Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazòny ny Fifalianao eo Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah

Hazòny ny Fifalianao eo Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah

Hazòny ny Fifalianao eo Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah

“Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.”​—FILIPIANA 4:4.

1, 2. Ahoana no nahafahan’ny rahalahy iray sy ny fianakaviany nihazona ny fifaliany na dia namoy ny zava-drehetra nananany aza izy ireo?

NIASA mafy nandritra ny androm-piainany manontolo i James, Kristianina iray 70 taona, monina any Sierra Leone. Alao sary an-tsaina ny fifaliany rehefa nahangona vola ampy ihany izy tamin’ny farany mba hividianana trano tsotsotra iray nisy efitra efatra! Tsy ela taorian’ny nifindran’i James sy ny fianakaviany tao amin’izy io anefa, dia nipoaka ny ady an-trano tao amin’ilay tany, ka kila forehitra ny tranon’izy ireo. Nafoiny ny tranony nefa tsy nafoiny ny fifaliany. Fa nahoana?

2 Tsy tamin’izay nafoiny no nampifantohan’i James sy ny fianakaviany ny sainy, fa tamin’izay sisa tavela kosa. Hoy ny fanazavan’i James: “Na dia nandritra ny fotoan’ny horohoro aza, dia nandamina fivoriana izahay, namaky ny Baiboly, niara-nivavaka, ary nizara tamin’ny hafa izay kely nanananay. Afaka nifaly hatrany izahay satria nifantoka tamin’ny fifandraisana mahatalanjona nanananay tamin’i Jehovah.” Afaka ‘nanohy nifaly’ ireo Kristianina nahatoky ireo rehefa nieritreritra ny fitahiana nananany, ka ny fifandraisana akaiky sy manokana amin’i Jehovah no lehibe indrindra amin’izany. (2 Korintiana 13:11) Mazava ho azy fa tsy mora akory ny niaritra ny tarehin-javatra nampahory nahazo azy ireo, nefa tsy nitsahatra nifaly tamin’i Jehovah izy.

3. Ahoana no nihazonan’ny Kristianina sasany tany am-boalohany ny fifaliany?

3 Tojo fisedrana nitovy tamin’ny hitan’i James sy ny fianakaviany ny Kristianina tany am-boalohany. Nanoratra ireto teny ireto ho an’ny Kristianina hebreo anefa ny apostoly Paoly: “Nifaly [hianareo] raha norobaina ny fanananareo”. Nohazavain’i Paoly avy eo ny loharanon’ny fifalian’izy ireo: “Satria fantatrareo fa hianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra.” (Hebreo 10:34, izahay no manao sora-mandry.) Eny, mahery ny fanantenana nananan’ireny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ireny. Feno toky izy ireo niandrandra zavatra tsy azo norobaina, dia ny “satroboninahitra fiainana” tsy mety simba any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. (Apokalypsy 2:10) Ankehitriny, dia afaka manampy antsika hihazona ny fifaliantsika na dia eo anatrehan’ny zava-tsarotra aza, ny fanantenantsika kristianina, na ho any an-danitra izany na ho eto an-tany.

“Mifalia amin’ny fanantenana”

4, 5. a) Nahoana no tonga tamin’ny fotoana nilan’ny Romanina azy tokoa ny torohevitr’i Paoly mba ‘hifaly amin’ny fanantenana’? b) Inona no mety hahatonga ny Kristianina iray hanadino ny fanantenany?

4 Nampirisika ny mpiray finoana taminy tany Roma ny apostoly Paoly mba ‘hifaly amin’ny fanantenana’ ny fiainana mandrakizay. (Romana 12:12) Tonga tamin’ny fotoana nilan’ny Romanina azy io torohevitra io. Latsaka ny folo taona taorian’ny nanoratan’i Paoly ho azy ireo, dia niharan’ny fanenjehana nahery vaika izy ireo ary nampijalijalina mandra-pahafatiny ny sasany noho ny baikon’ny Emperora Néron. Tsy isalasalana fa nanohana azy ireo nandritra ny fahoriany ny finoany fa hanome azy ireo ilay satroboninahitry ny fiainana nampanantenainy Andriamanitra. Manao ahoana kosa ny amintsika ankehitriny?

5 Amin’ny maha Kristianina antsika, dia manampo fanenjehana koa isika. (2 Timoty 3:12) Ankoatra izany, dia takatsika fa samy manjo antsika rehetra “ny fotoana sy ny sampona”. (Mpitoriteny 9:11) Mety hisy voina hahafaty ny olona iray tiantsika. Mety ho fatin’ny aretina iray tsy misy fanafana ny havana na namana akaiky. Mety ho tra-doza ara-panahy isika rehefa mitranga ny fisedrana toy izany, raha tsy manohy mifantoka tanteraka amin’ny fanantenantsika ny amin’ilay Fanjakana. Noho izany, dia fahendrena ny hanontaniantsika tena hoe: ‘ “Mifaly amin’ny fanantenana” ve aho? Impiry moa aho no maka fotoana hisaintsainana momba azy io? Tena zava-misy amiko ve ny Paradisa ho avy? Mahita sary an-tsaina ny tenako ao ve aho? Tsy andriko ve ny hiavian’ny faran’ity fandehan-javatra ankehitriny ity, sahala amin’ny fony aho vao nianatra ny fahamarinana?’ Mendrika ny hosaintsainina lalina io fanontaniana farany io. Nahoana? Satria raha salama tsara isika, sy tsara karama ary miaina any amin’ny faritry ny tany somary tsy voakasiky ny ady, na ny tsy fahampian-tsakafo, na ny loza voajanahary, dia mety ho hadinontsika aloha amin’izao fotoana izao, fa ilaina maika ny hiavian’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.

6. a) Inona no nifantohan’ny sain’i Paoly sy i Silasy rehefa niaritra fahoriana izy mirahalahy? b) Amin’ny ahoana no mampahery antsika ankehitriny ny ohatr’i Paoly sy i Silasy?

6 Nanoro hevitra ny Romanina koa i Paoly avy eo mba ‘hiaritra fahoriana’. (Romana 12:12) Tsy zava-baovao tamin’i Paoly akory ny fahoriana. Indray mandeha izy dia nahita tao amin’ny fahitana, lehilahy iray nanasa azy ‘hita hankany Makedonia’, mba hanampy ny olona tany hianatra momba an’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 16:9) Koa nandeha sambo nankany Eoropa àry i Paoly, niaraka tamin’i Lioka sy i Silasy ary i Timoty. Inona no niandry ireo misionera be zotom-po ireo? Fahoriana! Novelezina sy natsipy tany an-tranomaizina i Paoly sy i Silasy rehefa avy nitory tany Filipy, izay tanàna makedonianina. Mazava fa tsy hoe tsy niraika fotsiny tamin’ilay hafatra momba ilay Fanjakana akory ny mponina sasany tany Filipy, fa tena nanohitra mafy tokoa. Nahatonga ireo misionera be zotom-po ireo hamoy ny fifaliany ve izany fitsimbadihan’ny toe-javatra izany? Tsia. “Nony namatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy” taorian’ilay nikapohana sy nanipazana azy ireo tao an-tranomaizina. (Asan’ny Apostoly 16:25, 26, izahay no manao sora-mandry.) Mazava loatra fa tsy nahafaly an’i Paoly sy i Silasy ny fanaintainana vokatry ny kapoka, nefa tsy tamin’izany no nifantohan’ireo misionera roa ireo. Nifantoka tamin’i Jehovah sy ny fomba nitahiany azy ireo ny sainy. Nanome ohatra tsara ho an’ny rahalahiny tany Filipy sy tany an-toeran-kafa i Paoly sy i Silasy noho izy ireo ‘niaritra fahoriana’ tamim-pifaliana.

7. Nahoana no tokony ho tafiditra ao amin’ny vavaka ataontsika ny fisaorana?

7 Nanoratra toy izao i Paoly: “Mahareta amin’ny fivavahana.” (Romana 12:12) Mivavaka ve ianao rehefa misy mampanahy anao? Inona no ataonao antom-bavaka? Azo inoana fa miresaka ny amin’ilay zava-manahirana anao manokana ianao ary mangataka ny fanampian’i Jehovah. Afaka mampiditra fisaorana noho ny fitahiana azonao koa anefa ianao. Rehefa mipoitra ny zava-manahirana, dia manampy antsika ‘hifaly amin’ny fanantenana’ ny misaintsaina ireo soa ataon’i Jehovah amintsika. Izao no nosoratan’i Davida, izay nanana fiainana feno zava-nanahirana: “Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitro ô​—tsy misy azo ampitahaina aminao​—raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.” (Salamo 40:5) Raha misaintsaina tsy tapaka ny amin’ny fitahiana azontsika avy amin’i Jehovah isika, tahaka an’i Davida, dia azo antoka fa ho faly.

Manàna toe-tsaina tsara hatrany

8. Inona no hanampy ny Kristianina iray ho sambatra hatrany na dia miaritra fanenjehana aza?

8 Mampirisika ny mpanara-dia azy mba hanana toe-tsaina tsara i Jesosy, rehefa miatrika fisedrana samihafa izy ireo. Hoy izy: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.” (Matio 5:11) Inona no antony mahasambatra antsika ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany? Porofon’ny fananantsika ny fanahin’i Jehovah ny fahafahantsika mahatanty fanoherana. Hoy ny apostoly Petera tamin’ny Kristianina hafa tamin’ny androny: “Sambatra hianareo, raha haratsina noho ny anaran’i Kristy; fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.” (1 Petera 4:13, 14) Amin’ny alalan’ny fanahiny koa no hanampian’i Jehovah antsika hiaritra, ka hihazona ny fifaliantsika.

9. Inona no nanampy rahalahy sasany hahita antony hifaliana fony tany an-tranomaizina noho ny finoany izy ireo?

9 Na dia ao anatin’ny tarehin-javatra faran’izay sarotra aza isika, dia afaka mahita antony ifaliana. Izany no hitan’ny Kristianina iray antsoina hoe Adolf. Monina any amin’ny tany iray nandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro izy. Nosamborina ary nomelohina hanefa sazy naharitra tany an-tranomaizina i Adolf sy ny namany maromaro, satria tsy nanaiky hiala tamin’ireo zavatra ninoany niorina tamin’ny Baiboly. Sarotra ny fiainana tao an-tranomaizina, nefa nahita antony hisaorana an’Andriamanitra i Adolf sy ny namany, tahaka an’i Paoly sy i Silasy. Araka ny nomarihiny, dia nanampy azy ireo hanatanjaka ny finoany sy hamboly toetra tsara kristianina toy ny fahalalahan-tanana sy ny fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa ary ny fitiavan-drahalahy ny fiainana tany an-tranomaizina. Rehefa nahazo fonosan’entana avy tany an-tranony, ohatra, ny mpigadra iray, dia nizara izany tamin’ny mpiray finoana taminy izay nihevitra izany sakafo fanampiny izany ho toy ny avy amin’i Jehovah, ilay tena Mpanome “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”. Nitondra fifaliana ho an’ilay mpanome sy ireo nomena izany asa maneho hatsaram-panahy izany. Koa raha ny marina àry, dia vao mainka nampahatanjaka ara-panahy azy ireo ilay zavatra nokendrena handravana ny finoan’izy ireo iny indrindra!​—Jakoba 1:17; Asan’ny Apostoly 20:35.

10, 11. Ahoana no niatrehan’ny anabavy iray fakana am-bavany tsy an-kiato narahina fotoana naharitra an-tranomaizina?

10 I Ella, izay monina koa any amin’ny tany iray nandrarana ny asan’ilay Fanjakana nandritra ny fotoana ela, dia nosamborina noho izy nizara ny fanantenany kristianina tamin’ny hafa. Tsy an-kiato ny fakana am-bavany azy nandritra ny valo volana. Rehefa notsaraina izy tamin’ny farany, dia nasaina nanefa sazy folo taona tany amin’ny fonja tsy nisy mpanompon’i Jehovah na dia iray aza. Vao 24 taona i Ella tamin’izany fotoana izany.

11 Mazava loatra, fa tsy naniry ny handany ny ankamaroan’ny fiandohan’ny fotoana naha olon-dehibe azy tany am-ponja akory i Ella. Noho izy tsy afaka nanova ny toe-javatra nisy azy anefa, dia nanapa-kevitra ny hanova ny fomba fijeriny izy. Araka izany, dia nanomboka nihevitra ny fonja ho toy ny faritany itoriany manokana izy. “Betsaka aoka izany ny fitoriana tokony hatao”, hoy izy, “hany ka nandeha haingana erỳ ny taona.” Natao indray ny fakana am-bavany an’i Ella, maherin’ny dimy taona tatỳ aoriana. Rehefa takatr’ireo mpaka am-bavany fa tsy nandrava ny finoany ny bara vy tany an-tranomaizina, dia hoy izy ireo taminy: “Tsy afaka mamoaka anao izahay; mbola tsy niova ianao.” “Niova aho ka!”, hoy ny navalin’i Ella tamin’ny fomba hentitra. “Tsara kokoa izao ny toe-tsaiko tsy toy ilay fony aho vao tonga tatỳ am-ponja, ary matanjaka lavitra noho ny hatramin’izay ny finoako!” Ary hoy ny nanampiny: “Raha tsy ta hamoaka ahy ianareo, dia hijanona ato aho mandra-pahitan’i Jehovah fa mety ny hanafahana ahy.” Tsy nanaisotra ny fifalian’i Ella ny nitanana azy nandritra ny dimy taona sy tapany! Nianatra ny ho afa-po izy na nanao ahoana na nanao ahoana tarehin-javatra nisy azy. Afaka miana-javatra avy amin’ny ohatra navelany ve ianao?​—Hebreo 13:5.

12. Inona no afaka mitondra fiadanan-tsaina ho an’ny Kristianina iray ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra?

12 Aza manatsoaka hevitra hoe manana talenta manokana sasany i Ella, ka izany no mahatonga azy ho afaka hiatrika zava-tsarotra toy izany. Miaiky toy izao i Ella raha niresaka momba ny niaretany ireo volana nakana am-bavany azy talohan’ny nanamelohana azy: “Tsaroako fa nikatrokatroka ny nifiko, ary toy ny tsintsina nipararetra noho ny tahotra ny nahatsapako ny tenako.” Nanana finoana natanjaka an’i Jehovah anefa i Ella. Nianatra nametraka ny fitokisany taminy izy. (Ohabolana 3:5-7) Nanjary nisy kokoa taminy Andriamanitra noho ny teo aloha. Hoy ny fanazavany: “Nahatsapa fiadanana nameno ahy aho isaky ny niditra ny efitrano fakana am-bavany. ... Arakaraka ny nampahatahotra ilay toe-javatra no nahalalina kokoa ny fiadanana tsapako.” I Jehovah no loharanon’izany fiadanana izany. Manazava toy izao ny apostoly Paoly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.”​—Filipiana 4:6, 7.

13. Inona no manome toky antsika fa raha tojo fahoriana isika, dia hanana ny hery hiaretana?

13 Efa nafahana i Ella ankehitriny ary nihazona ny fifaliany izy na dia teo aza ny zava-tsarotra. Tsy noho ny herin’ny tenany manokana no nanaovany izany fa noho ny hery nomen’i Jehovah azy. Toy izany koa no izy tamin’ny apostoly Paoly, izay nanoratra hoe: “Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko ... fa ny fahalemeko no fahatanjahako.”​—2 Korintiana 12:9, 10.

14. Hazavao amin’ny ohatra ny fomba ahafahan’ny Kristianina iray manana fomba fijery tsara momba ny toe-javatra iray misedra, ary ny mety ho vokatr’izany.

14 Mety ho somary hafa noho ireo nodinihintsika teo ny fanerena atrehin’ny tenanao ankehitriny. Na ahoana na ahoana hisehoan’ny fanerena anefa, dia sarotra zakaina izy ireny. Ny mpampiasa anao, ohatra, dia mety hanakiana be ny asanao, mihoatra lavitra noho ny asan’ireo mpiasa manana fivavahana hafa. Mety ho tsy azonao atao ny hitady asa hafa. Ahoana no ahafahanao mihazona ny fifalianao? Tsarovy i Adolf sy ny namany, izay nampianarin’ny fiainana tany an-tranomaizina hamboly toetra tena nilaina. Raha miezaka amim-pahatsorana hampifaly ny mpampiasa anao ianao, eny, fa na dia “sarotra ampifalina” aza izy, dia hamboly toetra kristianina toy ny fiaretana sy ny fahari-po ianao. (1 Petera 2:18, NW ) Mety ho lasa mpiasa ilaina kokoa ianao, ka izany dia mety hampitombo ny fahafahanao hahita asa mahafa-po kokoa indray andro any. Andao isika izao hiresaka ny amin’ny fomba hafa azontsika ihazonana ny fifaliantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.

Mitondra fifaliana ny fanatsorana

15-17. Ahoana no nianaran’ny mpivady iray fa afaka nampihena ny fihenjanana izy, na dia tsy azo nesorina tanteraka aza ny antony nahatonga azy io?

15 Mety tsy hanan-tsafidy firy ny amin’ny karazana asa fivelomana ataonao ianao, na ny amin’ny toerana iasanao, nefa mety hisy lafiny hafa amin’ny fiainanao izay hanananao fahefana ihany. Diniho ity fitantarana manaraka ity.

16 Nisy mpivady kristianina nanasa anti-panahy iray hisakafo tany an-tranony. Nandritra ilay takariva, ilay rahalahy sy ny vadiny dia namboraka izay nanjo azy ireo tsy ela izay: nahatsiaro ho tototry ny faneren’ny fiainana izy ireo. Tsy afaka nitady asa hafa anefa izy mivady na dia samy niasa mafy manontolo andro aza izy ireo. Nanontany tena izy ireo hoe hatramin’ny rahoviana no hahazakany izany.

17 Rehefa nangatahana torohevitra ilay anti-panahy, dia hoy ny navaliny: “Tsory ny fiainanareo.” Amin’ny fomba ahoana? Nandany adiny telo isan’andro nivezivezena avy teo an-trano nankany am-piasana izy mivady. Nanolo-kevitra ny handinihana ny hifindran’izy ireo akaiky kokoa ny toeram-piasany ilay anti-panahy izay nahafantatra tsara ilay mpivady, amin’izay dia afaka hampihena ny fotoana laniny hivezivezena isan’andro avy any an-trano mankany am-piasana izy ireo. Azo anaovana zavatra hafa lehibe kokoa ny fotoana voatsitsy, eny, fa na dia hoe mba hialana sasatra fotsiny aza. Nahoana raha mandinika sao mba afaka ny ho maivamaivana kokoa ianao rehefa manao fanitsiana sasany?

18. Nahoana no tena ilaina ny mieritreritra amim-pitandremana, alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra?

18 Ny fieritreretana amim-pitandremana alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra no fomba iray hafa hampihenana ny fanerena. Nanapa-kevitra ny hanorina trano, ohatra, ny Kristianina iray. Na dia mbola tsy nanorina trano mihitsy aza izy hatramin’izay, dia bikan-trano sarotra be no nofidiny. Takany ankehitriny fa afaka nisoroka zava-manahirana tsy nilaina izy raha ‘nandinika ny diany’ talohan’ny nifidianany ilay bikan-tranony. (Ohabolana 14:15) Nanaiky ny hiantoka ny vola nosamborin’ny mpiray finoana iray ny Kristianina hafa iray. Araka ny fifanarahana, dia ilay mpiantoka no ho voatery hamerina ilay vola nosamborina, raha tsy afaka nanao izany ilay mpisambotra. Nandeha tsara ny zava-drehetra tamin’ny voalohany, saingy tsy nahatana ny teny nataony ilay mpisambotra rehefa nandeha ny fotoana. Natahotra ilay mpampisambotra ka nitaky tamin’ilay mpiantoka ny hamerenana ilay vola manontolo nosamborina. Niteraka fanerena be teo amin’ilay mpiantoka izany. Tsy ho azo nosorohina ve izany raha nandinika tamim-pitandremana kokoa ny lafin-javatra rehetra izy, talohan’ny nanekeny hiantsoroka ny andraikitra momba ilay trosa?​—Ohabolana 17:18.

19. Inona avy no fomba azonao ampihenana ny fihenjanana eo amin’ny fiainanao?

19 Rehefa reraka isika, dia aoka tsy hanatsoaka hevitra na oviana na oviana fa afaka hampihena ny fanerena tsapantsika isika ka hahazo fifaliana indray raha mampihena ny fianarana manokana ny Baiboly sy ny fanompoana eny amin’ny saha ary ny fanatrehana fivoriana. Ny antony dia satria fomba lehibe ahafahantsika mahazo ny fanahy masin’i Jehovah ireo, ary ny fifaliana no iray amin’ny vokatr’izy io. (Galatiana 5:22) Mamelombelona foana ny asa kristianina, ary mazàna no tsy mitondra harerahana tafahoatra. (Matio 11:28-30) Azo inoana kokoa fa ireo zavatra atao eo amin’ny fiainana, na ireo atao mba hampiala voly, no anisan’ny mandreraka antsika, fa tsy ireo zavatra atao ara-panahy. Mety hampody ny herintsika ny mianatra mandeha matory amin’ny ora antonony. Mety ho tena hahasoa ny fialana sasatra kely fanampiny. I N. H. Knorr, izay anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah mandra-pahafatiny, dia nilaza matetika toy izao tamin’ny misionera: “Rehefa kivy ianareo, dia ny miala sasatra kely no zavatra voalohany tokony hatao. Ho gaga ianareo avy eo hahita fa toa mora alamina kokoa ny ankamaroan’ireo zava-manahirana rehefa avy natory tsara tamin’ny alina ianareo!”

20. a) Fintino ny fomba sasany ahafahantsika mihazona ny fifaliantsika. b) Inona avy no antony heverinao fa mahafaly? (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-17.)

20 Manana tombontsoa hanompo “ilay Andriamanitra finaritra” ny Kristianina. (1 Timoty 1:11) Araka ny efa hitantsika, dia afaka mihazona ny fifaliantsika isika na dia tototry ny zava-manahirana lehibe aza. Aoka isika hihazona ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana eo anoloantsika sy hanitsy ny fomba fijerintsika zavatra, rehefa ilaina izany, ary hihazona ny fiainantsika ho tsotra. Amin’izay fotoana izay, na inona na inona toe-javatra misy antsika, dia hanaraka ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto isika: “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.”​—Filipiana 4:4.

Diniho Tsara Ireto Fanontaniana Ireto:

• Nahoana no tokony hanohy hifantoka tanteraka amin’ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana ny Kristianina?

• Inona no afaka manampy antsika hihazona ny fifaliantsika ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra?

• Nahoana isika no tokony hiezaka hanatsotra ny fiainantsika?

• Lafiny inona avy no notsorin’ny sasany teo amin’ny fiainany?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 17]

Antony Fanampiny Hifaliana

Manana antony maro hifaliana isika Kristianina. Diniho izao manaraka izao:

1. Mahafantatra an’i Jehovah isika.

2. Nianatra ny fahamarinana tao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika.

3. Afaka ny ho voavela ny helotsika noho ny finoantsika ny soron’i Jesosy.

4. Manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra​—ho tonga tsy ho ela ny tontolo vaovao!

5. Nitondra antsika ao amin’ny paradisa ara-panahy i Jehovah.

6. Mankafy fiarahana kristianina mahasoa isika.

7. Manana tombontsoa handray anjara amin’ny asa fitoriana isika.

8. Velona isika ary azo lazaina ho matanjaka ihany.

Firy ny antony hafa mahafaly mbola azonao tononina?

[Sary, pejy 13]

Faly i Paoly sy i Silasy na dia tany an-tranomaizina aza

[Sary, pejy 15]

Mifantoka amin’ilay fanantenana mahafaly ny amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ve ny masonao?