Fankahalana Mihanaka toy ny Areti-mifindra
Fankahalana Mihanaka toy ny Areti-mifindra
“Tsy takatry ny olona na oviana na oviana ny momba ireo olona ankahalainy.”—JAMES RUSSELL LOWELL, MPANORATRA SADY DIPLAOMATY.
TOA manodidina antsika ny fankahalana amin’izao andro izao. Ny anarana toy ny hoe Timaoro Atsinanana, Kosovo, Liberia, Littleton ary Sarajevo—sy ny hoe néo-nazi (mpanaraka ny Nazisma amin’ny endriny vaovao), skinhead (jiolahim-boto manasola ny lohany, mahery fihetsika sy mpanavakavaka), ary ny mpanindrahindra ny fotsy hoditra—dia voasoritra ao an-tsaintsika, miaraka amin’ireo sary tsy afaka an-tsaina ny amin’ireo sisan-javatra rava efa kila forehitra, sy ireo fasana vao nolavahana mba handevenana olona tambabe, ary ireo fatin’olona.
Rava ireo vetsovetsom-po hanana hoavy tsy misy fankahalana sy fifandonana ary herisetra. Hoy i Danielle Mitterand, vadin’ny filoham-pirenena frantsay efa nodimandry, raha nahatsiaro ny fahatanorany: “Vetsovetsom-pon’ny olona ny hiaina amin-kalalahana eo anivon’ny fiaraha-monina hanjakan’ny firahalahiana, izay ho azony itokisana; ny hilamin-tsaina miara-miaina amin’ny hafa; vetsovetsom-pon’izy ireo ny hanana fiainana ara-dalàna sy miadana ary mendrika, ao anatin’ny tontolo iray matanjaka sy malala-tanana izay hikarakara azy ireo.” Nanao ahoana ireny zava-kendrena ireny? Nitaraina toy izao izy: “Dimampolo taona tatỳ aoriana, dia ekena fa niharam-panafihana izany faniriantsika izany.”
Tsy azo odian-tsy hita fotsiny ny hoe mipoitra indray ankehitriny ny fankahalana. Miely patrana kokoa izy io sady miseho amin’ny endriny mibaribary kokoa hatrany. Ny fahatsapan’ny tsirairay filaminana, izay heverin’ny olona an-tapitrisany maro ho toy ny mandeha ho azy, dia nihena, noho ny firongatry ny fanaovan-javatra tsy amin’ny antony ho fanehoam-pankahalana. Ny tsirairay amin’ireny fanaovan-javatra ireny dia toa mampihoron-koditra kokoa noho ilay teo alohany. Na dia tsy iharan’ny fankahalana aza isika ao an-tranontsika na ao amin’ny tanintsika, dia miandry antsika any an-toeran-kafa izy io. Azo inoana fa mahita porofo ny amin’izany isika isan’andro, amin’ny vaovao ao amin’ny televiziona sy amin’ireo zava-nitranga farany alefa ao amin’ny fampielezam-peo. Miely hatrany amin’ny Internet mihitsy ny sasany aminy. Mariho ireto ohatra sasantsasany ireto.
Nitombo mbola tsy nisy toy izany ny fanindrahindram-pirenena tato anatin’ireo folo taona farany. “Ny fanindrahindram-pirenena”, hoy ny nomarihin’i Joseph S. Nye, zanany, talen’ny Foiben’ny Raharaha Iraisam-pirenena any Harvard, “dia mihamahery vaika, fa tsy mihalefy, any amin’ny ankamaroan’ny faritra amin’ny tany. Tsy tanàna iray maneran-tany no misy, fa tanàna maro manerana ny tany kosa, izay vao mainka mifanavakavaka. Izany indray kosa, dia mampitombo ny mety hisian’ny fifandonana.”
An-kolaka kokoa ireo endriny hafa amin’ny fankahalana, voafina ao anatin’ny sisin-tanin’ny tany iray na ao anatin’ny faritra misy ny mpiara-monina mihitsy aza. Tany Kanada, dia novonoin’ny skinheads dimy ny Sikh zokiolona iray. Io fisehoan-javatra io dia “nanasongadina izao fiheveran’ny sasany izao: Mipoitra indray ny heloka bevava mampiseho fankahalana, any amin’ny tany iray izay matetika no deraina, noho ny fileferany ara-pirazanana”. Tany Alemaina, dia nihena hatrany ny fanafihana mampiseho fanavakavaham-bolon-koditra nataon’ireo mahery fihetsika, tao anatin’ireo taona teo aloha. Niakatra tampoka ho 27 isan-jato anefa izany tamin’ny 1997. “Fisehoan-javatra mahakivy izany”, hoy ny fanamarihan’i Manfred Kanther, minisitry ny Atitany.
Any amin’ny faritra avaratra amin’i Albania, dia nasehon’ny tatitra fa ankizy maherin’ny 6 000 no nanjary saika gadra tanteraka tao an-tranon’izy ireo ihany, noho ny tahotra sao hotifirin’ny fahavalon’ny fianakaviany. Mitondra faisana ireo ankizy ireo noho ilay foto-pisainana anjakan’ny fifankahalan’ny fianakaviana, “izay namotika ny fiainan’ny fianakaviana an’arivony maro”. Any Etazonia, araka ny Birao Federaly Momba ny Famotopotorana (FBI), dia ny “fanavakavaham-bolon-koditra no nahatonga ny antsasany mahery tamin’ireo heloka bevava nampiseho fankahalana niisa 7 755 tamin’ny 1998, izay nanaovana tatitra tany amin’ny FBI”. Anisan’ny antony sasany nahatonga ny sisa tamin’ireo heloka bevava nampiseho fankahalana, ny fitsarana an-tendrony mahakasika fivavahana sy fiaviana ara-poko na ara-pirenena ary fahasembanana ara-batana na ara-tsaina.
Tsy vitan’izany ihany fa isan’andro ny matoan-dahatsoratra an-gazety dia manintona ny saina ho amin’ny fihanahan’ny fankahalana vahiny, izay miantefa indrindra amin’ireo mpitsoa-ponenana miisa 21 tapitrisa mahery ankehitriny. Mampalahelo fa ny ankamaroan’ireo mankahala vahiny dia tanora, izay ampirisihin’ireo mpanao politika malaza tsy mahatsapa andraikitra, sy ny hafa izay mitady olona amatrarana ny rihitra. Na dia tsy miharihary loatra aza, dia anisan’ny marika famantarana izany toe-javatra izany ny tsy fatokisana, ny tsy fileferana, ary ny fananana fomba fijery raikitra momba ny olona hita ho hafa.
Inona no antony sasany mahatonga izany fankahalana mihanaka toy ny areti-mifindra izany? Ary inona no azo atao mba hamongorana ny fankahalana? Hivaofy ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Fonony, ambony: UN PHOTO 186705/J. Isaac
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Daud/Sipa Press