Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna Finoana ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra!

Manàna Finoana ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra!

Manàna Finoana ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra!

“Manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika”.​—2 PETERA 1:19.

1, 2. Inona no faminaniana voalohany indrindra noraketina an-tsoratra, ary inona no iray amin’ireo fanontaniana napoitran’izy io?

I JEHOVAH no Loharanon’ny faminaniana voalohany indrindra noraketina an-tsoratra. Nilaza toy izao tamin’ny menarana Andriamanitra, taorian’ny nanotan’i Adama sy i Eva: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:1-7, 14, 15). Taonjato maro no lasa vao takatra tamin’ny fomba feno ny hevitr’ireo teny ara-paminaniana ireo.

2 Nanome fanantenana tena izy ho an’ny olombelona mpanota io faminaniana voalohany io. Tatỳ aoriana, dia nampahafantarin’ny Soratra Masina fa i Satana Devoly no ilay “menarana ela”. (Apokalypsy 12:9). Iza kosa anefa ilay Taranaka nampanantenain’Andriamanitra?

Fikarohana ilay Taranaka

3. Ahoana no nanehoan’i Abela finoana an’ilay faminaniana voalohany?

3 Tsy nanahaka an-drainy i Abela tia an’Andriamanitra, fa naneho finoana kosa an’ilay faminaniana voalohany. Miharihary fa takatr’i Abela hoe nilaina mba hanaronana fahotana ny fandatsahan-dra. Nanosika azy hanolotra sorona biby àry ny finoana, ary hita fa nankasitrahan’Andriamanitra ilay sorona nataony. (Genesisy 4:2-4). Na izany aza anefa, dia mbola zava-niafina ny hoe iza ilay Taranaka nampanantenaina.

4. Inona no nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama, ary nanondro inona mahakasika ilay Taranaka nampanantenaina izany?

4 Tokony ho 2 000 taona taorian’i Abela, dia nanome an’i Abrahama patriarika izao fampanantenana ara-paminaniana izao i Jehovah: “Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra (...) ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Genesisy 22:17, 18). Araka ireo teny ireo, dia nisy nifandraisany tamin’i Abrahama ny fahatanterahan’ilay faminaniana voalohany. Nanondro koa ireo teny ireo fa hipoitra avy ao amin’ny taranak’i Abrahama ilay Taranaka hanafoanana ny asan’i Satana. (1 Jaona 3:8). “[Noho ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tsy nihozongozona, NW ] tamin’ny tsi-finoana” i Abrahama, ary toy izany koa ireo vavolombelon’i Jehovah hafa talohan’ny andro kristianina, izay “tsy mba nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenana”. (Romana 4:20, 21; Hebreo 11:39, NW ). Nihazona ny finoany ny teny ara-paminanian’Andriamanitra kosa izy ireo.

5. Tanteraka tamin’iza ilay fampanantenan’Andriamanitra momba ilay Taranaka, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?

5 Nampahafantarin’ny apostoly Paoly hoe iza ilay Taranaka nampanantenain’Andriamanitra rehefa nanoratra izy hoe: “Tamin’i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an’ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ‘ary ho an’ny taranakao’, dia Kristy izany.” (Galatiana 3:16). Tsy nahafaoka ny taranak’i Abrahama rehetra akory ilay Taranaka hitahiana ny firenena. Tsy nampiasaina hitahiana ny olombelona ny taranak’i Isimaela zanany, sy ny taranak’ireo zanany naterany tamin’i Ketora. Avy tamin’i Isaka zanany sy i Jakoba zafikeliny kosa no niavian’ilay Taranaka hitondra fitahiana. (Genesisy 21:12; 25:23, 31-34; 27:18-29, 37; 28:14). Nasehon’i Jakoba fa hanoa an’i Silo avy amin’ny fokon’ny Joda, ireo “firenena”. Tatỳ aoriana anefa, dia voafetra ho ao amin’ny taranak’i Davida ilay Taranaka. (Genesisy 49:10; 2 Samoela 7:12-16). Nanantena ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany fa ho olona iray ilay Mesia, na Kristy, ho avy. (Jaona 7:41, 42). Ary ilay faminanian’Andriamanitra momba ilay Taranaka dia tanteraka tamin’i Jesosy Kristy Zanany.

Niseho ilay Mesia!

6. a) Ahoana no tokony handraisantsika ny hevitr’ilay faminaniana momba ny 70 herinandro? b) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no ‘nanampenan’i Jesosy ny fahotana’?

6 Nandrakitra an-tsoratra faminaniana tena lehibe momba ny Mesia ny mpaminany Daniela. Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosa medianina, dia takatr’i Daniela fa efa akaiky ny faran’ilay 70 taona naha lao an’i Jerosalema. (Jeremia 29:10; Daniela 9:1-4). Raha mbola teo am-pivavahana i Daniela, dia tonga ny anjely Gabriela, ka nampahafantariny fa ‘fito-polo herinandro no voatendry hanampenana ny fahotana’. Hovonoina ny Mesia rehefa misasaka ilay herinandro faha-70. Nanomboka tamin’ny 455 al.f.i. ilay “fitopolo herinandron-taona”, fony ‘namoaka didy hanamboarana an’i Jerosalema’ i Artaksersesy I, Mpanjaka persanina. (Daniela 9:20-27; Moffatt; Nehemia 2:1-8). Ho tonga ilay Mesia rehefa afaka 7 herinandro miampy 62 herinandro. Ireo 483 taona ireo dia nanomboka tamin’ny 455 al.f.i. ka hatramin’ny 29 am.f.i., fony natao batisa i Jesosy ka nohosoran’Andriamanitra ho Mesia, na Kristy. (Lioka 3:21, 22). ‘Nanampina ny fahotana’ i Jesosy, tamin’ny nanomezany ny ainy ho avotra, tamin’ny 33 am.f.i. (Marka 10:45). Izany ka antony marim-pototra tokony hananana finoana ny teny ara-paminanian’Andriamanitra! *

7. Hazavao amin’ny alalan’ny Soratra Masina ny fomba nahatanterahan’ny faminaniana momba ny Mesia tamin’i Jesosy.

7 Noho ny finoana ny teny ara-paminanian’Andriamanitra, dia manjary azontsika atao ny mahafantatra hoe iza ilay Mesia. Mirakitra faminaniana maro momba ny Mesia ny Soratra Hebreo, ary nanonona maromaro tamin’ireny faminaniana ireny ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina, ka nampihatra azy ireny nivantana tamin’i Jesosy. Indro misy ohatra: Nateraky ny virjiny iray tao Betlehema i Jesosy. (Isaia 7:14; Mika 5:1; Matio 1:18-23; Lioka 2:4-11). Nantsoina hiala tany Ejipta izy, ary nisy zazakely maro novonoina taorian’ny nahaterahany. (Jeremia 31:15; Hosea 11:1; Matio 2:13-18). Nitondra ny aretintsika i Jesosy. (Isaia 53:4; Matio 8:16, 17). Araka ny nambara mialoha, dia niditra tao Jerosalema nitaingina zana-boriky izy. (Zakaria 9:9; Jaona 12:12-15). Tanteraka ny tenin’ny mpanao salamo taorian’ny nanomboana an’i Jesosy, rehefa nifampizaran’ireo miaramila ny fitafiany ary nilokan’izy ireo ny akanjony. (Salamo 22:18; Jaona 19:23, 24). Nanatanteraka faminaniana koa ny tsy nanapahana ny taolan’i Jesosy sy ny nandefonana azy. (Salamo 34:20; Zakaria 12:10; Jaona 19:33-37). Ireo dia ohatra vitsivitsy monja ny amin’ireo faminaniana maro momba ny Mesia, izay notononin’ireo mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra, ka nampihariny tamin’i Jesosy. *

Arahabao ilay Mpanjaka Mesianika!

8. Iza moa ilay Fahagola, ary ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 7:9-14?

8 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara mpanjaka babylonianina, dia nomen’i Jehovah nofy sy fahitana hafakely i Daniela mpaminaniny. Nahita biby efatra goavana aloha ilay mpaminany. Araka ny nampahafantarin’ilay anjelin’Andriamanitra, dia “mpanjaka efatra” izy ireo, ka midika izany fa sary nampiseho fanjakana natanjaka nifandimby izy ireo. (Daniela 7:1-8, 17). Avy eo i Daniela dia nahita an’i Jehovah, “ny Fahagola”, nipetraka tamim-boninahitra teo amin’ny seza fiandrianana. Nanameloka ireo biby i Jehovah, nanaisotra ny fanapahana tamin’izy ireo ary namono an’ilay biby fahefatra. Avy eo, ilay “toy ny zanak’olona”, dia nomena fahefana maharitra mba hanapaka eo amin’ny “fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny”. (Daniela 7:9-14). Izany ka faminaniana mahatalanjona mifandray amin’ny nandraisan’ny “Zanak’olona”​—Jesosy Kristy​—ny seza fiandrianana tany an-danitra, tamin’ny 1914!​—Matio 16:13.

9, 10. a) Nanondro inona ireo tapany samihafa tamin’ilay sariolona tao amin’ilay nofy? b) Ahoana no hanazavanao ny fahatanterahan’ny Daniela 2:44?

9 Fantatr’i Daniela fa “manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka” Andriamanitra. (Daniela 2:21). Nanam-pinoana an’i Jehovah, ilay “mampiseho zava-miafina”, ilay mpaminany, ka nampahafantatra ny hevitr’ilay nofin’i Nebokadnezara mpanjaka babylonianina momba ilay sariolona goavana. Ireo tapany samihafa tamin’ilay sariolona dia nanondro ny fisandratana sy ny fianjeran’ny fanjakana natanjaka toa an’i Babylona sy i Media-Persia sy i Gresy ary i Roma. Nampiasa an’i Daniela koa Andriamanitra mba hanoritra ireo zavatra hiseho eto amin’izao tontolo izao hatramin’izao androntsika izao sy ny aorian’izany.​—Daniela 2:24-30.

10 “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo”, hoy ilay faminaniana, “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44). Rehefa nifarana tamin’ny 1914 “ny andron’ny jentilisa”, Andriamanitra dia nanorina ilay Fanjakana any an-danitra eo ambany fitarihan’i Kristy. (Lioka 21:24; Apokalypsy 12:1-5). Tamin’izay, noho ny herin’Andriamanitra, dia nendahana tamin’ilay “tendrombohitra”, izay tsy inona fa ny fiandrianan’Andriamanitra manerana izao rehetra izao, ilay “vato”, dia ny Fanjakana Mesianika. Ao amin’i Haramagedona, dia hamely an’ilay sary io vato io ka hahatorotoro azy. Haharitra mandrakizay ilay Fanjakana Mesianika, izay ho tendrombohitra hitondra “ny tany rehetra”.​—Daniela 2:35, 45; Apokalypsy 16:14, 16. *

11. Fahitana mialoha ny inona ilay niovan’i Jesosy tarehy, ary inona no vokatr’iny fahitana iny teo amin’i Petera?

11 Ny fanapahan’ilay Fanjakany no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nilaza toy izao tamin’ny mpianany izy: “Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’olona avy amin’ny fanjakany.” (Matio 16:28). Enina andro taorian’izay, i Jesosy dia nitondra an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona nankany amin’ny tendrombohitra avo iray izay niovany tarehy teo anatrehan’izy ireo. Nanambara toy izao Andriamanitra raha mbola nisy rahona nazava nanarona ireo apostoly: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.” (Matio 17:1-9; Marka 9:1-9). Endrey izany fahitana mialoha ny voninahitry ny Fanjakan’i Kristy! Tsy mahagaga raha nanisy firesahana an’iny fahitana nahajambena iny i Petera ka nilaza hoe: “Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika”.​—2 Petera 1:16-19. *

12. Nahoana no izao indrindra no fotoana ampisehoana ny finoantsika ny teny ara-paminanian’Andriamanitra?

12 Toa tsy ny faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Soratra Hebreo ihany no anisan’ny “teny faminaniana”, fa anisany koa ilay tenin’i Jesosy hoe ho avy “amin-kery sy voninahitra lehibe” izy. (Matio 24:30). Ilay fiovan-tarehy dia nanamarina ny teny ara-paminaniana momba ny fahatongavan’i Kristy amim-boninahitra, manana ny fahefan’ny mpanjaka. Tsy ho ela dia hidika ho fandringanana ny tsy manam-pinoana ny fampiharihariana an’i Kristy amim-boninahitra, fa hidika kosa ho fitahiana ho an’ireo maneho finoana. (2 Tesaloniana 1:6-10). Ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manaporofo fa “andro farany” izao. (2 Timoty 3:1-5, 16, 17, NW; Matio 24:3-14). I Mikaela, izay tsy iza fa i Jesosy Kristy, no Mpanatanteraka ny Didim-pitsaran’i Jehovah Lehibe Indrindra, ka vonona ny hamarana an’ity fandehan-javatra ratsy ity izy, mandritra ny “fahoriana lehibe”. (Matio 24:21; Daniela 12:1). Izao tokoa àry no fotoana ampisehoana fa manana finoana ny teny ara-paminanian’Andriamanitra isika.

Hazòny ny finoana ny teny ara-paminanian’Andriamanitra

13. Inona no afaka manampy antsika hihazona ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy hamelona hatrany ny finoantsika ny teniny?

13 Azo antoka fa nientanentana erỳ isika rehefa nianatra voalohany momba ny fahatanterahan’ny teny ara-paminanian’Andriamanitra. Taorian’izay anefa, nihena ve ny finoantsika, ary nihanangatsiaka ve ny fitiavantsika? Enga anie isika mba tsy ho tonga na oviana na oviana sahala amin’ireo Kristianina tany Efesosy, izay ‘niala tamin’ny fitiavany voalohany’. (Apokalypsy 2:1-4). Na hafiriana na hafiriana no nanompoantsika an’i Jehovah, dia mety hanao toy izany koa isika raha tsy ‘mikatsaka hatrany ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha’, mba hanangonana harena any an-danitra. (Matio 6:19-21, 31-33). Hanampy antsika hihazona ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny Zanany ary ny Soratra Masina ny fianarana amim-pahazotoana ny Baiboly, sy ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ireo fivoriana kristianina, ary ny fitoriana amin-jotom-po ilay Fanjakana. (Salamo 119:105; Marka 13:10; Hebreo 10:24, 25). Izany indray kosa dia hamelona hatrany ny finoantsika ny tenin’Andriamanitra.​—Salamo 106:12.

14. Ahoana no amalian-tsoa ny Kristianina voahosotra, noho ny finoany ny teny ara-paminanian’i Jehovah?

14 Tsy misy hafa amin’ny nahatanterahan’ny teny ara-paminanian’Andriamanitra tamin’ny lasa, dia afaka mino izay ambaran’izy io mialoha momba ny hoavy koa isika. Ohatra, efa manatrika ao amin’ny voninahitr’ilay Fanjakana i Kristy ankehitriny, ary tanteraka tamin’ireo Kristianina voahosotra nahatoky hatramin’ny fahafatesana, izao fampanantenana ara-paminaniana izao: “Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina, izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra.” (Apokalypsy 2:7, 10; 1 Tesaloniana 4:14-17). Omen’i Jesosy ny tombontsoa “hihinana ny avy amin’ny hazon’aina” ao amin’ny “Paradisan’Andriamanitra” any an-danitra ireny mpandresy ireny. Rehefa mitsangana amin’ny maty izy ireo, dia mahazo, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ny tsy fahafatesana sy ny tsy fahalovana avy amin’i Jehovah, ilay ‘Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, Andriamanitra tokana’. (1 Timoty 1:17; 1 Korintiana 15:50-54; 2 Timoty 1:10). Izany ka valisoa lehibe noho ny fitiavany an’Andriamanitra tsy mety lefy, sy noho ny finoany tsy azo hozongozonina ny teny ara-paminanian’Andriamanitra!

15. Iza no fototra iorenan’ny “tany vaovao”, ary iza no mpiara-miasa amin’izy ireo?

15 Taoriana kelin’ny nananganana ireo voahosotra maty nahatoky, ho any amin’ny “Paradisan’Andriamanitra” any an-danitra, dia nafahana tao amin’i “Babylona lehibe”, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, ny sisa tamin’ny Isiraely ara-panahy teto an-tany. (Apokalypsy 14:8; Galatiana 6:16). Izy ireo no fototra iorenan’ny “tany vaovao”. (Apokalypsy 21:1). Teraka àry ny “tany” iray, izay nitombo ho paradisa ara-panahy miroborobo maneran-tany ankehitriny. (Isaia 66:8). Dieny amin’izao “andro farany” izao, dia mitanjozotra ho ao amin’izy io ireo olona sesehena toy ny ondry, izay mpiara-miasa amin’ny Isiraely ara-panahy.​—Izaia 2:2-4, Fandikan-teny Katolika; Zakaria 8:23; Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9.

Ambara mialoha ao amin’ny teny ara-paminanian’Andriamanitra ny hoavin’ny olombelona

16. Inona avy no antenain’ireo olo-mahatoky mpanohana ny voahosotra?

16 Inona avy no antenain’ireo olo-mahatoky mpanohana ny voahosotra? Manana finoana ny teny ara-paminanian’Andriamanitra koa izy ireo, ka manantena ny hiditra ao amin’ny Paradisa an-tany. (Lioka 23:39-43, NW ). Hisotro amin’ny “onin’ny ranon’aina” mahavelona izy ireo ao, ary hahazo fanasitranana avy amin’ny “ravin’ny hazo” maniry eny amoron’izy io. (Apokalypsy 22:1, 2). Raha manana fanantenana kanto toy izany ianao, dia irariana mba hanohy hampiseho ny fitiavanao lalina an’i Jehovah sy ny finoanao ny teny ara-paminaniany. Enga anie ianao ho anisan’ireo hanana fifaliana tsy omby tratra hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa.

17. Fitahiana inona avy no hisy ao amin’ny fiainana ao amin’ny Paradisa an-tany?

17 Tsy hain’ny olombelona tsy lavorary ny hilazalaza ny fiainana ao amin’ilay Paradisa an-tany ho avy. Ny teny ara-paminanian’Andriamanitra anefa dia manampy antsika hahatakatra mazava ireo fitahiana miandry ny olombelona mankatò, amin’izany fotoana izany. Rehefa hanapaka tsy hisy mpanohitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hatao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra ny sitrapony, dia tsy hisy olombelona mpisompatra, na biby akory aza, “handratra na hanimba”. (Isaia 11:9; Matio 6:9, 10). Honina amin’ny tany ny mpandefitra, ka “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. (Salamo 37:11). Tsy hisy intsony ny vahoaka maty mosary, satria “hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. (Salamo 72:16). Tsy hisy ranomasom-pahoriana intsony. Ho foana ny aretina, ary tsy hisy intsony hatramin’ny fahafatesana. (Isaia 33:24; Apokalypsy 21:4). Alao sary an-tsaina ny hoe tsy hisy dokotera, tsy hisy fanafody, tsy hisy hopitaly na toeram-pitsaboana aretin-tsaina, tsy hisy fandevenana. Izany ka fanantenana kanto!

18. a) Nomena toky ny amin’ny inona i Daniela? b) Inona no ho ‘anjaran’i’ Daniela?

18 Ho foana hatramin’ny fasana ho an’ny olombelona rehetra, satria hisolo toerana ny fahafatesana ny fitsanganana amin’ny maty. Nanana izany fanantenana izany i Joba, lehilahy nanao ny marina. (Joba 14:14, 15). Torak’izany koa i Daniela mpaminany, satria nanome azy izao fanomezan-toky mampionona izao ilay anjelin’i Jehovah: “Fa mandehana [ho any amin’ny farany; ary dia hiala sasatra ianao, NW ] ka hitsangana ao amin’ny anjaranao amin’ny andro farany.” (Daniela 12:13). Nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana mandra-pahafatiny i Daniela. Miala sasatra ao amin’ny fahafatesana izy izao, nefa “hitsangana” amin’ny “fitsanganan’ny marina” mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Lioka 14:14). Inona no ho ‘anjaran’i’ Daniela? Asehon’ny faminanian’i Ezekiela, izay hisy fahatanterahany ao amin’ny Paradisa, fa hanana toerana avokoa ny vahoakan’i Jehovah rehetra, ary ho voatsinjara ara-drariny sy amin’ny fomba milamina mihitsy aza ilay tany. (Ezekiela 47:13–48:35). Koa hanana toerana ao amin’ny Paradisa àry i Daniela. Tsy tany ihany anefa no ho anjarany ao. Ho tafiditra amin’izany koa ny toerany ao amin’ny fikasan’i Jehovah.

19. Inona no takina mba hiainana ao amin’ilay Paradisa an-tany?

19 Ahoana ny aminao sy ny anjaranao? Raha manana finoana ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ianao, dia tena azo inoana fa maniry fatratra ny hiaina ao amin’ilay Paradisa an-tany. Azonao atao mihitsy aza ny maka sary an-tsaina ny tenanao ho efa ao: mankafy ireo fitahiana maro ao, mikarakara ny tany, ary mandray amim-pifaliana ny natsangana tamin’ny maty. Rehefa dinihina tokoa, dia ny Paradisa no sahaza ny olombelona. Noforonin’Andriamanitra hiaina tao amin’ny toerana toy izany izy mivady olombelona voalohany. (Genesisy 2:7-9). Ary iriny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa ny olombelona mankatò. Hanao zavatra mifanaraka amin’ny Soratra Masina ve ianao mba ho anisan’ireo olona an’arivony tapitrisa maro izay hiaina ao amin’ny tany paradisa amin’ny farany? Afaka ny ho ao ianao raha tena tia marina an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, ary raha manana finoana maharitra ny teny ara-paminanian’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Jereo ny toko faha-11 amin’ny Diniho ny Faminanian’i Daniela!, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., sy ny hoe “Soixante-dix semaines” ao amin’ny Étude perspicace des Écritures, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

^ feh. 7 Jereo “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, pejy faha-343-344, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

^ feh. 10 Jereo ny toko faha-4 sy faha-9 amin’ilay boky hoe Diniho ny Faminanian’i Daniela!

^ feh. 11 Jereo ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Diniho ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2000.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no faminaniana voalohany, ary iza ilay Taranaka nampanantenaina?

• Inona no sasany tamin’ireo faminaniana momba ny Mesia izay tanteraka tamin’i Jesosy?

• Ahoana no hahatanterahan’ny Daniela 2:44, 45?

• Hoavy manao ahoana no miandry ny olombelona mankatò, araka ny tondroin’ny teny ara-paminanian’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Manantena hiaina ao amin’ilay Paradisa an-tany ve ianao?