Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Nahatongavan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ho Naman’

Ny Fomba Nahatongavan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ho Naman’

Ny Fomba Nahatongavan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ho Naman’izao Tontolo Izao

NIRODANA tamin’ny farany ny Empira Romana, izay tao anatiny no niandohan’ny Kristianisma. Misy mpanoratra tantara maro milaza fa io firodanana io koa dia fotoan’ny fandresena farany azon’ny Kristianisma tamin’ny fanompoan-tsampy. Nilaza fiheverana hafa ilay eveka anglikana atao hoe E. W. Barnes, ka nanoratra hoe: “Teo am-pianjeran’ny sivilizasiona klasika, dia nitsahatra tsy ho finoana mendri-kaja an’i Jesosy Kristy ny Kristianisma: nanjary fivavahana azo nampiasaina toy ny rihitra ara-tsosialin’ny tontolo iray teo am-panjavonana izy io.” — The Rise of Christianity.

Talohan’io firodanana io, nandritra ny taonjato faharoa sy fahatelo ary fahefatra am.f.i., dia ambaran’ny tantara fa tamin’ny fomba maro, ireo izay nihambo ho nanaraka an’i Jesosy dia nitana ny tenany ho tafasaraka tamin’izao tontolo izao romana. Asehony koa anefa ny fitomboan’ny fivadiham-pinoana teo amin’ny fampianarana sy ny fitondran-tena ary ny fandaminana, toy ny nanambaran’i Jesosy sy ny apostoliny azy mialoha. (Matio 13:36-43; Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Tesaloniana 2:3-12; 2 Timoty 2:16-18; 2 Petera 2:1-3, 10-22). Tamin’ny farany dia nanjary natao ny fanekena lembenana tamin’izao tontolo izao grika romana, ary ny sasany izay nihambo ho Kristiana dia nanaraka ny fanompoan-tsampin’izao tontolo izao (toy ireo fetiny sy fivavahany tamin’ny andriamanibavy reny sy tamin’ny andriamanitra telo izay iray), nanaraka ny filozofiany (toy ny finoana ny amin’ny fanahy tsy mety maty), ary nanaraka ny fandaminany teo amin’ny fitondran-draharaha (hita teo amin’ny nisehoan’ny kilasin’ny klerjy). Io endriky ny Kristianisma nosimbana io no nisintona ny sarambaben’ny mpanompo sampy ka tonga hery iray izay nandraman’ireo emperora romana nofoanana aloha, kanefa tatỳ aoriana dia nekeny ary niezahany nampiasaina tamin’izay tiany.

Resin’izao tontolo izao

Nasehon’i Augustus Neander, mpanoratra tantaran’ny Eglizy, ny loza nety ho tafiditra tamin’io fifandraisana vaovao teo amin’ny “Kristianisma” sy izao tontolo izao io. Raha nanao sorona ny fisarahany tamin’izao tontolo izao ny Kristiana, hoy ny nosoratany, “ny vokany dia fifanjevoan’ny eglizy amin’izao tontolo izao (...) izay anarian’ny eglizy ny fahadiovany, sy haharesy ny tenany, na dia toa mandresy aza izy”. — General History of the Christian Religion and Church, Boky faha-2, pejy faha-161.

Izany no nitranga. Teo am-piandohan’ny taonjato fahefatra, i Constantin, emperora romana, dia nanandrana nampiasa ny fivavahana “kristiana” tamin’ny androny mba hanakambanana ny empirany nisaratsaraka. Mba hanaovana izany, dia nanome fahafahana ara-pivavahana an’ireo nilaza tena fa Kristiana izy ary namindra tombontsoa sasany nananan’ireo mpisorona mpanompo sampy tany amin’ny kilasin’ny klerjy. Hoy ny The New Encyclopædia Britannica: “Nesorin’i Constantin tao amin’ny fihatahany tamin’izao tontolo izao ny eglizy mba hanaiky andraikitra ara-tsosialy ary nampiany ny fitambaran’olona mpanompo sampy mba ho resy ho an’ny eglizy.”

Fivavahan’ny Fanjakana

Taorian’i Constantin, dia nanandrana nanohitra ny Kristianisma sy namerina indray ny fanompoan-tsampy ny Emperora Julien (361-363 am.f.i.). Tsy nahomby anefa izy, ary 20 taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nandrara ny fanompoan-tsampy ny Emperora Theodosius I, ary nandidy ny “Kristianisma” nino ny Trinite ho fivavahan’ny Fanjakana teo amin’ny Empira Romana. Tamim-pilazan-javatra hentitra sy feno hakingana, dia nanoratra toy izao ilay mpanoratra tantara frantsay atao hoe Henri Marrou: “Tamin’ny faran’ny nanjakan’i Theodosius, ny Kristianisma, na raha ny marimarina kokoa, ny Fivavahana katolika ortodoksa, dia nanjary ny fivavahana ofisialin’ny tontolo romana manontolo.” Ny Fivavahana katolika ortodoksa dia nisolo toerana ny Kristianisma marina ary tonga “naman’izao tontolo izao”. Io fivavahan’ny Fanjakana io dia tsy nitovy tanteraka tamin’ilay fivavahan’ireo mpanara-dia voalohany an’i Jesosy izay nilazany hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao hianareo”. — Jaona 15:19.

Nanoratra toy izao ilay mpanoratra tantara sady filozofa frantsay atao hoe Louis Rougier: “Teo am-pielezany, dia nandalo fiovana hafahafa ny Kristianisma ka nanjary tsy fantatra intsony mihitsy aza. (...) Ilay eglizin’ny mahantra taloha, izay nivelona tamin’ny fiantrana, dia tonga eglizy mpandresy tsy hay tohaina izay nanaiky ny manam-pahefana tsy ara-pivavahana rehefa tsy afaka nanapaka azy ireo.”

Tamin’ny fiandohan’ny taonjato fahadimy am.f.i. i “Masindahy” Augustin, Katolika Romana, dia nanoratra ilay bokiny lehibe indrindra hoe The City of God. Ao amin’izy io, dia nilazalaza ny amin’ny tanàna roa izy, “ilay an’Andriamanitra sy ilay an’izao tontolo izao”. Moa ve io boky io nanantitrantitra ny fisarahana teo amin’ny Katolika sy izao tontolo izao? Tsy izany loatra. Nilaza toy izao ny profesora Latourette: “Niaiky tamim-pahatsorana i Augustin [fa] ireo tanàna roa, ilay eto an-tany sy ilay any an-danitra, dia nifangaro.” Nampianarin’i Augustin fa “efa nanomboka sahady eo amin’izao tontolo izao ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny fanorenana ny eglizy [katolika]”. (The New Encyclopædia Britannica, Macropædia, Boky faha-4, pejy faha-506). Noho izany, na inona na inona fikasan’i Augustin tany am-boalohany, ny tsangan-keviny dia niteraka fitsofohan’ny Eglizy Katolika lalindalina kokoa ihany tao amin’ireo raharaha ara-politikan’izao tontolo izao.

Empira nizarazara

Tamin’ny 395 am.f.i., rehefa maty i Theodosius I, dia nizara ho roa tamin’ny fomba ofisialy ny Empira Romana. Ilay Empira Tatsinanana, na i Byzance, dia nanana ho renivohitra an’i Constantinople (Byzantium taloha, Istanbul izao), ary ilay Empira Tandrefana, dia nanana ny renivohiny (taorian’ny taona 402 am.f.i.) tao Ravenna, any Italia. Vokatr’izany, dia nanjary voazarazara ara-politika sy ara-pivavahana koa ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Mikasika ny fifandraisan’ny Eglizy sy ny Fanjakana, ny eglizy tany amin’ilay Empira Tatsinanana dia nanaraka ny tsangan-kevitr’i Eusèbe avy any Kaisaria (olona niara-niaina tamin’i Constantin Lehibe). Tsy niraharaha ilay fotopoto-pitsipika kristiana mikasika ny fisarahana amin’izao tontolo izao i Eusèbe, fa nanjohy hevitra toy izao: Raha tonga kristiana ny emperora sy ny empira, ny Eglizy sy ny Fanjakana dia ho tonga fitambaran’olona kristiana tokana, manana ny emperora miasa toy ny solontenan’Andriamanitra eto an-tany. Matetika kokoa io fifandraisana teo amin’ny Eglizy sy ny Fanjakana io dia narahin’ireo eglizy ortodoksa tatsinanana nandritra ireo taonjato. Ao amin’ilay bokiny hoe The Orthodox Church, i Timothy Ware, eveka ortodoksa, dia nampiseho ny vokatr’izany: “Ny fanindrahindram-pirenena no nahatonga loza ho an’ny Fivavahana Ortodoksa Tatsinanana nandritra ireo taonjato folo lasa.”

Tany Andrefana, ny emperora romana farany dia naongan’ireo foko germaniques izay nanafika tamin’ny 476 am.f.i. Izany dia nanamarika ny faran’ilay Empira Romana Tandrefana. Nilaza toy izao momba ny fanadiovana ara-politika izay nanaraka izany ny The New Encyclopædia Britannica: “Niforona ny fahefana vaovao iray: ny Eglizy Romana, ny eglizin’ny evekan’i Roma. Io eglizy io dia nino fa izy no mpandimby ilay Empira Romana efa maty.” Nanohy ny teniny toy izao io firaketana io: “Ireo papa romana (...) dia nanitatra ilay fihamboana tsy ara-pivavahana ny amin’ny fitondran’ny eglizy, nihoatra ny sisin-tanin’ny fanjakan’ny eglizy, ary nampitombo ilay antsoina hoe tsangan-kevitra momba ny sabatra roa, izay nilaza fa i Kristy dia nanome ho an’ny papa, tsy fahefana ara-panahy teo amin’ny eglizy fotsiny fa fahefana tsy ara-pivavahana teo amin’ireo fanjakana eo amin’izao tontolo izao koa.”

Ireo fiangonam-pirenena protestanta

Nandritra ny Moyen Age, ny fivavahana katolika ortodoksa sy ny katolika romana dia samy tafiditra lalina hatrany tao amin’ny politika sy ny teti-dratsin’izao tontolo izao, ary ny ady. Moa ve ny Réforme (Fanavaozana) protestanta tamin’ny taonjato faha-16 nanamarika fiverenana indray tamin’ny Kristianisma marina tafasaraka amin’izao tontolo izao?

Tsia. Izao no vakintsika ao amin’ny The New Encyclopædia Britannica: “Ireo Mpanao fanavaozana Protestanta teo amin’ny finoana loterana, sy kalvinista ary anglikana (...) dia nifikitra mafy hatrany tamin’ireo hevitr’i Augustin izay nanana tsangan-kevitra nanintona azy ireo manokana. (...) Ny tsirairay tamin’ireo finoana protestanta lehibe indrindra tamin’ny taonjato faha-16 tany Eoropa (...) dia nahazo ny fanohanan’ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana tany Saxe [Alemaina Afovoany], sy Soisa ary Angletera, sady nitoetra tamin’izany toerana izany teo anatrehan’ny fanjakana, toy ireo eglizin’ny Moyen Age.”

Tsy nahatonga fiverenana ho amin’ny tena Kristianisma marina akory ny Réforme fa niteraka fiangonam-pirenena na fiangonam-paritany maro be izay nila ranondranony tamin’ireo fanjakana ara-politika ary nanohana tamim-paharisihana ny ady nataony. Raha ny marina, ny eglizy katolika sy ny fiangonana protestanta dia samy nanetsika ireo ady ara-pivavahana. Nanoratra toy izao mikasika ireny ady ireny i Arnold Toynbee ao amin’ny bokiny hoe An Historian’s Approach to Religion: “Izy ireny dia nampihanjahanja ireo Katolika sy Protestanta tany Frantsa, Pays-Bas, Alemaina, ary Irlande, sady nampihanjahanja ireo antokom-pivavahana protestanta mpifandrafy tany Angletera sy Ekosy, tamin’ny asa feno herisetra niezahana nandresy ny andaniny avy, tamin’ny fampiasana fitaovam-piadiana.” Ireo fifanoherana amin’izao andro izao izay mampizarazara an’i Irlande sy i Yogoslavia teo aloha, dia mampiseho fa ny eglizy katolika romana sy ortodoksa ary ireo fiangonana protestanta dia mbola tafiditra lalina ao amin’ireo raharaha ara-politikan’izao tontolo izao ihany.

Milaza ve izany rehetra izany fa tsy misy intsony ny Kristianisma marina tafasaraka amin’izao tontolo izao? Hamaly izany fanontaniana izany ny lahatsoratra manaraka.

[Efajoro/Sary, pejy 10, 11]

NY FOMBA NAHATONGAVAN’NY ”KRISTIANISMA” HO FIVAVAHAN’NY FANJAKANA

TSY natao ho naman’ity tontolo ity mihitsy ny Kristianisma. (Matio 24:3, 9; Jaona 17:16). Na dia izany aza, dia lazain’ireo boky momba ny tantara amintsika fa tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i., ny “Kristianisma” dia nanjary fivavahana ofisialin’ny Fanjakana teo amin’ny Empira Romana. Ahoana no nahatonga izany?

Nanomboka tamin’i Néron (54-68 am.f.i.) ka hatrany amin’ny taonjato fahatelo am.f.i., ireo emperora romana rehetra dia nanenjika tamim-paharisihana ny Kristiana, na tsy nisakana ny fanenjehana azy ireo. I Gallienus (253-268 am.f.i.) no emperora romana voalohany namoaka fanambarana momba ny fileferana tamin’izy ireo. Na dia tamin’izany aza, ny Kristianisma dia fivavahana voarara nanerana ilay empira. Taorian’i Gallienus, dia nitohy ny fanenjehana, ary nihamafy mihitsy aza izany tamin’ny fanapahan’i Dioclétien (284-305 am.f.i.) sy ireo nandimby azy avy hatrany.

Tonga ilay fiolahana lehibe tamin’ny fiandohan’ny taonjato fahefatra, niaraka tamin’ilay nolazaina hoe fiovan’ny Emperora Constantin I ho amin’ny Kristianisma. Mikasika io “fiovana” io dia izao no lazain’ilay boky frantsay hoe Théo — Nouvelle encyclopédie catholique: “Nihambo ho emperora kristiana i Constantin. Raha ny marina anefa, dia tsy natao batemy izy raha tsy teo amin’ny fandriana nahafatesany.” Na dia izany aza, tamin’ny 313 am.f.i., i Constantin sy ilay emperora niaraka taminy atao hoe Licinius, dia namoaka didy izay nanome fahafahana ara-pivavahana nitovy ho an’ny Kristiana sy ny mpanompo sampy. Hoy ny New Catholic Encyclopedia: “Ny fanitaran’i Constantin ny fahafahana hanao fanompoam-pivavahana tamin’ireo Kristiana, izay nidika fa ny Kristianisma dia nekena tamin’ny fomba ofisialy ho religio licita [fivavahana ara-dalàna] teo anilan’ny fanompoan-tsampy, dia fanaovana fiovana lehibe.”

Izao anefa no nambaran’ny The New Encyclopædia Britannica: “Tsy nanao ny Kristianisma ho fivavahan’ilay empira izy [i Constantin].” Nanoratra toy izao i Jean-Rémy Palanque, mpanoratra tantara frantsay, mpikambana ao amin’ny Institut de France: “Ny Fanjakana romana (...) anefa dia nitoetra ho mpanompo sampy tamin’ny fomba ofisialy. Ary rehefa nanaraka ny fivavahan’i Kristy i Constantin, dia tsy namarana izany toe-javatra izany.” Ao amin’ilay boky hoe The Legacy of Rome, dia izao no nolazain’ny Profesora Ernest Barker: “[Ny fandresen’i Constantin] dia tsy niteraka fanorenana avy hatrany ny Kristianisma ho fivavahan’ny Fanjakana. Nianina tamin’ny fanekena ny Kristianisma ho iray amin’ireo fanompoam-pivavaham-bahoaka tao amin’ilay empira i Constantin. Nandritra ireo fitopolo taona nanaraka, dia natao tamin’ny fomba ofisialy tao Roma ireo fombafomba tranainin’ny mpanompo sampy.”

Koa tamin’izany lafiny izany, dia ny “Kristianisma” no fivavahana ara-dalàna tao amin’ny Empira Romana. Oviana izy io no tonga fivavahana ofisialin’ny Fanjakana, tamin’ny heviny feno indrindra? Izao no vakintsika ao amin’ny New Catholic Encyclopedia: “Ny tetik’asan’[i Constantin] dia notohizan’ireo mpandimby azy, afa-tsy i Julien [361-363 am.f.i.], izay nanenjika ny Kristianisma ka ny fahafatesany no namarana izany fanenjehana izany tampoka. Farany, tamin’ny ampahefany farany tamin’ny taonjato faha-4, dia nanao ny Kristianisma ho ny fivavahana ofisialin’ilay Empira i Theodosius Lehibe [379-395 am.f.i.], ary nampitsahatra ny fanompoam-pivavahan’ny mpanompo sampy nataon’ny vahoaka.”

Nanamarina izany sady nampiharihary hoe inona io fivavahana vaovaon’ny Fanjakana io, ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly sy mpanoratra tantara atao hoe F. J. Foakes Jackson, ka nanoratra hoe: “Tamin’ny fanapahan’i Constantin, ny Kristianisma sy ny empira romana dia nifandray akaiky. Tamin’ny fanapahan’i Theodosius izy ireo dia tafaray. (...) Nanomboka hatreo, ilay anarana hoe Katolika dia voatokana ho an’ireo izay nanompo ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina tamim-panajana nitovy. Ny tetik’asa ara-pivavahana manontolon’io emperora io dia nifantoka tamin’izany zava-kendrena izany, ka nahatonga ny Finoana Katolika ho fivavahana ara-dalàna iray ho an’ny Romana.”

Nanoratra toy izao i Jean-Rémy Palanque: “I Theodosius dia sady niady tamin’ny fanompoan-tsampy, no nanambara koa ny fanohanany ny eglizy ortodoksa [katolika]; ilay lalàna navoakany tamin’ny 380 am.f.i. dia nandidy ireo olom-peheziny rehetra mba handray ny finoan’ny Papa Damasus sy ny evekan’i Aleksandria [nino ny Trinite], ary nesoriny tamin’ireo tsy nanaiky izany ny fahafahana hanao fanompoam-pivavahana. Ilay Konsily lehibe natao tany Constantinople (381) dia nanameloka indray izay rehetra fialana tamin’ny zavatra nekena, ary nataon’ilay emperora izay hahazoana antoka fa tsy nisy eveka nanohana azy ireo. Ny Kristianisma [nino ny Trinite] avy tany Nicée dia tena tonga fivavahan’ny Fanjakana marina tokoa (...) Niray akaiky tamin’ny Fanjakana ny Eglizy ary nahazo ny fanohanany tsy nizarazara.”

Araka izany, dia tsy ilay Kristianisma tsy nisy fangarony tamin’ny andron’ireo apostoly akory no nanjary fivavahan’ny Fanjakana teo amin’ny Empira Romana. Izany dia ny fivavahana katolika nino ny Trinite tamin’ny taonjato fahefatra, izay naneren’ny Emperora Theodosius I tamin-kery, ary narahin’ny Eglizy Katolika Romana, izay tena naman’izao tontolo izao tokoa tamin’izay ka hatramin’izao.

[Sary nahazoan-dalana]

Ny Emperora Theodosius I: Real Academia de la Historia, Madrid (Foto Oronoz)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

Scala/Art Resource, N.Y.