Novalian-tsoa ny Finoan’izy Ireo
Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Novalian-tsoa ny Finoan’izy Ireo
LEHILAHY iray nanam-pinoana niavaka ny apostoly Paoly, ary nampirisika an’ireo mpiray finoana, mba hamboly finoana toy izany koa, izy. Hoy izy: “Izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6). Ireto fitantarana avy any Mozambika ireto dia mampiseho ny fomba amalian’i Jehovah soa ny fananana finoana matanjaka sy ny fomba amaliany ny vavaka feno fahatsorana.
• Ny anabavy maty vady iray any amin’ny provans’i Niassa, any avaratra, dia nanahy ny amin’ny fomba hanatrehan’izy sy ny zanany enina ny Fivoriamben’ny Distrika “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”. Ny fivarotana entam-barotra tany amin’ny tsena iray teo an-toerana, no hany fidiram-bolany, nefa rehefa nanakaiky ny datin’ilay fivoriambe, dia vola ampy ataon’izy mianakavy saran-dalana tamin’ny lamasinina nandroso fotsiny, no azony. Na izany aza, dia tapa-kevitra ny hametraka ny fitokisany tamin’ny fanampian’i Jehovah izy, ary nanomboka nanao ny fandaharany mba ho tonga tany amin’ilay fivoriambe.
Niakatra tao amin’ny lamasinina niaraka tamin’ny zanany enina izy. Nandritra ilay dia, dia nanatona azy ilay mpamily mba hijery ny tapakilany. Rehefa nahamarika ny insigne-ny ilay mpamily, dia nanontany hoe inona io. Nilaza taminy ilay anabavy fa nampahafantatra azy ho solontena tamin’ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izy io. “Aiza no hatao izany fivoriambe izany?”, hoy ny fanontanian’ilay mpamily. Rehefa avy nahafantatra ilay mpamily fa tao amin’ny provans’i Nampula teo akaiky, tokony ho 300 kilaometatra avy eo, no nisy ilay fivoriambe, dia tsy nampoizina fa ny antsasaky ny tokony ho vidin’ilay tapakila ihany no nampandoaviny an’ilay anabavy! Avy eo izy dia nanome an’ilay anabavy sy ny fianakaviany tapakila hiverenana, tamin’ny antsasak’ilay volany. Tena faly mihitsy ilay anabavy nametraka ny fitokisany tamin’i Jehovah!—Salamo 121:1, 2.
• Nandritra ny 25 taona teo ho eo, ny vehivavy iray tena mpivavaka be dia nivavaka tamin’Andriamanitra mba hampiseho taminy ny fomba marina hanompoana azy. Ny fiangonana nisy azy dia nampifangaro ireo fombafomba ara-pivavahana tamin’ny fomban-drazana, ary nisalasala izy raha nankasitrahan’Andriamanitra io fivavahana io, na tsia.
Nitantara toy izao izy: “Tsaroako foana ilay tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 7:7 (NW) manao hoe: ‘Aza mitsahatra mangataka, dia homena ianareo; aza mitsahatra mitady, dia hahita ianareo; aza mitsahatra mandondòna, dia hovohana ianareo.’ Tao an-tsaiko foana io andinin-teny io, ary nivavaka tsy tapaka tamin’Andriamanitra aho mba hitarika ahy ho any amin’ny fahamarinana. Indray andro, ny pastoran’ny fiangonanay dia nangataka tamin’ireo rehetra niasa teo amin’ny tsena teo an-toerana, mba hitondra vola ho azy, ary koa ny sasany tamin’ny entam-barony, mba hahafahany hitso-drano azy ireo. Nihevitra an’izany fangatahana izany ho tsy araka ny Soratra Masina aho, koa tsy nitondra na inona na inona. Rehefa hitan’ilay pastora fa tsy nitondra ‘zavatra hatolotra’ aho, dia nanomboka nanompa ahy teo anatrehan’ny mpiangona rehetra izy. Tamin’io andro io, dia takatro fa tsy izany no lalana irin’Andriamanitra hanompoana azy, koa dia niala tao amin’ilay fiangonana aho. Tamin’izay fotoana izay koa, dia tsy nitsahatra nivavaka aho, mba hahita ny fahamarinana.
Tamin’ny farany, dia nisikina herim-po aho, ka niresaka tamin’ny havana iray, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nanolotra taratasy mivalona ho ahy izy, ary rehefa namaky azy io aho, dia nahatakatra avy hatrany fa namaly ny vavaka nataoko Andriamanitra. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nahatakatra ny fahamarinana ara-baiboly koa ilay lehilahy niara-nipetraka tamiko, ka nanoratra ara-dalàna ny fanambadianay izahay. Tatỳ aoriana anefa, dia narary be ny vadiko. Hatreo amin’ny nahafatesany anefa, dia nampirisika ahy mba haharitra ao amin’ny lalan’ny fahamarinana izy, mba hihaonanay indray any amin’ny Paradisa.
Velom-pankasitrahana mandrakariva an’i Jehovah aho, noho ny namaliany ny vavaka nataoko sy noho ny nampisehoany ahy ny fomba hanompoana azy. Novaliana ihany koa ny vavaka nataoko, rehefa hitako fa nanjary mpanompon’i Jehovah nanolo-tena avokoa ny zanako valo mianadahy.”