Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio ny Hafa Handeha Mendrika An’i Jehovah

Ampio ny Hafa Handeha Mendrika An’i Jehovah

Ampio ny Hafa Handeha Mendrika An’i Jehovah

“Izahay (...) dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo (...) mba handehananareo [mendrika an’i Jehovah, mba hampifaliana azy amin’ny fomba feno, NW], dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra”.​—KOLOSIANA 1:9, 10.

1, 2. Inona indrindra no afaka ny ho loharanom-pifaliana sy fahafaham-po?

“MIPETRAKA ao amin’ny tranofiara iray eo amin’ny toeram-pambolena iray izahay. Noho ny fihazonanay ny fiainanay ho tsotra, dia manam-potoana betsaka kokoa hitondrana ny vaovao tsara any amin’ny olona izahay. Nahazo fitahiana tondraka izahay nanana tombontsoa hanampy olona maro hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah.”​—Mpivady manompo manontolo andro, atsy Afrika Atsimo.

2 Tsy manaiky ve ianao fa mitondra fifaliana ny fanampiana ny hafa? Misy olona sasany miezaka hanampy tsy tapaka ny marary, ny tsy ampy fivelomana, na ny manirery, ka manovo fahafaham-po avy amin’ny fanaovana izany. Mahazo antoka ny Kristianina marina fa ny fanampiana lehibe indrindra azon’izy ireo atolotra dia ny fizarana amin’ny hafa ny fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Izany ihany no afaka mitarika ny hafa hanaiky ny avotr’i Jesosy, sy hanana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra, ka ho tsara toerana mba hahazo fiainana mandrakizay.​—Asan’ny Apostoly 3:19-21; 13:48.

3. Karazam-panampiana inona no mendrika hoheverintsika?

3 Ahoana anefa ny amin’ny fanampiana an’ireo efa manompo an’Andriamanitra, ka efa manaraka ny “làlana”? (Asan’ny Apostoly 19:9, fanamarihana ambany pejy). Tsy isalasalana fa mbola lehibe toy ny hatramin’izay ny fiahianao azy ireo, saingy mety tsy ho hitanao izay fomba azonao anaovan-javatra bebe kokoa, na anolorana fanampiana mitohy. Na mety ho toa mametra ny azonao atao mba hanampiana azy ireny ny toe-javatra misy anao, ka mametra koa ny fahafaham-po mety ho azonao. (Asan’ny Apostoly 20:35). Afaka miana-javatra avy amin’ny bokin’ny Kolosiana isika, mahakasika ireo lafiny roa ireo.

4. a) Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana no nanoratan’i Paoly ny taratasiny ho an’ny Kolosianina? b) Ahoana no nahatafiditra an’i Epafra tamin’izany?

4 Tamin’ny fotoana nanoratan’ny apostoly Paoly ho an’ireo Kristianina tany Kolosia, dia tany Roma ny tenany, tao amin’ny trano iray nitanana azy, kanefa azo novangiana ihany izy. Araka ny mety hampoizinao, dia nampiasa ny fahafahany voafetra i Paoly mba hitoriana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 28:16-31). Afaka namangy an’i Paoly ny Kristianina namany, ka ny sasany aza angamba niara-nigadra taminy mihitsy indraindray. (Kolosiana 1:7, 8; 4:10). Iray tamin’ireny i Epafra, ilay mpitory ny filazantsara be zotom-po, avy ao amin’ny tanànan’i Kolosia, any Frygia, any amin’ilay lembalemba any atsinanan’i Efesosy, any Azia Minora (Torkia amin’izao andro izao). Nandray anjara lehibe tamin’ny famoronana ny kongregasiona tao Kolosia i Epafra, ary niasa mafy ho an’ireo kongregasionan’i Laodikia sy Hierapolia teo amin’ny manodidina. (Kolosiana 4:12, 13). Nahoana i Epafra no nanao dia lavitra mba hahita an’i Paoly tany Roma, ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny fihetsik’i Paoly nanoloana izany?

Fanampiana mandaitra ho an’ny Kolosianina

5. Nahoana i Paoly no nanoratra ho an’ny Kolosianina?

5 Nanao ilay dia sarotra nankany Roma i Epafra mba hiaraha-midinika tamin’i Paoly ny amin’ny toe-javatra nisy tao amin’ny kongregasionan’i Kolosia. Nanao tatitra ny amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny ezaka nataon’ireo Kristianina ireo mba hitoriana ny filazantsara, i Epafra. (Kolosiana 1:4-8). Na izany aza, dia tsy maintsy nambarany tamin’i Paoly koa ny fanahiany momba ireo fitaoman-dratsy nandrahona ny fahasalamana ara-panahin’ireo Kolosianina. Taratasy ara-tsindrimandry izay nanohitra ny fiheverana sasany naelin’ireo mpampianatra sandoka, no nasetrin’i Paoly an’izany. Nifantoka manokana tamin’ilay anjara asa fototra tokony hotanan’i Jesosy Kristy, izy. * Moa ve ny fanampiana nomeny voafetra ho fanamafisana ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly ihany? Ahoana koa no azony nanampiana ireo Kolosianina, ary inona avy no lesona azontsika raisina mahakasika ny fanampiana ny hafa?

6. Nanantitrantitra ny amin’inona i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kolosianina?

6 Teo amin’ny voalohandohan’ny taratasiny i Paoly dia nanome fahatakarana lalina ny amin’ny endri-panampiana iray mety tsy ho voamaritsika. Izany dia fomba fanomezana fanampiana izay nandaitra na dia avy lavitra aza, satria lavitra be an’i Kolosia i Paoly sy i Epafra. Nilaza marimarina toy izao i Paoly: “Misaotra an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin’ny fangatahanay mandrakariva ho anareo”. Eny, izany dia vavaka voafaritra tsara ho an’ireo Kristianina tany Kolosia. Nanampy teny toy izao i Paoly: “Ary noho izany izahay koa hatramin’ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony hianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy”.​—Kolosiana 1:3, 9.

7, 8. Raharaha inona matetika no tafiditra ao amin’ny vavaka ataontsika manokana na atao any amin’ny kongregasiona?

7 Fantatsika fa “Mpihaino vavaka” i Jehovah, koa afaka mitoky amin’ny fahavononany hihaino ny vavaka ataontsika mifanaraka amin’ny sitrapony isika. (Salamo 65:2; 86:6; Ohabolana 15:8, 29; 1 Jaona 5:14). Manao ahoana anefa ny vavaka ataontsika rehefa mivavaka ho an’ny hafa isika?

8 Matetika isika no mety hieritreritra an’ireo ‘rahalahintsika rehetra eran’izao tontolo izao’ sy hivavaka ho azy ireo. (1 Petera 5:9). Na mety hiresaka amin’i Jehovah ny amin’ireo Kristianina sy olon-kafa any amin’ny faritra niharan’ny loza na voina isika. Rehefa nandre ny amin’ilay mosary tany Jodia ireo mpianatra tamin’ny taonjato voalohany, dia tsy maintsy ho nanao vavaka sesehena ho an’ireo rahalahiny izy ireo, na dia talohan’ny nandefasany vola fanampiana vonjy rano vaky aza. (Asan’ny Apostoly 11:27-30). Amin’izao androntsika izao, dia re matetika any amin’ireo fivoriana kristianina ny vavaka mahakasika ny fianakavian’ny mpirahalahy manontolo, na mahakasika antokon-drahalahy iray. Any amin’ireny fivoriana ireny, dia maro no mila mahazo ny hevitr’izany ka ho afaka hilaza hoe “Amena”.​—1 Korintiana 14:16.

Milazà zavatra voafaritra tsara ao amin’ny vavaka

9, 10. a) Ohatra inona avy no mampiseho fa mety ny hivavahana ho an’olona voafaritra tsara? b) Ahoana no nanaovana vavaka voafaritra tsara ho an’i Paoly?

9 Na izany aza, dia misy ohatra omen’ny Baiboly antsika ny amin’ny vavaka ho an’ny hafa izay milaza zavatra voafaritra kokoa, natao ho an’ny olona manokana. Eritrereto ny amin’ilay tenin’i Jesosy, voarakitra ao amin’ny Lioka 22:31, 32. Voahodidin’ireo apostoly nahatoky 11 izy. Samy hila ny fanohanan’Andriamanitra avokoa izy rehetra ireo amin’ireo fotoan-tsarotra ho avy, ary nivavaka ho azy ireo i Jesosy. (Jaona 17:9-14). Na izany aza, dia nosinganin’i Jesosy i Petera, ka nanaovany vavaka manokana io mpianatra iray io. Ireto misy ohatra hafa: Nivavaka tamin’Andriamanitra i Elisa mba hanampiany lehilahy iray voafaritra tsara, dia ilay zatovo mpanampy azy. (2 Mpanjaka 6:15-17). Nivavaka ny apostoly Jaona mba ho salama hatrany ara-batana sy ara-panahy, i Gaio. (3 Jaona 1, 2). Nisy koa vavaka hafa nifantoka tamin’antokon’olona voafaritra tsara.​—Joba 42:7, 8; Lioka 6:28; Asan’ny Apostoly 7:60; 1 Timoty 2:1, 2.

10 Manasongadina vavaka tena voafaritra tsara ireo taratasin’i Paoly. Nangatahiny ny mba hanaovana vavaka ho an’ny tenany, na ho an’ny tenany sy ny mpiara-miasa taminy. Izao no vakina ao amin’ny Kolosiana 4:2, 3: “Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambena amin’izany amin’ny fisaorana, ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’Andriamanitra varavarana ho an’ny teny hilazanay ny zava-miafina izay an’i Kristy, sady izany no namatorana ahy”. Diniho koa ireto ohatra hafa ireto: Romana 15:30; 1 Tesaloniana 5:25; 2 Tesaloniana 3:1; Hebreo 13:18.

11. Ho an’iza moa no nivavahan’i Epafra fony izy tany Roma?

11 Marina koa izany, raha ny amin’ny mpiara-miasa tamin’i Paoly tany Roma. “Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo (...) ary mikely aina mandrakariva amin’ny fangatahana ho anareo”. (Kolosiana 4:12). Ilay teny nadika eto hoe “mikely aina” dia toa manondro “fiezahana mafy” toy ny nataon’ny mpanao fanatanjahan-tena tamin’ireo lalao fahiny. Moa ve i Epafra nivavaka fotsiny tamin-kafanam-po ho an’ny fitambaran’ny mpino maneran-tany na ho an’ireo mpivavaka marina nanerana an’i Azia Minora fotsiny aza? Nasehon’i Paoly fa nivavaka manokana ho an’ireo tany Kolosia i Epafra. Fantatr’i Epafra ny toe-javatra nisy azy ireo. Tsy fantatsika anarana daholo izy rehetra, sady tsy fantatsika koa izay olana natrehiny, nefa alao sary an-tsaina ny zavatra sasany mety ho nanjo azy ireo. Angamba niady tamin’ny fitaoman’ireo filozofia nanjaka tamin’izany fotoana izany ilay tanora atao hoe Lino, ary mety ho nila hery hoenti-manohitra ny fanintonan’ireo fanaony taloha tao amin’ny Jodaisma kosa i Rofosy. Noho i Persy nanambady tsy mpino, moa ve izy nila fiaretana sy fahendrena mba hitaizana ny zanany ao amin’ny Tompo, ary moa ve nila fampiononana fanampiny i Asynkrito izay narary efa ho faty? Eny, fantatr’i Epafra ireo olona tany amin’ilay kongregasiona niaviany, ary nivavaka tamim-pahatsorana ho azy ireo izy, satria nirin’izy sy i Paoly ny hahatonga ireny olona be fandavan-tena ireny handeha mendrika an’i Jehovah.

12. Ahoana no azontsika ilazana zavatra voafaritra kokoa ao amin’ny vavaka ataontsika manokana?

12 Hitanao ve ilay modely ho antsika, dia fomba iray azontsika anampiana ny hafa? Araka ny efa nomarihina, dia matetika no malalaka kokoa ny vavaka ampahibemaso atao any amin’ny fivoriana kristianina, noho ny fisian’ny mpanatrika maro samihafa. Tena afaka milaza zavatra voafaritra tsara anefa ny vavaka ataontsika manokana na ataon’ny fianakaviantsika. Na dia mety hangataka an’Andriamanitra mba hitarika sy hitahy ireo mpiandraikitra mpitety faritany na mpiandry ara-panahy rehetra aza isika, tsy azontsika atao ve indraindray ny milaza zavatra voafaritra tsara? Nahoana, ohatra, raha tononina amin’ny anarany, ao amin’ny vavaka ataonao manokana, ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany mitsidika ny kongregasionanareo, na ilay mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasionanareo? Asehon’ny Filipiana 2:25-28 sy ny 1 Timoty 5:23 fa niahy manokana ny amin’ny fahasalaman’i Timoty sy Epafrodito i Paoly. Azontsika anehoana fiheverana toy izany koa ve ireo tsy salama izay fantatsika ny anarany?

13. Karazana toe-javatra manao ahoana avy no tsara hampidirina ao amin’ny vavaka ataontsika manokana?

13 Marina aloha fa tsy maintsy halavirintsika ny fitsabahana amin’ny raharaha manokan’ny hafa, nefa mety raha toa ny vavaka ataontsika ka mampiseho tena fiahiana marina an’ireo olona fantatsika sy ahintsika. (1 Timoty 5:13; 1 Petera 4:15). Mety ho namoy ny asany ny rahalahy iray, ary tsy afaka manome azy asa hafa isika. Na izany aza, dia afaka manonona azy amin’ny anarany sy mifantoka amin’ilay zava-manahirana azy isika ao amin’ny vavaka ataontsika manokana. (Salamo 37:25; Ohabolana 10:3). Moa ve isika mahafantatra anabavy mpitovo efa zokinjokiny nefa tsy manana vady aman-janaka noho izy tapa-kevitra ny tsy hanambady raha tsy “ao amin’ny Tompo ihany”? (1 Korintiana 7:39). Ao amin’ny vavaka ataonao manokana, nahoana raha angatahina i Jehovah mba hitahy azy sy hanampy azy tsy hivadika hatrany eo amin’ny fanompoany? Ohatra hafa iray ny hoe mety ho nanome torohevitra rahalahy iray nanao fahadisoana ny loholona roa. Nahoana moa ny tsirairay amin’izy roa lahy raha mba manonona azy amin’ny anarany tsindraindray ao amin’ny vavaka ataon’izy ireo manokana?

14. Amin’ny ahoana ny vavaka ilazana zavatra voafaritra tsara no mifandray amin’ny fanampiana ny hafa?

14 Amin’ny vavaka ataonao manokana, dia maro be ny fahafahanao hampiditra ireo olona fantatrao fa mila ny fanohanan’i Jehovah sy ny fampiononany sy ny fahendreny ary ny fanahiny masina, na izay mety ho vokatra aterak’izy io. Noho ny halaviran-toerana na ny tarehin-javatra hafa, dia mety hihevitra ianao fa voafetra ny fanampiana ara-nofo sy ara-panahy azonao omena. Aza manadino ny mivavaka ho an’ireo rahalahinao sy anabavinao anefa. Fantatrao fa ta handeha mendrika an’i Jehovah izy ireo, nefa mety ho tena hila fanampiana mba hanaovany izany amin’ny fomba maharitra. Fomba iray lehibe azonao itondrana fanampiana ny vavaka ataonao.​—Salamo 18:2; 20:1, 2; 34:15; 46:1; 121:1-3.

Miezaha hanatanjaka ny hafa

15. Nahoana isika no tokony ho liana amin’ilay tapany famaranana ny bokin’ny Kolosiana?

15 Mazava ho azy fa tsy ny vavaka amin-kafanam-po ilazana zavatra voafaritra tsara ihany no hany fomba fanampiana ny hafa, indrindra fa ireo akaiky ny fonao. Asehon’ny bokin’ny Kolosiana mazava izany. Manam-pahaizana manokana maro no mihevitra fa rehefa avy nanome toromarika momba ny foto-pinoana sy torohevitra azo ampiharina i Paoly, dia nanampy fiarahabana manokana tsotra fotsiny. (Kolosiana 4:7-18). Mifanohitra amin’izany anefa no izy, satria efa hitantsika sahady fa mirakitra torohevitra tsara homarihina io tapany farany amin’ilay boky io, ary mbola misy zavatra bebe kokoa azo ianarana avy amin’io tapany io.

16, 17. Inona no azontsika lazaina mahakasika ireo rahalahy voatonona ao amin’ny Kolosiana 4:10, 11?

16 Izao no nosoratan’i Paoly: “Manao veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan’i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso), ary Jesosy, izay atao hoe Josto; avy amin’ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra [ary izy ireo mihitsy aza dia tonga fanampiana nanatanjaka ho ahy, NW].”​—Kolosiana 4:10, 11.

17 Teo i Paoly dia nampahafantatra rahalahy sasany izay mendrika ny homarihina manokana. Nolazainy fa izy ireo dia anisan’ny voafora, Jiosy no fiaviany. Nisy Jiosy voafora maro tao Roma, ary Kristianina ny sasany, tamin’izay fotoana izay. Na izany aza, dia tonga nanampy an’i Paoly ireo notononiny. Azo inoana fa tsy nisalasala izy ireo niaraka tamin’ny Kristianina nanana fiaviana jentilisa, ary tsy maintsy faly izy ireo niaraka tamin’i Paoly nitory tamin’ny Jentilisa.​—Romana 11:13; Galatiana 1:16; 2:11-14.

18. Ahoana no nideran’i Paoly ny olona sasany niaraka taminy?

18 Mariho ilay tenin’i Paoly hoe: “Izy ireo mihitsy aza dia tonga fanampiana nanatanjaka ho ahy”. Teo i Paoly dia nampiasa teny grika iray izay tsy hita afa-tsy io indray mandeha io monja ao amin’ny Baiboly. Maro ny mpandika teny mandika azy io amin’ny hoe “fampiononana”. Misy anefa teny grika hafa iray (pa·ra·ka·le’o) izay adika matetika hoe “fampiononana”. Nampiasa azy io i Paoly tany amin’ny andininy hafa tao amin’io taratasiny io ihany, fa tsy tao amin’ny Kolosiana 4:11 (NW).​—Matio 5:4; Asan’ny Apostoly 4:36; 9:31; 2 Korintiana 1:4; Kolosiana 2:2; 4:8.

19, 20. a) Inona no hevitr’ilay teny nampiharin’i Paoly tamin’ireo rahalahy izay nanampy azy tany Roma? b) Tamin’ny fomba ahoana avy no nety ho nanampian’ireo rahalahy ireo an’i Paoly?

19 Tsy maintsy ho nanao zavatra bebe kokoa noho ny fanaovana teny fampiononana fotsiny, ireo olona notononin’i Paoly anarana. Indraindray dia nampiasaina tao amin’ny soratra tsy ara-pivavahana mba hanondroana fanafody fanamaivanana fanaintainana ilay teny grika nadika hoe “fanampiana nanatanjaka” ao amin’ny Kolosiana 4:11 (NW). Izao no vakina ao amin’ny New Life Version: “Fanampiana ho ahy tokoa izy ireo!” Ny Today’s English Version dia mampiasa ny teny hoe: “Nanampy ahy betsaka izy ireo.” Inona no nety ho nataon’ireo rahalahy kristianina tsy lavitra an’i Paoly ireo, mba hanampiana azy?

20 Nahazo nandray mpamangy i Paoly, saingy nisy zavatra maro tsy azony natao, toy ny fividianana ireo zavatra fototra nilainy, toy ny sakafo sy fitafiana ho an’ny ririnina. Ahoana no hahazoany horonam-boky hianarana, na ahoana no hividianany ireo zavatra nilainy mba hanoratana? (2 Timoty 4:13). Tsy azonao sary an-tsaina ve ireo rahalahy ireo manampy an’i Paoly eo amin’izany zavatra nilainy izany, ka manao ireo zavatra fototra toy ny fandehanana miantsena sy ny irakiraka ampanaoviny? Nety ho naniry hizaha sy hampahery kongregasiona iray izy. Noho izy voagadra anefa, dia tsy afaka nanao izany izy, koa nety ho nanao fitsidihana ho an’i Paoly ireo rahalahy ireo, nandeha nitondra hafatra, sy niverina nitondra tatitra. Tena nanatanjaka tokoa izany!

21, 22. a) Nahoana no tokony hahaliana antsika ireo teny ao amin’ny Kolosiana 4:11? b) Inona avy no fomba sasany azontsika anarahana ny ohatr’ireo niaraka tamin’i Paoly?

21 Izay zavatra nosoratan’i Paoly momba ny fahatongavana ho ‘fanampiana manatanjaka’, dia mahatonga antsika hahatakatra hevi-dalina mahakasika ny fomba azontsika anampiana ny hafa. Mety ho efa eo am-pandehanana mendrika an’i Jehovah izy ireo raha ny amin’ny fari-pitsipiny ara-pitondran-tena, ny fanatrehana fivoriana kristianina, ary ny fandraisany anjara amin’ny asa fitoriana. Mendrika teny fiderana avy amintsika izy ireo noho izany. Kanefa afaka manao bebe kokoa ve isika, ka ho tonga ‘fanampiana manatanjaka’ toy ireo niaraka tamin’i Paoly?

22 Raha toa ianao ka mahafantatra anabavy izay nahatana tamim-pahendrena ny 1 Korintiana 7:37 (NW), kanefa tsy manam-pianakaviana akaiky azy izao, moa ve azonao atao ny mampiditra azy ao amin’ny zavatra sasany ataon’ny fianakavianao, angamba amin’ny fanasana azy hiara-misakafo na hanatrika fiaraha-mikorana kely iarahana amin’ny havana aman-tsakaiza? Maninona raha asaina izy hiaraka amin’ny fianakavianao mankany amin’ny fivoriambe na manao vakansy? Na asao izy hiaraka aminao amin’ny fotoana mety, rehefa mandeha miantsena ianao. Afaka manao toy izany koa isika amin’ireo vehivavy na lehilahy maty vady, na angamba amin’ireo izay nanjary nanan-takaitra ka tsy afa-manao zavatra firy intsony. Ho hitanao fa hitondra valisoa ny fandrenesana ireo zavatra niainan’izy ireny, na ny fahalalany zavatra mahazatra toy ny fifidianana voankazo na fifantenana ny akanjon’ankizy. (Levitikosy 19:32; Ohabolana 16:31). Mety hampitombo fifankahazoana am-po ny vokatr’izany. Amin’izay dia mety tsy hisalasala loatra izy ireo hangataka fanampiana aminao raha mila fanafody any amin’ny farmasia, na ny zavatra toy izany. Ireo rahalahy niaraka tamin’i Paoly tany Roma dia tsy maintsy ho nanome fanampiana azo notsapain-tanana sy nanatanjaka, toy izay azonao atao. Na tamin’izany na ankehitriny, dia fitahiana fanampiny ny hoe mihamatanjaka ny fatoram-pitiavana ary tapa-kevitra mafy isika ny hiara-manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana.

23. Tsara raha mandany fotoana hanaovana inona ny tsirairay amintsika?

23 Samy afaka mieritreritra ny amin’ireo toe-javatra voatonona ato amin’ity lahatsoratra ity ny tsirairay amintsika. Ohatra fotsiny ireo, kanefa dia afaka mampahatsiahy antsika ny amin’ny toe-javatra tena misy, izay ahafahantsika ho tonga ‘fanampiana manatanjaka’ kokoa ho an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika. Ilay hevitra tiana hampitaina akory tsy hoe tokony hanana fironana toa an’ireo mpanao asa soa isika. Tsy izany no tanjon’ireo rahalahy voatonona ao amin’ny Kolosiana 4:10, 11. ‘Mpiara-miasa hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra’ izy ireo. Nifandray nivantana tamin’izany ilay vokany nanatanjaka. Enga anie ka ho toy izany koa ny amintsika.

24. Inona no antony lehibe indrindra mahatonga antsika hivavaka ho an’ny hafa sy hiezaka hanatanjaka azy ireo?

24 Manonona ny hafa amin’ny anarany isika ao amin’ny vavaka ataontsika manokana, ary miezaka hanatanjaka azy ireny, noho izao antony izao: Mino isika fa ireo rahalahintsika sy anabavintsika dia maniry ‘handeha mendrika an’i Jehovah, mba hampifaliana azy amin’ny fomba feno’. (Kolosiana 1:10, NW). Izany dia mifandray amin-javatra hafa iray izay nolazain’i Paoly fony izy nanoratra momba ny vavak’i Epafra mahakasika ireo Kolosianina, dia ny mba hahatonga azy ireo ‘hiorina amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra’. (Kolosiana 4:12, NW). Ahoana no ahafahan’ny tenantsika mahavita izany? Andeha hojerentsika izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ny Étude perspicace des Écritures Boky 1, pejy faha-501-502, sy “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, pejy faha-226-228, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of New York, Inc.

Nomarihinao Ve?

• Ahoana no ahafahantsika manampy bebe kokoa ao amin’ny vavaka ataontsika manokana?

• Tamin’ny heviny ahoana ny Kristianina sasany no ‘fanampiana nanatanjaka’ an’i Paoly?

• Amin’ny karazana toe-javatra manao ahoana avy isika no afaka ho tonga ‘fanampiana manatanjaka’?

• Inona no tanjona amin’ny fanaovantsika vavaka sy ezaka mba hanatanjahana ireo rahalahintsika sy anabavintsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Afaka mampiditra Kristianina iray hafa ao amin’ny fitsangantsanganan’ny fianakavianao ve ianao?

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of Green Chimney’s Farm