Ny Fomba Ahafahan’i Jesosy Manampy Antsika
Ny Fomba Ahafahan’i Jesosy Manampy Antsika
NAHATALANJONA izay nataon’i Jesosy Kristy mba hanampiana ny olona, fony izy tetỳ an-tany. Marina indrindra izany, hany ka taorian’ny nitantarana ireo fisehoan-javatra maro be teo amin’ny fiainan’i Jesosy, dia nilaza toy izao ny vavolombelona nanatri-maso iray: “Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon’i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.” (Jaona 21:25). Koa satria nanao zavatra be dia be aoka izany teto an-tany i Jesosy, dia mety hanontany isika hoe: ‘Ahoana no ahafahany ho mpanampy antsika, nefa izy any an-danitra? Afaka mandray soa avy amin’ny fangoraham-pon’i Jesosy miharo fitiavana ve isika ankehitriny?’
Mankahery sy manome toky indrindra ny valin’izany. Milaza amintsika ny Baiboly fa i Kristy dia niditra “ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika”. (Hebreo 9:24). Inona no nataony ho antsika? Manazava toy izao ny apostoly Paoly: “[I Kristy dia] tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby, fa ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina [“any an-danitra”] ka nahazo fanavotana mandrakizay’.—Hebreo 9:12; 1 Jaona 2:2.
Izany ka vaovao tsara! Tsy namarana ny asa nahatalanjona nataon’i Jesosy ho an’ny olona, ny fiakarany tany an-danitra, fa vao mainka aza nahatonga azy hanao zavatra bebe kokoa ho an’ny olombelona. Izany no izy satria, noho ny haben’ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, Andriamanitra dia nanendry an’i Jesosy mba ho “mpanompon’ny besinimaro”—mpisoronabe—“eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra”.—Hebreo 8:1, 2, NW.
“Mpanompon’ny besinimaro”
Any an-danitra àry i Jesosy dia ho mpanompon’ny besinimaro ho an’ny olombelona. Hanao asa iray tahaka ny nataon’ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely, ho tombontsoan’ny mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andro fahiny, izy. Ary inona moa izany asa izany? Nanazava toy izao i Paoly: “Ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin’izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy [i Jesosy efa nakarina]”.—Hebreo 8:3.
Nanan-javatra hatolotra izay ambony lavitra noho izay natolotry ny mpisoronabe tamin’ny andro fahiny, i Jesosy. Raha afaka nitondra fahadiovana ara-panahy ho an’ny Isiraely fahiny àry ny “ran’osilahy sy ny ran’ombilahy”, dia “mainka fa ny ran’i Kristy (...) no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoanareo an’Andriamanitra velona”.—Hebreo 9:13, 14.
I Jesosy dia mpanompon’ny besinimaro miavaka koa, satria nomena tsy fahafatesana izy. Teo amin’ny Isiraely fahiny, dia “natao maro ireny mpisorona ireny, satria tsy navelan’ny fahafatesana haharitra izy”. Ahoana anefa ny amin’i Jesosy? Nanoratra toy izao i Paoly: “Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbasana, (...) koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy”. (Hebreo 7:23-25; Romana 6:9). Eny, eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra any an-danitra, dia manana mpanompon’ny besinimaro iray, izay ‘velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika’, isika. Eritrereto fotsiny ange ny dikan’izany ho antsika ankehitriny e!
Fony tetỳ an-tany i Jesosy, dia nirohotra nankany aminy, mba hitady fanampiana, ny olona, ary nanao dia lavitra be izy ireo indraindray, mba hahazoana ny fanampiany. (Matio 4:24, 25). Any an-danitra i Jesosy dia azon’ny olona amin’ny firenena rehetra hatonina mora foana. Avy any amin’ny toerana fitazanany any an-danitra, i Jesosy dia vonona foana ny ho mpanompon’ny besinimaro.
Karazana mpisoronabe manao ahoana i Jesosy?
Ny filazalazana an’i Jesosy Kristy hitantsika ao amin’ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara, dia mahatonga antsika tsy hisalasala, raha ny amin’ny fahavononany hanampy sy ny fangoraham-pony miharo fitiavana. Endrey izany fahafoizan-tenany! Imbetsaka no voasakantsakana ny fitadiavany hitokana, rehefa nanandrana naka fialan-tsasatra tena nilainy, izy sy ny mpianany. Tsy nahatsiaro ho nangalarana fotoam-pilaminana sy fahanginana sarobidy izy, fa “onena” an’ireo olona izay nitady ny fanampiany kosa. Na dia rehefa vizana sy noana ary nangetaheta aza i Jesosy, dia “nandray azy [ireo] tsara”, ary vonona ny tsy hisakafo izy, raha afaka nanampy ireo mpanota tso-po.—Marka 6:31-34; Lioka 9:11-17; Jaona 4:4-6, 31-34.
Onena i Jesosy, ka nanao zavatra mba hanomezana fahafaham-po tamin’izay nilain’ny olona ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy. (Matio 9:35-38; Marka 6:35-44). Ankoatra izany, dia nampianatra azy ireo hahita fahamaivamaivanana sy fampiononana maharitra izy. (Jaona 4:7-30, 39-42). Tena manintona mihitsy, ohatra, ilay fanasan’ny tenany manokana toy izao: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.”—Matio 11:28, 29.
Lehibe aoka izany ny fitiavan’i Jesosy ny olona, hany ka nanome ny ainy ho an’ny olombelona mpanota izy, tamin’ny farany. (Romana 5:6-8). Amin’io lafiny io, dia nanjohy hevitra toy izao ny apostoly Paoly: ‘Tsy niaro ny Zanany lahy, Andriamanitra, fa nanolotra azy hamonjy antsika rehetra Izy [Jehovah Andriamanitra], moa ve tsy homeny antsika miaraka aminy maimaim-poana koa ny zavatra rehetra? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka nitoetra eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika’.—Romana 8:32-34.
Mpisoronabe izay afaka miombom-pihetseham-po amintsika
Tamin’ny naha olombelona azy, i Jesosy dia niharan’ny hanoanana, hetaheta, harerahana, fijaliana, fanaintainana, ary fahafatesana. Ny fihenjanana sy ny fanerena izay niaretany, dia nanampy azy tamin’ny fomba tena niavaka, mba ho Mpisoronabe ho an’ny olombelona mijaly. Nanoratra toy izao i Paoly: “Miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra [i Jesosy], mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona. Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy.”—Hebreo 2:17, 18; 13:8.
Nasehon’i Jesosy fa ampy fahaizana sy vonona hanampy ny olona hanatona akaiky kokoa an’Andriamanitra, izy. Midika ve anefa izany fa voatery handresy lahatra Andriamanitra iray masiaka sy tsy mamindra fo, izay tsy vonona hamela heloka, izy? Tsy izany velively, satria manome toky antsika ny Baiboly fa ‘tsara sady vonona hamela heloka, i Jehovah’. Milaza koa izy io hoe: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.” (Salamo 86:5, NW; 1 Jaona 1:9). Raha ny marina, ny teny sy ny asa feno fitiavana nataon’i Jesosy dia manome taratry ny fangoraham-po sy ny famindram-po ary ny fitiavan’ny Rainy.—Jaona 5:19; 8:28; 14:9, 10.
Ahoana no itondran’i Jesosy fahamaivamaivanana ho an’ireo mpanota mibebaka? Amin’ny fanampiana azy ireo hahita fifaliana sy fahafaham-po eo amin’ny ezaka ataony amim-pahatsorana mba hampifaliana an’Andriamanitra. Rehefa nanoratra ho an’ireo Kristianina voahosotra hafa i Paoly, dia namintina ilay toe-javatra tamin’ny filazana hoe: “Koa satria isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika. Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.”—“Fanampiana amin’ny fotoana mety”
Inona anefa no azontsika atao, rehefa miatrika zava-manahirana izay heverintsika fa lehibe kokoa noho izay azontsika zakaina isika—aretina lehibe, ny vesatry ny fahatsapana ho meloka, fahakiviana manototra ary fahaketrahana? Afaka mampiasa ilay fanampiana izay nianteheran’ny tenan’i Jesosy mihitsy isika — ilay tombontsoa sarobidy ny hivavaka. Ohatra, ny alina talohan’ny nanolorany ny ainy ho antsika, dia ‘nivavaka mafimafy kokoa izy; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany’. (Lioka 22:44). Eny, fantatr’i Jesosy izany atao hoe mivavaka mafy amin’Andriamanitra izany. “Nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady [nohenoina tsara, NW ] noho ny fahatahorany an’Andriamanitra”.—Hebreo 5:7.
Fantatr’i Jesosy fa tena zava-dehibe ho an’ny olombelona ny hoe ‘henoina tsara’ sy hatanjahina. (Lioka 22:43). Ankoatra izany, dia nampanantena toy izao izy: “Na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany. (...) Mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.” (Jaona 16:23, 24). Noho izany, dia afaka mangataka amin’Andriamanitra isika, amin’ny fatokisana fa hamela ny Zanany hampihatra ny fahefany sy ny vidin’ny sorom-panavotany ho tombontsoantsika, izy.—Matio 28:18.
Afaka matoky isika fa amin’ny fampiharana ilay fahefany any an-danitra, i Jesosy dia hanome ilay karazana fanampiana ilaina amin’ny fotoana mety. Ohatra, raha nanao fahotana izay anenenantsika amim-pahatsorana isika, dia afaka manovo fampiononana avy amin’ilay fanomezan-toky fa “manana [mpanampy, NW ] ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina”. (1 Jaona 2:1, 2). Ilay Mpanampy sady Mpampionona antsika any an-danitra, dia hitalaho ho antsika mba hovaliana ny vavaka ataontsika amin’ny anarany sy mifanaraka amin’ny Soratra Masina.—Jaona 14:13, 14; 1 Jaona 5:14, 15.
Fampisehoana fankasitrahana ny fanampian’i Kristy
Mihoatra noho ny fangatahana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Zanany no voafaoka amin’izany. Noho ny vidin’ny sorom-panavotany, dia ‘nanavotra i Kristy’, ka nanjary toy ny hoe “Tompo Izay nividy” ny taranak’olombelona. (Galatiana 3:13; 4:5; 2 Petera 2:1). Afaka mampiseho ny fankasitrahantsika noho izay rehetra nataon’i Kristy ho antsika isika, amin’ny fanekena fa fananany isika, sy amin’ny famaliana amim-pifaliana izao fanasany izao: “Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan-andro ka hanaraka Ahy.” (Lioka 9:23). Ny hoe ‘mandà tena’ dia tsy hoe manaiky am-bava ho fananany fotsiny. Rehefa dinihina tokoa, dia “maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty (...) hamonjy azy”. (2 Korintiana 5:14, 15). Noho izany, ny fankasitrahana ny avotra dia hisy vokany lalina eo amin’ny fomba fijerintsika sy ny tanjontsika ary ny fomba fiainantsika. Ny fananantsika trosa mandrakizay tokony haloa amin’i “Jesosy Kristy, Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika”, dia tokony hanosika antsika hianatra bebe kokoa momba azy sy i Jehovah Andriamanitra, ilay Rainy be fitiavana. Tokony haniry hitombo finoana, sy hiaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra, izay mitondra soa koa isika, ary ho “mazoto indrindra amin’ny asa tsara”.—Titosy 2:13, 14; Jaona 17:3.
Ny kôngregasiôna kristianina no fitaovana izay ahafahantsika mandray sakafo ara-panahy sy fampaherezana ary tari-dalana tonga amin’ny fotoana ilana azy. (Matio 24:45-47; Hebreo 10:21-25). Ohatra, raha misy olona marary ara-panahy, dia afaka ‘mampiantso ireo loholon’ny kôngregasiôna izy’. Nanampy izao fanomezan-toky izao i Jakoba: “Ary ny vavaky ny finoana dia hahasitrana ilay tsy salama, ary i Jehovah dia hanangana azy. Afa-tsy izany koa, raha nanao fahotana izy, dia havela ny helony.”—Jakoba 5:13-15, NW.
Indro misy ohatra: Ny lehilahy iray nanefa sazy tany an-tranomaizina tatsy Afrika Atsimo, dia nanoratra tamin’ny loholon’ny kôngregasiôna iray, mba haneho ny fankasitrahany ny “Vavolombelon’i Jehovah rehetra izay manatanteraka ilay asa tsara natombok’i Jesosy Kristy, mba hanampiana ny olona hiezaka mafy hahazo ny Fanjakan’Andriamanitra”. Avy eo dia nanoratra toy izao
izy: “Dibo-kafaliana aho rehefa nandray ny taratasinareo. Nanohina lalina ny foko ny fiahianareo ny fanavotana ahy ara-panahy. Vao mainka aho manana antony hanombohana hanaraka ny fanasan’Andriamanitra ho amin’ny fibebahana. Nandritra ny 27 taona aho, dia naniasia, ka latsaka tao anatin’ny haizin’ny ota, ny famitahana, ny raharaha tsy ara-dalàna, ny fahalotoam-pitondran-tena, ary ny fivavahana maizimaizina. Taorian’ny nihaonako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsapako fa nahita ilay lalana aho, rehefa ela ny ela—ny lalana marina! Ny hany tsy maintsy ataoko dia ny manaraka azy io fotsiny.”Fanampiana bebe kokoa amin’ny hoavy tsy ho ela
Ny toe-piainana miharatsy eto an-tany dia porofo mazava fa miaina ao anatin’ilay fotoana tena lehibe, fipoahan’ny “fahoriana lehibe”, isika. Dieny izao, dia efa misy vahoaka be avy amin’ny firenena sy ny foko ary ny olona samy hafa fiteny rehetra ‘manasa sy mamotsy ny akanjony amin’ny ran’ny Zanak’ondry’. (Apokalypsy 7:9, 13, 14; 2 Timoty 3:1-5). Amin’ny fanehoana finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia mahazo famelan-keloka noho ny fahotany izy ireo, ary ampiana mba hanjary hanana fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra—raha ny marina, dia hanjary sakaizany.—Jakoba 2:23.
I Jesosy Kristy, ilay Zanak’ondry, dia “ho Mpiandry [an’ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe] ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony”. (Apokalypsy 7:17). Hamita ny andraikiny amin’ny maha Mpisoronabe azy àry i Kristy. Hanampy ireo sakaizan’Andriamanitra rehetra mba handray soa feno avy amin’ilay “loharanon’ny ranon’aina” izy—eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, ary ara-pihetseham-po. Izay natombok’i Jesosy tamin’ny 33 am.f.i., sy izay notohiziny avy any an-danitra hatramin’izay, dia hotanterahina amin’izay.
Aza mitsahatra àry mampiseho fankasitrahana lalina noho izay rehetra nataon’Andriamanitra sy i Kristy—sy izay ataony—ho antsika. Nampirisika toy izao ny apostoly Paoly: “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo (...). Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.”—Filipiana 4:4, 6, 7.
Misy fomba lehibe iray hampisehoana ny fankasitrahanao an’i Jesosy Kristy, Mpanampy antsika, any an-danitra. Ny alarobia 19 Aprily 2000, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia hivory mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. (Lioka 22:19). Izany dia ho fahafahana iray hampitomboana ny fankasitrahanao ny sorom-panavotan’i Kristy. Asaina amim-pitiavana ianao mba hanatrika sy handre ny fomba ahafahanao mandray soa mandrakizay avy amin’ny fandaharam-pamonjena mahatalanjona ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy. Anontanio, raha sitrakao, ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao, mba hahafantarana ny ora sy ny toerana marina hanaovana io fivoriana manokana io.
[Sary, pejy 7]
Fantatr’i Jesosy izany hoe mivavaka mafy amin’Andriamanitra izany
[Sary, pejy 8]
Hanampy antsika hiatrika zava-manahirana lehibe kokoa noho izay azontsika atrehina manokana, i Kristy
[Sary, pejy 9]
Manampy antsika amin’ny alalan’ireo loholona be fitiavana i Kristy