Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tonga any Amin’ireo Faritra Avon’i Chiapas ny Vaovao Tsara Momba ny Fiadanana

Tonga any Amin’ireo Faritra Avon’i Chiapas ny Vaovao Tsara Momba ny Fiadanana

Tonga any Amin’ireo Faritra Avon’i Chiapas ny Vaovao Tsara Momba ny Fiadanana

“Tantsaha tsy nanam-piarovana 45, anisan’izany ny zaza menavava 13, no novonoin’ny andian-dehilahy (...) nirongo fiadiana, tamin’ilay fandripahana nahatsiravina indrindra mety hotsaroan’ny olona iza na iza ao amin’ny fanjakan’i Chiapas.” Toy izany no nitantaran’ny gazety “El Universal” ny zava-nitranga tao Acteal, any amin’ny Fanjakan’i Chiapas, tamin’ny 22 Desambra 1997.

I CHIAPAS dia ilay fanjakana farany atsimo amin’i Meksika, manamorona an’i Goatemalà. Tamin’ny Janoary 1994, dia nisy antokona teratany Indianina Maya, izay efa niaina hatramin’ny ela tao anatin’ny fahantrana sy ny fihafiana, nandamina fikomiana nitanam-piadiana, mitondra ny anarana hoe Ejército Zapatista de Liberación Nacional (EZLN, Tafika Zapatista Mitaky ny Fanafahana ny Firenena). Nitarazoka ny fifampiraharahana mba hitadiavana vahaolana tsy ampiasan-kerisetra. Niafara tamin’ny fandatsahan-dra sy ny fahafatesana ny bemidina sy ny fanafihana, na nataon’ireo mpikomy izany, na nataon’ireo miaramilan’ny fanjakana. Koa nahatonga ny maro tamin’ireo tantsaha tao amin’ilay faritra handositra, ilay korontana.

Eo anivon’ny toe-draharaha misafotofoto toy izany, dia misy antokon’olona iray tia fiadanana izay nialanalana hatrany raha ny amin’ilay ady ara-politika. Misarika amin-jotom-po ny saina ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany azo antenaina hahalamina ny zava-manahirana atrehin’ny olona eo an-toerana sy maneran-tany, izy ireo. (Daniela 2:44). Iza moa izy ireo? Ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho fankatoavana ny baikon’i Jesosy, dia mikely aina mitondra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra hatrany amin’ny faritra mitokana indrindra amin’ireo faritra avon’i Chiapas, izy ireo. (Matio 24:14). Nanao ahoana ny fitoriana tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, ary inona avy no vokany?

“Vavolombelon’i Jehovah aho”

Indray andro, dia niasa tao amin’ny radio iray tany Ocosingo, i Adolfo, tovolahy iray izay tonga mpitorin’ilay Fanjakana vao haingana. Tampoka teo, dia nisy nandondòna mafy tao am-baravarana. Avy hatrany dia niditra ny andian-dehilahy nisaron-tava ary nanambana azy tamin’ny basy, teo amin’ny lohany. Nirohotra niditra tao amin’ilay efitrano fitenenana izy ireo, nibodo ny fitaovana, ary nanambara tamin’ny alalan’ny radio fa hiady amin’ny fitondram-panjakana.

Nitodika tany amin’i Adolfo ireo olona nitam-piadiana ireo ary nandidy azy hanohana ny fihetsiketsehan’izy ireo. “Vavolombelon’i Jehovah aho”, hoy ny navalin’i Adolfo, na dia mbola tsy vita batisa aza izy. Nohazavainy fa ny hany antenaina hitondra fiadanana dia ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nanda mafy ilay fanamiana sy ilay basy natolotr’izy ireo azy izy. Raha nahita ny fijoroany tamim-pahatapahan-kevitra izy ireo, dia namela azy handeha. Hoy i Adolfo raha nahatsiaro ilay zava-nitranga: “Tena nanatanjaka ny finoako iny fisehoan-javatra iny.”

Nihatony ny toe-draharaha tamin’ny farany, nefa mbola teo ambanin’ny fifehezan’ny miaramila ihany ilay faritra. Na izany aza, dia nanaiky tamim-pifaliana ny fanasan’ireo loholona tao amin’ilay kongregasiona teo an-toerana mba hiara-miasa amin’ny groupe isolé iray tao amin’ilay faritra, i Adolfo. Naneho fanajana azy ny miaramila rehefa nampahafantatra ny tenany hoe Vavolombelon’i Jehovah izy teo amin’ireo toeram-pisavana izay tsy maintsy nandalovany. Natao batisa izy tatỳ aoriana ary nahita fahafaham-po nanampy io groupe isolé io ho tonga kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. “Satria efa vita batisa aho izao”, hoy ny nambaran’i Adolfo, “dia afaka milaza amim-piekena mafy fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenako!”

“Nanatanjaka anay i Jehovah”

Fotoana fohy taorian’ny nanambaran’ny EZLN tamin’ny radio fa niady tamin’ny fitondram-panjakana izy ireo, dia nandositra ny mponina an-tanàna. Nanazava ny fomba nanatanjahan’i Jehovah azy sy ny vadiny, nanoloana izay tsy maintsy nodiaviny, i Francisco, izay mpanompo manontolo andro, na mpisava lalana.

“Nanapa-kevitra ny hitady fialofana tany amin’ny faritra iray, izay nandehanana an-tongotra adiny telo, izahay. Nisy kongregasiona tany, koa hiaraka tamin’ireo rahalahy izahay. Tsy ela dia tonga ny fotoana hanaovana ny fivoriamben’ny fizaran-taninay tao Palenque. Tsy tianay mivady ny tsy hahavonjy ny fivoriana manokana ho an’ny mpisava lalana, nefa renay fa nosakanan’ny EZLN ny lalana mankany amin’ilay fivoriambe. Nanapa-kevitra ny hanaraka lalana mamakivaky ala mikitroka àry izahay, ka adiny sivy no nanaovanay izany. Tonga ara-potoana mba hanatrika ilay fivorian’ny mpisava lalana izahay, ary tena nankafizinay tokoa ilay izy, mbamin’ny fandaharana manontolon’ny fivoriambe.

“Rehefa niverina izahay, dia hitanay fa nisy nandoro ny tranonay ary nisy nangalatra ny biby fiompinay. Kitapo kely nisy akanjo no hany sisa tavela. Nalahelo noho ny tsy nanananay na inona na inona intsony izahay, nefa nandray anay tamin-katsaram-panahy tany an-tranon’izy ireo, ireo rahalahy tao Ocosingo. Nanoro anay fomba fiasa izay mbola tsy nataonay mpamboly sy mpiompy mihitsy koa izy ireo. Nampianatra ahy haka sary ny rahalahy iray, ary ny hafa iray indray nampianatra ahy hanamboatra kiraro simba. Izany no fomba nahafahanay mivady namelon-tena hatramin’izao, ka tsy voatery niala tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana. Rehefa misaintsaina ny amin’izay nitranga izahay, dia hitanay fa na tsy mora taminay aza ny niaritra, dia nanatanjaka anay i Jehovah.”

Vokatry ny asa fitoriana

Ny zava-tsarotra sy ny loza dia tsy navelan’ireo Vavolombelona any amin’ny Fanjakan’i Chiapas hanakana azy ireo tsy handray anjara amin’ny ezaka manokana amin’ny fitondrana ny vaovao tsara any amin’ny olona ao amin’ilay faritra. Tany amin’ny Aprily sy May 1995, ohatra, dia nifarimbona tamin’ireo namany kristianina maneran-tany izy ireo, tamin’ny fanaovana ezaka manokana hizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34, mitondra ilay lohateny hoe Nahoana ny Fiainana no Feno Zava-manahirana Toy Izao?, izay mifanentana indrindra amin’ny toe-draharaha eo an-toerana.

Nandritra ilay ezaka manokana, tany amin’ny toerana antsoina hoe Pueblo Nuevo, dia nahita fianakaviana iray nampiseho fahalianana i Ciro, mpisava lalana maharitra iray. Afaka nanomboka fampianarana Baiboly tamin’izy ireo izy rehefa niverina, telo andro tatỳ aoriana. Rehefa niverina mba hanohy ilay fianarana tamin’ilay fianakaviana anefa i Ciro sy ny namany iray, dia tsy tao an-trano ilay raim-pianakaviana. Andian-dehilahy nisaron-tava kosa no niandry azy tao, mba hamono azy. Nanontanian’izy ireo i Ciro sy ilay namany hoe inona no notadiaviny, ary nandrahona ny hamono azy mirahalahy izy ireo. Rehefa avy nanao vavaka mangina tamin’i Jehovah ireo Kristianina mirahalahy ireo, dia nanazava tamin-kerim-po fa tonga mba hampianatra ny Baiboly an’ilay fianakaviana izy ireo. Tamin’izay, dia navelan’ireo lehilahy nisaron-tava handeha izy roa lahy. Noho ny antony tsy fantatra, dia tsy nody tao an-trano mihitsy ilay raim-pianakaviana tamin’io andro io.

Indray andro, efa ho telo taona tatỳ aoriana, dia gaga i Ciro nahita ilay lehilahy tonga tao an-tranony. Finaritra erỳ i Ciro nandre fa efa vita batisa ilay fianakaviana manontolo ary anisan’ny kongregasiona iray any Goatemalà ankehitriny! Mpisava lalana maharitra mihitsy aza ny iray amin’ireo zanany vavy.

Fankasitrahana ny sakafo ara-panahy

Na dia mitohy aza ny zava-tsarotra any Chiapas, dia manao tatitra ny mpiandraikitra ny distrika iray fa tena mahatsapa ny maha zava-dehibe ny fiaraha-mivory, ireo Vavolombelona ao amin’ilay toerana. (Hebreo 10:24, 25). Mitantara izay nitranga nandritra ny fivoriambe manokana iray andro natao vao haingana izy. Nalamina mba hanomboka vao maraina ilay fivoriambe, mba ho afaka hody ny mpanatrika raha mbola mazava ny andro, ka tsy dia misy atahorana loatra. Na dia voatery nandeha an-tongotra mihoatra ny adiny telo namakivaky ala mikitroka aza ny ankamaroany mba hahatongavana tany amin’ilay toerana nanaovana fivoriambe, dia efa teo amin’ny toerany ny rehetra tamin’ny fito ora maraina. Nisy mpikambana enina tamin’ilay antoko EZLN nanatrika tao, nihaino sy nitehaka, toa nankafy ilay fandaharana. Nandeha an-tongotra adiny telo koa izy ireo mba hanatrehana ilay fivoriambe. Nisy 20 tamin’ilay antoko koa tonga tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, natao tao amin’ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana.

Notendren’ny lehibeny mba hisafo faritra sasany tao amin’ny ala mikitroka ny tovolahy hafa iray, anisan’ireo mpiady anaty akata. Rehefa tonga tao amin’ilay faritra izy, dia nahita fa lasa nandositra ny mponina rehetra, izay Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroany. Koa nanorim-ponenana tao amin’ny iray tamin’ireo trano nilaozan’ny tompony àry izy. Noho izy tsy nanan-katao firy, dia noraisiny ny boky sasany izay hitany tao amin’ilay trano ary nanomboka novakiny. Hay, zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower navelan’ireo Vavolombelona izy ireo. Noho izy nitoetra irery, dia nanam-potoana hisaintsainana izay novakiny ilay tovolahy. Nanapa-kevitra izy fa tsy maintsy manova ny fiainany sy mametra-piadiana. Raha vao nanana fahafahana izy, dia nitady ny Vavolombelona ary nanomboka nianatra ny Baiboly. Tao anatin’ny enim-bolana, dia nitory ny vaovao tsara tamin’ny hafa izy. Kristianina vita batisa ankehitriny izy sy ny mpiray tam-po aminy telo hafa, izay mpomba an’ilay fihetsiketsehan’ny mpiady anaty akata, teo aloha.

Fijerena lafy tsaran-javatra

Na dia nidika ho zava-tsarotra betsaka aza ilay fifandonana, dia tena nisy heriny tsara teo amin’ny fihetsiky ny olona nanoloana ny asa fitoriana, izy io. Mitantara toy izao ny loholona iray ao amin’ilay tanàna niantombohan’ilay ady mihitsy: “Dimy andro teo ho eo taorian’ny nipoahan’ilay ady, dia voalaminay ny asa fitoriana teto an-tanàna sy tany ivelany. May ny hihaino anay ny olona. Nahapetraka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly maro sy nanomboka fampianarana Baiboly vitsivitsy izahay. Maro no nanohitra ny fahamarinana teo aloha tao amin’ny faritra iray, nefa noho ilay ady, dia mihaino izy ireo ankehitriny, mianatra ny Baiboly, ary manatrika fivoriana sy fivoriambe.”

Faly ireo rahalahy fa afaka manohy ireo asany teokratika na dia tena tsy milamina mihitsy aza ny toe-draharaha. Manohy manao ireo fivoriambeny, izay manatanjaka azy ara-panahy, izy ireo, ary samy mahafantatra izany na ny tafi-panjakana na ny EZLN. Mandrisika mafy hanohy ny asa fitoriana koa ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany. Mahaliana fa mitondra fampaherezana na dia ireo mandray anjara amin’ilay fifandonana aza; matetika izy ireo no mampirisika ireo Vavolombelona mba hanohy ny asa fitorian’izy ireo.

Na dia somary nihena ihany aza ireo fisedrana sy zava-tsarotra tsy maintsy niaretan’ny olona any Chiapas rehefa nandeha ny fotoana, dia tsy nifarana akory izany. Na dia izany aza, dia zavatra iray no azo antoka: Tapa-kevitra ny Vavolombelon’i Jehovah ny tsy hitsahatra hanohy ireo ezaka ataony amin’ny fitondrana any amin’ny olona ny vaovao tsara momba ny fiadanana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 10:34-36; Efesiana 6:15). Manaiky izy ireo, araka ny voalazan’i Jeremia mpaminany, fa “tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany”. (Jeremia 10:23). Ny Fanjakan’Andriamanitra irery ihany, izay tarihin’i Jesosy Kristy Zanany, no afaka mitondra vahaolana amin’ny tsy rariny sy ny fahantrana eo amin’izao tontolo izao.​—Matio 6:10.

[Sarintany, pejy 9]

(Jereo ny gazety)

Hoalan’i Meksika

CHIAPAS

GOATEMALÀ

Oseana Pasifika

[Sary nahazoan-dalana]

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 9]

Vavolombelona mandeha manompo any amin’ireo faritra avon’i Chiapas