Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hitondra Fiadanana Maneran-tany ve ny Fivavahana?

Hitondra Fiadanana Maneran-tany ve ny Fivavahana?

Hitondra Fiadanana Maneran-tany ve ny Fivavahana?

SOLONTENA maherin’ny 500, avy amin’ny tany 73, no nivory tany New York, tamin’ny 28 ka hatramin’ny 31 Aogositra 2000. Natao tao amin’ny Firenena Mikambana io fivoriana io, izay tsy inona fa fihaonana an-tampony momba fandriampahalemana maneran-tany ho an’izao taonarivo diavintsika izao. Fihaonana an-tampony nataon’ireo mpitarika ara-pivavahana sy ara-panahy izy io. Solontena avy amin’ny finoana maro dia maro ireo mpitarika ireo, ary tsy vitsy tamin’izy ireo no nanao saron-doha, niakanjo mavo manopy mena, nanao satroka volom-borona, na nanao akanjo mainty lava. Anisan’ireo finoana nanana solontena tao ny Bahaisma, Bodisma, Hindoisma, Silamo, Jainisma, Jodaisma, Shintoisma, Sikhisma, Taoisma, Zoroastrisma, ary ireo fivavahana anisan’ny Kristianisma Anarana.

Nivory tao amin’ny Firenena Mikambana ireo solontena ireo, nandritra ireo andro roa voalohan’ilay konferansa efatra andro. Tsy ny Firenena Mikambana anefa no nikarakara sy namatsy vola ilay konferansa, fa fikambanana maro samihafa kosa. Na ny ONU anefa, na ireo mpitarika ara-pivavahana ireo, dia samy niresaka ny maha zava-dehibe ny hiaraha-miasa mba hanafoanana ny fahantrana, ny fanavakavaham-bolon-koditra, ny olana momba ny tontolo iainana, ny ady, ary ireo fitaovam-piadiana fandripahana olona.

Nanao sonia antontan-taratasy mitondra ny lohateny hoe “Fifanekena ho Amin’ny Fandriampahalemana Maneran-tany”, ireo solontena. Ekena ao anatin’io antontan-taratasy io fa nisy herisetra sy ady “natao tamin’ny anaran’ny fivavahana tamin’ny fotoana sasany”. Voalaza ao koa fa “hiara-miasa amin’ny Firenena Mikambana (...) eo amin’ny fikatsahana fandriampahalemana” ireo mpanao sonia. Tsy nisy zavatra hentitra tapaka anefa ny amin’ny fomba hanatontosana izany.

Tamin’ny andro faharoa, dia namarana ny teny fanokafana nataony i Bawa Jain, sekretera jeneralin’ilay fihaonana an-tampony, ka nanazava fa nisy sary hoso-doko hitany tao amin’ny Firenena Mikambana, taona maromaro talohan’io. Lehilahy iray lava noho ilay trano misy ny Sekretariàn’ny Firenena Mikambana no asehon’ilay hoso-doko. Mandondòna ilay trano, toy ny hoe mandom-baravarana, ilay lehilahy. Nisy soratra hoe “Andrian’ny Fiadanana” teo ambanin’ilay hoso-doko. Hoy Atoa Jain: “Tena nisy heriny lehibe teo amiko [io hoso-doko io] tamin’ilay fotoana nahitako azy. Nanontany olona maro aho hoe inona no hevitra fonosin[’izy io]. Hitako ankehitriny ny valiny, araka ny fiheverako. Ianareo rehetra tafavory eto, eny, ianareo mpitarika ara-pivavahana sy ara-panahy eto amin’izao tontolo izao, dia mampiseho amiko fa [izao] ilay andrian’ny fiadanana mandondòna ny varavaran’ny Firenena Mikambana.”

Hafa noho izany kosa anefa ny fomba fijerin’ny Baiboly. Asehony fa i Jesosy Kristy no Andrian’ny Fiadanana. Hitondra fiadanana maneran-tany izy, tsy amin’ny alalan’ny ezak’ireo mpitarika ara-politika sy ara-pivavahana akory, fa amin’ny alalan’ny fanjakan’Andriamanitra kosa. Io Fanjakana io, izany hoe ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra, no hahavita hampiray ny olombelona mankatò, ary hanao izay hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany.​—Isaia 9:5; Matio 6:9, 10.