Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tontolo Vaovao​—Ho ao ve Ianao?

Ny Tontolo Vaovao​—Ho ao ve Ianao?

Ny Tontolo Vaovao​—Ho ao ve Ianao?

“Tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.”​—MPITORITENY 3:12, 13.

1. Nahoana isika no afaka miandrandra zavatra tsara momba ny hoavy?

OLONA maro no mihevitra fa henjana sy masiaka izany Andriamanitra Tsitoha izany. Na izany aza anefa, dia marina ilay teny etsy ambony, ary ho hitanao ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry ny fahamarinan’izy io. Izany dia mifanaraka amin’ny hoe “Andriamanitra [sambatra, NW ]” izy, ary nametraka an’ireo ray aman-drenintsika voalohany tao amin’ny paradisa teto an-tany. (1 Timoty 1:11; Genesisy 2:7-9). Eo am-piezahantsika hahatakatra hoe inona no hoavy ampanantenain’Andriamanitra ny vahoakany, dia tsy tokony hahagaga antsika ny mianatra momba ireo toe-piainana hitondra fahafaham-po maharitra ho antsika.

2. Inona no zavatra sasany andrandrainao?

2 Nodinihintsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha ny telo tamin’ireo andininy efatra anambaran’ny Baiboly mialoha ny amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”. (Isaia 65:17). Voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 21:1 ny iray amin’ireo faminaniana azo itokisana ireo. Ireo andininy manaraka azy io dia milaza ny amin’ilay fotoana hanovan’ilay Andriamanitra Tsitoha ny toe-piainana eto an-tany, izay hiova tanteraka ho tsara kokoa. Hamafa ny ranomasom-pahoriana izy. Tsy hisy olona ho faty noho ny fahanterana, na ny aretina, na ny loza, intsony. Ho efa naman’ny lasa ny alahelo sy ny fitarainana ary ny fanaintainana. Izany ka zava-mahafinaritra efa tsinjo sahady! Afaka mahazo antoka anefa ve isika fa ho tonga izany, ary inona no mety ho vokatry ny fahatsinjovana izany eo amintsika, dieny izao?

Antony tokony hatokisana

3. Nahoana isika no afaka mitoky amin’ireo fampanantenan’ny Baiboly momba ny hoavy?

3 Mariho ange ny anohizan’ny Apokalypsy 21:5 azy e! Manonona ny tenin’Andriamanitra, izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra, izy io, manao hoe: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” Tsara kokoa izany fampanantenan’Andriamanitra izany raha oharina amin’izay rehetra mety ho fanambarana fahaleovan-tenam-pirenena, na fanambarana ny zon’ny olom-pirenena atao ankehitriny, na fanirian’olombelona momba ny hoavy. Fanambarana azo antoka tanteraka nataon’Ilay lazain’ny Baiboly ho “tsy mahay mandainga” izy io. (Titosy 1:2). Tsy mahagaga àry raha mety hihevitra ianao hoe tsy maninona raha mijanona hatreo isika, ka hifaly amin’io zava-mahafinaritra efa tsinjo io, ary hitoky amin’Andriamanitra. Tsy mila mijanona eo anefa isika. Mbola misy zavatra hafa hofantarintsika momba ny hoavintsika.

4, 5. Faminaniana ara-baiboly inona avy, izay efa nodinihintsika, no manamafy ny fatokisantsika ny amin’ny hoavy?

4 Saintsaino ny amin’izay noporofoin’ny lahatsoratra teo aloha, mahakasika ireo fampanantenan’ny Baiboly lanitra vaovao sy tany vaovao. Nanambara mialoha izany fandehan-javatra vaovao izany i Isaia, ary tanteraka ny faminaniany rehefa niverina tany an-tanindrazany ny Jiosy ka nanorina indray ny fanompoam-pivavahana marina. (Ezra 1:1-3; 2:1, 2; 3:12, 13). Izay ihany anefa ve no tondroin’ny faminanian’i Isaia? Tsy izany velively! Ireo zavatra nambarany mialoha dia ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe kokoa, amin’ny hoavy mbola lavitra. Nahoana isika no tonga amin’izany fanatsoahan-kevitra izany? Noho izay vakintsika ao amin’ny 2 Petera 3:13 sy ao amin’ny Apokalypsy 21:1-5. Manintona ny saina ho amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao izay hitondra soa ho an’ny Kristianina maneran-tany, ireo andalan-teny ireo.

5 Araka ny nomarihina tany aloha, dia inefatra ny Baiboly no mampiasa ilay teny hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao”. Efa nandinika ny telo tamin’izy ireo isika ka tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra mampahery. Manambara mialoha tsy misy olakolaka ny Baiboly fa hanafoana ny faharatsiana sy ireo antony hafa mahatonga fijaliana Andriamanitra, ary hitahy bebe kokoa ny olombelona izy avy eo, ao amin’ilay fandehan-javatra vaovao nampanantenainy.

6. Manambara mialoha ny amin’ny inona ny faminaniana iray fahefatra izay miresaka momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”?

6 Andeha àry isika handinika ilay andininy sisa tavela isehoan’ilay teny hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao”, dia ilay ao amin’ny Isaia 66:22-24, manao hoe: “Tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany ny haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo. Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tSabata dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah. Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin’ny olona izay efa niodina tamiko; fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, ary hataon’ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.”

7. Nahoana isika no tokony hanatsoaka hevitra fa hisy fahatanterahany amin’ny andro ho avy ny Isaia 66:22-24?

7 Tanteraka teo amin’ireo Jiosy tafaverina indray tao amin’ny taniny io faminaniana io, kanefa dia mbola hisy fahatanterahany hafa iray. Tsy maintsy ho taona maro atỳ aorian’ny fotoana nanoratana ny taratasy faharoan’i Petera sy ny bokin’ny Apokalypsy izany, satria samy nanintona ny saina ho amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” izy ireo. Azontsika atao ny manantena izany fahatanterahany amin’ny fomba feno sy amin’ny ambaratonga lehibe izany, ao amin’ny fandehan-javatra vaovao. Diniho ange ny toe-piainana sasany azontsika antenaina e!

8, 9. a) Amin’ny heviny ahoana no ‘haharitra’ ny vahoakan’Andriamanitra? b) Inona no hevitr’ilay faminaniana hoe hanolotra fanompoam-pivavahana “isaky ny voaloham-bolana sy isan-tSabata” ny mpanompon’i Jehovah?

8 Asehon’ny Apokalypsy 21:4 fa tsy hisy intsony ny fahafatesana. Mifanaraka amin’izany ilay andalan-teny ao amin’ny Isaia toko faha-66. Hitantsika avy amin’ny andininy faha-22 fa fantatr’i Jehovah hoe tsy ho zavatra mihelina ilay lanitra vaovao sy tany vaovao. Ankoatra izany, dia ho eo foana ny vahoakan’i Jehovah, eny, ‘haharitra’ eo anatrehany izy ireo. Manome antony tokony hahafeno toky antsika, ny zavatra efa nataon’Andriamanitra ho an’ilay vahoaka voafidiny. Ny Kristianina marina dia niatrika fanenjehana feno habibiana, eny, hatramin’ny zavatra nataon’olona mafana fo loatra ara-pivavahana mba hamongorana azy ireo aza. (Jaona 16:2; Asan’ny Apostoly 8:1). Na dia ny tena mahery tamin’ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra aza, toa an’i Néron, Emperora romanina, sy i Adolf Hitler, dia tsy afaka namongotra an’ireo tsy mivadika amin’Andriamanitra, izay mitondra ny anarany. Niaro ny kôngregasiônan’ny vahoakany i Jehovah, ary afaka matoky isika fa afaka mihazona azy io haharitra hatrany izy.

9 Mitovy amin’izany koa ireo mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra, izay anisan’ny tany vaovao, dia ilay fitambaran’olona voaforon’ireo mpivavaka marina ao amin’ny tontolo vaovao. Haharitra izy ireo isam-batan’olona, satria hanolotra fanompoam-pivavahana madio ho an’ilay Mpamorona ny zavatra rehetra. Tsy ho fanompoam-pivavahana hatao tsindraindray na hiankina amin’ny kisendrasendra izany. Ny Lalàn’Andriamanitra nomena ny Isiraely tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nitaky ny hanolorana fanompoam-pivavahana isam-bolana, toy ny tamin’ny voaloham-bolana, sy isan-kerinandro, toy ny tamin’ny Sabata. (Levitikosy 24:5-9; Nomery 10:10; 28:9, 10; 2 Tantara 2:4). Ny Isaia 66:23 àry dia manintona ny saina ho amin’ny fanompoam-pivavahana tsy tapaka sy mitohy hatolotra an’Andriamanitra, isan-kerinandro isan-kerinandro, isam-bolana isam-bolana. Tsy hisy amin’izay fotoana izay ny tsy finoana an’Andriamanitra sy ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana. ‘Ho avy hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah kosa ny nofo rehetra.’

10. Nahoana ianao no afaka matoky fa tsy ho simban’ny ratsy fanahy na oviana na oviana ilay tontolo vaovao?

10 Manome toky antsika ny Isaia 66:24 fa tsy hatahorana ho simba na oviana na oviana ilay fiadanana sy fahamarinana ao amin’ny tany vaovao. Tsy hisy ratsy fanahy hanimba azy io. Tsarovy fa, araka ny 2 Petera 3:7, dia ho avy ny “andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy”. Ny ratsy fanahy no hifarana. Tsy hisy fahavoazana hanjo ny tsy manan-tsiny, toy izay mitranga matetika eo amin’ireo ady ifanaovan’ny olombelona, izay mahafaty sivily betsaka kokoa noho ny miaramila. Manome antoka antsika ilay Mpitsara Lehibe fa ilay androny dia ho fandringanana ny ratsy fanahy.

11. Inona no hoavin’izay rehetra miodina amin’Andriamanitra sy ny fanompoam-pivavahana aminy, araka ny asehon’i Isaia?

11 Ho hitan’ireo olo-marina tafita velona fa marina ny teny ara-paminanian’Andriamanitra. Manambara mialoha ny andininy faha-24 fa ho porofon’ny didim-pitsaran’i Jehovah “ny fatin’ny olona izay efa niodina” taminy. Mety ho toa tsiravina ny tena amin’ilay filazalazan’i Isaia azy mazava tsara. Mifanaraka amin’ny zavatra efa nisy ara-tantara anefa izy io. Nisy toerana fanariam-pako tany ivelan’ny mandan’i Jerosalema fahiny. Natsipy tao koa indraindray ny fatin’ireo mpanao heloka bevava novonoina, izay tsy mendrika hahazo fandevenana nihaja. * Vetivety ireo kankana sy ilay afo nandevona dia nampanjavona ny fako sy ireo fatin’olona. Miharihary fa tsy azo ivalozana ny didim-pitsaran’i Jehovah ho an’ireo mpandika lalàna, araka ny asehon’ilay teny an’ohatra nampiasain’i Isaia.

Izay nampanantenainy

12. Inona avy no fanazavana fanampiny omen’i Isaia, momba ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao?

12 Milaza amintsika zavatra sasany izay tsy hisy ao amin’ilay fandehan-javatra vaovao ho avy ny Apokalypsy 21:4. Inona kosa anefa no hisy amin’izany fotoana izany? Hanao ahoana ny fiainana ao? Misy fanazavana azo itokisana afaka manampy antsika hamantatra izany ve? Eny. Ny Isaia toko faha-65 dia milazalaza ara-paminaniana ny toe-piainana hisy antsika, raha mahazo sitraka amin’i Jehovah isika ka ho velona amin’ny fotoana hamoronany an’io lanitra vaovao sy tany vaovao io, amin’ilay fahatanterahany farany. Tsy mba hihantitra ka hoe tsy maintsy ho faty ireo hotahina amin’ny fahazoana toerana maharitra ao amin’ilay tany vaovao. Manome toky antsika toy izao ny Isaia 65:20: “Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.”

13. Amin’ny ahoana ny Isaia 65:20 no manome toky antsika fa hilamin-tsaina ny vahoakan’Andriamanitra?

13 Ny fahatanterahan’izy io voalohany teo amin’ny firenen’i Isaia, dia nidika fa voaro ireo zazakely tao amin’ilay tany. Tsy nisy fahavalo niditra, toy ny nataon’ny Babylonianina teo aloha, ka hoe hamabo ireo zaza minono, na handripaka ny lehilahy vao herotrerony. (2 Tantara 36:17, 20). Ho voaro sy hilamin-tsaina ary ho afaka hankafy ny fiainana ny olona, ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy. Raha misy olona mifidy ny hikomy amin’Andriamanitra, dia tsy havela hanohy hiaina izy, fa hesorin’Andriamanitra. Ahoana raha zato taona ilay mpanota mpikomy? Ho faty “mbola zatovo ihany” izy, raha oharina amin’ilay fiainana tsy hanam-pahataperana.​—1 Timoty 1:19, 20; 2 Timoty 2:16-19.

14, 15. Fanaovan-javatra mahafa-po inona avy no azonao andrandraina, araka ny Isaia 65:21, 22?

14 Tsy mifantoka amin’ny fomba mety hanesorana ny mpanota an-tsitrapo i Isaia, fa milazalaza kosa ny toe-piainana hanjaka ao amin’ny tontolo vaovao. Andramo alaina sary an-tsaina ho ao anatin’ilay toe-piainana ny tenanao. Zavatra mahakasika anao manokana no mety ho hitan’ny mason’ny sainao voalohany. Miresaka izany i Isaia eo amin’ny andininy faha-21 sy faha-22, manao hoe: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.”

15 Raha mbola tsy mahay manao fanorenana ianao, na mbola tsy nanao zaridaina, dia toa milaza ilay faminanian’i Isaia fa misy fampianarana miandry anao. Ho vonona hianatra anefa ve ianao rehefa ampian’ny mpampianatra mahay, angamba mpiara-monina tsara fanahy izay ho faly ny hanampy anao? Tsy nilaza i Isaia hoe hanao ahoana ny ho tranonao: Hisy varavarankely lehibe tsy misy fitaratra sy voaro amin’ny masoandro ve mba hankafizanao ny tsio-drivotry ny tany mafana, sa varavarankely misy fitaratra mihidy, izay ho azonao ijerena ny fizaran-taona miovaova? Hataonao misompirana ve ny tafon’ny tranonao mba tsy hitana orana sy ranomandry? Sa kosa ho tsara amin’ny toetany eo an-toerana ny hanaovana tafo marin-tampona, toy ny any Moyen-Orient​—tafo izay hahafahanao hamory ny mpianakavinao ho amin’ny sakafo fy sy ny resadresaka mahafinaritra?​—Deoteronomia 22:8; Nehemia 8:16.

16. Nahoana ianao no afaka manantena fa hitondra fahafaham-po maharitra ilay tontolo vaovao?

16 Ny mbola zava-dehibe kokoa noho ny fahalalana izany tsipiriany izany, dia ny hoe hanana fonenana anao manokana ianao. Ho anao izy io, fa tsy toy ny amin’izao andro izao, izay mety hiasanao mafy erỳ ny fanorenana azy, nefa olon-kafa, avy eo, no handray soa aminy. Milaza koa ny Isaia 65:21 fa hamboly ianao ka hihinana ny vokatra aminy. Mamintina ny zava-drehetra hisy izany. Hahita fahafaham-po lalina amin’ny ezaka hataonao ianao, dia amin’ireo vokatry ny asanao. Ho afaka hanao izany mandritra ny fiainana lava “tahaka ny andron’ny hazo” ianao. Mifanaraka tsara amin’izany ilay hoe ‘havaozina ny zavatra rehetra’!​—Salamo 92:12-14.

17. Fampanantenana inona no hitan’ny ray aman-dreny ho tena mampahery?

17 Raha ray na reny ianao, dia hanohina ny fonao ireto teny ireto: “Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza [hitondra fikorontanan-tsaina, NW ]; fa taranak’izay notahin’i Jehovah ireo, ary ny terany ho ao aminy. Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.” (Isaia 65:23, 24). Fantatrao avy amin’izay niainanao ve ny fahoriana amin’ny hoe ‘mitera-jaza hitondra fikorontanan-tsaina’? Tsy ilaintsika ny mitanisa ireo zava-manahirana isan-karazany mety ho hitan’ny ankizy, ka mampikorontan-tsaina ny ray aman-dreny sy ny hafa. Etsy an-danin’izany koa, dia iarahantsika rehetra mahita ireo ray aman-dreny revo loatra amin’ny asa aman-draharahany, na variana loatra amin’ny fikatsahana fahafinaretana, ka tsy manam-potoana firy hiarahana amin’ny zanany. Mifanohitra amin’izany fa manome toky antsika i Jehovah fa hihaino antsika sy hanome ny zavatra ilaintsika izy, eny, hanome antsika izy na dia mbola tsy mangataka akory aza isika.

18. Nahoana ianao no afaka manantena fa ho finaritra amin’ny biby ao amin’ny tontolo vaovao?

18 Raha mbola eo am-pieritreretana ny amin’izay mety ho azonao ankafizina ao amin’ny tontolo vaovao ianao, dia alao sary an-tsaina ity tarehin-javatra voalazan’ny teny ara-paminanian’Andriamanitra ity: “Ny amboadia sy ny zanak’ondry hiara-komana, ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.” (Isaia 65:25). Nisy mpanakanto nanandrana nanao izany an-tsary, kanefa tsy sary foromporonina fotsiny vokatry ny fahaizan’ny mpanakanto manitatra ny zava-misy akory izy io. Tena hisy tokoa izy io. Hanjaka eo amin’ny olombelona ny fihavanana, ary hanjaka toy izany koa ny fihavanana eo amin’ny olona sy ny biby. Maro amin’ireo manam-pahaizana momba ny zavamananaina sy ireo mpitia biby no mandany ireo taona tsara indrindra iainany mba hianarana momba ny karazam-biby sasantsasany na sokajim-biby iray monja aza. Mifanohitra amin’izany fa eritrereto ange izay ho azonao ianarana rehefa tsy hisy tahotra olona intsony ao amin’ny biby e! Amin’izay dia ho azonao hatonina hatramin’ny vorona sy ny zavaboary bitika monina any anaty ala na kirihitra, eny, ho azonao atao ny handinika sy hiana-javatra avy amin’izy ireo, ary ho finaritra aminy. (Joba 12:7-9). Ho afaka hanao izany tsy amin’ahiahy ianao, tsy hisy loza ateraky ny olona na ny biby. Hoy i Jehovah: “Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy”. Ho fiovana lehibe tokoa izany, raha oharina amin’izay hitantsika sy iainantsika ankehitriny!

19, 20. Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra no tena samy hafa amin’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny?

19 Araka ny voalaza tany aloha, dia tsy afaka manambara mialoha araka ny marina ny hoavy ny olombelona, na dia eo aza ny fanahiana hatraiza hatraiza mahakasika ny taonarivo vaovao iray. Mahatonga olona maro ho kivy na hikorontan-tsaina na hamoy fo izany. Nanoratra toy izao i Peter Emberley, talen’ny oniversite iray any Kanada: “[Olon-dehibe] maro, amin’ny farany, no miatrika fanontaniana fototra momba ny fiainana. Iza moa aho? Inona marina no tena iezahako hotratrarina? Inona no lova avelako ho an’ny fara aman-dimby? Miezaka mafy mba hahita filaminana sy zava-kendrena eo amin’ny fiainany izy ireo rehefa zokinjokiny.”

20 Takatrao àry izao hoe nahoana no olona maro no toy izany. Mety hitady fahafinaretana eo amin’ny fiainana izy ireo, amin’ny fanaovan-javatra mampiala voly, na amin’ny endri-pialam-boly manaitaitra. Tsy fantatr’izy ireo anefa izay hoentin’ny hoavy, hany ka mety ho tsy misy fotony, na tsy misy filaminana, na tsy tena misy heviny ny fiainana. Jereo kosa ny fifanoheran’izany amin’ny fomba fijerinao ny fiainana, araka izay nodinihintsika teo. Fantatrao fa ao amin’ilay lanitra vaovao sy tany vaovao nampanantenain’i Jehovah, dia ho afaka hijery ny manodidina antsika isika, ka hilaza toy izao avy amin’ny fontsika: ‘Tena nanavao ny zavatra rehetra tokoa Andriamanitra!’ Hankafy izany tokoa isika!

21. Inona no itovizan’ny Isaia 65:25 sy ny Isaia 11:9?

21 Tsy fieboeboana akory ny fakana sary an-tsaina ny tenantsika ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra. Manasa antsika izy, eny mampirisika antsika mihitsy aza, mba hanompo azy amin’ny fahamarinana, dieny izao, ka hahafeno fepetra mba hahazo ny fiainana rehefa ‘tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohiny masina’ izy ireo. (Isaia 65:25). Fantatrao anefa ve fa efa nampiasa teny mitovy amin’izany i Isaia tany aloha kokoa, ary nampiditra anton-javatra iray izay tena zava-dehibe mba hahatongavantsika marina ao amin’ny tontolo vaovao? Hoy tokoa mantsy ny Isaia 11:9: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”

22. Tokony hanamafy ny fahatapahan-kevitsika hanao inona ny nandinihantsika faminaniana efatra ao amin’ny Baiboly?

22 “Ny fahalalana an’i Jehovah”. Rehefa hanavao ny zavatra rehetra Andriamanitra, dia hanana fahalalana marina momba an’Andriamanitra sy ny sitrapony ny mponin’ny tany. Hahafaoka zavatra be lavitra noho ny fianarana azo avy amin’ny biby izany. Eo koa ny Teniny ara-tsindrimandry. Ohatra, eritrereto hoe toy inona ny zavatra hitantsika, tamin’ny fandinihana fotsiny ireo faminaniana efatra, izay miresaka ny amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”. (Isaia 65:17; 66:22; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1). Manana antony tsara hamakiana ny Baiboly isan’andro ianao. Anisan’ny fahazaranao ve izany? Raha tsy izany, inona avy no fanitsiana azonao atao mba hamakianao ampahany amin’izay lazain’Andriamanitra, isan’andro? Ho hitanao fa, ankoatra ny fiandrandrana ny ho tonga ao amin’ny tontolo vaovao, dia hitombo hatrany ny fifalianao dieny izao, sahala amin’ny an’ilay mpanao salamo.​—Salamo 1:1, 2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Jereo ny Étude perspicace des Écritures, Boky I, pejy faha-972, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no afaka manatsoaka hevitra fa manambara mialoha ny hoavy ny Isaia 66:22-24?

• Inona no tena andrandrainao amin’ireo zavatra voalaza ao amin’ireo faminaniana ao amin’ny Isaia 66:22-24 sy ny Isaia 65:20-25?

• Antony inona avy no mahatonga anao ho feno toky momba ny hoavinao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Nanambara mialoha lafiny maro amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”i Isaia sy i Petera ary i Jaona