Fanontanian’ny Mpamaky
Fanontanian’ny Mpamaky
Mirakitra faminaniana iray be mpahalala mahakasika ny Mesia ny Isaia, toko faha-53. Hoy ny andininy faha-10: “Sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy”. Inona no dikan’izany?
Mora takatra ny antony mety hisian’ny fanontaniana mipoitra momba ny Isaia 53:10. Ny Kristianina marina mantsy dia tsy mihevitra hoe ho sitraky ny Andriamanitsika be fangoraham-po sy fitiavana ny hanorotoro na hampangirifiry na iza na iza. Ny Baiboly dia manome antsika ny antony hatokisana fa tsy mifaly amin’ny fampahoriana ny tsy manan-tsiny Andriamanitra. (Deoteronomia 32:4; Jeremia 7:30, 31). Nandritra ireo taonjato, dia mety ho namela ny hisian’ny fijaliana i Jehovah indraindray, noho ny antony mifandrindra amin’ny fahendreny sy ny fitiavany. Azo antoka anefa fa tsy nanao izay hijalian’i Jesosy, Zanany Malalany, izy. Koa inona àry no tena ambaran’io andalan-teny io?
Manampy antsika hahatakatra ny heviny ny fandinihana ilay andinin-teny manontolo, amin’ny fanamarihana ilay teny hoe ‘sitraka’ izay miverina indroa. Izao no vakin’ny Isaia 53:10: “Sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.”
Ny hafatra ankapobe ao amin’ny Baiboly dia manondro fa “ny sitrapon’i Jehovah”, voalaza eo amin’ny faran’ilay andininy, dia mifantoka amin’ny fanatanterahana ny fikasany amin’ny alalan’ilay Fanjakana. Hanamarina ny fiandrianan’i Jehovah ny fanaovany izany, sady hanome fahafahana hanaisotra ny ota nolovana—dia ny otantsika—tsy ho amin’ny olombelona mpankatò. (1 Tantara 29:11; Salamo 83:18; Asan’ny Apostoly 4:24; Hebreo 2:14, 15; 1 Jaona 3:8). Mba hisian’izany rehetra izany dia tsy maintsy tonga olombelona sy nanome ny sorom-panavotana ny Zanak’Andriamanitra. Araka ny fantatsika, dia tena nijaly i Jesosy teo am-panaovana izany. Milaza amintsika ny Baiboly fa “nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy”. Koa tena nahasoa an’i Jesosy àry izany fijaliana izany.—Hebreo 5:7-9.
Fantatr’i Jesosy mialoha fa hahafaoka fijaliana mafy ny lalam-piainana ambony izay harahiny. Hita mazava izany avy amin’ny teniny voarakitra ao amin’ny Jaona 12:23, 24, izay amakiantsika toy izao: “Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.” Eny, fantatr’i Jesosy fa tsy maintsy hihazona ny tsy fivadihany izy, na dia hatramin’ny fahafatesana aza. Manohy toy izao ilay fitantarana: “Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin’ity ora ity; Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.”—Jaona 12:27, 28; Matio 26:38, 39.
Ao anatin’izany toe-javatra izany no ahatakarantsika ny hevitry ny Isaia 53:10. Fantatr’i Jehovah tsara fa amin’ny heviny iray, dia azo lazaina hoe ho torotoro ny Zanany. Sitrak’i Jehovah anefa ilay zavatra tsy maintsy hodiavin’i Jesosy, rehefa nieritreritra ny vokany tsara be dia be izay be voninahitra, izy. Amin’izany heviny izany no hoe ‘sitrak’i Jehovah ny nanorotoro’, na ny nanorotoroana, ny Mesia. Ary sitrak’i Jesosy koa izay zavatra azony notanterahina sy tena notanterahiny. Marina tokoa fa, araka ny famaranan-tenin’ny Isaia 53:10, dia ‘hambinina eo an-tanan[’i Jesosy] ny sitrapon’i Jehovah’.