“Mihainoa Anatra, ka Hendre”
‘Anaka, mihainoa anatra, ka hendre.’—OHAB. 8:32, 33.
1. Ahoana no ahazoana fahendrena, ary inona no soa azo avy amin’izany?
AVY amin’i Jehovah ny fahendrena, ary tia mizara an’izany izy. Hoy ny Jakoba 1:5: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny.” Hahazo an’io fahendrena io isika raha manaiky anarin’Andriamanitra. Hisakana antsika tsy hanao ratsy izy io, ary hanampy antsika hifandray tsara amin’i Jehovah foana. (Ohab. 2:10-12) Ho tiany foana isika amin’izay, ary mety hiaina mandrakizay.—Joda 21.
2. Inona no hanampy antsika ho tia ny fananaran’i Jehovah?
2 Tsy tia anarina anefa ny ankamaroantsika, na sarotra amintsika ny manaiky hoe tena ilaina ny anatra. Noho isika tsy lavorary no mahatonga an’izany, na ny fomba nitaizana antsika, na antony hafa. Raha tsapantsika anefa hoe mahasoa antsika ny fananaran’i Jehovah, dia ho tiantsika ilay izy sady hiaiky isika hoe tena tia antsika izy. Hoy mantsy ny Ohabolana 3:11, 12: “Aza mandà ny fifehezan’i Jehovah, anaka, ... fa izay tian’i Jehovah no anariny.” Tadidio foana fa mitady izay hahasoa antsika izy. (Vakio ny Hebreo 12:5-11.) Fantany tsara isika, ka ataony mifanaraka amin’izay ilaintsika foana ny anatra omeny antsika. Handinika an’ireto àry isika: 1) Nahoana no ilaina ny manitsy ny tenantsika? 2) Ahoana no tokony hananaran’ny ray aman-dreny ny zanany? 3) Ahoana no ahazoantsika fananarana any amin’ny fiangonana? 4) Inona no mbola ratsy noho ny hoe malahelo satria nanarina?
HENDRY IZAY MAHAY MANITSY NY TENANY
3. Ahoana no azo anampiana ny ankizy hahay hanitsy ny tenany? Hazavao amin’ny ohatra.
3 Mahay mifehy ny zavatra ataony sy ny eritreriny ny olona mahavita manitsy ny tenany. Tsy voajanahary izany fa mila ianarana. Eritrereto, ohatra, ny ankizikely ampianarina mitaingina bisikileta. Tazonin’ny dadany na ny mamany aloha ilay bisikileta mba tsy hianjera izy. Avotsony kely tsindraindray ilay izy mba hanazarana azy. Rehefa azony antoka hoe tsy hianjera intsony izy, dia avelany handeha irery amin’izay. Hoatr’izany koa no tokony hataon’ny ray aman-dreny, rehefa mampiofana ny zanany “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” Mila manam-paharetana izy ireo. Hahay hanitsy ny tenany ny zanany amin’izay, ary ho hendry.—Efes. 6:4.
4, 5. a) Nahoana ny olona iray no mila mahay manitsy ny tenany raha te hanana ny “toetra vaovao”? b) Nahoana isika no tsy tokony ho kivy na dia manao fahadisoana imbetsaka aza?
4 Ary ahoana raha efa lehibe ny olona iray vao manomboka manompo an’i Jehovah? Mety ho efa mahay manitsy ny tenany ihany izy, saingy mbola vaovao ka tsy matotra tsara. Hihamatotra kokoa anefa izy, rehefa miezaka mitafy ny “toetra vaovao” ka manahaka an’i Kristy. (Efes. 4:23, 24) Mila mahay manitsy ny tenany izy raha te hahavita an’izany. Ho vitany amin’izay ny “handa izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao.” “Hisaina tsara sy hanao izay mahitsy” koa izy, ‘ary hahafoy tena ho an’Andriamanitra, eto amin’ity tontolo ity.’—Tit. 2:12.
5 Mpanota daholo anefa isika ka mety hanao fahadisoana. (Mpito. 7:20) Rehefa mitranga izany, dia tsy tokony hieritreritra isika hoe isika mihitsy no efa ratsy na hoe tena tsy mahay manitsy ny tenantsika isika. Hoy mantsy ny Ohabolana 24:16: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.” Inona àry no hanampy antsika ho “tafarina” raha sendra “lavo” isika? Tsy ho vitantsika samirery izany, fa mila ny fanahin’Andriamanitra isika. (Vakio ny Filipianina 4:13.) Hanampy antsika hifehy tena io fanahy io, ary tena ilaina izany mba hahafahantsika manitsy ny tenantsika.
6. Inona no hanampy antsika hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanitra? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
6 Tena ilaina koa ny mivavaka amin’ny fo sy mianatra Baiboly ary misaintsaina, raha te hahay hanitsy ny tenantsika isika. Ahoana anefa raha tsy tena mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra ianao? Tsy tia mianatra angamba ianao. Tadidio anefa fa azon’i Jehovah atao ny manampy anao ‘haniry fatratra’ hianatra ny Teniny, raha avelanao hanao an’izany izy. (1 Pet. 2:2) Mivavaha àry mba hahafehy tena ka hanokana fotoana hianarana ny Baiboly. Mianara avy eo ary ataovy fohifohy, ohatra, ilay izy amin’ny voalohany. Ho mora kokoa aminao sady ho tianao kokoa ny mianatra, rehefa mandeha ny fotoana. Ho lasa mahafinaritra be anao ny fotoana mangina hisaintsainanao ny hevitr’i Jehovah, izay tena sarobidy.—1 Tim. 4:15.
7. Nahoana isika no hahavita hanatratra tanjona raha mahay manitsy ny tenantsika?
7 Hahavita hanatratra tanjona ara-panahy ianao, raha mahay manitsy ny tenanao. Tsapan’ny rahalahy iray, ohatra, hoe lasa tsy dia nazoto nanompo izy. Nataony tanjona àry ny hanao mpisava lalana maharitra. Niezaka nanitsy ny tenany izy ka nahavita an’izany. Namaky lahatsoratra momba ny mpisava lalana izy sady nivavaka. Lasa nifandray kokoa tamin’i Jehovah izy, ary vao mainka te hanao mpisava lalana. Nanao mpisava lalana mpanampy koa izy isaky ny afaka. Nifantoka tamin’ilay tanjony izy, ka tsy nisy na inona na inona navelany hisakana azy tsy
hanatratra an’ilay izy. Lasa mpisava lalana maharitra izy tamin’ny farany.TEZAO ARAKA NY FANANARAN’I JEHOVAH NY ZANAKAO
8-10. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao raha tiany hanompo an’i Jehovah ny zanany? Hazavao amin’ny ohatra.
8 Manana andraikitra tena sarobidy ny ray aman-dreny. Tsy inona izany fa ny mitaiza ny zanany “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efes. 6:4) Tena sarotra anefa ny manao an’izany eto amin’ity tontolo ity. (2 Tim. 3:1-5) Vao teraka ny ankizy dia efa manana feon’ny fieritreretana, saingy mbola tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Tsy maintsy ampianarina na anarina àry izy, izay vao hiasa tsara ny feon’ny fieritreretany. (Rom. 2:14, 15) Milaza ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly fa ny teny grika nadika hoe “mananatra”, dia mety hidika koa hoe manabe zaza ho lasa olon-dehibe matotra.
9 Mahatsiaro ho voaro ny ankizy matetika, rehefa mananatra azy amim-pitiavana ny ray aman-dreniny. Lasa tsapany hoe misy fetrany ny zavatra azony atao, ary misy vokany tsara na ratsy izany. Tena mila ny tari-dalan’i Jehovah àry ny ray aman-dreny. Tadidio fa tsy voatery hitovy ny fomba fitaizana zanaka, fa arakaraka ny kolontsaina. Miova arakaraka ny fandehan’ny fotoana koa ilay izy. Tsy voatery hanombantombana an’izay tokony hataony na hanao izay saim-pantany fotsiny anefa ny ray aman-dreny, raha miantehitra amin’i Jehovah.
10 Eritrereto i Noa. Tsy afaka niantehitra tamin’ny fahaizany izy rehefa nasain’i Jehovah nanamboatra sambofiara. Mbola tsy nanao sambofiara mihitsy mantsy izy. Tsy maintsy niantehitra tamin’i Jehovah izy, ary izay rehetra nasainy natao no nataony. (Gen. 6:22) Inona no vokatr’izany? Sambany nanamboatra sambofiara izy nefa tonga dia nety ilay izy. Tsy maintsy nataony nety tsara rahateo ilay izy, satria tsy ho voavonjy izy mianakavy raha tsy izany. Nahavita tsara ny andraikiny tamin’ny fianakaviany koa i Noa, satria natoky izy hoe mahasoa ny tari-dalan’i Jehovah. Nampianatra tsara ny zanany izy sady nanome modely ho azy ireo, na dia sarotra aza ny nanao an’izany talohan’ny Safodrano.—Gen. 6:5.
11. Nahoana ny ray aman-dreny no tokony ho modely ho an’ny zanany?
11 Raha manan-janaka ianao, ahoana no anahafanao an’i Noa? Mila manao izay asain’i Jehovah atao ianao. Avelao izy hanampy anao hitaiza ny zanakao. Ampiharo ny torohevitra ao amin’ny Teniny sy ny toromarika omen’ny fandaminany. Ho modely ho an’ny zanakao ianao raha manao an’izany. Azo antoka hoe hisaotra anao izy, any aoriana any, noho ny ezaka nataonao. Hoy ny rahalahy iray: “Tena mankasitraka ny ray aman-dreniko aho noho ny fomba nitaizany ahy. Niezaka be ry zareo nanohina ny foko. Ry zareo no tena nahatonga ahy handroso ara-panahy.”
Tsy manompo an’i Jehovah intsony anefa ny ankizy sasany, na dia efa niezaka mafy aza ny ray aman-dreniny. Na izany aza, dia tsy tokony henjehin’ny eritreriny ny ray aman-dreny, raha efa nanao izay azony natao. Afaka manantena koa izy ireny hoe mbola hiverina amin’i Jehovah ilay zanany indray andro any.12, 13. a) Ahoana no ampisehoan’ny ray aman-dreny manan-janaka voaroaka hoe mankatò an’i Jehovah izy ireo? b) Inona no soa noraisin’ny fianakaviana iray noho izy mivady nankatò an’i Jehovah?
12 Mety ho sarotra be amin’ny ray aman-dreny ny mankatò an’i Jehovah rehefa voaroaka ny zanany. Nilaza toy izao ny anabavy iray rehefa tsy nipetraka tao amin-dry zareo intsony ny zanany vavy voaroaka: ‘Nitady zavatra azo kianina tao amin’ny bokintsika aho, mba hahafahako mahita hevitra hiarahana amin’ny zanako vavy sy ny zafikeliko. Nampian’ny vadiko anefa aho, mba ho azoko tsara hoe efa tsy izahay intsony no tompon’andraikitra amin’ilay zanakay, ary tokony havelanay hananatra azy i Jehovah fa tsy hosakananay.’
13 Voaray ilay zanak’izy ireo tatỳ aoriana. Hoy ilay mamany: “Miantso ahy izy izao na mandefa SMS, saika isan’andro. Tena manaja anay mivady izy satria fantany hoe nankatò an’Andriamanitra izahay. Mahafinaritra be ny fifandraisanay!” Manan-janaka voaroaka ve ianao? ‘Matoky an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo’ ve ianao, fa tsy “miantehitra amin’ny fahaizanao?” (Ohab. 3:5, 6) Tadidio fa tena hendry sady tia antsika i Jehovah matoa mananatra antsika. Tadidio koa fa nomeny ho an’ny olona rehetra ny Zanany, anisan’izany ny zanakao. Tsy tiany hisy ho ringana ny olona. (Vakio ny 2 Petera 3:9.) Matokia fa mahasoa ny fananaran’i Jehovah sy ny tari-dalany, na dia rehefa tsy mora aminao aza ny mankatò azy. Ataovy izay hampandaitra ny fananaran’i Jehovah, fa aza manohitra an’ilay izy.
FANANARANA AO AMIN’NY FIANGONANA
14. Inona no soa raisintsika avy amin’ny fampianarana omen’i Jehovah antsika?
14 Nampanantena i Jehovah hoe hokarakarainy sy harovany ary hampianariny ny fiangonana kristianina. Misy fomba maro anaovany an’izany. Nanendry ny Zanany, ohatra, izy mba hikarakara ny fiangonana. Io Zanany io indray avy eo no nanendry “mpanompo mendri-pitokisana” mba hanome izay sakafo ara-panahy ilaintsika. (Lioka 12:42) Misy fomba maro izaran’izy io sakafo ara-panahy, ary mahazo fampiofanana na fananarana tena ilaina isika amin’ny alalan’izy ireny. Impiry izay no nisy lahateny na lahatsoratra tao amin’ny gazety nandrisika anao hanova ny toe-tsainao na ny toetranao? Tokony ho faly ianao raha nahavita niova. Midika mantsy izany hoe avelanao hamolavola na hananatra anao i Jehovah.—Ohab. 2:1-5.
15, 16. a) Inona no tokony hataontsika raha te handray soa avy amin’ny asan’ny anti-panahy isika? b) Inona no azonao atao mba hanamaivanana ny andraikitry ny anti-panahy?
15 Nanendry anti-panahy koa i Kristy mba hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra. Antsoin’ny Baiboly hoe “lehilahy ho fanomezana” izy ireny. (Efes. 4:8, 11-13) Inona no tokony hataontsika raha te handray soa avy amin’ny asan’izy ireny isika? Afaka manahaka ny finoany sy ny ohatra tsara omeny isika, ary afaka manaraka ny torohevitra omeny avy ao amin’ny Baiboly. (Vakio ny Hebreo 13:7, 17.) Tadidio hoe tia antsika ny anti-panahy, ary tiany hifandray tsara kokoa amin’i Jehovah isika. Azo inoana, ohatra, fa hanampy antsika haingana izy ireo, raha tsikariny hoe tsy tonga mivory matetika isika na lasa tsy mazoto manompo. Hihaino antsika aloha izy ireo, ary avy eo hiezaka hampahery antsika sy hanome torohevitra avy ao amin’ny Soratra Masina. Tsy ekenao ve hoe tia anao i Jehovah matoa asainy manampy anao hoatr’izany ny anti-panahy?
2 Sam. 12:1-14) Hoatr’izany koa ny apostoly Paoly. Tsy maintsy nanana herim-po izy rehefa nanitsy an’i Petera, izay anisan’ny apostoly 12. Nanavakavaka mantsy i Petera, ka ny rahalahy jiosy no tiany kokoa. (Gal. 2:11-14) Inona àry no azonao atao mba hanamaivanana ny andraikitry ny anti-panahy? Miezaha hanetry tena sy ho mora iresahana ary hahay hankasitraka. Tadidio hoe tia anao i Jehovah matoa ny anti-panahy manampy anao. Handray soa ianao raha manao an’izany. Ny anti-panahy kosa vao mainka ho faly hanao ny andraikiny.
16 Tadidio fa mety ho sarotra amin’ny anti-panahy ny hanatona antsika, dia hanoro hevitra antsika. Eritrereto i Natana mpaminany. Azo inoana hoe sarotra be taminy ny niresaka tamin’i Davida Mpanjaka rehefa avy nanao fahotana lehibe i Davida ka niezaka nanafina an’ilay izy. (17. Inona no soa noraisin’ny anabavy iray rehefa nampian’ny anti-panahy izy?
17 Sarotra tamin’ny anabavy iray ny hoe tia an’i Jehovah, noho ny zavatra niainany taloha. Hoy izy: “Kivy be aho indraindray rehefa nieritreritra ny lasa sy ny olana hafa nahazo ahy. Nila niresaka tamin’ny anti-panahy aho rehefa hoatr’izany. Tsy mba nanambany na nanakiana ahy ry zareo, fa nampahery ahy. Na be atao hoatran’ny inona aza ry zareo, dia tsy maintsy nisy iray tamin’izy ireo nanontany ahy isaky ny vita ny fivoriana hoe manao ahoana aho. Noho ny zavatra niainako taloha, dia nieritreritra aho hoe izaho ve dia mba mendrika ny hotiavin’i Jehovah. Imbetsaka anefa izy no nampiasa ny fiangonana sy ny anti-panahy mba hanomezana toky ahy fa tiany aho. Enga anie ka tsy hiala aminy mihitsy aho!”
INONA NO MBOLA RATSY NOHO NY HOE MALAHELO SATRIA NANARINA?
18, 19. Inona no mbola ratsy noho ny hoe malahelo satria nanarina? Manomeza ohatra.
18 Marina fa mety halahelo be ny olona iray rehefa anarina. (Heb. 12:11) Mbola ratsy noho izany anefa ny vokany, raha tsy miraharaha an’ilay anatra izy. Manaporofo an’izany ny nanjo an’i Kaina sy Zedekia Mpanjaka. Rehefa nankahala an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nitady hamono azy, dia nananatra azy Andriamanitra hoe: “Nahoana ianao no tezitra be, ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Tsy hisandratra ve ianao raha mba miova ka manao ny tsara? Fa raha tsy miova mba hanao ny tsara kosa ianao, dia misy ota mamitsaka eo am-baravarana, ka ianao no tsiriritiny. Ary ianao kosa ve hahafehy azy?” (Gen. 4:6, 7) Tsy niraharaha an’izany anefa i Kaina, ka nanota. Nijaly be izy vokatr’izany. (Gen. 4:11, 12) Raha nihaino ny anatra nomen’i Jehovah anefa izy, dia tsy ho nijaly be hoatr’izany.
19 Ratsy fanahy sy tsy nanana hazondamosina i Zedekia. Nanjaka tany Jerosalema izy, ary nampijalin’ny fahavalony izy sy ny vahoakany. Imbetsaka i Jeremia mpaminany no nampirisika azy hiova, fa tsy laitra nanarina izy. Loza ny vokany. (Jer. 52:8-11) Tsy tian’i Jehovah hijaly hoatr’izany isika.—Vakio ny Isaia 48:17, 18.
20. Hanao ahoana ny hoavin’izay manaiky anarin’i Jehovah sy izay tsy manaiky anariny?
20 Olona maro ankehitriny no tsy miraharaha rehefa anarina na tsy miezaka manitsy ny tenany. Tsy ho ela anefa dia horinganin’i Jehovah izay tsy manaiky anariny. (Ohab. 1:24-31) Enga anie àry isika ‘hihaino anatra’ ka ho hendry. Hoy ny Ohabolana 4:13: “Tano mafy ny anatra omena anao ka aza avela. Hazòny izy, fa ainao.”