TANTARAM-PIAINANA
“Intỳ Izahay Iraho!”
TE HANOMPO bebe kokoa ve ianao dia mieritreritra ny hanitatra, angamba hifindra any an-tany hafa mihitsy? Raha izany, dia mety hahasoa anao ny tantaran’ny Rahalahy sy Ranabavy Bergame.
Efa hatramin’ny 1988 i Jack sy Marie-Line no niaraka nanompo manontolo andro. Malaza ho tena mahay mizatra fiainana vaovao izy mivady. Be dia be ny toerana efa nanendrena an-dry zareo tany Goadelopy sy Guyane. Ny sampan’i Frantsa no miandraikitra an’ireo tany ireo izao. Neken’izy mivady foana izay fanendrena azony. Andao isika mba hanontany kely an-dry zareo.
Inona no nahatonga anareo mivady hanompo manontolo andro?
Marie-Line: Tany Goadelopy aho no lehibe. Vavolombelon’i Jehovah i Neny sady tena nazoto. Matetika izahay mianaka no nitory manontolo andro, tamin’izaho mbola kely. Tia olona aho, dia nanao mpisava lalana raha vao vita ny fianarako, tamin’ny 1985.
Jack: Mbola kely aho dia efa nifanerasera tamina mpanompo manontolo andro. Tena tia fanompoana ry zareo! Nanao mpisava lalana mpanampy aho rehefa vakansy. Nandeha bisy izahay indraindray rehefa faran’ny herinandro, dia namonjy mpisava lalana tany amin’ny faritaniny. Nitory manontolo andro izahay, dia naka aina teny amoron-dranomasina rehefa hariva. Tena nahafinaritra tamin’izany!
Nivady izahay sy Marie-Line tamin’ny 1988. Nieritreritra aho taoriana kelin’izay hoe: ‘Fa maninona moa izahay raha mampitombo ny fanompoanay e? Tsy hitako izay misakana anay.’ Dia nanao mpisava lalana maharitra koa aho, niaraka tamin’i Marie-Line. Voatendry ho mpisava lalana manokana izahay herintaona taorian’izay, rehefa avy nanao sekolin’ny mpisava lalana. Nahafinaritra be ny nanompo tany amin’ny toerana samihafa tany Goadelopy. Nafindra teto Guyane izahay avy eo.
Niovaova be ny fanendrena anareo. Inona no manampy anareo ho zatra fiainana vaovao?
Marie-Line: Fantatr’ireo ranadahy tao amin’ny Betela eto Guyane hoe ny Isaia 6:8 no andinin-teny tianay indrindra. Rehefa niantso anay ry zareo, dia matetika no nananihany hoe: “Inona moa ilay andinin-teny tianareo indrindra?” Tonga dia fantatray hoe hiova indray ny fanendrena anay. Dia namaly izahay hoe: “Intỳ izahay iraho!”
Tsy mampitaha an’izay fanendrena azonay amin’ny teo aloha izahay. Raha manao an’izany mantsy izahay dia tsy hankasitraka an’ilay vaovao. Ataonay
namana koa ny mpiara-manompo any amin’izay toerana anendrena anay.Jack: Niezaka nandresy lahatra anay mba hijanona ny namanay sasany, satria tian-dry zareo hiaraka taminy teo foana izahay. Rehefa niala tany Goadelopy anefa izahay, dia nisy rahalahy nampahatsiahy anay an’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 13:38 hoe: “Ny tanimbary dia izao tontolo izao.” Rehefa miova fanendrena izahay, dia mitadidy hoe mbola manompo ao amin’ilay tanimbary foana na aiza na aiza misy anay. Rehefa misy olona sy faritany itoriana fotsiny, dia izay no zava-dehibe!
Rehefa tonga ao amin’ilay faritaninay vaovao izahay, dia hitanay hoe mandeha tsara ihany ny fiainan’ny olona sady falifaly ry zareo. Dia miezaka manao hoatran-dry zareo izahay. Marina fa tsy mahazatra anay ny sakafon-dry zareo, fa mihinana an’izay hohaniny izahay, dia misotro an’izay sotroiny. Mitandrina fotsiny izahay mba tsy harary. Miezaka milaza zavatra tsara momba ny fanendrena anay foana izahay.
Marie-Line: Be dia be koa no ianaranay avy amin’ny mpiara-manompo. Tadidiko tamin’izahay vao tonga kelikely teto Guyane. Avy be ny orana tamin’izay nefa izahay handeha hitory. Nieritreritra izahay hoe hiandry an’ilay izy hitsahatra aloha. Nanontany ahy anefa ny rahavavy iray hoe: “Lasa isika?” Dia gaga aho sady namaly hoe: “Dia ahoana io orana io?” Dia hoy izy: “Ento ny elonao, dia hitaingina bisikileta isika.” Tamin’izay aho no nianatra hoe sady mitaingina bisikileta no mielo. Tsy ho nahavita nitory tamin’ny andro avy orana mihitsy aho, raha tsy nianatra an’izany.
In-15 teo ho eo ianareo no nifindra. Inona no soso-kevitra azonareo zaraina momba an’izany?
Marie-Line: Mety ho sarotra aloha ilay mifindra e! Dia izay no mahatsara an’ilay hoe manana trano mahatamana, mba hahafahana haka aina rehefa avy manompo.
Jack: Matetika aho no mandoko ny efitra ao amin’ilay tranonay vaovao. Rehefa fantatry ny rahalahy tany amin’ny sampana anefa hoe mety tsy hijanona ela ao izahay, dia indraindray ry zareo miteny hoe: “Aza mandany andro mandoko aloha amin’ity indray mandeha ity!”
Fa lasa mahay mampirina entana be koa i Marie-Line! Ataony anaty baoritra ny entanay, dia asiany soratra hoe “efitra fandroana”, “efitra fatoriana”, “lakozia”, sy ny sisa. Rehefa tonga ao amin’ilay tranonay vaovao àry izahay, dia mora kokoa aminay ny mametraka an’ilay baoritra any amin’izay efitra
tokony hisy azy. Ataony lisitra koa izay entana ao anatin’ny baoritra tsirairay, amin’izay ilay izy mora hita rehefa ilaina.Marie-Line: Lasa mahay mandamin-javatra izahay, dia tsy lany fotoana fa afaka tonga dia manompo.
Ahoana no andaminanareo fotoana mba ‘hanatanterahana tsara ny fanompoanareo’?—2 Tim. 4:5.
Marie-Line: Maka aina sy manomana fivoriana izahay rehefa alatsinainy, dia manomboka manompo ny talata.
Jack: Marina hoe misy ora tsy maintsy tratrarinay, nefa tsy mifantoka amin’izany izahay. Efa fiainanay mihitsy ny fanompoana! Vao mivoaka ny trano izahay dia mitory amin’izay olona hitanay, ary tsy mijanona raha tsy rehefa mody.
Marie-Line: Mitondra taratasy mivalona foana, ohatra, aho rehefa mitsangantsangana izahay. Manatona anay ny olona sasany dia mangataka boky, nefa izahay mbola tsy niteny akory hoe Vavolombelon’i Jehovah. Izany no mahatonga anay hitandrina tsara amin’ny fitafianay sy izay ataonay, satria voamariky ny olona izany.
Jack: Miezaka ho tsara fanahy amin’ny mpifanolo-bodirindrina aminay koa izahay. Fitoriana vita ho azy mantsy izany. Mitsimpona sy manary ny taratasy miparitaka etsy sy eroa aho, na manala ny ravinkazo eny an-tokotany. Hitan-dry zareo izany dia miteny ry zareo indraindray hoe: “Izaho mba omeo Baiboly raha misy any aminao.”
Nandeha nitory tany amin’ny toerana mitokana ianareo matetika. Iza tamin’ireny dianareo ireny no hitanareo hoe tena niavaka?
Jack: Sarotra be ny lalana sasany eto Guyane. Mandeha aotomobilina 600 kilaometatra eo ho eo mandritra ny herinandro izahay matetika, sady ratsy be ny lalana. Mbola tsaroanay ny dianay nankany Saint-Élie, any amin’ny alan’i Amazonia. Nandeha fiara matanjaka sy lakana izahay, ary ora maromaro vao tonga. Mpitrandraka volamena ny ankamaroan’ny olona tany. Tena nankasitraka ny bokintsika ny sasany tamin-dry zareo, dia volamena kely no nataony fanomezana an-tsitrapo. Nampiseho videon’ny fandaminana izahay rehefa hariva, dia be dia be ny olona tonga.
Marie-Line: Voatendry hanao lahatenin’ny Fahatsiarovana tany Camopi i Jack, taona vitsivitsy lasa izay. Nandeha lakana adiny efatra teo amin’ny Reniranon’i Oyapock izahay vao tonga tany. Tena nahafinaritra anefa ny dianay.
Jack: Mahery be ilay rano amin’ny toerana sasany misy vatovato. Mahavariana ny mitazana an’ilay izy! Mety hampidi-doza koa anefa ireny toerana ireny rehefa marivo ny rano. Tsy ho tafavoaka ny lakana raha tsy mahay tsara ny mpitondra. Fa nahafinaritra aloha ilay izy e! Enina fotsiny izahay no Vavolombelon’i Jehovah, nefa 50 teo ho eo no tonga nanatrika ny Fahatsiarovana ary Indianina ny sasany.
Marie-Line: Fiainana mahafinaritra be hoatr’izany no miandry ny tanora te hanompo an’i Jehovah bebe kokoa. Mila matoky an’i Jehovah ianao rehefa hoatr’ireny, dia mihamatanjaka ny finoanao. Hitanao mihitsy matetika ny tanan’i Jehovah!
Mahay fiteny maromaro ianareo. Ianareo ve no efa mora mahay teny vahiny, sa ahoana?
Jack: An an an! Nilaina tamin’ny fanompoana ny teny vahiny dia izay no nahatonga ahy hianatra an’ireny. Nasaina nitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana! tamin’ny teny sranan tongo * aho, nefa izaho mbola tsy nahazo anjara famakiana Baiboly akory! Nanontany rahalahy iray aho avy eo hoe nanao ahoana ilay fianarana. Izao no navaliny: “Tsara ilay izy ka! Na dia nisy teny sasany tsy azonay aza.” Tena nanampy ahy ny ankizy, ary niana-javatra betsaka avy tamin’izy ireo aho. Rehefa nanao diso aho dia nanitsy ahy ry zareo. Ny olon-dehibe anefa tsy mba nanitsy ahy izany.
Marie-Line: Nanana fampianarana Baiboly tamin’ny teny frantsay sy portogey ary sranan tongo aho tao amin’ny faritany iray izay. Ny teny portogey no tsy nanavanana ahy indrindra tamin’ireo. Niteny tamiko ny rahavavy iray hoe aleo ilay fampianarana amin’ny fiteny sarotra indrindra amiko no hanombohana azy, dia ilay amin’ny fiteny haiko indrindra no hamaranana azy. Tsy azoko ilay torohevitra tamin’ny voalohany.
Nampianatra Baiboly tamin’ny teny sranan tongo anefa aho indray mandeha, dia avy eo tamin’ny teny
portogey. Rehefa nanomboka an’ilay fampianarana faharoa aho, dia hoy ilay rahavavy namako: “Hoatran’ny tsy azony ny zavatra resahinao an!” Hay izaho niteny sranan tongo nefa tokony hiteny portogey. Brezilianina mantsy ilay vehivavy nampianarinay. Izay aho vao tonga saina hoe tena nety ny torohevitr’ilay rahavavy.Tena tian’ny mpiara-manompo ianareo. Ahoana no nahatonga anareo hinamana be amin-dry zareo?
Jack: Milaza ny Ohabolana 11:25 hoe: “Hovalian-tsoa ny olona malala-tanana.” Dia niezaka nanao an’izany izahay. Nahafoy tena nanampy ny hafa foana izahay. Rehefa nila nokojakojaina, ohatra, ny Efitrano Fanjakana, dia nisy niteny tamiko hoe: “Aleo ny mpitory no hanao an’izany.” Dia izao no navaliko: “Izaho ange mpitory e! Raha misy asa tokony hatao dia izaho te hanampy.” Marina fa mila mitokana kely izahay indraindray, hoatran’ny olona rehetra ihany. Miezaka mitadidy anefa izahay hoe tsy tokony hisakana anay tsy hanao soa ho an’ny hafa izany.
Marie-Line: Miezaka mampiseho amin’ny mpiara-manompo izahay hoe tena te hanampy an-dry zareo. Dia lasa hainay, ohatra, hoe rahoviana ry zareo no mila olona hiandry ny zanany, na haka ny zanany any am-pianarana. Izahay avy eo no manamboatra ny fotoananay mba hahafahanay hanampy. Vonona foana izahay rehefa ilaina, dia lasa mifandray akaiky amin-dry zareo.
Inona no fitahiana azonareo noho ianareo manampy any amin’izay mila mpitory bebe kokoa?
Jack: Sambatra be izahay hoe manompo manontolo andro. Tena faly izahay satria matetika no afaka mankafy ny zavaboary isan-karazany noforonin’i Jehovah. Marina hoe misy zava-tsarotra, nefa milamin-tsaina izahay satria fantatray hoe eo foana ny vahoakan’i Jehovah na aiza na aiza misy anay.
Nigadra tany amin’ny fonjan’i Guyane aho tamin’izaho tanora, satria tsy nety nanao miaramila. Tsy nampoiziko hoe ho misionera any aho indray andro any, dia hahazo alalana hitory any am-ponja. Tena nomen’i Jehovah fitahiana be dia be aho!
Marie-Line: Ny mahafoy tena manampy olona no tiako indrindra. Faly izahay hoe manompo an’i Jehovah. Tsy izay ihany fa lasa mifankatia kokoa izahay roa. Indraindray i Jack mahita mpivady kivikivy dia manontany ahy raha mba afaka manasa an-dry zareo hisakafo izahay. Matetika aho no mamaly hoe: “Izaho vao saika hiteny!” Mifanojo hoatr’izany matetika ny eritreritray.
Jack: Fantatra hoe voan’ny kanseran’ny prostaty aho, taona vitsivitsy lasa izay. Dia indraindray aho miteny amin’i Marie-Line hoe: “Izao akia a, raha maty rahampitso aho, dia fantatro hoe mbola tsy ‘tratrantitra.’ Afa-po anefa aho satria nampiasaiko ho an’i Jehovah ny fiainako, dia tsy very maina ny zavatra nataoko.” (Gen. 25:8) Tsy tian’i Marie-Line aloha ny maheno an’izany e, fa izay no tsapako.
Marie-Line: Betsaka ny varavarana nosokafan’i Jehovah ho anay, ary tsy nampoizinay daholo ireny. Nahavita zavatra be dia be tsy noeritreretinay mihitsy izahay! Tena mamy ny fiainanay! Matoky tanteraka an’Andriamanitra izahay, ka na aiza na aiza hanirahan’ny fandaminany anay, dia any izahay no handeha!
^ feh. 32 Fitambaran’ny teny anglisy, holandey, portogey ary afrikanina ny teny sranan tongo. Andevo no namorona azy io.