Fitoriana Ilay Fanjakana any Altiplano, any Peroa
Karazan’izay Manam-pinoana Isika
Fitoriana Ilay Fanjakana any Altiplano, any Peroa
EO ANELANELAN’NY tapany atsinanana sy andrefana amin’ny tandavan-tendrombohitra Andes—eo amin’ny fihaonan’i Bolivia sy i Peroa—no misy an’i Altiplano. Midika hoe “lemaka avo toerana”, na “lembalemba” io anarana io. Ary any Bolivia no misy ny tapany lehibe indrindra amin’izy io.
Mirefy 100 kilaometatra ny sakan’i Altiplano, maherin’ny 1 000 kilaometatra ny lavany, ary sahabo ho 3 700 metatra ambony haabon’ny ranomasina ny haavony, amin’ny antsalany. Raha mandalo eo ambonin’izy io amin’ny fiaramanidina avy any Lima, renivohitra amoron-tsirak’i Peroa, ianao, dia mandalo an’i El Misti, volkano iray rakotra orampanala, izay mipaka hatrany amin’ny rahona, amin’izato haavony mirefy 5 822 metatra. Mijoalajoala hatrany amin’ny 6 000 metatra mahery ireo tendron’i Nevado Ampato sy i Nevado Coropuna, izay tendro samy rakotra orampanala hita erỳ lavitra be. Miseho tampoka eo anoloanao ny lembalemba midadasika iray—i Altiplano eo amin’ny faritra atsimon’i Peroa.
Any amin’ny farany avaratrandrefan’ny Farihy Titicaca, ilay farihy avo indrindra azon’ny sambo aleha eo amin’izao tontolo izao, no misy an’i Puno, renivohitr’i Altiplano perovianina. Koa satria telo kilaometatra mahery ny haavon’ilay faritra, dia elaela ireo mpitsidika vao zatra amin’ny tsy fahampian’ny rivotra. Ireo Indianina Quechua sy Aymara no monina eo amoron’ny Farihy Titicaca. Hita miasa ao amin’ireo chacras na toeram-pambolena sy fiompiana keliny izy ireo, manao akanjo miloko marevaka, mena na maitso na manga. Na dia ny espaniola aza no fiteny be mpampiasa indrindra any Peroa, dia ampiasaina any Altiplano koa ny quechua sy ny aymara.
Fitarihana ny asa fitoriana
Vao tsy ela izay no nahazo fahalalana araka ny marina ny fahamarinana ara-baiboly, ny maro tamin’ireo olona manetry tena sy miasa mafy, izay miteny quechua sy aymara. Ny nahatonga izany voalohany indrindra dia noho i Jehovah nitahy be dia be ny ezaka nataon’ny mpisava lalana manokana be zotom-po, izay mpitorin’ilay Fanjakana manontolo andro.
Voatendry tao amin’ny tanànan’i Putina, tokony ho 50 kilaometatra avy eo amin’ny Farihy Titicaca, ohatra, i José sy i Silvia, izay samy mpisava lalana manokana. Tao anatin’ny roa volana, dia nitarika fampianarana Baiboly 16 i Silvia ary 14, i José. Tao anatin’ny enim-bolana monja, dia nitombo ho 41 ny mpitorin’ny kongregasiona niisa 23. Tetsy an-danin’izany, dia nahatratra tampon’isa 132 ny mpanatrika fivoriana, raha 48 izany teo aloha.
“Rehefa nanomboka nasiana fivorian’ny kongregasiona tany amin’ireny faritra mitokana ireny”, hoy i José, “dia hitanay hoe nety ny nanombohana tamin’ny Fivoriana Ampahibemaso sy ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona. Manjary mora kokoa ho an’ny olona liana vao haingana ny manatrika ireo fivoriana.”
Mpirahavavy, ka mpisava lalana ny anankiray, no nitondra voalohany ny vaovao tsara tany amin’ilay fiaraha-monina mitokan’i Muñani, 20 kilaometatra eo ho eo avy eo Putina. Nanomboka nampianatra ny Baiboly tamin’ny lehilahy jamba iray, antsoina hoe Lucio, izy ireo, tany. * Nasain’i Lucio i Miguel rahalahiny, izay misionera lahika katolika sy lehiben’ny fokonolona avy teo amin’ny faritra akaiky teo. Rehefa nanontany an’i Miguel ny antony nandehanany tany Muñani isan-kerinandro ny namany iray, dia nolazainy fa mba hianatra momba an’i Jehovah sy ny Teniny. Nipoitra àry ilay fanontaniana hoe: “Nahoana no tsy atỳ isika no mianatra ny Baiboly?” Tsy ela dia nandamina fivoriana tany ireo Vavolombelona, noho ny fahalianana nasehon’ireo olona tao amin’ny fiaraha-monina nisy an’i Miguel.
Nanomboka niresaka ny amin’izay nianarany tamin’ny hafa i Miguel. Ahoana kosa anefa ny amin’ny toerany amin’ny maha misionera lahika katolika sy governora lefitra azy? Nanambara ny fialany tsy ho misionera katolika intsony izy, nandritra ny fivoriana tao amin’ny tranom-pokonolona. Hisy olon-kafa iray ho voatendry ve? Nisy mpanatrika iray nilaza toy izao: “Inona no ilantsika misionera hafa iray raha efa mianatra ny fahama
rinana sika?” Mazava fa ireo zavatra nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah no tiany holazaina. Nisy olona hafa iray nanampy teny hoe: “Tsy ekenay hoe ianao irery no hiala. Nahoana isika raha miala daholo?” Niara-nihiaka avy teo ny mpanatrika rehetra hoe: “Hiala isika rehetra e!”Fotoana fohy taorian’izay, dia nodinihina nandritra ny fivoriam-pokonolona ny mahakasika ny sampy sy ny lakroa. Nisy lehilahy iray nangataka ny hamakian’izay rehetra nanatrika teo ny Deoteronomia 7:25 milaza hoe: “Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny hianao, fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah Andriamanitra izany.”
Avy eo, dia nangatahin’ilay lehilahy hanangan-tanana ireo izay nanaiky ny handoroana ny sampy rehetra. Avy hatrany dia nitsangana ny tanana rehetra. (Asan’ny Apostoly 19:19, 20). Fianakaviana 23 amin’ireo 25 ao amin’ilay fokonolona no mianatra ny Tenin’Andriamanitra, ankehitriny. Olona roa no mpitory tsy vita batisa, ary mpivady dimy no mikasa ny hisora-panambadiana mba hananana toeran’ny olona madio eo anatrehan’i Jehovah.—Titosy 3:1; Hebreo 13:4.
Fampianarana amin’ny alalan’ny kasety
Koa satria maro no tsy mahay mamaky teny sy manoratra any Altiplano, dia manampy be ny vidéo sy ny kasetin’ny Watch Tower amin’ny fiteny eo an-toerana, na dia amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano aza. Mitarika fampianarana amin’ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? amin’ny alalan’ny kasety, ny mpisava lalana manokana iray antsoina hoe Dora. Isaky ny avy mandefa fehintsoratra iray izy, dia ametrahany fanontaniana momba ilay zavatra vao reny ilay mpianatra ny Baiboly.
Mandefa tsy tapaka fizarana amin’ilay bokikely Takina amin’ny fiteny quechua, ny radio iray eo an-toerana. Manao toy izany koa izy amin’ny tapany amin’ny gazety Mifohaza! amin’ny teny espaniola. Noho izany, dia olona maro no mahafantatra ny hafatra momba ilay Fanjakana ka maniry hianatra bebe kokoa rehefa mitsidika azy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah.
Lavitra ny mason’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny i Altiplano, nefa tsy mba lavitra ny mason’Andriamanitra. Noho ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona, dia olona maro miaina any amin’ny faritra avo any Altiplano, any Andes, no tonga anisan’ilay vahoaka sesehena izay manome voninahitra ny tranony mijoalajoalan’ny fanompoam-pivavahana marina.—Hagay 2:7.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 10 Nisy solon’anarana nampiasaina tato amin’ity lahatsoratra ity.