelo be i Hana “ka nitomany sy tsy nahahinan-kanina.” (1 Sam. 1:2, 6, 7) Tsy miresaka mihitsy anefa ny Baiboly hoe namaly faty i Hana. Naborany tamin’i Jehovah kosa ny tao am-pony, ary natoky izy hoe hanampy azy i Jehovah. Niova ve i Penina taorian’izay? Tsy milaza an’izany ny Baiboly. Fantatsika anefa hoe lasa tony i Hana, ary hoatr’izany foana izy taorian’izay. “Hita tamin’ny endriny fa tsy niady saina intsony izy.”—1 Sam. 1:10, 18.
14. Inona no ianarantsika avy amin’i Hana?
14 Inona no ianarantsika avy amin’i Hana? Raha misy olona mitady hifaninana aminao, dia tadidio hoe tsy voatery hanaraka ny ataony ianao ka hifaninana aminy koa. Aleo mihavana aminy toy izay mamaly faty. (Rom. 12:17-21) Ho tony foana ianao amin’izay, na dia tsy miova aza izy.
15. Inona no nampitovy an’i Apolosy sy Paoly?
15 Hodinihintsika farany hoe inona no azontsika ianarana avy amin’ilay mpianatra antsoina hoe Apolosy sy ny apostoly Paoly. Samy nahay ny Soratra Masina izy roa lahy. Samy fantatr’olona sy tena nahay nampianatra koa ry zareo. Tsy izay ihany fa na i Apolosy na i Paoly, dia samy nahavita nanampy olona be dia be mba ho lasa mpianatr’i Jesosy. Tsy nifampialona anefa izy roa lahy.
16. Hoatran’ny ahoana i Apolosy?
16 “Teratany avy any Aleksandria” i Apolosy. Nalaza be io toerana io tamin’ny taonjato voalohany, ary betsaka ny olona nankany mba hianatra. “Nahay nandaha-teny” koa izy “sady tena nahay Soratra Masina.” (Asa. 18:24) Nisy fotoana i Apolosy nanompo tany Korinto. Nasehon’ny mpiara-manompo sasany tany hoe naleon-dry zareo i Apolosy toy izay rahalahy hafa, anisan’izany i Paoly. (1 Kor. 1:12, 13) Tena nampisara-bazana izany. Nankasitraka an’izany toe-tsaina izany ve i Apolosy? Azo antoka fa tsia. Nampirisika azy mba hiverina tany Korinto mantsy i Paoly tatỳ aoriana. (1 Kor. 16:12) Tsy ho nanao an’izany mihitsy izy raha tsapany hoe nampisara-bazana an’ilay fiangonana i Apolosy. Hita avy amin’izany fa nampiasa tsara ny fahaizany i Apolosy. Nampiasa an’izany izy mba hitoriana ny vaovao tsara sy hampaherezana ny mpiara-manompo. Azo antoka hoe nanetry tena koa izy. Tsy milaza, ohatra, ny Baiboly hoe tezitra izy rehefa ‘nohazavain’i Akoila sy Prisila marina kokoa taminy ny lalan’Andriamanitra.’—Asa. 18:24-28.
17. Inona no nataon’i Paoly mba hisian’ny fihavanana foana?
17 Fantatry ny apostoly Paoly ny asa tsara nataon’i Apolosy. Tsy natahotra anefa izy hoe hisongona 1 Kor. 3:3-6.
azy i Apolosy. Nanetry tena i Paoly sady nahay nandanjalanja, ary niaiky hoe voafetra ny mety ho vitany. Hita tamin’ny torohevitra nomeny ny fiangonana tany Korinto izany. Tsy navelany hampirehareha azy ny tenin’ny olona hoe: “Izaho an’i Paoly.” Nasainy nanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy kosa ry zareo.—18. Inona no ianarantsika avy amin’i Apolosy sy Paoly, araka ny 1 Korintianina 4:6, 7?
18 Inona no ianarantsika avy amin’i Apolosy sy Paoly? Miasa mafy ho an’i Jehovah angamba isika, ary be dia be ny olona nampiantsika mba ho vita batisa. Miaiky anefa isika hoe tsy ho nahavita an’ireny mihitsy raha tsy nampian’i Jehovah. Misy lesona hafa koa ianarantsika avy amin’i Apolosy sy Paoly. Arakaraka ny ananantsika andraikitra eo anivon’ny fiangonana, dia mihabetsaka koa ny azontsika atao mba hisian’ny fihavanana. Tena faly isika rehefa manampy antsika hiray saina sy hihavana ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana. Manao an’izany ry zareo rehefa manome torohevitra avy ao amin’ny Baiboly. Tsy miezaka hisongadina koa ry zareo, fa manampy ny rahalahy sy anabavy rehetra ao amin’ny fiangonana mba hankatò an’i Jesosy sy hanahaka ny modely nomeny.—Vakio ny 1 Korintianina 4:6, 7.
19. Inona no azontsika tsirairay atao? (Jereo koa ilay hoe “ Aza Mampisy Fifaninanana.”)
19 Samy nomen’Andriamanitra fahaizana daholo isika. Azontsika ampiasaina mba “hifanompoana” izany. (1 Pet. 4:10) Mieritreritra angamba ianao hoe kely ihany no mba vitanao. Azo oharina amin’ny zaitra anefa izany. Zaitra kely be dia be no mampitambatra ny akanjo iray. Manampy ny fiangonana mba hiray saina koa izay ataonao, na dia hoatran’ny hoe kely aza. Enga anie isika hiezaka mafy mba tsy hifaninana mihitsy. Tokony ho tapa-kevitra koa isika hoe hanao izay rehetra azo atao mba hahatonga ny fiangonana hihavana sy hiray saina.—Efes. 4:3.
HIRA 80 “Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah”
^ feh. 5 Mety ho mora vaky ny fitaovana tanimanga iray raha misy tresaka kely ilay izy. Hoatr’izany koa ny fiangonana. Mety ho mora voazarazara izy io raha misy olona tia mifaninana ao. Raha tsy matanjaka sy tsy miray saina ny fiangonana, dia tsy hihavana ka tsy hahavita hanompo tsara an’Andriamanitra. Horesahintsika ato àry hoe nahoana isika no tokony hiezaka mba tsy ho tia mifaninana, ary inona no azontsika atao mba hihavana tsara foana ny fiangonana.
^ feh. 4 Novana ireo anarana.