Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mitadiava An’i Jehovah sy ny Heriny”

“Mitadiava An’i Jehovah sy ny Heriny”

“Mitadiava An’i Jehovah sy ny Heriny”

“Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.”​—2 TANTARA 16:9.

1. Inona no atao hoe hery, ary ahoana no nampiasan’ny olombelona ny fahefana?

MISY heviny maromaro ny hoe hery, ka anisan’izany ny fananana fahefana eo amin’ny hafa, ny fahafahana manao zavatra na ny fahafahana miteraka vokatra, ny tanjaka ara-batana, na ny herin-tsaina. Tsy manana laza tsara ny olombelona raha ny amin’ny fampiasana hery na fahefana. Niresaka momba ny fahefana eo am-pelatanan’ireo mpanao politika i Lord Acton, mpahay tantara, ka nilaza toy izao: “Manimba mazàna ny fananana fahefana, ary manimba tanteraka ny fananana fahefana tsy refesi-mandidy.” Ny tantara maoderina dia ahitana ohatra maro dia maro mampiseho fa marina, amin’ny ankapobeny, io tenin’i Lord Acton io. Nandritra ny taonjato faha-20, dia ‘nanapaka ny namany ny olombelona ka nampiditra loza taminy’ mbola tsy nisy toy izany. (Mpitoriteny 8:9). Nanampatra izaitsizy ny fahefany ireo mpitondra mpanao didy jadona sy mpandray tsolotra, ka nandripaka ain’olona an-tapitrisany maro. Mampidi-doza ny fahefana na hery rehefa tsy fehezin’ny fitiavana sy ny fahendrena ary ny rariny.

2. Hazavao hoe amin’ny ahoana ireo toetra hafan’Andriamanitra no manan-kery eo amin’ny fomba ampiasan’i Jehovah ny heriny.

2 Tsy mba sahala amin’ny olona maro Andriamanitra fa mampiasa foana ny heriny ho amin’izay tsara. “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” (2 Tantara 16:9). Asian’i Jehovah fifehezana ny fomba ampiasany ny heriny. Ny faharetana dia misakana an’Andriamanitra tsy handringana ny ratsy fanahy mba hanomezana azy ireo fahafahana hibebaka. Ny fitiavana dia manosika azy hampamirapiratra ny masoandro amin’ny karazan’olona rehetra, na ny marina na ny tsy marina. Ny fitiavana ny rariny dia hanosika azy hampiasa ny heriny tsy manam-petra, amin’ny farany, mba hanafoanana an’ilay manana ny fomba hoenti-miteraka fahafatesana, dia i Satana Devoly.​—Matio 5:44, 45; Hebreo 2:14; 2 Petera 3:9.

3. Nahoana ny hery tsitoha ananan’Andriamanitra no antony tokony hatokisana azy?

3 Antony tokony hatokisana ny fampanantenana sy ny fiarovan’ilay Raintsika any an-danitra ny heriny mahatahotra. Na eo anivon’ny olon-tsy fantany aza ny ankizy kely iray, dia mahatsiaro ho tsy manana ahiahy rehefa mamikitra amin’ny tanan-drainy, satria fantany fa tsy hamela na inona na inona hiteraka fahavoazana ho an-janany ny rainy. Toraka izany koa fa ilay Raintsika any an-danitra, ilay “manan-kery hamonjy”, dia hiaro antsika amin’izay rehetra miteraka fahavoazana maharitra ho antsika, raha miara-mandeha aminy isika. (Isaia 63:1; Mika 6:8). Ary Ray tsara i Jehovah, ka manatanteraka foana ny fampanantenany. Ny heriny tsy manam-petra dia manome antoka fa ‘hambinina amin’izay ampandehanany azy ny teniny’.​—Isaia 55:11; Titosy 1:2.

4, 5. a) Inona no vokany rehefa nitoky tanteraka tamin’i Jehovah i Asa Mpanjaka? b) Inona no mety hitranga raha miantehitra amin’ny vahaolan’olombelona isika amin’ireo olana mahazo antsika?

4 Nahoana no tena zava-dehibe ny hahatapa-kevitra antsika tsy hanadino ny fiarovan’ilay Raintsika any an-danitra? Satria mety ho tototry ny tarehin-javatra misy antsika isika ka hanadino hoe aiza no ahitantsika ny tena fiarovana. Hita izany tamin’ny ohatr’i Asa Mpanjaka, lehilahy izay natoky an’i Jehovah tamin’ny ankapobeny. Nandritra ny nanjakan’i Asa, dia nanafika an’i Joda ny tafika etiopianina, izay nisy miaramila natanjaka iray tapitrisa. Nivavaka toy izao i Asa rehefa takany fa nanan-tombo teo amin’ny lafiny ara-tafika ny fahavalony: “Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ireto olona ireto. Jehovah ô, Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.” (2 Tantara 14:10). Novalian’i Jehovah ny fangatahan’i Asa ka nanome azy fandresena nisy vokany lehibe izy.

5 Taorian’ny taona maro nanompoany tamim-pahatokiana anefa, dia nihena ny fatokisan’i Asa ny hery mahavonjin’i Jehovah. Mba hialana tamin’ny fandrahonan’ny tafiky ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra, dia nitodika tany amin’i Syria izy mba hahazoana fanampiana. (2 Tantara 16:1-3). Na dia tena nanaisotra ilay fandrahonana nataon’ny Isiraely tamin’ny Joda aza ny nanaovany fanomezana handrokirokiana an’i Beni-hadada mpanjakan’i Syria, dia nampiseho tsy fahampiam-patokisana an’i Jehovah ilay fifanekena nifanaovan’i Asa tamin’i Syria. Nanontany azy mivantana toy izao i Hanany mpaminany: “Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’i Jehovah, dia natolony teo an-tànanao ireo.” (2 Tantara 16:7, 8). Na izany aza, dia nanda izany fananarana izany i Asa. (2 Tantara 16:9-12). Rehefa miatrika olana isika, dia aoka isika tsy hiantehitra amin’ny vahaolan’olombelona fa hampiseho kosa fatokisana an’Andriamanitra, satria tsy maintsy hitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana ny fitokisana amin’ny herin’olombelona.​—Salamo 146:3-5.

Tadiavo ilay hery omen’i Jehovah

6. Nahoana isika no tokony ‘hitady an’i Jehovah sy ny heriny’?

6 Afaka manome hery sy miaro ny mpanompony i Jehovah. Mampirisika antsika mba ‘hitady an’i Jehovah sy ny heriny’ ny Baiboly. (Salamo 105:4). Nahoana? Satria rehefa manao zavatra amin’ny herin’Andriamanitra isika, ny herintsika dia hampiasaina mba hanasoavana, fa tsy hitondrana fahavoazana, ho an’ny hafa. Na aiza na aiza, dia tsy ahitantsika ohatra tsara kokoa noho ny an’i Jesosy Kristy raha ny amin’izany lafiny izany. Nanao fahagagana maro tamin’ny “herin’ny Tompo [Jehovah]” tokoa i Jesosy. (Lioka 5:17). Azon’i Jesosy natao ny nifofotra nanao izay hahatonga azy ho mpanan-karena, na olo-malaza, na mpanjaka manana ny fahefana rehetra mihitsy aza. (Lioka 4:5-7). Nampiasa kosa ilay hery nomen’Andriamanitra azy izy mba hampiofanana sy hampianarana, ary mba hanampiana sy hanasitranana ny hafa. (Marka 7:37; Jaona 7:46). Izany ka ohatra tsara dia tsara ho antsika!

7. Toetra tena lehibe inona no ambolentsika rehefa manao zavatra amin’ny herin’Andriamanitra isika, fa tsy amin’ny herin’ny tenantsika?

7 Ankoatra izany, rehefa manao zavatra “araka ny hery izay omen’Andriamanitra” antsika isika, izany dia hanampy antsika hanetry tena hatrany. (1 Petera 4:11). Manjary feno fahasahian-dratsy miharo fieboeboana ny olona mitady fahefana ho an’ny tenany. Ohatra amin’izany i Esara-hadona mpanjakan’i Asyria, izay nanambara tamim-pieboeboana toy izao: “Mahery aho, mahery indrindra aho, mahery fo aho, lehibe dia lehibe aho, goavana aho.” Mifanohitra amin’izany fa “ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’[i Jehovah] hampahamenatra ny mahery”. Raha mirehareha àry ny Kristianina marina, dia mirehareha amin’i Jehovah, satria fantany fa tsy vitany tamin’ny herin’ny tenany izay zavatra nataony. Tena hitondra fisandratana marina ny ‘fanetren-tenantsika eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra’.​—1 Korintiana 1:26-31; 1 Petera 5:6.

8. Inona no tokony hataontsika voalohany mba hahazoana ny herin’i Jehovah?

8 Ahoana no anovozantsika ny herin’Andriamanitra? Voalohany, dia tsy maintsy mangataka azy io amim-bavaka isika. Nanome toky an’ireo mpianany i Jesosy fa hanome fanahy masina an’izay mangataka azy io ny Rainy. (Lioka 11:10-13). Diniho hoe tamin’ny ahoana izany no nahatonga ireo mpianatr’i Kristy ho feno hery rehefa nifidy ny hankatò an’Andriamanitra izy ireo, fa tsy hankatò kosa an’ireo mpitarika ara-pivavahana izay nandidy azy ireo hampitsahatra ny fitoriany momba an’i Jesosy. Rehefa nivavaka mba hahazo ny fanampian’i Jehovah izy ireo, dia nahazo valiny ny vavaka nataony tamim-pahatsorana, ka nanome azy ireo hery hanohizana hitory tamim-pahasahiana ny vaovao tsara, ny fanahy masina.​—Asan’ny Apostoly 4:19, 20, 29-31, 33.

9. Milazà loharanon-kery ara-panahy faharoa, ary manomeza ohatra iray ao amin’ny Soratra Masina mba hampisehoana fa misy vokany izy io.

9 Faharoa, dia afaka manovo hery ara-panahy avy amin’ny Baiboly isika. (Hebreo 4:12). Niharihary ny herin’ny tenin’Andriamanitra, tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka. Na dia efa nanaisotra ny sampy teo amin’ilay tany aza io mpanjakan’ny Joda io, dia nanosika azy hampitombo izany fandaharam-panadiovana izany ny nahitana ny Lalàn’i Jehovah tamin’ny fomba tsy nampoizina. * Rehefa avy namaky ny Lalàna tamin’ny olona ny tenan’i Josia, dia nanao fanekena tamin’i Jehovah ilay firenena manontolo, ary nisy ezaka faharoa nahery vaika kokoa natomboka mba hamongorana ny fanompoan-tsampy. Izao no vokatra tsara dia tsara nentin’ilay fanavaozana nataon’i Josia: “Tamin’ny andro rehetra niainan’i Josia dia tsy mba niala tamin’ny fanarahana an’i Jehovah (...) ny olona.”​—2 Tantara 34:33.

10. Inona no fomba fahatelo anovozana hery avy amin’i Jehovah, ary nahoana izany no tena zava-dehibe?

10 Fahatelo, dia manovo hery avy amin’i Jehovah isika, amin’ny alalan’ny fifaneraseran’ny samy kristianina. Nampirisika ny Kristianina hanatrika fivoriana tsy tapaka i Paoly mba ‘handrisihana ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara dia tsara’, ary mba hifampaherezana. (Hebreo 10:24, 25, NW ). Rehefa nafahana tao am-ponja tamin’ny fomba mahagaga i Petera, dia naniry hiaraka tamin’ireo rahalahiny ka nandeha nivantana tany an-tranon’ny renin’i Jaona Marka, satria “nisy olona maro niangona nivavaka tao”. (Asan’ny Apostoly 12:12). Mazava ho azy fa samy afaka nijanona tany an-trano sy nivavaka tany izy ireo, kanefa dia nifidy ny hiara-mivory mba hivavaka sy hifampahery, nandritra izany fotoan-tsarotra izany. Tany amin’ny faramparan’ilay dian’i Paoly nankany Roma, izay dia lavitra sy nampidi-doza, dia nihaona tamin’ny rahalahy sasany tany Potioly izy, ary tatỳ aoriana, dia tamin’ny rahalahy hafa izay nanao dia lavitra mba hihaonana taminy. Nanao ahoana ny fihetsik’i Paoly? “Raha nahita azy [iretsy farany] Paoly, dia nisaotra an’Andriamanitra izy ka nahazo toky.” (Asan’ny Apostoly 28:13-15). Nahazo hery izy tamin’ny fiarahana indray tamin’ireo Kristianina hafa. Isika koa dia manovo hery avy amin’ny fifaneraserana amin’ny Kristianina hafa. Raha mbola afaka mifanerasera koa isika, dia tsy tokony hanandrana handeha irery eo amin’ilay lalana ety mankany amin’ny fiainana.​—Ohabolana 18:1; Matio 7:14.

11. Milazà tarehin-javatra sasany izay tena ilana “hery mihoatra noho ny mahazatra”.

11 Rehefa mivavaka sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra ary mifanerasera amin’ny mpiray finoana tsy tapaka isika, dia ‘mahery ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany’. (Efesiana 6:10). Tsy isalasalana fa mila ‘hery ao amin’ny Tompo’ isika rehetra. Ny sasany dia azon’aretina mahaosa, ny hafa iharan’ny fanimbana entin’ny fahanterana na ory noho ny namoizana namana iray efa niarahana nandritra ny androm-piainana. (Salamo 41:3). Ny hafa miaritra ny fanoheran’ny vady tsy mpino. Ireo ray aman-dreny, indrindra fa ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany, dia mety hahita fa andraikitra mandreraka ny fisahanana asa manontolo andro sy ny fitaizana ny ankizy. Ireo tanora kristianina dia mila ny hery mba hanoherana ny fitaoman’ireo mitovy taona aminy, sy handavana ny zava-mahadomelina sy ny fahalotoam-pitondran-tena. Tsy misy tokony hisalasala hangataka amin’i Jehovah “hery mihoatra noho ny mahazatra”, mba hiatrehana ny zava-tsarotra toy izany.​—2 Korintiana 4:7, NW.

“Mampahatanjaka ny reraka”

12. Ahoana no anohanan’i Jehovah antsika eo amin’ny fanompoana kristianina?

12 Mampahatanjaka ny mpanompony koa i Jehovah rehefa manao ny fanompoany izy ireo. Izao no vakintsika ao amin’ny faminanian’i Isaia: “Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. (...) Izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery (...); elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.” (Isaia 40:29-31). Nahazo hery hanatontosana ny fanompoany ny tenan’ny apostoly Paoly. Vokatr’izany, dia nahitam-bokatra ny fanompoany. Izao no nosoratany ho an’ny Kristianina tany Tesalonika: “Ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina”. (1 Tesaloniana 1:5). Nanan-kery hitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainan’ireo nihaino azy ny fitoriany sy ny fampianarany.

13. Inona no nampahery an’i Jeremia mba haharitra na dia teo aza ny fanoherana?

13 Mety hanjary ho kivy isika rehefa miatrika tsy firaikana ao amin’ny faritanintsika, izay mety ho efa nitoriantsika imbetsaka tao anatin’ny taona maro, nefa tsy misy mandray firy. Nahatsiaro ho kivy toy izany koa i Jeremia noho ny fanoherana sy ny fanarabiana ary ny tsy firaharahana hitany. “Tsy hanonona [an’Andriamanitra] aho na hiteny intsony amin’ny anarany”, hoy izy anakampo. Tsy afaka nangina anefa izy. ‘Tonga toy ny afo nirehitra tao am-pony’ ilay hafatra nentiny. (Jeremia 20:9). Inona no nahatonga azy hahazo hery indray, teo anoloan’ny zava-tsarotra maro dia maro? “Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra”, hoy i Jeremia. (Jeremia 20:11). Nahatonga an’i Jeremia hanaiky ny fampirisihan’i Jehovah ny fahatakarany fa tena zava-dehibe tokoa ilay hafatra nentiny sy ilay asa nanendren’Andriamanitra azy.

Ny hery handratrana sy ny hery hanasitranana

14. a) Fitaovana mahery toy inona moa ny lela? b) Manomeza ohatra mba hampisehoana ny fahasimbana mety ho vitan’ny lela.

14 Tsy avy amin’Andriamanitra mivantana akory ny hery rehetra ananantsika. Ny lela, ohatra, dia manan-kery handratrana sy hanasitranana. “Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ny lela”, hoy ny fampitandreman’i Solomona. (Ohabolana 18:21). Ny vokatr’ilay resaka fohy nifanaovan’i Satana tamin’i Eva dia mampiseho hoe hatraiza ny fahasimbana lehibe mety ho vitan’ny teny. (Genesisy 3:1-5; Jakoba 3:5). Afaka manao fanimbana lehibe amin’ny alalan’ny lela koa isika. Ny teny manabanty momba ny hatavin’ny tovovavy iray dia mety hanosika azy ho amin’ny tsy fahazotoan-komana zary aretina. Mety hanimba fisakaizana iray efa nisy hatry ny ela ny teny tsy voahevitra izay mamerina milaza fanendrikendrehana iray. Eny, mila ny hofehezina ny lela.

15. Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny lelantsika mba hampaherezana sy hanasitranana?

15 Afaka mampahery, tsy misy hafa amin’ny fahafahany manimba, koa anefa ny lela. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” (Ohabolana 12:18). Mampiasa ny herin’ny lela mba hampiononana ny ketraka sy ny nidonam-pahoriana, ny Kristianina hendry. Ny teny feno fangorahana dia afaka mampahery ny zatovo izay miady amin’ny fitaomana manimba avy amin’ireo mitovy taona aminy. Ny lela feno fiheverana dia afaka manome toky an’ireo rahalahy sy anabavy efa zokiolona fa mbola ilaina sy tiana izy ireo. Afaka mampihiratra ny andron’ireo marary ny teny feno hatsaram-panahy. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia afaka mampiasa ny lelantsika mba hitoriana ilay hafatra mafonja momba ilay Fanjakana isika, ka hampita azy io amin’izay rehetra hihaino. Hahavita hitory ny Tenin’Andriamanitra isika raha tena maniry marina ny hanao izany. Hoy ny Baiboly: “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany”.​—Ohabolana 3:27.

Ny fampiharana fahefana araka ny tokony ho izy

16, 17. Ahoana no ahafahan’ny loholona, ny ray aman-dreny, ary ny lehilahy sy ny vehivavy manambady, manahaka an’i Jehovah, rehefa mampihatra ny fahefana nomen’Andriamanitra azy izy ireo?

16 Na dia tsitoha aza i Jehovah, dia manapaka ny kôngregasiôna amim-pitiavana. (1 Jaona 4:8). Ho fanahafana azy, ireo mpiandraikitra kristianina dia miahy amim-pitiavana ny andian’ondrin’Andriamanitra, ka mampihatra, fa tsy manampatra, ny fahefany. Marina fa indraindray ny mpiandraikitra dia mila ‘mananatra, mananatra mafy, mandrisika’. Atao “amin’ny fahari-po rehetra sy ny fahaiza-mampianatra” izany. (2 Timoty 4:2, NW ). Ireo loholona àry dia misaintsaina hatrany ireo teny nosoratan’ny apostoly Petera ho an’ireo manana fahefana ao amin’ny kôngregasiôna, manao hoe: “Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo (...); tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry.”​—1 Petera 5:2, 3; 1 Tesaloniana 2:7, 8.

17 Ny ray aman-dreny sy ny lehilahy manambady koa dia manana fahefana nomen’i Jehovah azy ireo, ary tokony hampiasaina mba hanampiana sy hanabeazana ary hanolokoloana, io fahefana io. (Efesiana 5:22, 28-30; 6:4). Asehon’ny ohatr’i Jesosy fa azo ampiharina amin’ny fomba mandaitra nefa amim-pitiavana, ny fahefana. Tsy hanjary ho kivy ny ankizy raha voalanjalanja sy tsy miovaova ny fifehezana omena. (Kolosiana 3:21). Mihamatanjaka ny fanambadiana rehefa mampihatra amim-pitiavana ny fahefany amin’ny maha loham-pianakaviana azy ny lehilahy kristianina, ary rehefa manaja ny vadiny izay lohany kosa ny vehivavy, fa tsy mihoatra ny fahefana nanendren’Andriamanitra azy, ka hoe hanjakazaka na hanao araka izay tiany.​—1 Petera 3:7.

18. a) Ahoana no tokony hanahafantsika ny ohatr’i Jehovah eo amin’ny fifehezana ny fahatezerantsika? b) Tokony hiezaka ireo manana fahefana mba hampisy inona ao amin’ireo eo ambany fiahiany?

18 Tokony hitandrina mafy mba hifehy ny fahatezerany ireo manana fahefana ao amin’ny fianakaviana, sy ao amin’ny kôngregasiôna, satria ny fahatezerana dia mampisy tahotra ao amin’ny hafa, fa tsy fitiavana. Hoy i Nahoma mpaminany: “Tsy mora tezitra sy lehibe amin’ny hery i Jehovah.” (Nahoma 1:3, NW; Kolosiana 3:19). Mariky ny tanjaka ny fifehezana ny fahatezerantsika, fa porofon’ny fahalemena kosa ny fanamparana azy io. (Ohabolana 16:32). Na ao amin’ny fianakaviana na ao amin’ny kôngregasiôna, ny tanjona dia ny hampisy ny fitiavana​—fitiavana an’i Jehovah, fifankatiavana, ary fitiavana ireo foto-pitsipika marina. Ny fitiavana no fehy fampiraisana matanjaka indrindra sy antony manosika mahery indrindra mba hanaovana izay mahitsy.​—1 Korintiana 13:8, 13; Kolosiana 3:14.

19. Fanomezan-toky mampionona inona no omen’i Jehovah, ary ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’izany?

19 Ny hoe mahalala an’i Jehovah dia midika hoe mahatakatra mazava ny heriny. Hoy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia: “Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay namorona ny faran’ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy”. (Isaia 40:28). Tsy mety ritra ny herin’i Jehovah. Raha miantehitra aminy isika, fa tsy amin’ny tenantsika, dia tsy handao antsika izy. Manome toky antsika toy izao izy: “Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho.” (Isaia 41:10). Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny fiahiany feno fitiavana? Toa an’i Jesosy, dia aoka isika hampiasa foana izay hery na fahefana rehetra omen’i Jehovah antsika, mba hanampiana sy hampaherezana ny hafa. Enga anie isika hifehy ny lelantsika mba hahatonga azy io hanasitrana, fa tsy hanimba. Ary enga anie isika mba hifoha hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy, hiorina mafy ao amin’ny finoana, ary hitombo tanjaka ao amin’ny herin’ilay Mpamorona antsika Lehibe, dia i Jehovah Andriamanitra.​—1 Korintiana 16:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Toa ilay soratra tany am-boalohany tamin’ny Lalàn’i Mosesy, izay napetraka tao amin’ny tempoly efa hatramin’ny taonjato maro talohan’izay, no hitan’ireo Jiosy.

Azonao Hazavaina Ve?

• Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny heriny?

• Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika anovozana ny herin’i Jehovah?

• Ahoana no tokony hampiasana ny herin’ny lela?

• Amin’ny ahoana ny fahefana nomen’Andriamanitra no mety ho fitahiana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Nampiasa ny herin’i Jehovah mba hanampiana ny hafa i Jesosy

[Sary, pejy 17]

Hahavita hitory ny Tenin’Andriamanitra isika raha tena maniry marina ny hanao izany