Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voatosika mba Hanompo

Voatosika mba Hanompo

Voatosika mba Hanompo

INONA no nanosika mpivady 24 ao anatin’ny fahatanorany handao ny havana aman-tsakaizany sy ny toerana nahazatra azy mba hanomboka asa misionera any an-tany hafa? Nahoana izy ireo no finaritra handeha any amin’ny toerana toa an’i Papouasie-Nouvelle-Guinée sy i Taïwan, ary any amin’ireo tany afrikanina sy any Amerika-Latinina? Mety ho noho ny fitiavana hisetra zavatra manaitaitra ve? Tsia. Natosiky ny fitiavana marina an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona kosa izy ireo.​—Matio 22:37-39.

Iza moa ireo olona ireo? Ireo nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-109 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Ny asabotsy 9 Septambra 2000, dia nisy 5 198 ny tontalin’ny isan’ireo tafavory tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower ao Patterson any New York, sy tany amin’ireo toerana hafa nampifandraisina taminy, mba hihaino torohevitra feno fitiavana izay afaka hanampy ireo nahazo diplaoma mba ho tonga misionera mahomby.

I Stephen Lett, mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Fampianarana ao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no mpitari-draharaha tamin’ilay fandaharana. Ny teny fanokafana nataony dia naoriny tamin’ny Matio 5:13, manao hoe: “Hianareo no fanasin’ny tany”. Nohazavain’ny rahalahy Lett fa tena mihatra tokoa amin’ireo mpianatra nahazo diplaoma ny tenin’i Jesosy. Mampahatsiro zavatra, ohatra, ny sira. Toy izany koa fa, noho ny asa fitoriana ahitam-bokatra ataon’ireo misionera, dia toy ny fanasina na sira ara-panoharana izy ireo.

Fampaherezana fanaovam-beloma

Avy eo ny rahalahy Lett dia nampiditra mpanompon’i Jehovah efa hatramin’ny ela, izay nanao lahateny ara-baiboly fohy nefa nafonja. Ny voalohany dia i John Wischuk, izay manompo ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana. Niorina tamin’ny Salamo faha-117 ilay foto-kevitra novelabelariny hoe “Mampandroso ny Toe-tsain’ny Misionera Ilay Salamo Fohy Indrindra”. Ilaina maneran-tany ankehitriny ny hanaovana fanambarana amin’ny “firenena” sy ny “olona”, dia fanambarana momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany. Nampirisihina ireo mpianatra mba hanatanteraka ny voalazan’ny Salamo faha-117, amin’ny fampirisihana mafy ny hafa mba ‘hidera an’i Jah’ (NW ).

Avy eo ny mpitari-draharaha dia nampiditra an’i Guy Pierce, anisan’ny Fitambara-mpitantana, izay namelabelatra ilay foto-kevitra hoe: “Aoka Ianareo Hahay Hifanaraka Amin’ny Toe-javatra Nefa ho Hentitra”. Mafy orina ny Tenin’Andriamanitra. Antsoina hoe Vatolampy i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 32:4, nefa mamela ny hahaiza-mampifanara-javatra koa ny Teniny, noho izy io nosoratana ho an’ny antokom-pitenenana sy ny kolontsaina rehetra​—eny, ho an’ny olombelona rehetra. Notoroana hevitra ireo mpianatra mba hitory ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny famelana ny hafatra raketin’izy io hanohina ny fo sy ny feon’ny fieritreretan’ny olona. (2 Korintiana 4:2). “Aoka ianareo ho hentitra raha ny amin’ny foto-pitsipika marina, nefa koa aoka hahay hifanaraka amin’ny toe-javatra. Aza manamavo an’ireo olona any amin’ny toerana anendrena anareo satria hoe hafa ny kolontsainy”, hoy ny nampirisihan’ny rahalahy Pierce.

Namelabelatra ilay foto-kevitra mampisaintsaina hoe: “Ho Aiza Ianareo Rehefa avy Eto?” i Karl Adams, iray amin’ireo mpampianatra ao Gileada, izay manompo ao amin’ny Foibe Maneran-tany efa hatramin’ny 53 taona izao. Marina fa voatendry ho misionera any amin’ny tany 20 samy hafa maneran-tany ireo mpivady 24 ireo, nefa napoitra ilay fanontaniana hoe: Rehefa tonga any ianareo ka mahita ilay tany, dia ahoana? Miaina eo amin’ny tontolo iray manana toe-tsaina tia fiovaovana isika. Ta handeha any amin’ny toerana vaovao sy hanao zava-baovao ny olona mba hampifalifaliana ny tenany. Nahazo fanendrena avy tamin’i Jehovah ho any amin’izay toerana irin’i Jehovah handehanan’izy ireo anefa ireo mpianatra, mba hikarakara tsy amim-pitiavan-tena ny ‘ondriny’. Izy ireo dia tsy tokony ho sahala amin’ireo olona teo amin’ny Isiraely fahiny izay tsy nahay nanararaotra ny fahafahana hampiasan’i Jehovah azy hitahiana ny olombelona rehetra, noho ny fitiavan-tena. Tokony hanahaka an’i Jesosy Kristy kosa izy ireo, dia i Jesosy izay nanao mandrakariva tsy tamim-pitiavan-tena ny sitrapon’ny Rainy ary nankatò tamin’ny toe-javatra rehetra natrehiny.​—Jaona 8:29; 10:16.

“Ankafizo Ireo Zava-dalin’Andriamanitra” no foto-kevitra novelabelarin’i Wallace Liverance, mpitan-tsoratry ny Sekolin’i Gileada. Imbetsaka ny Soratra Masina no miresaka ny Tenin’Andriamanitra ho harena, vatosoa, metaly sarobidy, ary zavatra sarobidy be sy katsahina fatratra. Asehon’ny Ohabolana 2:1-5 fa mba hahitana “ny fahalalana an’Andriamanitra”, dia tsy maintsy mitady azy io toy ny fitady “harena afenina” isika. Nampirisihin’ny mpandahateny ireo mpianatra mba hanohy hangady ao amin’ireo zava-dalin’Andriamanitra, eo am-panompoan’izy ireo any amin’ny toerana vaovao anendrena azy ireo. Nanjohy hevitra toy izao ny rahalahy Liverance: “Mahasoa izany satria mampiorina ny finoana sy ny fatokisana an’i Jehovah ary hanatanjaka ny fahatapahan-kevitrareo hifikitra amin’ny asa anendrena anareo. Hanampy anareo hiteny amim-piekena mafy sy ho mpampianatra mahita vokatra kokoa izany, rehefa manazava ny fikasan’Andriamanitra amin’ny hafa ianareo.”

Toy ny any an-dakilasy ny sehatra nampiasain’ny mpampianatra hafa iray ao amin’ny Sekolin’i Gileada rehefa nandinika ny fomba nitahian’i Jehovah ny asa vitan’ireo mpianatra izy, dia ny asan’izy ireo teny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha nandritra ireo dimy volana lasa. Nisarika ny saina ho amin’ireo tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:20, mahakasika ny fanompoana nataon’i Paoly ho an’ny besinimaro tany Efesosy, i Lawrence Bowen, tamin’ny fanasongadinana fa nanararaotra ny fahafahana rehetra nisy i Paoly mba hitoriana. Nasehon’ireo zavatra hitan’ireo mpianatra fa, tahaka ny apostoly Paoly, dia tsy miahotra na oviana na oviana ny hilaza ny fahamarinana sy hamela ny Tenin’Andriamanitra hanan-kery eo amin’ny hafa, ireo atosiky ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona, amin’izao androntsika izao. Mitondra fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah izany.

Mandray fitenenana ireo efa za-draharaha

Nandritra ny fotoam-pianarana, dia tena nandray soa manokana ireo mpianatra tamin’ity kilasin’ny Gileada ity satria afaka nifanerasera tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampana avy amin’ny tany 23, izay tao amin’ny Foibem-pampianarana any Patterson koa, mba hanaraka fampiofanana manokana. I Leon Weaver sy i Merton Campbell avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana dia nanadinadina mpikambana samihafa ao amin’ny Komitin’ny Sampana, izay efa nahazo diplaoman’i Gileada ny sasany taminy. Nanome toky an’ireo mpianatra sy ny havana aman-tsakaizany, ny nandre ireo misionera za-draharaha ireo.

Izao fanamarihana izao dia anisan’ny torohevitra nomena an’ilay kilasy nahazo diplaoma mba hanampiana azy ireo hizatra amin’ny tany hafa anendrena azy: “Mijere lafy tsaran-javatra. Raha tojo zavatra tena hafahafa ianareo na zavatra tsy azonareo, dia aza manary toky, fa miantehera amin’i Jehovah”; “mianara mifaly amin’izay misy, ary matokia fa hanome anareo izay tena ilainareo eo amin’ny fiainana i Jehovah.” Nifantoka tamin’ny fanampiana ireo mpianatra hihazona fifaliana any amin’ny toerana anendrena azy, ny teny nataon’ny hafa. Izao ny sasantsasany tamin’izany: “Aza ampitahaina amin’ny toerana niavianareo ny toerana anendrena anareo”; “ianaro ilay fiteny eo an-toerana ary mahaiza miteny tsara azy io mba hahafahanareo hifampiresaka amin’ny olona”; “ianaro ny fomba sy ny kolontsain’ny olona, fa hanampy anareo hifikitra amin’ny asa anendrena anareo izany.” Fampaherezana lehibe ho an’ireo misionera vaovao, ireo teny ireo.

Taorian’ireo fanadinadinana ireo, i David Splane, misionera taloha nahazo diplaoma tamin’ny kilasin’i Gileada faha-42, no sady anisan’ny Fitambara-mpitantana ankehitriny, dia namelabelatra ilay lahateny fototra niompana tamin’ilay foto-kevitra mahaliana hoe “Mpianatra sa Nahazo Diplaoma​—Iza Amin’ireo?” Nanontany an’ilay kilasy nahazo diplaoma izy hoe: “Ahoana no hiheveranareo ny tenanareo rehefa ho any amin’ny toerana anendrena anareo ianareo? Olona nahazo diplaoma izay mahalala ny zava-drehetra momba ny asa misionera ve, sa mpianatra mbola manan-javatra betsaka hianarana?” Nohazavain’ny rahalahy Splane fa mihevi-tena ho mpianatra ny olon-kendry nahazo diplaoma. Tokony hihevitra ireo misionera hoe afaka ny hampiana-javatra azy ireo ny olona rehetra mihaona aminy any amin’ny toerana anendrena azy ho misionera. (Filipiana 2:3). Nampirisihina ireo mpianatra mba hiara-miasa akaiky amin’ireo misionera namany sy ny biraon’ny sampana ary ny kongregasiona eo an-toerana. “Afaka tamin’ny fanadinana famaranana ianareo kanefa mbola mpianatra ihany. Ataovy mazava amin’ny rehetra fa tonga mba hianatra ianareo”, hoy ny nampirisihan’ny rahalahy Splane.

Taorian’io lahateny io, dia nahazo ny diplaomany ireo mpianatra ary nambara tamin’ny mpanatrika ny toerana anendrena azy ireo. Fotoana nampihetsi-po an’ireo mpianatra nahazo diplaoma ny namakian’ny solontenan’ny kilasy ny fanapahan-kevitra iray nolanin’izy ireo, izay nilaza fa tapa-kevitra ireo nahazo diplaoma fa havelany hanosika azy hanao asa lehibe kokoa eo amin’ny fanompoana masina ny zavatra nianaran’izy ireo avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Nanaiky ny mpanatrika rehetra fa nanatanjaka ny fahatapahan-kevitr’ireo nahazo diplaoma hampiseho fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona, ny torohevitra noraisiny. Izy io koa dia nahatonga azy ireo ho tapa-kevitra tsy misy toy izany ny hanampy ny olona eo amin’ny lafiny ara-panahy, any amin’ny toerana anendrena azy ho misionera.

[Efajoro, pejy 25]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Isan’ny tany nanana solontena: 10

Isan’ny tany nanendrena: 20

Isan’ny mpianatra: 48

Salanisan’ny taona: 33,7

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 16,2

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 12,5

[Sary, pejy 26]

Ny Kilasy Faha-109 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada Anny Watchtower

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Collins, E.; Miles, L.; Alvarado, A.; Lake, J. 2) Van Dusen, L.; Biharie, A.; Heikkinen, H.; Koós, S.; Smith, H. 3) Ashford, J.; Ashford, C.; Boor, C.; Richard, L.; Wilburn, D.; Lake, J. 4) Chichii, K.; Chichii, H.; Ramirez, M.; Baumann, D.; Becker, G.; Biharie, S.; Ramirez, A. 5) Van Dusen, W.; Lemâtre, H.; Pisko, J.; Cutts, L.; Russell, H.; Johnson, R. 6) Becker, F.; Baumann, D.; Johnson, K.; Pifer, A.; Madsen, C.; Lemâtre, J.; Heikkinen, P. 7) Smith, R.; Russell, J.; Collins, A.; Pisko, D.; Wilburn, R.; Koós, G. 8) Cutts, B.; Boor, J.; Madsen, N.; Pifer, S.; Richard, E.; Miles, B.; Alvarado, R.