Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah i Josia Nanetry Tena
Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah i Josia Nanetry Tena
TSY maintsy natahotra i Josia, Andrianan’i Joda, izay dimy taona. Nigogogogo i Jedida, reniny. Nanana antony nitomaniana izy, satria maty i Manase Mpanjaka sady raiben’i Josia.—2 Mpanjaka 21:18.
Izao dia i Amona, rain’i Josia, no ho mpanjakan’i Joda. (2 Tantara 33:20). Roa taona tatỳ aoriana (659 al.f.i.), dia novonoin’ny mpanompony i Amona. Namono ny mpioko rehetra ny vahoaka, ary nanao an’i Josia tanora ho mpanjaka. (2 Mpanjaka 21:24; 2 Tantara 33:25). Nandritra ny fanjakan’i Amona, dia nanjary zatra ny fofon’ny emboka manitra, izay nanenika ny rivotra tao Jerosalema, i Josia, noho ireo alitara maro teny amin’ny tampon-trano izay teo anoloany no niankohofan’ny vahoaka tamin’ny andriamani-diso. Hita nandehandeha teny ireo mpisorona mpanompo sampy, ary nianiana tamin’ilay andriamanitra atao hoe Malkama ireo mpivavaka nafana fo—izay nisy aza nihambo ho nanompo an’i Jehovah mihitsy.—Zefania 1:1, 5.
Fantatr’i Josia fa ratsy ny nataon’i Amona, dia ny nanompoany andriamani-diso. Nanjary nahatakatra tsara kokoa ireo fanambaran’i Zefania mpaminanin’Andriamanitra koa ilay mpanjaka tanoran’i Joda. Teo amin’ny faha-15 taonany (652 al.f.i.), izany hoe tamin’ny taona faha-8 nanjakany, dia nanapa-kevitra i Josia fa hanaraka ny tenin’i Zefania. Raha mbola zatovolahy i Josia, dia nanomboka nitady an’i Jehovah.—2 Tantara 33:21, 22; 34:3.
Tsy nitaredretra i Josia!
Lasa ny efa-taona, ary nanomboka nanadio an’i Joda sy i Jerosalema tamin’ny fivavahan-diso i Josia (648 al.f.i.). Nopotehiny ireo sampy sy tsato-kazo masina ary alitara fandoroana ditin-kazo manitra, nampiasaina tamin’ny fanompoana an’i Bala. Notorotoroina ho vovoka ny sarin’ireo andriamani-diso, ary avy eo dia naparitaka teo ambonin’ny fasan’ireo izay nanao fanatitra ho azy ireo. Nozimbazimbaina, ary avy eo dia noravana, ireo alitara nampiasaina tamin’ny fanompoam-pivavahana maloto.—2 Mpanjaka 23:8-14.
Efa nandroso tsara ny asa fanadiovana nataon’i Josia, fony tonga tany Jerosalema i Jeremia (647 al.f.i.), ilay zanaka mpisorona Levita. Notendren’i Jehovah Andriamanitra ho mpaminaniny i Jeremia tanora, ary tena tamin-kery mihitsy no nanambarany ny hafatr’i Jehovah nanameloka ny fanompoam-pivavahana diso! Nitovitovy taona tamin’i Jeremia i Josia. Kanefa, vetivety dia latsaka indray tao amin’ny fanompoam-pivavahana diso ny vahoaka, na dia teo aza ny fanadiovana tamin-kerim-po nataon’i Josia sy ireo fanambarana tsy nisy tahotra nataon’i Jeremia.—Jeremia 1:1-10.
Fahitan-javatra faran’izay sarobidy!
Lasa ny dimy taona teo ho eo. Efa hatramin’ny 18 taona teo ho eo izao no nanapahan’i Josia, izay 25 taona. Nampiantso an’i Safana, mpitan-tsoratra, sy i Mahaseia, lehiben’ny tanàna, ary i Joa, mpiraki-draharaham-panjakana, izy. Nandidy an’i Safana ny mpanjaka hoe: ‘Lazao i Hilkia mpisoronabe, mba haka ny vola nangonin’ny mpiandry varavaran’ny tempoly tamin’ny olona, ary hanome azy io ny mpiasa mba hanamboarany ny tranon’i Jehovah.’—2 Mpanjaka 22:3-6; 2 Tantara 34:8.
Vao maraina be, dia niasa tamim-pahazotoana ireo mpanamboatra ny tempoly. Azo antoka fa velom-pankasitrahana an’i Jehovah i Josia, satria nanamboatra ny fahasimbana teo amin’ny tranon’Andriamanitra, izay nataon’ireo razambeny ratsy fanahy sasany, ny mpiasa. Rehefa nandroso ilay asa, dia 2 Tantara 34:12-18). Fahitan-javatra re izany—tsy isalasalana fa ilay bokin’ny Lalàna tany am-boalohany!
tonga hanao tatitra i Safana. Fa inona iny an-tanany iny? Nitondra horonana iray izy! Nanazava izy fa nahita “ny bokin’ny lalàn’i Jehovah, ilay nampilazaina an’i Mosesy”, i Hilkia mpisoronabe. (May ta handre ny teny rehetra tao amin’ilay boky i Josia. Rehefa namaky i Safana, dia niezaka namantatra ny fomba niharan’ny didy tsirairay taminy sy tamin’ny vahoaka, ny mpanjaka. Ny tena nampiaiky volana azy indrindra, dia ny fomba nanantitranteran’ilay boky ny fanompoam-pivavahana marina sy ny nanambarany mialoha ny loza sy ny fanaovana sesitany ho avy, raha manaraka fivavahan-diso ny vahoaka. Takatr’i Josia tamin’izay fa tsy notanterahina daholo ny didin’Andriamanitra, ka nandriatra ny fitafiany izy, ary nanome izao baiko izao an’i Hilkia sy i Safana ary ny hafa: ‘Manontania amin’i Jehovah ny amin’ny tenin’ity boky ity; fa mafy ny fahatezeran’i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan’ny razantsika ny tenin’ity boky ity’.—2 Mpanjaka 22:11-13; 2 Tantara 34:19-21.
Nampitaina ny tenin’i Jehovah
Nankany Jerosalema, tany amin’i Holda, mpaminanivavy, ny irak’i Josia, ary niverina nitondra tatitra. Nampita ny tenin’i Jehovah i Holda, ka nilaza fa hihatra amin’ilay firenena nivadi-pinoana ireo loza voarakitra ao amin’ilay boky vao hita. Noho izy nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah anefa, dia tsy hahita ilay loza i Josia. Hangonina any amin’ny razany izy, ary hoentina any amin’ny fasany amin’ny fiadanana.—2 Mpanjaka 22:14-20; 2 Tantara 34:22-28.
Araka ny marina ve ny faminaniana nataon’i Holda, satria maty tany an’ady i Josia? (2 Mpanjaka 23:28-30). Eny, satria nifanohitra tamin’ny “loza” izay tsy maintsy nihatra tamin’i Joda, ny “fiadanana” izay nanangonana azy tany amin’ny fasany. (2 Mpanjaka 22:20; 2 Tantara 34:28). Maty talohan’ilay loza nitranga tamin’ny 609-607 al.f.i. i Josia, fony nanao fahirano sy nandrava an’i Jerosalema ny Babylonianina. Ary ny hoe ‘angonina any amin’ny razan’ny tena’ dia tsy voatery hanilika ny mety hahafatesana amin’ny fomba mahery vaika. Ampiasaina hilazana fahafatesana mahery vaika sy tsy mahery vaika ny fitenenana mitovitovy amin’izany.—Deoteronomia 31:16; 1 Mpanjaka 2:10; 22:34, 40.
Mandroso ny fanompoam-pivavahana marina
Namory ny vahoakan’i Jerosalema tao amin’ny tempoly i Josia ary novakiny taminy ny “teny rehetra tamin’ny bokin’ny fanekena” izay hita tao amin’ny tranon’i Jehovah. Avy eo, dia nanao fanekena izy “hanaraka Azy [Jehovah] sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ny fanekena sy izay voasoratra ao amin’izany boky izany”. Nanaiky ilay fanekena ny vahoaka rehetra.—2 Mpanjaka 23:1-3.
Nanomboka ezaka manokana hafa iray, izay niharihary fa mbola mafy kokoa, mba hiadiana tamin’ny fanompoan-tsampy, i Josia Mpanjaka. Natsahatra tamin’ny asany ny mpisoron’ireo andriamani-kafa tao Joda. Namoy ny tombontsoany, dia ny fanompoana teo amin’ny alitaran’i Jehovah, ny mpisorona levita izay nandray anjara tamin’ny fanompoam-pivavahana maloto, ary natao tsy mendrika hanaovana fanompoam-pivavahana ireo fitoerana avo naorina nandritra ny fanjakan’i Solomona Mpanjaka. Tafiditra tamin’ilay fanadiovana koa ny faritanin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Isiraely teo aloha, izay efa naongan’ny Asyrianina (740 al.f.i.).
Ho fahatanterahan’ny teny nataon’ny ‘lehilahin’ilay Andriamanitra marina’ izay tsy voalaza anarana, 300 taona talohan’izay, dia nodoran’i Josia teo ambonin’ny alitara naorin’ny Mpanjaka Jeroboama I tao Betela, ireo taolan’ny mpisoron’i Bala. Nesorina tao sy tany amin’ny tanàna hafa ireo fitoerana avo, ary natao sorona teo ambonin’ny alitara niasany indrindra ny mpisorona mpanompo sampy.—1 Mpanjaka 13:1-4; 2 Mpanjaka 23:4-20.
Fankalazana Paska manetriketrika iray
Nanana ny fanohanan’Andriamanitra ny asa fanandratana ny fivavahana madio nataon’i Josia. Nandritra ny androm-piainany, dia nisaotra an’Andriamanitra ilay mpanjaka satria “tsy mba niala tamin’ny fanarahana an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany”, ny vahoaka. (2 Tantara 34:33). Ary ahoana moa no hanadinoan’i Josia ny fisehoan-javatra iray nahatalanjona, tamin’ny faha-18 taona nanjakany?
Nandidy ny vahoaka ny mpanjaka hoe: “Tandremo ny Paskan’i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’[hita vao haingana] ity fanekena ity”. (2 Mpanjaka 23:21). Faly i Josia nahita fa nandray tsara ny teniny ny olona. Ho an’io fankalazana io, dia nanolotra biby fanao sorona amin’ny Paska 30 000 sy omby 3 000 ny tenany. Paska re izany! Raha ny amin’ny fanatitra sy ny fandaharana voarindra tsara ary ny isan’ny mpivavaka, dia nihoatra izay Paska rehetra nankalazaina hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany izy io.—2 Mpanjaka 23:22, 23; 2 Tantara 35:1-19.
Nanaovana fisaonana be nony maty
Mpanjaka tsara i Josia, nandritra ireo 31 taona sisa nanjakany (659-629 al.f.i.). Teo amin’ny faramparan’ny fanapahany, dia reny fa nikasa handalo an’i Joda i Farao Neko, raha handeha hisakana ny tafik’i Babylona ka hanampy ny mpanjakan’ny Asyria, tao Karkemisy, teo amin’ny Ony Eofrata. Noho ny antony tsy voambara, dia nivoaka hiady tamin’ilay Ejipsianina i Josia. Nandefa iraka ho any aminy i Neko, nilaza hoe: “Aza manohitra an’Andriamanitra izay momba ahy, fandrao matiny hianao”. Naka endrika hafa anefa i Josia, ary nanandrana nanosika ny Ejipsianina tao Megido.—2 Tantara 35:20-22.
Nampalahelo ny nanjo ilay mpanjakan’i Joda! Tratran’ny zana-tsipìkan’ny fahavalo ny lasibany, ary hoy izy tamin’ny mpanompony: “Ento miala eto aho; fa efa voa mafy aho.” Nesorin’izy ireo teo amin’ny kalesiny i Josia, napetrany teo amin’ny iray hafa, ary nentiny ho any Jerosalema. Tamin’izay, na teny an-dalana, no nodimandry i Josia. “Dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany”, hoy ny fitantarana ara-tsindrimandry, ary “ny Joda sy ny Jerosalema rehetra dia nisaona an’i Josia”. Nanao hira fisaonana azy i Jeremia, ary nanjary ny foto-kevitr’ireo hira fisaonana ilay mpanjaka, tamin’ny fisehoan-javatra manokana taorian’izay.—2 Tantara 35:23-25.
Eny, nanao fahadisoana nampalahelo i Josia Mpanjaka, rehefa nanomboka ady tamin’ny Ejipsianina. (Salamo 130:3). Na izany aza, dia nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah izy noho izy nanetry tena sy hentitra ho an’ny fanompoam-pivavahana marina. Ny fiainan’i Josia dia mampiseho tsara tokoa, fa mahazo sitraka amin’i Jehovah ny mpanompony be fandavan-tena sy manetry tena!—Ohabolana 3:34; Jakoba 4:6.
[Sary, pejy 29]
Nitady an’i Jehovah tamim-pahatsoram-po i Josia Mpanjaka tanora
[Sary, pejy 31]
Nopotehin’i Josia ireo fitoerana avo ary nanandratra ny fanompoam-pivavahana marina izy