“Efa Nitsangana Marina Tokoa ny Tompo”!
“Efa Nitsangana Marina Tokoa ny Tompo”!
Alao sary an-tsaina ny fahorian-tsain’ireo mpianatr’i Jesosy rehefa novonoina ny Tompon’izy ireo. Toa maty toy ilay vatana nalevin’i Josefa avy any Arimatia, ny fanantenan’izy ireo. Maty teo koa ilay fanantenan’ny Jiosy fa hanafaka azy ireo amin’ny zioga romanina i Jesosy.
RAHA izany no niafaran’ilay raharaha, dia azo inoana fa ho nanjavona toy ireo mpanara-dia an’ireo olona maro nihambo ho Mesia, ny mpianatr’i Jesosy. Velona anefa i Jesosy! Araka ny Soratra Masina, dia imbetsaka izy no niseho tamin’ireo mpanara-dia azy, taoriana kelin’ny nahafatesany. Noho izany, dia voatosika hihiaka toy izao ny sasany tamin’izy ireo: “Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo”!—Lioka 24:34.
Tsy maintsy niaro ny finoany an’i Jesosy ho Mesia, ireo mpianatra. Ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty indrindra indrindra no nampiasain’izy ireo ho porofo mafy orina nenti-nanamarina fa i Jesosy no Mesia. “Tamin’ny hery be [tokoa] no nanambaran’ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo”.—Asan’ny Apostoly 4:33.
Tsy nahomby hatrany am-piandohana ny Kristianisma raha nisy afaka nanaporofo fa hosoka ilay fitsanganana tamin’ny maty, angamba tamin’ny fanaovana izay haneken’ny mpianatra iray fa hosoka ilay izy, na angamba tamin’ny fampisehoana fa tavela tao am-pasana ny fatin’i Jesosy. Tsy izany anefa no izy. Noho ny fahafantaran’ireo mpanara-dia an’i Jesosy fa velona i Kristy, dia nandeha nanambara hatraiza hatraiza ny nitsanganany tamin’ny maty, izy ireo, ka vahoaka sesehena no nanjary nino an’i Kristy tafatsangana tamin’ny maty.
Nahoana ianao no afaka mino koa ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty? Inona no porofo fa tena nisy izy io?
Nahoana moa raha dinihina ny porofo?
Mitantara ny amin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty avokoa, ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara efatra. (Matio 28:1-10; Marka 16:1-8; Lioka 24:1-12; Jaona 20:1-29). * Misy tapany hafa amin’ny Soratra Grika Kristianina koa milaza marina fa natsangana tamin’ny maty i Kristy.
Tsy mahagaga raha nitory ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ireo mpanara-dia azy! Raha tena natsangan’Andriamanitra ho velona tokoa izy, dia izany no vaovao nahagaga indrindra ren’izao tontolo izao hatramin’izay. Midika izany fa misy Andriamanitra. Midika koa izany fa velona i Jesosy amin’izao isika miteny izao.
Inona no vokatr’izany eo amintsika? Nivavaka toy izao i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Eny, afaka mahazo fahalalana momba an’i Jesosy sy ny Rainy isika, ary fahalalana manome fiainana izy io. Raha mampihatra izany fahalalana izany isika, dia mety hatsangana amin’ny maty na dia ho faty aza, satria natsangana tamin’ny maty i Jesosy. (Jaona 5:28, 29). Afaka manantena ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa isika, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, tantanan’i Jesosy Kristy Zanany nomem-boninahitra, dia ilay Mpanjakan’ny mpanjaka.—Isaia 9:5, 6; Lioka 23:43; Apokalypsy 17:14.
Koa zava-dehibe àry ny hoe tena natsangana tamin’ny maty tokoa ve i Jesosy sa tsia. Misy vokany eo amin’ny fiainantsika ankehitriny sy ny zavatra antenaintsika amin’ny hoavy izany. Izany no antony anasanay anao handinika porofo efatra manamarina fa maty i Jesosy ary natsangana tamin’ny maty.
Tena maty i Jesosy teo amin’ilay tsato-kazo
Misy olona be fisalasalana milaza fa na dia nohomboana aza i Jesosy, dia tsy tena maty akory izy, teo amin’ilay tsato-kazo. Milaza izy ireo fa teo ambavahoanan’ny fahafatesana fotsiny izy, ka rehefa nangatsiatsiaka tao am-pasana, dia velona indray. Manaporofo avokoa anefa ny loharanon-kevitra rehetra misy fa ny vatan’i Jesosy efa tsy nisy aina intsony no napetraka tao am-pasana.
Koa satria novonoina ampahibemaso i Jesosy, dia nisy vavolombelona nahita fa tena maty izy, teo amin’ilay tsato-kazo. Nohamarinin’ilay mpitari-tafika niandraikitra ny famonoana an’i Jesosy fa maty izy. Olona efa za-draharaha tamin’ny asany io kapiteny io, ary anisan’ny asany ny nijery raha tena maty i Jesosy. Ankoatra izany, dia efa nohamarinin’i Pontio Pilato, governora romanina, fa maty i Jesosy vao nomeny an’i Josefa avy any Arimatia, ny fatiny mba halevina.—Marka 15:39-46.
Foana ilay fasana
Ilay fasana foana no porofo voalohany nanamarinan’ireo mpianatra fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ary tsy misy iadian-kevitra io porofo io. Nalevina tao amin’ny fasana vaovao iray mbola tsy nandevenana mihitsy, i Jesosy. Teo akaikin’ilay toerana nanomboana azy izy io, ary tena mora hita izy io tamin’izany. (Jaona 19:41, 42). Milaza avokoa ny fitantarana rehetra ao amin’ny Filazantsara fa rehefa tonga teo amin’ilay fasana ny naman’i Jesosy ny marainan’ny andro faharoa taorian’ny nahafatesany, dia tsy tao intsony ilay faty.—Matio 28:1-7; Marka 16:1-7; Lioka 24:1-3; Jaona 20:1-10.
Toa an’ireo naman’i Jesosy, dia gaga koa tamin’ilay fasana foana ireo fahavalony. Efa hatramin’ny ela ireo fahavalony no nanao izay hahafaty azy sy handevenana azy. Rehefa tratra ilay tanjony, dia nisahirana nametraka mpiambina izy ireo mba tsy hisy ho afaka hiditra ao amin’ilay fasana. Foana anefa ilay fasana ny marainan’ny andro voalohany tamin’ny herinandro.
Nesorin’ireo naman’i Jesosy avy tao am-pasana ve ny fatiny? Tsy azo inoana loatra izany, satria milaza ny Filazantsara fa ory dia ory izy ireo taorian’ny namonoana an’i Jesosy. Azo antoka koa fa tsy
hanaiky ho mbola hiharan’ny fanenjehana sy ny fahafatesana amin-javatra fantatr’izy ireo ho fitaka, ireo mpianatra.Iza àry no nanafoana ilay fasana? Ny fahavalon’i Jesosy no tsy azo inoana indrindra ho naka ilay faty. Ary na dia atao aza hoe izy ireo no naka azy io, dia azo antoka fa ho navoakany izy io tatỳ aoriana mba hanoherana ny mpianatra izay nilaza fa natsangana tamin’ny maty sy velona i Jesosy. Tsy nitranga anefa ny toy izany, satria Andriamanitra no nanao zavatra.
Herinandro maromaro tatỳ aoriana, dia tsy nanda fatratra ireo fahavalon’i Jesosy rehefa nanambara i Petera hoe: “Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany, Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ny tànan’ny olona tsy tan-dalàna; fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana, satria tsy laitr’izany hohazonina Izy. Fa Davida milaza Azy hoe: ‘Nijery an’i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; (...) ny nofoko koa hitoetra amin’ny fanantenana; fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko; ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lo Hianao.’ ”—Asan’ny Apostoly 2:22-27.
Maro no nahita an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty
Hoy i Lioka, mpanoratra Filazantsara, ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly: “Sady niseho koa [tamin’ny apostoly] tamin’ny famantarana maro [i Jesosy] taorian’ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 1:2, 3). Mpianatra maro no nahita an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty, tamin’ny toerana maro samihafa: tany amin’ny zaridaina iray, teny an-dalana, nandritra ny fisakafoana iray, teny amoron’ny Ranomasin’i Tiberiasy.—Matio 28:8-10; Lioka 24:13-43; Jaona 21:1-23.
Misalasala ny amin’ny fahamarinan’ireo fisehoan’i Jesosy ireo ny mpanakiana sasany. Milaza izy ireo fa noforomporonin’ireo nanoratra azy, hono, ireny fitantarana ireny. Miresaka ny amin’ireo toa fahasamihafan’ireny fitantarana ireny koa izy ireo. Matoa anefa misy izany fahasamihafana madinika ao amin’ny fitantaran’ny Filazantsara izany, dia satria tsy nisy firaisana tsikombakomba tao, raha ny marina. Mitombo ny fahalalantsika an’i Jesosy rehefa manome tsipiriany, izay mameno ireo fitantarana hafa momba ny zava-nitranga sasany tamin’ny fiainan’i Kristy teto an-tany, ny mpanoratra iray.
Moa ve fahitana an’eritreritra fotsiny ireo fisehoan’i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty? Tsy azo inoana izay mety ho porofo omena hanohanana izany, satria olona maro dia maro no nahita azy. Nisy mpanjono tamin’ireo olona nahita azy; nisy vehivavy ihany koa; tao koa ny mpiasam-panjakana iray, ary eny fa na dia i Tomasy apostoly be fisalasalana aza, izay tsy resy lahatra raha tsy nahita ny porofo tsy azo lavina fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy. (Jaona 20:24-29). Imbetsaka ireo mpianatr’i Jesosy no tsy tonga dia nahafantatra ilay Tompon’izy ireo natsangana tamin’ny maty. Indray mandeha, dia nisy olona maherin’ny 500 nahita azy, ary mbola velona ny ankamaroan’izy ireo rehefa nampiasa io fitrangan-javatra io ho porofon’ny fitsanganana amin’ny maty, i Paoly.—1 Korintiana 15:6.
Manan-kery eo amin’ny olona i Jesosy velona
Tsy zavatra manitikitika ny saina fotsiny na natao iadian-kevitra fotsiny, ny fitsanganan’i Jesosy Filipiana 2:8-11). Naneho finoana an’i Jesosy sy ny fandaharam-pamonjena nataon’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Kristy, izy ireo. (Romana 5:8). Nahita fahasambarana marina ny olona toy izany, tamin’ny nanaovany ny sitrapon’Andriamanitra sy tamin’ny nananany fiainana nifanaraka tamin’ny fampianaran’i Jesosy.
tamin’ny maty. Hatraiza hatraiza, dia nisy heriny tsara teo amin’ny olona ny hoe velona i Jesosy. Hatramin’ny taonjato voalohany, dia olona tsy hita isa izay tsy niraika na nanohitra tanteraka ny Kristianisma no nanjary nino tanteraka fa io no fivavahana marina. Inona no nampiova azy ireny? Hitan’izy ireo porofo avy tamin’ny fianarany ny Soratra Masina fa natsangan’Andriamanitra ho zavaboary ara-panahy be voninahitra any an-danitra i Jesosy. (Diniho ange hoe nanao ahoana moa izany Kristianina tamin’ny taonjato voalohany izany. Tsy nahazoana laza na fahefana na harena izany. Nifanohitra tanteraka tamin’izany aza fa maro tamin’ireo Kristianina tany am-boalohany no ‘nifaly raha norobaina ny fananany’, noho ny finoany. (Hebreo 10:34). Ny Kristianisma dia nitaky fiainana feno fahafoizan-tena sy fanenjehana, izay matetika no niafara tamin’ny fahafatesana ho martiora.
Nisokatra teo anoloan’ny sasany ny fahafahana hanan-daza sy hanan-karena, talohan’ny nahatongavany ho mpanara-dia an’i Kristy. Nianatra tamin’i Gamaliela, mpampianatra lalàna nalaza, i Saoly avy any Tarsosy, ary nanomboka nisongandina teo amin’ireo Jiosy izy. (Asan’ny Apostoly 9:1, 2; 22:3; Galatiana 1:14). Tonga Paoly apostoly anefa i Saoly. Nanda ny laza sy ny fahefana natolotr’ity tontolo ity izy, sy ny maro hafa. Nahoana? Mba hampielezana hafatra manome fanantenana marina, niorina tamin’ny fampanantenan’Andriamanitra sy ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. (Kolosiana 1:28). Vonona izy ireo ny hijaly noho ny hevitra nijoroany, izay fantany fa niorina tamin’ny fahamarinana.
Toy izany koa no izy amin’ny olona an-tapitrisany maro ankehitriny. Afaka mahita azy ireny any amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ianao. Manasa anao amim-pitiavana ny Vavolombelona mba hanatrehanao ilay fankalazana isan-taona ny nahafatesan’i Kristy, izay hatao amin’ny alahady 8 Aprily 2001, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Hahafaly azy ireo ny fahatongavanao amin’io fankalazana io sy amin’ireo fivoriany rehetra natao hianarana ny Baiboly. Atao any amin’ireo Efitrano Fanjakanan’izy ireo izany fivoriana izany.
Nahoana raha mianatra bebe kokoa, tsy momba ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty ihany, fa momba ny fiainany sy ny fampianarany koa? Manasa antsika hanatona azy izy. (Matio 11:28-30). Manaova zavatra dieny izao mba hahazoana fahalalana marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Mety hidika ho fiainana mandrakizay eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra tantanan’ny Zanany malalany, ny fanaovana izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 8 Mba hahitana porofo fa marina ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara, dia jereo ny hoe “Ireo Filazantsara—Tantara sa Angano?”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 May 2000.
[Sary, pejy 7]
Mpanara-dia an’i Jesosy Kristy an-tapitrisany maro no mahita fahasambarana marina
[Sary nahazoan-dalana, pejy 6]
Avy amin’ny Self-Pronouncing Edition of the Holy Bible, misy ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques sy ny Dikan-teny Nohavaozina