Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mamaly ny vavaka rehetra ve Andriamanitra?

AHOANA NY HEVITRAO?

  • Eny

  • Tsia

  • Tsy mamaly mihitsy

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

‘Akaikin’izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana i Jehovah.’—Salamo 145:18.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Tsy mihaino ny vavak’ireo mikomy aminy Andriamanitra. (Isaia 1:15) Afaka ‘mifandamina’ amin’Andriamanitra anefa izy ireo, raha miova.—Isaia 1:18.

  • Tsy maintsy mifanaraka amin’izay takin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ny vavaka vao henoiny.—1 Jaona 5:14.

Tokony ho hoatran’ny ahoana ny paozintsika rehefa mivavaka?

MISY MILAZA FA mila mandohalika, na miondrika, na manakambana tanana isika rehefa mivavaka. Ahoana ny hevitrao?

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Nohenoin’Andriamanitra foana ny vavaka nataon’ny olona, na “nipetraka” izy, na “nitsangana”, na “nihohoka”, na “nandohalika.” (1 Tantara 17:16; 2 Tantara 30:27; Ezra 10:1; Asan’ny Apostoly 9:40) Tsy misy paozy takiny amintsika àry rehefa mivavaka isika.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?