Fanaratoana Olona ao Amin’ny Ranomasina Égée
Fanaratoana Olona ao Amin’ny Ranomasina Égée
EO AVARATRA sy eo andrefan’ny Ranomasina Égée i Gresy, eo atsimony ny nosy Kreta, ary eo atsinanany i Torkia. Mahafaoka faritra midadasika tokoa eo atsinanan’ny faritra mediteraneanina io ranomasina io. Misy nosy sy nosikely maro miely patrana eo amin’ny Ranomasina Égée, izay nipoiran’ny sivilizasiona lehibe sasany tany aloha tany. Mikitoantoana ireo nosy, ary ahitana trano fotsy bitika mitsitokotoko etsy sy eroa izay manjelajelatra rehefa tarafin’ny masoandro. Ny fahitana ireo nosy ireo dia nahatonga poety iray hampitaha azy ireo tamina “soavaly vato misy volon-katoka misavoritaka”.
Tsy mahagaga raha nanjary iray amin’ireo faritra manintona mpizaha tany be indrindra maneran-tany ireo nosy ireo! Vao mainka manatsara endrika azy ireo ny toetra tsara dia tsaran’ireo lehilahy sy vehivavy mipetraka sy miasa any. Miaina araka ny zava-misy, tia mandray vahiny, kanefa tsy tia miankin-doha amin’ny hafa ireo olona any, ka anisan’ny mampiavaka manokana an’ilay faritra koa izany.
Fiveloman’ny ankamaroan’ny mponina any amin’ireo nosy ireo ny fanaratoana ao amin’ny Ranomasina Égée. Mahita vokatra be dia be eo amin’io faritra io anefa ny karazana “fanaratoana” lehibe hafa iray. Misy “mpanarato olona”, na mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, mitety ireo nosin’ny Ranomasina Égée ka manao mpianatra kristianina.—Matio 4:18, 19; Lioka 5:10.
Nisy Kristianina mpitory ny filazantsara nitsidika ireo nosin’ny Ranomasina Égée, tokony ho 1 900 taona lasa izay. Tamin’ny 56 am.f.i. tany ho any, dia nijanona vetivety teo amin’ireo nosy Lésvos, Kio, Samo, Kosy, ary Rodo ny apostoly Paoly, rehefa avy nanao ny diany misionera fahatelo. Mpitory be zotom-po foana i Paoly, ka tsy maintsy ho nitory tamin’ny mponina sasany teo amin’ireo nosy ireo. (Asan’ny Apostoly 20:14, 15, 24; 21:1, 2). Taorian’ny nigadrany roa taona tany Roma, dia azo inoana tokoa fa nitsidika an’i Kreta izy ka nanao asa kristianina tao. Natao sesitany teo amin’ny nosy Patmo ny apostoly Jaona, “noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy”, tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany tany. (Apokalypsy 1:9). Manao ahoana ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara any amin’ireo nosy ireo ankehitriny?
Misy voka-tsoa ny ezaka manokana teo amin’ny fitoriana
Sady sarotra no mitaky ezaka be sy fahafoizan-tena ny fitoriana any amin’ireo vondro-nosy ireo. Mifanalavitra ny nosy sasany. Kisendrasendra vao misy fitaterana an-dranomasina na ana habakabaka mankany amin’ny nosy sasany, ary tsy misy mihitsy aza mankany amin’ny nosy hafa, indrindra fa amin’ny ririnina. Mety hisamboaravoara ny ranomasina, indrindra fa rehefa mitsoka ny meltemia—rivotra mahery fitsoka avy any avaratra mandritra ny vanin-taona iray. Ankoatra izany, dia mitokana sady saro-dalana ireo vohitra any amin’ny ankamaroan’ireo nosy, satria matetika no zara raha azo aleha ireo lalan-tany be vovoka. Sambo kely ihany no ahatongavana any amin’ny vohitra sasany.
Raiso, ohatra, ny nosy Ikaria. Tsy voatetin’ireo mpitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana 11 ao amin’ilay kongregasiona kely ao ireo vohitra rehetra eo amin’io nosy io sy ireo nosikely eny akaikiny. Noho izany, dia misy rahalahy sy anabavy kristianina avy any Samo tonga ao Ikaria, mba hanampy amin’ny fitoriana amin’ny mponina ao, ary koa amin’ny mponina
ao amin’ny nosy Phournoi sy Patmo ary Lipsos. Vao haingana izay, nandritra ny ezaka manokana toy izany naharitra roa andro, dia nahapetraka gazety 650 sy bokikely 99 ary boky 25 momba ny foto-kevitra ara-baiboly ny Vavolombelona! Gaga izy ireo tojo olona tsy nahalala mihitsy hoe iza moa i Jehovah, dia olona niangavy azy ireo hijanona mba hampianatra azy misimisy kokoa momba ny Baiboly. Nilaza toy izao tamin’ny Vavolombelona iray ny ramatoa iray: “Handeha ianao, kanefa mbola manana fanontaniana maro momba ny Baiboly aho. Iza izao no hanampy ahy?” Nampanantena ilay anabavy kristianina fa hanolokolo ny fahalianany amin’ny fiantsoana azy an-telefaonina, ary dia tena nanomboka fampianarana Baiboly tamin’io fomba io izy.Rehefa nitsidika an’i Ikaria ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, dia nanao fandaharana mba hamitana ilay nosy manontolo tao anatin’ny faran’ny herinandro iray. Nangataka ny fanampian’ny mpitory ilay Fanjakana 30 teo ho eo avy tany Samo izy. Tsy maintsy nianto-tena ireo rahalahy mpitsidika ireo rehefa natory indroa alina tao amin’ny hotely iray sy rehefa nanofa fiarakodia sy fiara 4X4. Avy be ny orana nandritra ny roa andro, ary hangatsiaka amin’ilay faran’ny herinandro, araka ny mpilaza ny mety ho toetr’andro. Tsy navelan’ireo rahalahy hanakantsakana azy anefa izany, satria tsaroany ireto teny ao amin’ny Mpitoriteny 11:4 ireto: “Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.” Tatỳ aoriana, dia nihatsara kely ny toetr’andro, ary rehefa avy nitondra ilay hafatra lehibe nanerana ilay nosy manontolo ireo rahalahy, dia faly sy afa-po niverina nody.
Manao ezaka lehibe ireo mpitory 16 ao amin’ny nosy Andros mba hamitana ilay nosy manontolo. Rehefa tonga tao amin’ny vohitra iray mitokana ny rahalahy roa, dia tapa-kevitra ny hitory tamin’ny mponina rehetra tao. Niresaka tamin’ny olona tao an-tranony sy teny amin’ny arabe ary teny an-tsaha izy mirahalahy. Nitsidika ny paositry ny polisy mihitsy aza izy ireo, ka namela zavatra vita an-tsoratra tao. Natoky izy mirahalahy fa efa nitoriany avokoa ny mponina rehetra, ka nadiva hanainga izy ireo. Rehefa iny hiala teo amin’ny kianja afovoan-tanàna iny anefa izy ireo, dia hitany tamy nanatona ny pretra ôrtôdôksa grika. Hay, mbola tsy nitoriany ilay pretra, ka notolorany zavatra vita an-tsoratra kely, izay noraisin’izy io tamim-pifaliana. Azon’izy ireo antoka izao fa tsy nisy olona hadinony tamin’ilay fitoriany!
Ny tendro farany atsimo amin’i Eoropa i Gavdos (na Kaoda), nosikely misy mponina 38 monja, eo atsimon’ilay antsoina hoe kibon’i Kreta. (Asan’ny Apostoly 27:16). Nitory tao nandritra ny telo andro ny mpiandraikitra mpitety faritany iray sy ny vadiny, niaraka tamin’ny mpivady hafa iray. Mba hitsitsiana vola, dia natory tao anaty lay izy ireo. Nitoriana ny vaovao tsara avokoa ny mponina rehetra tao, ary faly be ireo rahalahy fa tsy nanana fitsarana an-tendrony ny olona. Mbola tsy nahare mihitsy—filazana tsara na ratsy—momba ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nandray boky 19 sy bokikely 13 ny mponina tao, anisan’izany ilay pretra. Nandeha sambo kely ireo Vavolombelona rehefa niverina tany Kreta. Teny afovoan-dranomasina, dia nanjary nisamboaravoara ny rano, ka notandindomin-doza ny ainy. Hoy izy ireo: “Nisaotra an’i Jehovah izahay satria tafody soa aman-tsara, kanefa nankalaza azy koa izahay satria namela anay hanome voninahitra ny anarany tany amin’io tendro farany atsimo amin’i Eoropa io izy.”
I Patmo ilay nosy nanoratan’ny apostoly Jaona ny Apokalypsy, ilay boky farany ao amin’ny Baiboly. Vao haingana izay no nisian’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Patmo. Nandamina tamim-pitandremana ezaka manokana iray hitoriana tao amin’io nosy io ireo rahalahy avy any Samo. Fantatr’izy ireo fa azony nampoizina ny hisian’ny fanoherana mafy, satria toerana nofehezin’ny Eglizy Ôrtôdôksa Grika ilay nosy. Nampandrosoin’ny ramatoa iray tao an-tranony ny anabavy roa nitory ny vaovao tsara taminy. Namerimberina nanontany ny vadin’ilay ramatoa hoe iza no nandefa azy mirahavavy nankao aminy. Rehefa nohazavain’izy mirahavavy fa nitsidika ny trano tsirairay izy ireo, dia nanontany indray ilay rangahy hoe: “Azonareo antoka ve fa tsy nisy mpiara-monina taminay nandefa anareo
nankato aminay?” Fony ilay ramatoa tany Zaïre no nifankahalala tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nohazavainy tamin’izy mirahavavy tatỳ aoriana hoe inona no nitranga tamin’iny maraina nitsidihan’izy ireo voalohany iny: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho, toy ny nataoko hatramin’izay, mba handefasany Vavolombelona teto amin’ity nosy ity. Nihomehezan’ny vadiko aho. Rehefa nahita anareo teo am-baravarana aho, dia gaga, ary gaga koa ny vadiko. Izany no antony nanontaniany tsy an-kijanona hoe iza no nandefa anareo nankato aminay.” Natomboka avy hatrany ny fampianarana Baiboly an’ilay ramatoa. Natao an-telefaonina nandritra ny folo volana ilay fianarana, na dia nandany vola be tamin’izany aza ilay anabavy sy ilay ramatoa liana. Natao batisa ilay ramatoa, ary ankehitriny dia izy no hany Vavolombelona eo amin’io nosy nanokana-monina ny apostoly Jaona io, 1 900 taona lasa izay.“Fanaratoana” eny an-tseranana
Miantsona eo amin’ireo seranana maro be any amin’ireo nosin’ny Ranomasina Égée ny sambo mpitondra mpitsangantsangana, isaky ny vanin-taona mafana, ka mitondra mpanao vakansy tonga hitsidika. Izany àry dia fahafahana tsy manam-paharoa misokatra eo anoloan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana amin’ny olona avy amin’ny firenena maro sy mampiasa fiteny maro. Manana tahirin-javatra vita an-tsoratra ara-baiboly amin’ny fiteny maro ireo kôngregasiôna, ary mahapetraka gazety an’arivony maro amin’ny mpizaha tany ireo mpitory. Misy sambo miverina isan-kerinandro eo amin’ny seranana iray, ka izany dia manolotra fahafahana faran’izay tsara ho an’ireo rahalahy mba hiverenana hitsidika, eny, hitarihana fampianarana Baiboly mihitsy aza, amin’ny mpiasa sasany ao amin’ireo sambo.
Tamin’ny vanin-taona mafana tamin’ny 1996, ny anabavy mpitory manontolo andro iray ao Rodo dia nitory tamin’ny tovolahy jamaikanina iray niasa tao amin’ny sambo iray niantsona teo amin’io seranana io isaky ny zoma. Nasaina hanatrika fivoriamben’ny distrika natao teo amin’io nosy io ilay tovolahy, ny zoma nanaraka. Nitondra Baiboly tamin’ny fiteny anglisy ilay anabavy, mba hanampiana ilay tovolahy hahazo ny hevitry ny fahamarinana ara-baiboly sasany novelabelarina tamin’ilay fandaharana. Nampiaiky volana an’ilay tovolahy ny fitiavana sy ny firaiketam-po nasehon’ny Vavolombelona tao amin’ilay fivoriambe. Ny zoma nanaraka, dia nanasa mpisava lalana roa lahy hitsidika ilay sambo izy. Nitondra zavatra vita an-tsoratra tamin’ny fiteny anglisy sy espaniola ireo mpisava lalana. Foana tao anatin’ny adiny iray latsaka ny tao anatin’ny kitapon’izy ireo! Nianatra ny Baiboly isaky ny zoma ilay tovolahy jamaikanina, mandra-pahatapitry ny vanin-taona mafana. Niverina izy tamin’ny vanin-taona mafana nana
raka, vonona hanohy indray ny fianarany. Nanapa-kevitra ny hiova asa anefa izy tamin’ity indray mandeha ity, mba hahafahany hanao fandrosoana ara-panahy. Avy eo dia lasa indray izy. Endrey ny hafalian’ireo rahalahy any Rodo nahafantatra fa natao batisa io tovolahy io, teo am-piandohan’ny taona 1998!Fanjonoana “trondro” mifindrafindra monina
Mampahalaza ny Ranomasina Égée ireo trondro mpifindrafindra monina maro be, toy ny sardinina sy ny espadon, izay mandalo ao amin’ilay ranomasina ka azon’ny haraton’ny mpanjono mahay. Torak’izany koa fa ireo mpitory ny filazantsaran’ilay Fanjakana dia mahita olona maro manana fo vonon-kandray, eo amin’ireo mpiasa mpiavy, izay avy tany amin’ny firenena maro any Eoropa Atsinanana ka nifindra monina any Gresy.
Folo taona i Rezi, fony izy namaky voalohany momba an’i Jehovah sy ny fikasany, tao amin’ny pejin’Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, tany Albania. Nifindra niaraka tamin’ny fianakaviany nankany amin’ny nosy Rodo izy, telo taona taorian’izay. Indray andro, dia nivavaka tamin’i Jehovah i Rezi, mba hanampy azy hahita ny olon’i Jehovah teo amin’ilay fonenany vaovao. Rehefa nody ny rainy ny ampitson’iny, dia nitondra gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, izay gazety fantatr’i Rezi tsara. Faly erỳ i Rezi. Nifandray tamin’ilay anabavy nanome an-drainy ireo gazety izy, ary tsy ela dia nanomboka nianatra tamin’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Indraindray izy dia nangataka ny hianatra intelo tao anatin’ny indray andro! Tonga mpitory tsy vita batisa izy, rehefa afaka roa volana, ary natao batisa tamin’ny Martsa 1998, teo amin’ny faha-14 taonany. Nanomboka ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy izy ny androtr’iny ihany, ary nirotsaka ho mpisava lalana maharitra, na mpitory manontolo andro, enim-bolana taorian’izay.
Nampianatra olona avy tany Rosia ny rahalahy iray eo amin’ny nosy Kosy. Nanontaniany izy ireo raha nanana namana te hianatra ny Baiboly koa. Nentin’izy ireo nankany amin’ny mpivady armenianina iray, dia i Leonidas sy i Ophelia, tao amin’ny vohitra iray any amin’ny 30 kilaometatra eo ho eo ilay rahalahy. Gaga ireo rahalahy namoahan’ilay mpivady armenianina kitapo iray feno zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly amin’ny fiteny armenianina sy rosianina navoakan’ny Fikambanana Watch Tower! Nohazavain’izy mivady fa efa nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary nandroso ka tonga mpitory tsy vita batisa. Noho ny savorovoro politika sy ny fahasahiranana ara-bola anefa, dia voatery nandao ny tanindrazany izy mivady. Raha vantany vao tonga tao Kosy izy ireo, dia nanomboka fampianarana tamin’ny renin’i Leonidas sy ny anabaviny, izay efa nipetraka tao. Tampoka teo, dia nanana fampianarana Baiboly vaovao telo ny Vavolombelona — ny iray niaraka tamin’i Ophelia, ny faharoa niaraka tamin’i Leonidas, ary ny fahatelo niaraka tamin’ny renin’i Leonidas sy ny anabaviny. Nitaky fandehanana tamin’ny môtô, 30 kilaometatra nandroso, ary 30 kilaometatra niverina, intelo isan-kerinandro, izany. Natao batisa i Leonidas mivady, volana vitsivitsy taorian’izay. Valisoa re izany noho ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena nasehon’ireo rahalahy teo an-toerana!
Mampitombo i Jehovah
Miharihary fa tahin’i Jehovah ny ezaka ataon’ireo mpitory marisika tsy mety reraka, miisa maherin’ny 2 000 any amin’ireo nosin’ny Ranomasina Égée. Misy kongregasiona 44 sy fitambara-mpitory Vavolombelon’i Jehovah 25 any ankehitriny. Amin’ ireo fitambara-mpitory ireo, dia 17 no amin’ny fiteny vahiny, satria sitrapon’i Jehovah ny ‘hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana’. (1 Timoty 2:4, NW ). Ankoatra izany, dia misy mpisava lalana manokana 13 mampitombo hatrany ny ezaka ataony mba hitoriana amin’ny olona maro kokoa any amin’ireo faritany mitokana ireo.
Foiben’ny fivoarana ara-kolontsaina sy ny raharaham-barotra ny Ranomasina Égée, nandritra ny taonjato maro. Tato anatin’ireo am-polony taona faramparany, dia nanjary toerana tian’ny mpizaha tany ana hetsiny maro haleha izy io. Ny mbola zava-dehibe kokoa anefa, dia nahita olona tso-po maro dodona ny hidera an’i Jehovah tao amin’ireo nosy ireo ny “mpanarato olona”, na mpitory ilay Fanjakana. Namaly tamin’ny fomba tsara dia tsara izao fanasana ara-paminaniana izao izy ireo, tamin’ny fitambarany: “Aoka hanome voninahitra an’i Jehovah izy ary hitory ny fiderana Azy any amin’ny nosy.”—Isaia 42:12.
[Sarintany, pejy 22]
(Jereo ny gazety)
Ranomasina Égée
GRESY
Lésvos
Kio
Samo
Ikaria
Phournoi
Patmo
Kosy
Rodo
Kreta
TORKIA
[Sary, pejy 23]
Nosy Lésvos
[Sary, pejy 24]
Nosy Patmo
[Sary, pejy 24]
Nosy Kreta