Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Nankasitrahanao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany tamin’Ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha afaka mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa nahatafiditra zavatra bebe kokoa noho ny fiverenan’ny Jiosy avy tamin’ny fahababoana ny fahatanterahan’ilay faminaniana mahakasika ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” ao amin’ny Isaia 65:17-19?

Satria nanondro ny fahatanterahany ho avy, mahatafiditra fitahiana mbola ho tonga, ny apostoly Petera sy Jaona, izay nanoratra tamin’ny taonjato voalohany am.⁠f.⁠i. (2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4).​—15/4, pejy faha-10-12.

Inona no mety ho fototry ny angano grika tranainy momba ireo sady andriamanitra no olona, izay nahery setra?

Izany dia mety ho fanatsarana sy fanolanana ny zava-nisy talohan’ny Safo-drano, mahakasika ireo anjely sasany, izay nitafy vatan’olombelona, nanana fiainana feno herisetra sy naloto ara-pitondran-tena teto an-tany. (Genesisy 6:1, 2).​—15/4, pejy faha-27.

Loza sasany inona, any amin’ny fampakaram-bady, no hitandreman’ny Kristianina matotra tena?

Zava-dehibe ny hanalavirana korana anaranam-po mitabataba, izay mety hitranga raha be loatra ny zava-pisotro misy alkaola, ary misy dihy tsy voafehy atao amin’ny mozika alefa mafy loatra. Raha tsy hoe mazava tsara angaha fa misokatra ho an’ny rehetra ilay toerana, dia tsy tokony hanatrika ao izay tsy nasaina. Tokony ho azon’ilay mpampakatra antoka ny hisian’ny Kristianina mampiseho fahaiza-mandray andraikitra, mandra-piravan’ilay fankalazana amin’ny ora antonony.​—1/5, pejy faha-19-22.

Inona no dikan’ny hoe ny zanaka dia “tahaka ny zanak’oliva” manodidina ny latabatry ny lehilahy iray, voalaza ao amin’ny Salamo 128:3?

Matetika no mitsimoka avy eo amin’ny fototry ny hazo oliva ny solofony vaovao. Rehefa tsy mamoa firy intsony ilay vatabeny efa antitra, dia mety ho tonga vatan-kazo matanjaka, manodidina azy io, ireo solofony vaovao. Tahaka izany koa fa afaka mifaly amin’ny fananana zanaka manome vokatra, manompo an’i Jehovah miaraka aminy, ny ray aman-dreny.​—15/5, pejy faha-27.

Inona avy no soa raisin’ny ankizy avy amin’ny rivo-piainana mahasoa eo anivon’ny ankohonana?

Mametraka ny fototra ho amin’ny fananan’izy ireo fomba fijery tsara momba ny fahefana izy io, ho amin’ny fankasitrahana fitsipi-pitondran-tena mety, ary ho amin’ny fananana fifandraisana tsara amin’ny hafa. Afaka manampy azy ireo hampitombo ny fisakaizany amin’Andriamanitra koa ny rivo-piainana toy izany.​—1/6, pejy faha-18.

Inona no fampirisihana natao, tany amin’ny tany iray any Extrême-Orient, mba hahatakarana ilay hevitra hoe mpirahalahy avokoa ny Kristianina rehetra?

Nampirisihina mafy ny kongregasiona rehetra mba tsy hiantso olona sasany amin’ny teny fanajana olona ambony. Tokony hantsoina amin’ny fomba mitovy hoe rahalahy kosa ny rehetra.​—15/6, pejy faha-21, 22.

Mampiasa fanafody azo avy amin’ny ra ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mino isika fa ny didin’ny Baiboly ‘hifady ny ra’ dia mandrara ny fampidirana ny ra manontolo na ireo taharony fototra (ny ranon-dra, ny sela mena, ny sela fotsy, ary ny kapila bitika). (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Raha ny amin’ny ampahany azo avy amin’ireo taharo fototra ireo indray, dia ny Kristianina tsirairay no manao ny fanapahan-keviny manokana, amin’ny fitadidiana izay lazain’ny Baiboly sy ny fifandraisany amin’Andriamanitra.​—15/6, pejy faha-29-31.

Mety ho azo atao tokoa ve ny hahita fiadanana anaty amin’izao andro izao?

Eny. Amin’ny alalan’ny Baiboly, i Jesosy Kristy dia mitarika ny olona ho amin’ny lalan’ny fanompoam-pivavahana madio sy ho amin’ny fiadanana voalazalaza ao amin’ny Isaia 32:18. Ankoatra izany, ireo izay mahazo izany fiadanana izany dia manana fahatsinjovana ny hifaly amin’ny fiadanana maharitra eto an-tany, ho fahatanterahan’ny Salamo 37:11, 29.​—1/7, pejy faha-7.

Inona no anjara asan’i George Young teo amin’ny tantara teokratika maoderina?

Hita ho mpitondra ny fahazavan’ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana tany amin’ny tany maro izy, nanomboka tamin’ny 1917. Ny fanompoany dia nitondra azy nanerana an’i Kanada, tany amin’ireo nosin’i Caraïbes, tany Brezila sy tany hafa any Amerika Atsimo sy Amerika Afovoany, tany Espaina, tany Portogaly, tany amin’ny Firaisana Sovietika tamin’izany fotoana izany, ary tany Etazonia.​—1/7, pejy faha-22-27.

Inona no tian’ny 1 Korintiana 15:29, NW, holazaina rehefa miresaka izy io fa ny sasany dia “atao batisa mba ho faty”?

Ny heviny dia hoe rehefa voahosotry ny fanahy masina ny Kristianina, izy ireo dia miditra ao amin’ny fiainana iray izay mitarika ho amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganana amin’ny maty manaraka izany, ho amin’ny fiainana any an-danitra.​—15/7, pejy faha-17.

Nanao inona ny apostoly Paoly nandritra ilay nolazalazaina ho taona tsy niresahany?

Nety ho nanampy tamin’ny fanorenana na ny fanatanjahana ireo kongregasiona tany Syria sy Kilikia izy. Maro tamin’ireo zava-tsarotra voalaza ao amin’ny 2 Korintiana 11:23-27 no tsy maintsy ho nitranga nandritra io fe-potoana io, ka izany dia mampiseho fa nanao asa fanompoana hatrany izy.​—15/7, pejy faha-26, 27.

Inona no afaka manampy antsika hahalala ny antonony eo amin’izay antenaintsika?

Tadidio fa mahazo ny fihevitry ny hafa i Jehovah. Afaka manampy antsika hanana fisainana voalanjalanja ny vavaka atao aminy, ary fanehoana fiheveran-tena araka ny antonony izany. Fanampiana hafa, ahazoantsika fomba fijery vaovao, ny firesahana amin’ny namana matotra iray.​—1/8, pejy faha-29, 30.