Nahoana Ianao no Manompo An’Andriamanitra?
Nahoana Ianao no Manompo An’Andriamanitra?
Nanome izao torohevitra izao ho an’ny zanany lahy ny mpanjaka iray natahotra an’Andriamanitra, indray mandeha: “Aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto”. (1 Tantara 28:9). Mazava fa tian’i Jehovah ny mpanompony mba hanompo azy amin’ny fo feno fankasitrahana.
NOHO isika Vavolombelon’i Jehovah, dia ekentsika avy hatrany fa nentanim-pankasitrahana ny fontsika, rehefa nohazavaina tamintsika voalohany ireo fampanantenan’ny Baiboly. Niana-java-baovao momba ny fikasan’Andriamanitra isika isan’andro. Arakaraka ny nianarantsika momba an’i Jehovah no nampitombo ny faniriantsika hanompo azy “amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto”.
Maro amin’ireo tonga Vavolombelon’i Jehovah no manohy manompo an’i Jehovah amin’ny fifaliana tsy omby tratra mandritra ny fiainany manontolo. Nisy anefa Kristianina sasany nanana fiandohana tsara, saingy tsy hitany ireo antony manosika antsika hanompo an’Andriamanitra, rehefa nandeha ny fotoana. Mitranga aminao ve izany? Raha izany no izy, dia aza mamoy fo. Mety ho azo indray ny fifaliana very. Amin’ny fomba ahoana?
Diniho ireo fitahiana azonao
Voalohany, dia eritrereto ireo fitahiana isan’andro azonao avy amin’Andriamanitra. Eritrereto ny amin’ireo fanomezana tsara ataon’i Jehovah: ny zavatra samihafa noforoniny—azon’ny rehetra raisina na manao ahoana na manao ahoana toerany ara-tsosialy na ara-bola—ny fandaharana araka ny natiora nataony mba hanomezana sakafo sy rano, ny fahasalamana anananao, ny fahalalanao ny fahamarinana ara-baiboly, ary indrindra, ny fanomezany ny Zanany. Ny fahafatesan’io Zanany io no nanokatra ny lalana ho anao hanompoanao an’Andriamanitra amin’ny fieritreretana madio. (Jaona 3:16; Jakoba 1:17). Arakaraka ny isaintsainanao momba ny hatsaram-pon’Andriamanitra, no itomboan’ny fankasitrahanao azy. Amin’izay ny fonao dia hanosika anao hanompo azy noho ny fankasitrahana ny zava-drehetra nataony. Tsy isalasalana fa hanomboka ho tsapanao indray izay tsapan’ilay mpanao salamo nanoratra hoe: “Nohamaroinao ny fahagaganao [“asanao mahatalanjona”, NW ] sy ny hevitrao izay nataonao ho anay Jehovah Andriamanitro ô, tsy misy azo ampitahaina aminao, (...) Indro maro loatra izy ka tsy tambo isaina.”—Salamo 40:5.
Ireo teny ireo dia nosoratan’i Davida, lehilahy iray nanana fiainana feno zava-nanahirana. Fony i Davida tovolahy, dia saika nandany ny fotoanany izy nandosirana an’i Saoly Mpanjaka ratsy fanahy sy ny mpiambina azy, izay nitady azy mba hamono azy. (1 Samoela 23:7, 8, 19-23). Nanana kilema manokana tsy maintsy niadiana koa i Davida. Nanaiky izany izy, ao amin’ny Salamo faha-40: “Nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny”. (Salamo 40:12). Nanan-java-nanahirana tokoa i Davida, nefa tsy tototr’izy ireny tanteraka izy. Nifantoka tamin’ireo fomba nitahian’i Jehovah azy izy, na dia teo aza ireo zava-nanahirana azy, ary hitany fa navesa-danja lavitra noho ny loza nahazo azy ireny fitahiana ireny.
Rehefa mahatsapa ho tototry ny zava-manahirana manokana na ny fiheveran-tena ho tsy mahay ianao, dia tsara ny mijanona sy mandinika ny fitahiana azonao, toy ny nataon’i Davida. Tsy isalasalana fa nanosika anao hanolotra ny tenanao ho an’i Jehovah ny fankasitrahana ny fitahiana toy izany; ny eritreritra toy izany koa dia afaka manampy anao hamelona indray ny fifaliana very, sy
hanampy anao hanompo an’Andriamanitra amin’ny fo feno fankasitrahana.Afaka manampy ireo fivorian’ny kongregasiona
Ankoatra ny hoe misaintsaina manokana ny amin’ny hatsaram-pon’i Jehovah, dia mila mifanerasera amin’ireo Kristianina hafa koa isika. Mampahery ny miara-mivory tsy tapaka amin’ny lehilahy sy vehivavy ary tanora tia an’Andriamanitra sy tapa-kevitra ny hanompo azy. Afaka mandrisika antsika hanao asa amin’ny fanahy manontolo eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ny ohatra avelan’izy ireo. Afaka mampahery azy ireo koa ny fahatongavantsika any amin’ny Efitrano Fanjakana.
Marina aloha fa tsy mora ny mieritreritra ny handeha hivory any amin’ny Efitrano Fanjakana, rehefa tonga ao an-trano isika taorian’ny andro iray niasana mafy, na rehefa kivy isika noho ny zava-manahirana na kilema sasany. Amin’ny fotoana toy ireny, dia angamba mila ny ho hentitra amin’ny tenantsika isika, ‘hanisy mafy ny tenantsika’, raha azo atao ny milaza izany, mba hankatoavantsika ny didy hiara-mivory amin’ireo Kristianina namantsika.—1 Korintiana 9:26, 27; Hebreo 10:23-25.
Raha manjary ilaina izany, tokony hanatsoaka hevitra ve isika hoe tsy tena tia an’i Jehovah isika? Tsy izany mihitsy. Tsy maintsy nanao ezaka mafy mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ireo Kristianina matotra tamin’ny lasa, izay tsy isalasalana fa tia an’Andriamanitra. (Lioka 13:24). Iray tamin’ireny Kristianina ireny ny apostoly Paoly. Nolazainy tamim-pahatsorana toy izao ny zavatra tsapany: “Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.” (Romana 7:18, 19). Ary nilaza tamin’ireo Korintianina izy hoe: “Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; (...) Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra ahy ho andraikitro izany.”—1 Korintiana 9:16, 17.
Toy ny ankamaroantsika, i Paoly dia nanana fironana hanota izay nanakantsakana ny faniriany hanao izay mahitsy. Niady tamin’ireny fironana ireny anefa izy, ary mazàna no nandresy. Mazava ho azy fa tsy noho ny herin’i Paoly manokana no nahavitany izany. Izao no nosoratany: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4:13). I Jehovah, ilay nanome hery an’i Paoly, dia hanome hery anao koa mba hanaovanao izay mahitsy, raha mangataka ny fanampiany ianao. (Filipiana 4:6, 7). Noho izany, dia ‘miezaha mafy hiaro ny finoana’, ary hitahy anao i Jehovah.—Joda 3.
Tsy voatery hiady irery ianao amin’io ady io. Ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia vonona hanampy anao ireo loholona kristianina matotra, izay miaritra manao ilay “ady ho amin’ny finoana” (NW ) koa. Raha manatona loholona iray ianao mba hahazoana fanampiana, dia hiezaka mafy izy mba ‘hiresaka aminao amin’ny fomba mampionona’. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Ny zava-kendreny dia ny “ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra”.—Isaia 32:2.
“Andriamanitra dia fitiavana”, ary iriny ny mpanompony mba hanompo azy noho ny fitiavana. (1 Jaona 4:8). Raha ilaina hovelomina indray ny fitiavanao an’Andriamanitra, dia manaova dingana mety mba hanaovana izany, araka ny voasoritra tetsy ambony. Ho faly ianao fa nanao izany.