Mety ho io ve no Asa Tsara Indrindra ho Anao?
Mety ho io ve no Asa Tsara Indrindra ho Anao?
RAHA Kristianina vita batisa ianao, dia tsy isalasalana fa manosika anao hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny fitiavanao azy. Azo antoka koa fa tena manao ezaka manokana eo amin’ny fanompoana ianao. Naniraka ny mpianany rehetra mba hanao mpianatra mantsy i Jesosy Kristy. (Matio 28:19, 20). Efa miasa mihitsy angamba ianao izao mba hameloman-tena. Amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesosy sady Vavolombelon’i Jehovah anao anefa, dia mpitory kristianina ianao voalohany indrindra, izany hoe olona mihevitra ny asa fitoriana momba ilay Fanjakana ho tapany tena lehibe amin’ny fiainany.—Matio 24:14.
Angamba eo anelanelan’ny 17 ka hatramin’ny 20 taona mahery kely ianao. Mety ho efa nodinihinao tsara izay tianao hatao eo amin’ny fiainana. Rehefa mandinika tsara ireo safidy anananao ianao, dia azo inoana fa zava-dehibe aminao tokoa ny fahafaham-pon’ny tenanao manokana.
Diniho àry izay nolazain’i Jørgen, any Danemark, momba ny safidy nataony. Aminy, dia izy io no “fomba fiaina tonga lafatra, ahafahanao mifantoka amin’ilay asa lehibe indrindra atao ankehitriny”. Milaza i Eva, vehivavy 31 taona, any Gresy, hoe: “Rehefa oharina amin’ny fiainan’ireo mitovy taona amiko ny fiainako, dia hitako foana fa ny ahy no misy heviny kokoa, mahafa-po kokoa, ary mampientam-po kokoa.” Asa inona no mahafa-po toy izany? Ahoana no ahafahanao mirotsaka amin’izany asa izany?
Mitari-dalana anao ve Andriamanitra?
Mety ho sarotra be ny mifidy asa. Raha ny marina, dia mety hirin’ny sasany ny hanoroan’Andriamanitra mazava tsara izay tiany hataon’izy ireo.
Fony i Mosesy tany Midiana, dia nandidy azy hiverina tany Ejipta i Jehovah mba hanafaka ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana. (Eksodosy 3:1-10). Nisehoan’ny anjelin’Andriamanitra i Gideona, izay voatendry hamonjy ny Isiraely tamin’ny fampahoriana. (Mpitsara 6:11-14). Teo am-piandrasana ondry i Davida, fony nilazan’Andriamanitra i Samoela hanosotra azy ho mpanjaka manaraka, teo amin’ny Isiraely. (1 Samoela 16:1-13). Tsy mandray tari-dalana toy izany isika ankehitriny, fa mandinika tsara kosa ny toe-javatra, ka manapa-kevitra ny amin’izay fomba hampiasantsika ireo fahaizana nomen’Andriamanitra antsika.
Nanokatra ‘varavarana lehibe hahazoana miasa tsara’ i Jehovah, ho an’ny tanora kristianina ankehitriny. (1 Korintiana 16:9). Tamin’ny fomba ahoana? Tao anatin’ireo folo taona farany, dia niampy 2 125 000 mahery ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana, ka tafakatra ho 6 000 000 mahery ny isan’izy ireo maneran-tany. Iza no mandray anjara amin’ny fanomezana Baiboly, boky, bokikely, gazety, ary taratasy mivalona an-tapitrisany maro ilaina mba hahazoana sakafo ara-panahy sy mba hanaovana ilay asa fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany? Ny mpianakavin’ny Betela maneran-tany no manana io tombontsoa sady fitahiana io.
Fiainana mahafa-po
Ny hoe Betela dia midika hoe “Tranon’Andriamanitra”, ary antsoina hoe trano Betela ny toerana ipetrahan’ireo Kristianina mpiasa an-tsitrapo, manompo any amin’ny foibe sy any amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. (Genesisy 28:19). Azo oharina amin’ny “ankohonana” voalamina tsara ‘nampiorenina tamin’ny alalan’ny fahendrena’ sy miorina amin’ny fitiavana an’i Jehovah ireo fianakavian’ny Betela amin’izao andro izao.—Ohabolana 24:3, NW.
Manao ahoana ilay rivo-piainana toy ny an’ny fianakaviana ao amin’ny Betela? Milaza toy izao ny mpianakavin’ny Betela iray 25 taona, any Estonia: “Mahafinaritra ahy ny mahatsapa fa voahodidina sakaizan’i Jehovah mandrakariva aho. Mbola izany hatrany no zava-tsarobidy indrindra amiko ato amin’ny Betela.”—Salamo 15:1, 2.
Maneran-tany, dia olona 19 500 eo ho eo no manana tombontsoa manompo ao amin’ny BeteSalamo 110:3). Any Etazonia, dia eo anelanelan’ny 19 sy 29 taona ny 46 isan-jaton’ireo ao amin’ny Betela. Tahaka an’i Isaia, dia nilaza izy ireo hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8). Nanaiky an-tsitrapo ny handray tombontsoam-panompoana fanampiny i Isaia, izay efa nanolo-tena ho an’i Jehovah. Toa nidika izany fa tsy maintsy nafoiny ny tombontsoany manokana sasany. Mandao ny tranony sy ny toerana nahazatra azy, ary koa reny, ray, mpiray tam-po ary namana, ireo manompo ao amin’ny Betela. Afoy an-tsitrapo izy ireny, ‘noho ny filazantsara’.—Marka 10:29, 30.
la ankehitriny. (Tondraka kosa ny fitahiana ara-panahy raisina ao amin’ny Betela! Manazava toy izao ny tanora iray ao amin’ny fianakavian’ny Betela any Rosia: “Rehefa mahafoy tena isika, dia miana-javatra betsaka, izay hanampy antsika hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao. Raha ny amiko, dia azoko lazaina fa mihoatra lavitra noho ny sorona nataoko ny fitahian’i Jehovah.”—Malakia 3:10.
Fiainana ao amin’ny Betela
Manao ahoana ny fiainana ao amin’ny Betela? Eken’ny mpianakavin’ny Betela fa mahasoa sady mahafa-po izany, ary mampientam-po mihitsy aza. Mankafy ny fanompoana ao amin’ny Betela i Jens, izay 43 taona. Nahoana? Milaza izy hoe: “Satria tsapako fa mandray anjara amin’ilay ezaka goavana hanatontosana asa lehibe iray izahay. Takatro izay rehetra tafiditra ao amin’ny asan’i Jehovah sy ny maha zava-dehibe an’izany.”
Ny alatsinainy ka hatramin’ny asabotsy, dia ny fanompoam-pivavahana maraina no anombohana ny andro ao amin’ny Betela. Izy io dia fandinihana ny Baiboly, tarihin’ny loholona iray za-draharaha. Ny alatsinainy hariva, dia manokana adiny iray hianarana ny Baiboly ilay fianakaviana, amin’ny alalan’Ny Tilikambo Fiambenana; indraindray, aorian’izany, dia misy lahateny miorina amin’ny foto-kevitra araka ny Soratra Masina, ka mifanentana indrindra amin’izay ilain’ny fianakavian’ny Betela.
Inona no mitranga raha vao tonga ao amin’ny Betela ny olona iray? Mba hampahafantarana an’ireo vaovao ny fiainana ao amin’ny Betela, dia manao lahateny mikasika ny lafiny samihafa amin’ny fanompoana ao amin’ny Betela ny rahalahy matotra ao amin’ilay fianakaviana. Mandritra ny herinandro maromaro amin’ny taona voalohany, dia manatrika sekoly faran’izay tsara isan-kerinandro, ilay mpianakavin’ny Betela vaovao; natao hampitomboana ny fahatakarany ny hevitry ny Soratra Masina izy io. Manaraka fandaharana manokana famakiana ny Baiboly koa ireo Betelita vaovao. Mandritra ny taona voalohany anompoany ao amin’ny Betela, dia mamaky ny Baiboly manontolo izy ireo.
Inona no vokatr’izany fampiofanana rehetra izany? Namaly toy izao i Joshua, 33 taona, mpianakavin’ny Betela any Hong Kong: “Tena nahatonga ny fankasitrahako an’i Jehovah ho lalina kokoa ny Betela. Afaka mifanerasera amin’ny rahalahy za-draharaha maro, izay nanompo an’i Jehovah saika nandritra ny androm-piainany manontolo, aho. Ankafiziko manokana ny fandaharana ara-panahy, toy ny fanompoam-pivavahana maraina sy ny fianaran’ny fianakaviana Ny Tilikambo Fiambenana. Ambonin’izany, dia tiako ilay fomba fiaina voalamina tsara sy tsotra ato. Mahatonga ahy tsy hanahy tsy amin’antony izany. Mianatra mandamin-javatra amin’ny fomba kristianina koa aho, ary mahasoa foana izany.”
Mampiasa ny ankabeazan’ny fotoanany sy ny heriny hanaovana ny asa nekeny an-tsitrapo hatao ny mpianakavin’ny Betela. Izany hoe, ampiasainy voalohany indrindra hanatontosana ilay asa nanendrena azy ireo ao amin’ny Betela, ny tanjaka sy ny fahaizana ananany. Misy zavatra samihafa betsaka ilaina hatao. Ny sasany mandefa ny fanontam-pirinty na miasa ao amin’ny fanakambanam-boky, ka manao boky halefa any amin’ny kongregasiona maro. Misy miasa ao an-dakozia, ao amin’ny efitrano fisakafoana, na ao amin’ny efitra fanasan-damba. Asa anendrena koa ny fanadiovana, ny fambolena sy fiompiana, ny fanorenana, sy ny sisa. Ny sasany miandraikitra ny fikojakojana fitaovana ao amin’ireny sampan-draharaha ireny. Ny hafa mikarakara ny fahasalamana na manao asa birao. Misy zava-tsarotra mahafinaritra daholo amin’ny asa rehetra ao amin’ny Betela, nefa faran’izay mahafa-po ireny. Tena mahafa-po ny asa atao ao amin’ny Betela, satria mampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana, no sady atao noho ny fitiavana an’Andriamanitra.
Voatendry ho any amin’ny kongregasiona samihafa ny mpianakavin’ny Betela, ary any izy ireo no mandray mivantana ireo soa ateraky ny asany. Faly izy ireo manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona sy mandray anjara amin’ny asa fitoriana. Vokatr’izany, dia nanjary niraiki-po mafy tamin’ny Marka 10:29, 30.
rahalahy sy anabavy ao amin’ny kongregasionany izy ireo.—Izao no lazain’i Rita, mpianakavin’ny Betela any Grande-Bretagne: “Velom-pankasitrahana tokoa aho noho ny fisian’ny kongregasiona! Rehefa any am-pivoriana sy eny amin’ny fanompoana aho, dia manatanjaka ny finoako tokoa ny mahita ireo anadahy, rahavavy, ankizy, ary ireo zokiolona malala! Eo foana izy ireo, na inona na inona mitranga. Izany dia manampy ahy ho be zotom-po kokoa eo amin’ny fanompoako ao amin’ny Betela.”
Tsy hoe miasa, mivory, manompo eny amin’ny saha, na mianatra foana akory ny fiainana ao amin’ny Betela. Mba misy koa fotoana hanaovan’ilay fianakaviana fialam-boly. Tsindraindray, dia misy fandaharana antsoina hoe “Koranam-pianakaviana”, izay mampiala voly sady mahafa-po amin’ny lafiny ara-panahy, ahafahana mankafy ny talentan’ny maro sy miana-javatra mampahery momba ny fiainan’ny hafa manompo ao amin’ny Betela. Mahafinaritra koa ny mitsidika ny hafa, satria mahasoa sy mampahery izany. Mety hisy efitrano natao hialana voly, ary koa fitahirizam-boky hamakian-teny sy hanaovana fikarohana. Tsy tokony hohadinoina koa ny resaka mahafinaritra eo an-databatra mandritra ny fotoana fisakafoana.
Milaza i Tom, mpianakavin’ny Betela any Estonia, hoe: “Tsy lavitra ny Betela ny ranomasina, ary misy ala tsara tarehy eo akaiky eo; tianay mivady ny mandeha mitsangantsangana kely any. Miara-milalao golfa, hockey, na tenisy amin’ny namako ao amin’ny kongregasiona na ao amin’ny Betela koa aho indraindray. Ary rehefa tsara ny andro, dia mandeha mitaingina bisikileta izahay.”
Inona no azonao atao mba hahafenoana fepetra?
Mazava ho azy fa voalohany indrindra, ny Betela dia toerana anoloran’ny Kristianina matotra fanompoana masina ho an’i Jehovah, ary iasany ho tombontsoan’ny mpiray finoana aminy maneran-tany. Tsy maintsy mahafeno fepetra sasany ny mpianakavin’ny Betela. Inona no azonao atao mba hahafenoana fepetra ho amin’ny fanompoana ao amin’ny Betela?
Tahaka an’i Timoty, izay niara-nanompo tamin’ny apostoly Paoly, dia tsy maintsy manana laza tsara ao amin’ny kongregasiona ireo ekena ha1 Timoty 1:1). “Tsara laza teo amin’ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma” i Timoty. (Asan’ny Apostoly 16:2). Tanora i Timoty, nefa nahalala ny Soratra Masina sady mafy orina tao amin’ny fahamarinana. (2 Timoty 3:14, 15). Mitovy amin’izany koa fa, takina amin’ireo ekena hanompo ao amin’ny Betela ny fahalalana ny Baiboly.
nompo ao amin’ny Betela. (Mila manana toe-tsaina feno fahafoizan-tena ny mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betela. Tena niharihary ny toe-tsaina feno fahafoizan-tenan’i Timoty sy ny fahavononany hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana alohan’ny azy manokana, ka afaka nilaza toy izao i Paoly momba azy: “Tsy manana olona mitovy fanahy aminy aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesosy Kristy; izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin’ny Filipiana 2:20-22, fanamarihana ambany pejy.
filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.”—Mitaky lehilahy sy vehivavy araka ny fanahy ny fanompoana ao amin’ny Betela. Afaka manampy ireo mpianakavin’ny Betela hitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy ny fandaharana natao ho azy ireo, dia ny fianarana Baiboly, ny tsy fanapatapahana ny famonjena ireo fivoriana kristianina sy ny fanompoana eny amin’ny saha, ary ny fiarahana amin’ny Kristianina matotra. Noho izany, dia mahazo fanampiana ireo ao amin’ny Betela, mba hanarahany ilay torohevitr’i Paoly manao hoe: “Mandehana ao amin[’i Kristy Jesosy] (...), ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana.”—Kolosiana 2:6, 7.
Noho ilay karazana asa atao ao amin’ny Betela, dia tsy maintsy matanjaka sy salama tsara ireo ekena ho amin’io tombontsoam-panompoana io. Raha mahafeno ireo fepetra voalaza ireo ianao, ka 19 taona na mihoatra, ary efa herintaona, fara fahakeliny, no naha vita batisa anao, dia mampirisika anao izahay hisaintsaina ny fanompoana ao amin’ny Betela.
Mandray anjara daholo isika rehetra
Amin’ny maha Kristianina antsika, dia azo antoka fa maniry hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika isika rehetra, ary koa ny hanompo an’i Jehovah amin’ny fanahintsika rehetra. (Matio 6:33; Kolosiana 3:23). Afaka mampirisika an’ireo manompo ao amin’ny Betela hanohy hanolotra fanompoana masina ao koa isika. Ary ny rahalahy tanora indrindra indrindra, izay mahafeno fepetra hanompo ao amin’ny Betela, no tokony hampirisihina mafy mba hiezaka hahazo io tombontsoa sady fitahiana io.
Fomba fiaina mahafa-po eo amin’ny ara-panahy ny fanompoana ao amin’ny Betela—ka mety ho io mihitsy no asa tsara indrindra ho anao. Izany no tsapan’i Nick, izay nanomboka nanompo tao amin’ny Betela, fony izy 20 taona. Folo taona izao no nanompoany tao amin’ny Betela, ka nilaza izy hoe: “Mivavaka matetika amin’i Jehovah aho, mba hisaotra azy noho ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory. Inona moa no azoko angatahina mihoatra izany? Ato izahay dia voahodidina Kristianina mahatoky, izay manao araka izay fara heriny mba hanompoana an’i Jehovah.”
[Efajoro/Sary, pejy 22]
INONA NO AZON’NY LOHOLONA SY NY RAY AMAN-DRENY ATAO?
Ny loholona sy ny mpiandraikitra mpitety faritany indrindra indrindra no tokony hampirisika ireo tovolahy mba hanao fangatahana hiditra ao amin’ny Betela. Vao haingana izay, dia nisy fanadihadiana tsotsotra iray natao tamin’ny mpianakavin’ny Betela tanora kokoa; nasehon’izy io fa mpiandraikitra kristianina, voalohany indrindra, no nampirisika ny 34 isan-jaton’izy ireo hanao ny fanompoana ao amin’ny Betela ho tanjony. Eny, mety halahelo azy ireo ny kongregasionany. Izao anefa no tsara hotadidina: Tsy isalasalana fa nitaona ny tanora hafa tao Lystra sy Ikonioma ho amin’ny tsara i Timoty, nefa tsy nisakana azy tsy hiara-manompo tamin’i Paoly ireo loholona tao. Tsy nanatsoaka hevitra izy ireo hoe ho fatiantoka lehibe loatra ho an’ny kongregasionany ny handehanan’i Timoty hiaraka amin’ilay apostoly.—1 Timoty 4:14.
Ny ray aman-dreny kristianina indrindra indrindra no tokony hiezaka hampirisika ny zanany amin’io lafiny io. Tao amin’ilay fanadihadiana vao noresahina tetsy ambony, dia ny 40 isan-jaton’ireo nanontaniana no nilaza fa ny ray aman-dreniny no nampirisika azy ireo voalohany indrindra hirotsaka amin’ny fanompoana ao amin’ny Betela. Nilaza toy izao ny anabavy iray miasa ao amin’ny Betela efa hatramin’ny taona vitsivitsy: “Nanosika ahy indrindra hirotsaka amin’ny fanompoana ao amin’ny Betela ny fiainan’ny ray aman-dreniko teo amin’ny fanompoany an’i Jehovah. Hitako ny ohatra navelan’izy ireo teo amin’ny fanompoana manontolo andro, ka fantatro fotsiny hoe io no ho fomba fiaina tsara sady mahafa-po indrindra tokony hofidina.”
[Efajoro, pejy 24]
MANKASITRAKA NY FANOMPOANA AO AMIN’NY BETELA IZY IREO
“Mankamamy ny fanompoako ato amin’ny Betela aho. Mahafa-po ahy ny fahafantarana fa nanompo an’i Jehovah tontolon’ny andro aho ary hanao izany koa rahampitso, rahafakampitso, sy ny sisa. Mahatonga ahy hanana feon’ny fieritreretana madio izany sady mameno ny saiko amin’ny eritreritra mahasoa.”
“Ny Betela dia toerana iray ahafahanao manokana ny fotoananao rehetra sy ny herinao rehetra hanompoana an’i Jehovah, tsy misy fanelingelenana. Miteraka fifaliana anaty izany. Afaka ny hanana fomba fijery hafa momba ny fandaminan’i Jehovah koa anefa ianao. Mahatsiaro tena ho akaiky kokoa an’ilay foiben’ny asan’io fandaminana io ianao, ka tena mampientam-po izany.”
“Ny fidirako teto amin’ny Betela no zavatra tsara indrindra nitranga tamiko hatramin’izay. Ato dia tsy mitsahatra mihitsy ny fianarana. Ary ato dia tsy ho an’ny fahombiazan’ny tenako manokana ny fianarana, fa ho an’i Jehovah. Ato dia tsy ho very maina na oviana na oviana ny asako.”
“Mahatonga ahy ho afa-po sy milamin-tsaina ny fampiasako ireo talentako ato amin’ny Betela, satria ampiasaina ho an’i Jehovah sy ho an’ireo rahalahy izany.”
“Tsy nahita fahafaham-po sy fahasambarana marina aho teo amin’ny asako taloha. Nofinofiko nandritra ny taona maro ny hiara-miasa tamin’ny rahalahiko sy anabaviko sy ny hiasa ho azy ireo. Izany no antony nidirako tato amin’ny Betela. Tena mahafa-po ahy ny fahafantarako fa hitondra soa ara-panahy ho an’ny hafa sy fiderana ho an’i Jehovah ny ezaka rehetra ataoko.”