Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Resahin’ny 2 Samoela 21:7-9 hoe “nangoraka an’i Mefiboseta” i Davida. Nahoana anefa i Mefiboseta no natolony hovonoina tatỳ aoriana?

Nanontany an’izany ny olona sasany rehefa namaky maimaika an’io tantara io. Mefiboseta roa samy hafa anefa no resahina eo. Andao hojerentsika izay nitranga mba hahitantsika hoe inona no ianarantsika avy amin’io tantara io.

Nanana zanaka fito lahy sy vavy roa i Saoly mpanjakan’ny Israely, ary i Jonatana no lahimatoa. Nanan-janaka atao hoe Mefiboseta tamin’i Rizpa vadikeliny koa izy, tatỳ aoriana. Tsara homarihina anefa fa nanan-janaka atao hoe Mefiboseta koa i Jonatana. Sady nanana zanaka atao hoe Mefiboseta àry i Saoly Mpanjaka, no nanana zafikely nitondra an’io anarana io koa.

Lasa nankahala an’ireo Gibeonita niara-nipetraka tamin’ny Israelita i Saoly Mpanjaka, tatỳ aoriana, ary nitady handripaka an-dry zareo. Toa betsaka tamin’izy ireo no novonoiny. Tena tsy nety mihitsy izany! Nahoana? Nanao fifanekena hihavana tamin’ny Gibeonita mantsy ny mpiadidy teo amin’ny Israely, tamin’ny andron’i Josoa.​—Jos. 9:3-27.

Mbola nanan-kery io fifanekena io tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. Tsy nanaja azy io anefa izy, fa nitady handripaka ny Gibeonita. “Meloka ho nandatsa-dra i Saoly sy ny ankohonany” noho izany. (2 Sam. 21:1) Lasa mpanjaka i Davida tatỳ aoriana. Niresaka taminy an’ilay fahadisoana lehibe nataon’i Saoly ireo Gibeonita sisa tsy maty. Nanontany azy ireo àry i Davida hoe inona no azony atao, mba handrakofana ny fahotana mahatsiravina nataon’i Saoly sy hitahian’i Jehovah an’ilay tany. Tsy nangata-bola anefa ny Gibeonita. Nasainy natolotra hovonoina kosa ny fito tamin’ny zanak’ilay lehilahy “nitetika ny handripaka” azy ireo. (Nom. 35:30, 31) Nanaiky ny fangatahan’izy ireo i Davida.​—2 Sam. 21:2-6.

Efa maty tany an’ady i Saoly sy Jonatana tamin’izay, fa i Mefiboseta zanak’i Jonatana kosa mbola velona. Niharan-doza izy tamin’ny mbola kely, dia lasa nalemy. Tsy niray tsikombakomba tamin’ny dadabeny koa izy, tamin’izy io namono ny Gibeonita. Efa nanao fifanekena tamin’i Jonatana i Davida hoe ho mpinamana foana ry zareo. Handray soa amin’io fifanekena io koa ny taranak’i Jonatana, anisan’izany i Mefiboseta zanany lahy. (1 Sam. 18:1; 20:42) Hoy ny Baiboly: ‘Nangoraka an’i Mefiboseta zanak’i Jonatana zanak’i Saoly ny mpanjaka [na i Davida], noho ny fianianana nataony teo anatrehan’i Jehovah.’​—2 Sam. 21:7.

Na izany aza, dia nanaiky ny fangatahan’ny Gibeonita ihany i Davida. Natolony hovonoina ny roa tamin’ny zanakalahin’i Saoly, anisan’izany i Mefiboseta, sy ny zafikeliny dimy lahy. (2 Sam. 21:8, 9) Tsy nivesatra trosan-dra intsony ilay tany noho izany.

Tsy tantara tsotra fotsiny io zava-nitranga io. Mazava ny lalàn’Andriamanitra hoe: “Tsy tokony hovonoina ho faty noho ny fahotan’ny rainy ny zanaka.” (Deot. 24:16) Tsy ho nankasitraka ny namonoana ny zanak’i Saoly roa lahy sy ny zafikeliny dimy lahy mihitsy i Jehovah, raha tsy nanan-tsiny izy ireo. Resahin’ilay lalàna mantsy hoe: “Hovonoina ho faty noho ny fahotana vitany ihany ny olona tsirairay.” Azo inoana fa nandray anjara tamin’ny fandripahana ny Gibeonita niaraka tamin’i Saoly izy fito lahy. Nizaka ny vokatry ny nataony àry izy ireo.

Inona no ianarantsika avy amin’iny tantara iny? Mety hisy olona nanao ratsy hilaza na hieritreritra hoe nanaraka baiko fotsiny izy. Tsy ho afa-tsiny mihitsy anefa izy raha izany. Hoy ny ohabolana nosoratan’ny olon-kendry iray: “Ataovy tsy misy mikitoantoana izay andehanan’ny tongotrao, dia ho azo antoka tsara ny lalanao rehetra.”​—Ohab. 4:24-27; Efes. 5:15.