Tadidinao Ve?
Tadidinao Ve?
Nankasitrahanao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany tamin’Ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha afaka mamaly ireto fanontaniana ireto ianao:
• Inona no zava-dehibe mba handaminana tsy fifanarahana amin’ny olona iray?
Tokony hiaiky isika, voalohany indrindra, fa mora mirona hanana eritreritra sy fihetsika diso isika rehetra. Tokony handinika amim-pitandremana isika, avy eo, raha isika no niavian’ilay zava-manahirana fa tsy ilay olona.—15/8, pejy faha-23.
• Rahoviana ilay “andro famerenana ny zavatra rehetra amin’ny laoniny”, voatonona ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:21, NW?
Hitranga amin’ny ambaratonga roa ilay famerenana amin’ny laoniny. Voalohany, dia eo ilay famerenana ho amin’ny paradisa ara-panahy, efa an-dalana nanomboka tamin’ny 1919. Hisy famerenana amin’ny laoniny fanampiny hitranga rehefa lasa paradisa ara-bakiteny indray ny tanintsika.—1/9, pejy faha-17, 18.
• Amin’ny ahoana ny vitsika no tsy manana komandy, araka ny marihina ao amin’ny Ohabolana 6:6-8, nefa manome ohatra tsara ho antsika?
Misy mpanjakavavy ao amin’ny andiam-bitsika iray. Mpanjakavavy anefa izy, satria fotsiny manatody sady renin’ilay andiany. Mazoto miasa ny vitsika, ary tokony ho toy izany isika, hiezaka mafy hanatsara ny asantsika, na dia tsy misy manara-maso aza.—15/9, pejy faha-26.
• Marina ve ny faminanian’i Holda voarakitra ao amin’ny 2 Mpanjaka 22:20, milaza hoe ho faty “amin’ny fiadanana” i Josia, nefa maty an’ady izy?
Eny, maty tamin’ny fiadanana izy, amin’ny heviny hoe maty talohan’ilay loza tamin’ny 609-607 al.f.i., rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema sy nandrava azy, ny Babylonianina.—15/9, pejy faha-30.
• Amin’ny ahoana no nanao teny fiderana i Solomona, rehefa nilazalaza ny vehivavy vady iray ho toy ny “dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia [mahafatifaty, NW]”? (Ohabolana 5:18, 19)
Ny osidia vavy dia manana fahatoniana sady tsara bika. Na izany aza, izy dia afaka mivelona sy miteraka eny amin’ny toerana be vato sy sarotra aleha izay tsy misy sakafo firy.—1/10, pejy faha-30, 31.
• Iza moa i Henry Grew sy i George Storrs?
Tamin’ireo taona 1800 ireo lehilahy ireo no velona, ary mpianatra ny Baiboly nazoto izy ireo. Nianaran’i Grew fa tsy araka ny Soratra Masina ireo foto-pampianarana ny amin’ny Trinite sy ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary ny afobe. Takatr’i Storrs fa hisy olona sasany hahazo fiainana tsy hanam-pahataperana eto an-tany. Izy ireo dia samy mpialoha lalana an’i Charles Taze Russell, izay nanomboka namoaka ity gazety ity tamin’ny 1879.—15/10, pejy faha-26-30.
• Ahoana no fomba fijerin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fomba fitsaboana ampiasana ny ran’ny tena ihany?
Noho ny finoan’izy ireo miorina amin’ny Baiboly, dia tsy mitahiry ny rany izy ireo ka atỳ aoriana dia handray azy io indray amin’ny fampidiran-dra. Ny Kristianina tsirairay no manapa-kevitra ny amin’ny fomba hikarakarana ny ran’ny tenany mandritra ny fandidiana na fitiliana ara-pitsaboana, na fitsaboana ataony. Tokony hoheveriny izay lazain’ny Baiboly momba ny ra, ary hotadidiny fa nanolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra izy.—15/10, pejy faha-30, 31.
• Inona no zava-dehibe ilaina eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny fiandohan’ity taona ity?
Mila Efitrano Fanjakana maherin’ny 11 000 any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana, izay tsy manam-bola loatra. Misy fanomezana avy amin’ny Kristianina any amin’ny tany maro atao mba hanampiana amin’ny fanorenana toeram-pivoriana mety.—1/11, pejy faha-30.
• Inona avy no sasany amin’ireo teny tany am-boalohany nampiasaina tao amin’ny Baiboly, mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana?
Ny iray dia lei·tour·giʹa, izay adika hoe “fanompoana atao ho an’ny besinimaro”. Ny iray hafa dia la·treiʹa, izay adika hoe “fanompoana masina”. (Hebreo 10:11; Lioka 2:36, 37).—15/11, pejy faha-11-12.
• Inona no lesona lehibe azontsika ianarana avy amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba an’i Adama sy i Eva?
Hadalana tanteraka izay rehetra mety ho fahasahiana tsy hiankina amin’i Jehovah Andriamanitra.—15/11, pejy faha-24-27.
• Inona no porofo araka ny Soratra Masina fa manatanjaka ny mpanompony i Jehovah?
Na i Davida, na i Habakoka, na ny apostoly Paoly dia samy nanome porofo manokana fa nanome hery, na nanatanjaka azy ireo i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 60:12; Habakoka 3:19; Filipiana 4:13). Noho izany, dia afaka matoky isika fa vonona sy afaka manatanjaka antsika i Jehovah.—1/12, pejy faha-10, 11.