Miorena Amin’ny Fomba Feno sy Amim-piekena Mafy
Miorena Amin’ny Fomba Feno sy Amim-piekena Mafy
“Mikely aina mandrakariva [izy] amin’ny fangatahana ho anareo, mba [hiorenanareo amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy amin’ny farany, raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra, NW ].”—KOLOSIANA 4:12.
1, 2. a) Inona no voamarik’ireo tsy mpino, mahakasika ireo Kristianina tany am-boalohany? b) Amin’ny ahoana ny bokin’ny Kolosiana no ahitana taratry ny fiahiana feno fitiavana?
NIAHY fatratra an’ireo mpiara-mivavaka taminy, ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Niresaka ny amin’ny hatsaram-panahy nasehon’izy ireo tamin’ny kamboty sy ny mahantra ary ny zokiolona i Tertullien (mpanoratra tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo am.f.i.). Nampiaiky volana ny tsy mpino tokoa ireny porofom-pitiavana niseho tamin’ny zavatra natao ireny, hany ka hoy ny sasany momba ny Kristianina: ‘Jereo fa mifankatia tokoa izy ireo.’
2 Hita taratra ao amin’ny bokin’ny Kolosiana ny fiahiana feno fitiavana toy izany, izay nasehon’ny apostoly Paoly sy i Epafra namany tamin’ireo rahalahy sy anabavy tany Kolosia. Nanoratra ho azy ireo i Paoly hoe: I Epafra dia “mikely aina mandrakariva amin’ny fangatahana ho anareo, mba [hiorenanareo amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy amin’ny Kolosiana 4:12 (NW ) ireto ny andinin-teny ho an’ny taona, hampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah: ‘Miorena Amin’ny Fomba Feno sy Amim-piekena Mafy, Raha ny Amin’ny Sitrapon’Andriamanitra Rehetra.’
farany, raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra, NW ]”. Mandritra ny taona 2001, dia ireto teny ao amin’ny3. Nivavaka ny amin’ny zavatra roa inona avy i Epafra?
3 Afaka mahita ianao fa nisy lafiny roa ny vavaka nataon’i Epafra ho an’ireo olona tiany: 1) ny mba hahatonga azy ireo ‘hiorina amin’ny fomba feno amin’ny farany’, sy 2) ny mba hiorenan’izy ireo ‘amim-piekena mafy, raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra’. Nampidirina tao amin’ny Soratra Masina io fanazavana io, mba ho tombontsoantsika. Koa manontania tena hoe: ‘Inona no ilain’ny tenako hatao mba hahatonga ahy hiorina amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy amin’ny farany, raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra? Ary inona no ho vokatry ny fanaovako izany?’ Andeha hojerentsika izany.
Miezaha mafy mba ‘hiorina amin’ny fomba feno’
4. Tamin’ny heviny ahoana ireo Kolosianina no nila ny ho “feno”?
4 Nirin’i Epafra fatratra ny hahatonga ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy ‘hiorina amin’ny fomba feno amin’ny farany’. Ilay teny nampiasain’i Paoly izay nadika eto hoe “feno”, dia mety hanana heviny hoe tanteraka na lavorary, na efa olon-dehibe, na matotra. (Matio 19:21; Hebreo 5:14; Jakoba 1:4, 25). Fantatrao angamba fa ny maha Vavolombelon’i Jehovah vita batisa ny olona iray, dia tsy midika avy hatrany fa efa Kristianina matotra izy. Nanoratra ho an’ny Efesianina, izay nipetraka tany andrefan’i Kolosia, i Paoly ka nilaza fa ireo mpiandry sy mpampianatra dia miezaka hanampy ny “rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy”. Any an-toeran-kafa i Paoly dia nampirisika mafy ny Kristianina mba ho tonga “olon-dehibe raha ny amin’ny fahaiza-mahataka-javatra”.—Efesiana 4:8-13, izahay no manao sora-mandry; 1 Korintiana 14:20, NW.
5. Ahoana no azontsika anaovana ny fahafenoana ho tanjona lehibe iray?
5 Raha nisy Kolosianina sasany mbola tsy olon-dehibe ara-panahy, na mbola tsy matotra ara-panahy, dia nilaina nataony ho tanjona izany. Tsy tokony ho izany koa ve no izy amin’izao andro izao? Na am-polony taona maro lasa izay, na vao haingana, no nanaovana batisa antsika, hitantsika mazava ve fa nisy fandrosoana vitantsika teo amin’ny fahaizantsika manjohy hevitra sy teo amin’ny fomba fijerintsika zavatra? Mandinika ireo foto-pitsipika ara-baiboly ve isika, alohan’ny hanaovantsika fanapahan-kevitra? Moa ve ireo zavatra mifandray amin’Andriamanitra sy ny tombontsoan’ny kongregasiona mihamahazo vahana bebe kokoa hatrany eo amin’ny fiainantsika, fa tsy ambinambin-javatra fotsiny? Tsy ho vitantsika hazavaina amin’ny ohatra eto avokoa ireo fomba rehetra azontsika ampisehoana izany fitomboana ho amin’ny fahafenoana izany, fa diniho ireto ohatra roa ireto.
6. Inona no lafiny iray azontsika anaovana fandrosoana ho amin’ny fahatanterahana, toa an’i Jehovah?
6 Ohatra voalohany: Aoka hatao hoe nihalehibe tao anatin’ny rivo-piainana nanjakan’ny fanavakavahana, na fankahalana olona hafa firazanana, na hafa firenena, na hafa faritra niaviana amintsika isika. Fantatsika izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, ary tsy Asan’ny Apostoly 10:14, 15, 34, 35). Misy olona hafa fiaviana toy izany ao amin’ny kongregasionantsika na ny fizaran-tanintsika, koa eo akaikin’izy ireny isika. Mbola manana fihetseham-po ratsy na fiahiahiana olona avy amin’izany fiaviana izany ve isika ao anatintsika ao? Manjary tsy tohinina ve isika ka mailaka ny hieritreritra zava-dratsy, raha vao misy olona avy amin’izany fiaviana izany manao fahadisoana na nanao tsinontsinona antsika tamin-javatra madinika? Manontania tena hoe: ‘Mila manao fandrosoana bebe kokoa ve aho mba hananana ny fomba fijerin’Andriamanitra izay tsy mizaha tavan’olona?’
tokony hizaha tavan’olona koa isika. (7. Fomba fijery ny hafa manao ahoana no mety ho tafiditra amin’ny hoe tonga Kristianina amin’ny fomba feno?
7 Ohatra faharoa: Araka ny Filipiana 2:3, dia tsy tokony ‘hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana isika, na handrani-tena foana; fa amin’ny fanetren-tena dia tokony samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany’. Manao ahoana ny fandrosoantsika amin’io lafiny io? Samy manana ny fahalemeny sy ny lafiny mampahatanjaka azy avy ny olona tsirairay. Raha toa isika tamin’ny lasa ka mailaka nahamarika ny lafiny nampahalemy ny hafa, moa ve isika nanao fandrosoana ka tsy manantena intsony azy ireo ho kely sisa dia “tanteraka”? (Jakoba 3:2). Afaka mahita, na mitady mihitsy, ireo lafiny ihoaran’ny hafa antsika ve isika ankehitriny, tsy toy ny hatramin’izay? ‘Tsy maintsy miaiky aho fa mihoatra noho izaho io anabavy io raha ny amin’ny fananam-paharetana.’ ‘Matanjaka kokoa noho ny ahy ny finoan’ity olona ity.’ ‘Tsoriko aloha fa mahay mampianatra kokoa noho izaho izy.’ ‘Mahay kokoa mifehy ny fihetseham-pony izy, raha oharina amiko.’ Angamba nila nanao fandrosoana tamin’izany lafiny izany ny Kolosianina sasany. Ary isika?
8, 9. a) Tamin’ny heviny ahoana i Epafra no nivavaka mba hahatonga ny Kolosianina “hiorina” amin’ny fomba feno? b) Milaza inona mahakasika ny hoavy ny hoe ‘miorina amin’ny fomba feno’?
8 Nivavaka i Epafra mba hahatonga ireo Kolosianina ‘hiorina amin’ny fomba feno’. Mazava fa nivavaka tamin’Andriamanitra i Epafra fa rehefa tonga Kristianina feno sy matotra ary olon-dehibe tamin’ny ambaratonga sasany ireo Kolosianina, dia tokony ‘hiorina’, na hitoetra ho toy izany.
9 Tsy afaka mihevitra isika hoe ny olona tsirairay tonga Kristianina dia haharitra amin’izany, eny fa na dia ny olona matotra aza. Nolazain’i Jesosy fa nisy anjely, zanak’Andriamanitra, “tsy nitoetra tamin’ny marina”. (Jaona 8:44). Ary nampahatsiahivin’i Paoly an’ireo Korintianina ny amin’ny olona sasany tamin’ny lasa izay nanompo an’i Jehovah nandritra ny fotoana kelikely, kanefa dia nitsahatra tsy nanao izany avy eo. Nampitandrina toy izao an’ireo rahalahy voahosotry ny fanahy izy: “Izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” (1 Korintiana 10:12). Vao mainka izany manamafy ilay vavaka mba hahatonga ireo Kolosianina ‘hiorina amin’ny fomba feno amin’ny farany’. Raha vao tonga feno, na olon-dehibe, izy ireo, dia nilainy ny naharitra tamin’izany fa tsy hihemotra, na hihaosa, na hanaiky hindaosina hiala. (Hebreo 2:1; 3:12; 6:6; 10:39; 12:25). Amin’izay, dia ho “feno” izy ireo amin’ilay andro hizahana azy sy hanekena azy farany.—2 Korintiana 5:10; 1 Petera 2:12.
10, 11. a) Modely inona momba ny vavaka no nomen’i Epafra antsika? b) Inona no fanapahan-kevitra irinao hatao, mifanaraka amin’izay nataon’i Epafra?
10 Efa nodinihintsika ny maha zava-dehibe ny fanaovana vavaka ho an’ny hafa amin’ny fanononana azy amin’ny anarany, amin’ny filazana zavatra voafaritra tsara rehefa mangataka an’i Jehovah mba hanampy sy hampionona sy hitahy ary hanome azy ireny ny fanahy masina. Karazan’izany ny vavaka nataon’i Epafra ho an’ny Kolosianina. Ary ao amin’ireo teny ireo isika dia afaka mahita, eny, tokony hahita, soso-kevitra sarobidy momba izay holazaintsika amin’i Jehovah momba ny tenantsika, rehefa mivavaka isika. Tsy isalasalana fa tokony hangataka ny fanampian’i Jehovah isika mba hahatonga antsika isam-batan’olona ‘hiorina amin’ny fomba feno amin’ny farany’. Manao izany ve ianao?
11 Nahoana raha lazaina ao amin’ny vavaka ny toe-javatra misy anao? Resaho amin’Andriamanitra hoe aiza ho aiza ny fandrosoana efa vitanao mba ho tonga “feno” sy ho olon-dehibe ary ho matotra. Mitalahoa aminy mba hanampiany anao hamantatra ireo lafiny mbola ilanao hitomboana ara-panahy. (Salamo 17:3; 139:23, 24). Azo antoka fa misy lafiny sasany toy izany eo aminao. Avy eo, dia aza kivy amin’izany, fa manaova kosa fitalahoana mazava sy mivantana amin’Andriamanitra mba hahazoana fanampiana handroso. Ataovy izany, tsy indray mandeha ihany. Nahoana tokoa moa raha manapa-kevitra hoe amin’ny herinandro ambony ianao dia hivavaka amin’ny an-tsipiriany mba hahatonga anao ‘hiorina amin’ny fomba feno amin’ny farany’? Ary miomàna hanao izany imbetsaka kokoa rehefa mandinika ny andinin-teny ho an’ny taona ianao. Ao amin’ny vavaka ataonao, dia mifantoha amin’izay mety ho fironanao hihemotra, na hihaosa, na hanaiky hindaosina hiala amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy amin’izay fomba azonao analavirana izany.—Efesiana 6:11, 13, 14, 18.
Mivavaha mba hananana fiekena mafy
12. Nahoana indrindra ireo Kolosianina no nila ‘fiekena mafy’?
12 Nangataka zavatra hafa tamin’ny vavaka koa i Galatiana 3:19; Kolosiana 2:8, 16-18.
Epafra, dia zavatra tena ilaina raha toa ny Kolosianina ka tiana ho azon’Andriamanitra ekena amin’ny farany. Tena ilaintsika koa izy io. Inona moa izany? Nivavaka i Epafra mba hahatonga azy ireo hiorina ‘amim-piekena mafy, raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra’. Nanodidina azy ireo ny fampianaran-diso sy filozofia manimba, izay nanana endrika mamitaka ny sasany taminy, satria toa fanompoam-pivavahana marina. Nisy, ohatra, fanerena azy ireo hitandrina andro manokana hifadian-kanina na hanaovana hanim-py, toy izay nilaina natao tao amin’ny fivavahan’ny Jiosy fahiny. Nisy mpampianatra sandoka nifantoka tamin’ireo anjely, dia ireo fanahy mahery izay nampiasaina mba hanome ny Lalàna an’i Mosesy. Alao sary an-tsaina ange ny hoe iharam-panerena karazan’izany e! Nisy hevitra nifanipaka maro dia maro nampisafotofoto tamin’izany.—13. Ny fanekena anton-javatra inona no afaka nanampy ny Kolosianina, ary amin’ny ahoana izany no afaka manampy antsika?
13 Namaly izany i Paoly tamin’ny fanamafisana ny anjara asan’i Jesosy Kristy. “Tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo”. Eny, nilaina (ho an’ny Kolosianina sy ho antsika) ny fiekena tanteraka ny anjara asan’i Kristy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra sy eo amin’ny fiainantsika. Nanazava toy izao i Paoly: “Ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra; ary hianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra”.—Kolosiana 2:6-10.
14. Nahoana ny fanantenana no zavatra tena nisy ho an’ireo tany Kolosia?
14 Kristianina voahosotry ny fanahy ireo Kolosianina. Niavaka ny fanantenany, dia fiainana any an-danitra, ary nanana ny antony rehetra hitanana izany fanantenana izany hamirapiratra izy ireo. (Kolosiana 1:5). “Sitrapon’Andriamanitra” ny hieken’izy ireo mafy fa azo antoka ny fanantenany. Tokony hisy amin’izy ireo ve hisalasala ny amin’izany fanantenana izany? Sanatria izany! Tokony ho hafa noho izany ve ny amin’izao andro izao, ho an’ireo rehetra nomen’Andriamanitra fanantenana hiaina eo amin’ny paradisa an-tany? Tsia, mazava ho azy! Mazava fa anisan’ny “sitrapon’Andriamanitra” io fanantenana marim-pototra io. Diniho izao ireto fanontaniana ireto: Raha miezaka mafy mba ho anisan’ireo “olona betsaka” ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ianao, tena misy eo anatrehanao ve ilay fanantenanao? (Apokalypsy 7:9, 14). Moa ve izy io anisan’ny zavatra ‘ekenao mafy amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra’?
15. Fitohitohizan-kevitra inona avy no nosoritan’i Paoly, ka nampidirany ny fanantenana?
15 Ny tiantsika holazaina amin’ny hoe “fanantenana” dia tsy zavatra manjavozavo irina ho azo, na nofinofy. Hitantsika izany avy amin’ireo hevitra mitohitohy nasehon’i Paoly taloha kokoa tamin’ny Romanina. Ao amin’izany fitohitohizan-kevitra izany, ny zavatra tsirairay lazaina dia mifandray na mitarika ho amin’ilay hevitra manaraka. Diniho tsara ny toerana ametrahan’i Paoly ny “fanantenana” ao amin’ilay fanjohian-kevitra nataony: “Aoka isika hifaly amin’ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga [fahazoana fankasitrahana, NW ]; ary ny [fahazoana fankasitrahana, NW ] mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina (...) no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika.”—Romana 5:3-5.
16. Inona no fanantenana azonao rehefa nianatra ny fahamarinana ara-baiboly ianao?
16 Fony nampita voalohany ny hafatry ny Baiboly taminao ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mety ho nisy fahamarinana iray nanintona ny sainao, toy ny toetran’ny maty na ny fitsanganana amin’ny maty. Ho an’ny olona maro, dia ilay fahafahana hiaina ao amin’ny paradisa an-tany voalazan’ny Baiboly no zava-baovao voalohany takatr’izy ireo. Tsarovy ilay fotoana voalohany nandrenesanao izany fampianarana izany. Izany ka fanantenana mahatalanjona! Tsy hisy aretina sy fahanterana intsony, afaka ny ho velona hatrany ianao mba hifaly amin’ny vokatry ny fisasaranao, ary hihavana ny olona sy ny biby! (Mpitoriteny 9:5, 10; Isaia 65:17-25; Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 21:3, 4). Nahazo fanantenana mahatalanjona ianao!
17, 18. a) Tamin’ny ahoana ilay fitohitohizan-kevitra nasehon’i Paoly tamin’ny Romanina no nitarika ho amin’ny fanantenana? b) Karazam-panantenana manao ahoana no tiana holazaina ao amin’ny Romana 5:4, 5, ary manana izany ve ianao?
17 Rehefa nandeha ny fotoana, dia azo inoana fa nisy fanoherana na fanenjehana natrehinao. (Matio 10:34-39; 24:9). Vao tsy ela akory izay, dia nisy Vavolombelona tany amin’ny tany samihafa voaroba ny tranony, na voatery lasa mpitsoa-ponenana. Nisy nanaovana herisetra, nalaina an-keriny ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboliny, na nanaovana tatitra feno lainga tao amin’ny fampitam-baovao. Na inona na inona endri-panenjehana mety ho nahazo anao, dia afaka nifaly tamin’ny fahoriana ianao araka ny voalazan’ny Romana 5:3, ary nitondra vokany tsara dia tsara izany. Toy ilay nosoratan’i Paoly, dia nitondra faharetana tao aminao ny fahoriana. Avy eo ny faharetana dia nitarika ho amin’ny fahazoana fankasitrahana. Fantatrao fa nanao ny mety ianao, nanao ny sitrapon’Andriamanitra, hany ka nahazo antoka ianao fa nahazo ny fankasitrahany. Araka ny tenin’i Paoly, dia tsapanao ny “fahazoana fankasitrahana”. Nanohy ny teniny i Paoly, ka nanoratra fa ‘ny fahazoana fankasitrahana dia mahatonga fanantenana’. Mety ho toa somary hafahafa ihany izany. Nahoana no lavitra be ny nametrahan’i Paoly ny “fanantenana”, tao amin’ilay fitohitohizan-kevitra? Fa angaha moa ianao tsy efa nanana fanantenana taloha ela be, fony ianao nandre voalohany ny vaovao tsara?
18 Mazava fa eto i Paoly dia tsy niresaka ny amin’ilay fahatakaranao voalohany ny amin’ny fanantenana fiainana tonga lafatra. Lasa lavitra kokoa noho izany ilay noresahiny; lalina kokoa izy io, ary manosika kokoa hanao zavatra. Rehefa miaritra amim-pahatokiana isika ka mahatakatra fa mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra, izany dia misy vokany lalina mampitombo sy manatanjaka ilay fanantenantsika tany am-boalohany. Mihamanjary tena zava-misy kokoa sy
mafy orina kokoa ary mahakasika kokoa ny tenantsika manokana izao ilay fanantenantsika. Mihamamiratra kokoa io fanantenana nihalalina io. Manenika antsika sy ny maha isika antsika mihitsy izy io. “Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina (...) no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika.”19. Amin’ny ahoana ny fanantenanao no tokony ho anisan’ny vavaka ataonao tsy tapaka?
19 Nivavahan’i Epafra tamim-pahatsorana ny mba hahatonga ireo rahalahiny sy anabaviny tao Kolosia hahatsiaro tena ho voakasik’ilay fanantenana niandry azy ireo ary hiaiky ny amin’izany, ka hanana ‘fiekena mafy ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra’. Enga anie ny tsirairay amintsika mba hiresaka tsy tapaka toy izany amin’Andriamanitra momba ny fanantenantsika. Ampidiro ao amin’ny vavaka manokana ataonao ny fanantenanao mahakasika ilay tontolo vaovao. Lazao amin’i Jehovah fa maniry mafy azy io ianao, ary miaiky tanteraka ny hahatongavan’izy io. Mitalahoa fanampiana aminy mba hahalalina sy hampitombo kokoa ny fiekenao. Toy ny nivavahan’i Epafra mba hahatonga ireo Kolosianina ‘hiaiky mafy ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra’, dia manaova toy izany koa. Ataovy matetika izany.
20. Nahoana no tsy voatery hiteraka fahakiviana ny fisian’ny olona vitsivitsy ihany mivily miala amin’ny lalana kristianina?
20 Tsy tokony hanaiky ho voavily na ho kivy ianao, satria fotsiny hoe tsy ny olona rehetra no miorina amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy. Mety hiala ny sasany, ho voavily, na hilavo lefona tsotra fotsiny. Efa nitranga izany teo amin’ireo olona akaiky indrindra an’i Jesosy, dia ireo apostoliny. Rehefa nanjary mpamadika anefa i Jodasy, moa ve ireo apostoly hafa nampiadam-pandeha na niala an-daharana? Tsia, mazava ho azy! Nampihatra ny Salamo 109:8 i Petera mba hampisehoana fa hisy olon-kafa haka ny toeran’i Jodasy. Nofantenana ny olona iray hisolo toerana azy, ary nanohy tamim-paharisihana ny fitoriana nanendrena azy, ireo tsy nivadika tamin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 1:15-26). Tapa-kevitra ny hiorina tamin’ny fomba feno sy tamim-piekena mafy izy ireo.
21, 22. Amin’ny heviny ahoana no hisy hahamarika ny fiorenanao amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy?
21 Afaka mahazo antoka tanteraka ianao fa hisy hahamarika ny fiorenanao amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy, ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra. Hisy handinika sy hankasitraka izany, nefa iza?
22 Hahamarika izany ireo rahalahinao sy anabavinao izay mahafantatra anao sy tia anao. Na dia tsy hiloa-bava ny amin’izany aza ny ankamaroan’izy ireo, ny vokany dia hitovy amin’izay vakintsika ao amin’ny 1 Tesaloniana 1:2-6 manao hoe: “Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ny fivavahanay, sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ny fanantenana an’i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason’Andriamanitra Raintsika; (...) fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be (...). Ary hianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo”. Hitovy fihetseham-po amin’izany ireo Kristianina mahatoky manodidina anao rehefa hitany fa ‘miorina amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy ianao, raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra’.—Kolosiana 1:23.
23. Inona no tokony ho fahatapahan-kevitrao mandritra io taona ho avy io?
23 Azo antoka torak’izany koa fa handinika sy ho faly ilay Rainao any an-danitra. Aoka ianao hatoky ny amin’izany. Nahoana? Satria ianao miorina amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy “raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra”. Nampahery ny Kolosianina i Paoly rehefa nanoratra ho azy ireo mahakasika ny nandehanan’izy ireo “mendrika an’i Jehovah, mba hampifaliana azy amin’ny fomba feno”. (Kolosiana 1:10, NW ). Eny, azon’ny olombelona tsy lavorary atao ny mampifaly azy amin’ny fomba feno. Nanao izany ireo rahalahinao sy anabavinao tany Kolosia. Manao izany amin’izao fotoana izao ireo Kristianina manodidina anao. Afaka manao izany koa ianao! Noho izany àry, mandritra io taona ho avy io, dia aoka ny vavaka ataonao isan’andro sy ny zavatra fanaonao hanaporofo fa tapa-kevitra ianao ny ‘hiorina amin’ny fomba feno sy amim-piekena mafy amin’ny farany, raha ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra rehetra’.
Tadidinao Ve?
• Inona no tafiditra amin’ny hoe ‘miorina amin’ny fomba feno’ ny tenanao?
• Zavatra inona avy mahakasika ny tenanao no tokony hampidirinao ao amin’ny vavaka?
• Araka ny soso-kevitra ao amin’ny Romana 5:4, 5, karazam-panantenana manao ahoana no tianao hananana?
• Nandrisika anao hanana tanjona manao ahoana mandritra ny taona ho avy, ny fianarantsika?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 20]
Nivavaka i Epafra mba hahatonga ireo rahalahiny hiorina amin’ny fomba feno sady hiaiky mafy ny amin’i Kristy sy ny amin’ny fanantenan’izy ireo
[Sary, pejy 23]
Iarahanao manana amin’olon-kafa an-tapitrisany maro ilay fanantenana azo antoka sy fiekena mafy anananao