Mifalia Noho ny Fahafantarana An’i Jehovah
Mifalia Noho ny Fahafantarana An’i Jehovah
‘Sambatra ireo mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.’—LIOKA 11:28.
1. Oviana i Jehovah no nanomboka nampita hevitra tamin’ny olombelona?
TIA ny olombelona i Jehovah ary miahy fatratra izay hahasoa azy ireo. Tsy mahagaga àry raha mampita hevitra amin’izy ireo izy. Nanomboka tao amin’ny saha Edena izany fampitan-kevitra izany. Indray mandeha, araka ny Genesisy 3:8, dia “nandre an’i Jehovah Andriamanitra” i Adama sy i Eva, “rehefa ho hariva ny andro”. Misy milaza fa araka izany, dia fanaon’i Jehovah ny niresaka tamin’i Adama tamin’io fotoana io, angamba isan’andro. Na ahoana na ahoana, dia asehon’ny Baiboly mazava fa tsy vitan’ny hoe naka fotoana hanomezana toromarika an’ilay lehilahy voalohany fotsiny Andriamanitra, fa nampianatra azy koa izay nilainy ho fantatra mba hiantsorohany ny andraikiny.—Genesisy 1:28-30.
2. Ahoana no nandavan’ilay mpivady voalohany ny tari-dalan’i Jehovah, ary inona no vokany?
2 Nanome aina an’i Adama sy i Eva i Jehovah, ary koa ny fahefana tamin’ny biby sy ny tany manontolo. Tokana ihany no nandrarany tsy hataon’izy ireo, dia ny hihinana amin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nampirisihin’i Satana anefa i Adama sy i Eva, ka tsy nankatò ilay didin’Andriamanitra. (Genesisy 2:16, 17; 3:1-6) Nifidy ny hahaleo tena izy ireo, ka hanapaka samirery ny amin’izay tsara sy izay ratsy. Nanao hadalana izy ireo tamin’izany satria nanda ny tari-dalan’ilay Mpamorona azy be fitiavana. Zava-doza ny vokany ho azy sy ny taranany mbola tsy teraka. Nihantitra i Adama sy i Eva ary maty tamin’ny farany, tsy nanantena ny hatsangana amin’ny maty. Nandova ota sy ny fahafatesana, aterak’izy io, ny taranany.—Romana 5:12.
3. Nahoana no niresaka tamin’i Kaina i Jehovah, ary nanao ahoana ny fihetsik’i Kaina?
3 Na dia teo aza anefa ilay fikomiana tany Edena, dia nanohy nampita hevitra tamin’ny olona noforoniny i Jehovah. Natahorana ho resin’ny ota i Kaina, lahimatoan’i Adama sy i Eva. Nampitandrina azy i Jehovah fa hahita loza izy raha mitohy ny ataony, ka nanoro hevitra azy mba ho “tsara toetra”. Nanda izany torohevitra feno fitiavana izany i Kaina, ka namono ny rahalahiny. (Genesisy 4:3-8) Koa ny olombelona telo voalohany teto an-tany àry dia samy nanao tsinontsinona avokoa ny toromarika mazava nomen’ilay nanome azy ireo ny aina, dia ilay Andriamanitra izay mampianatra ny olony hahita soa. (Isaia 48:17) Tsy maintsy ho nandiso fanantenana an’i Jehovah izany!
Nampahafantatra ny tenany tamin’ny olona fahiny i Jehovah
4. Natoky i Jehovah fa hisy hanao ahoana ny taranak’i Adama, koa inona no nampanantenainy azy ireo?
4 Na dia zon’i Jehovah aza ny hanapaka ny fampitana hevitra amin’ny olombelona, dia tsy nanao izany izy. Natoky izy fa hisy taranak’i Adama ho hendry ka hanaraka ny toromariny. Rehefa nanameloka an’i Adama sy i Eva, ohatra, i Jehovah, dia efa nambarany fa hisy “taranaka” hanohitra ilay Menarana, na Satana Devoly. Ho torotoro amin’ny farany ny lohan’i Satana. (Genesisy 3:15) Fampanantenana mahafaly ho ‘an’ireo mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany’, io faminaniana io.—Lioka 11:28.
5, 6. Tamin’ny fomba ahoana avy no nampitan’i Jehovah hevitra tamin’ny vahoakany, talohan’ny taonjato voalohany am.f.i., ary ahoana no nandraisan’izy ireo soa tamin’izany?
5 Nanambaran’i Jehovah ny sitrapony ireo patriarika nahatoky fahiny, toa an-dry Noa, Abrahama, Isaka, sy Jakoba ary Joba. (Genesisy 6:13; Eksodosy 33:1; Joba 38:1-3) Nomeny fehezan-dalàna ny firenen’ny Isiraely tatỳ aoriana, tamin’ny alalan’i Mosesy. Nahasoa azy ireo tamin’ny lafiny maro ny Lalàn’i Mosesy. Rehefa nankatò azy io ny Isiraely, dia tafasaraka tamin’ny firenena hafa rehetra, ka tonga vahoaka manokan’Andriamanitra. Nanome toky ny Isiraelita Andriamanitra fa raha nankatò ilay Lalàna izy ireo, dia hotahiny, tsy eo amin’ny lafiny ara-nofo ihany fa eo amin’ny ara-panahy koa, ka hanao azy ireo ho fanjaka-mpisorona sy firenena masina izy. Nisy mihitsy aza fitsipika momba ny sakafo sy ny fitandremam-pahadiovana izay nahasalama, nomen’ny Lalàna. Nampitandrina ny amin’ny loza hateraky ny tsy fankatoavana koa anefa i Jehovah.—Eksodosy 19:5, 6; Deoteronomia 28:1-68.
6 Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy boky ara-tsindrimandry hafa nanampy ireo boky ekena ho anisan’ny Baiboly. Nisy fitantarana nilaza ny amin’ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ireo firenena. Nisy bokin-tononkalo nilazalaza tamin’ny fomba kanto ny toetrany. Nisy bokim-paminaniana nanambara mialoha ny fomba hahatanterahan’ny sitrapon’i Jehovah amin’ny hoavy. Nianatra tamim-pitandremana sy nampihatra ireny boky ara-tsindrimandry ireny ny olona nahatoky fahiny. Nisy iray nanoratra hoe: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” (Salamo 119:105) Mampianatra sy manome fanazavana ho an’ireo maniry hihaino azy i Jehovah.
Mihamamiratra ny hazavana
7. Na dia nanao fahagagana aza i Jesosy, ahoana no tena nahalalana azy, ary nahoana?
7 Talohan’ny taonjato voalohany, dia nisy mpivavaka jiosy nanampy lovantsofina tamin’ny Lalàna. Nadika vilana ny Lalàna ka nanjary tsy loharanom-pahazavana intsony fa lasa enta-mavesatra, noho ireo lovantsofina. (Matio 23:2-4) Tamin’ny 29 am.f.i. anefa, dia niseho i Jesosy, tamin’ny naha Mesia azy. Tsy hanome ny ainy ho an’ny olombelona fotsiny no nanirahana azy fa mba “hanambara ny marina” koa. Na dia nanao fahagagana aza izy, dia “Mpampianatra” no tena nahalalana azy. Toy ny hazavana mamiratra tao amin’ny haizina ara-panahy nanarona ny sain’ny olona, ny fampianarany. Nety tsara ny nilazan’i Jesosy hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”.—Jaona 8:12; 11:28; 18:37.
8. Inona avy no boky ara-tsindrimandry nosoratana tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ary ahoana no nandraisan’ny Kristianina tany am-boalohany soa tamin’izany?
8 Nanampy tatỳ aoriana, ireo Filazantsara, izay fitantarana efatra momba ny fiainan’i Jesosy, ary ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, izay mitantara ny fitaran’ny Kristianisma taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Nisy koa ny taratasy ara-tsindrimandry nosoratan’ny mpianatr’i Jesosy, ary koa ny bokim-paminanian’ny Apokalypsy. Ireo boky Efesiana 3:14-18) Afaka nanana ny “sain’i Kristy” ireny Kristianina tany am-boalohany ireny. (1 Korintiana 2:16) Na izany aza anefa, dia tsy takatr’izy ireo mazava tsara ny lafiny rehetra tamin’ny fikasan’i Jehovah. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny mpiray finoana taminy: “Ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina”. (1 Korintiana 13:12) Soritra ankapobe no hita taratra amin’izany fitaratra izany fa tsy ny tsipiriany rehetra. Mbola atỳ aoriana vao tena ho azo tsara ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra.
ireo, miampy ny Soratra Hebreo, no mahaforona manontolo ireo boky ekena ho anisan’ny Baiboly. Noho ny fanampian’io fitambaram-boky ara-tsindrimandry io, dia azon’ireo Kristianina ‘nofantarina tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halalin’ny fahamarinana’. (9. Inona no fahazavana ara-panahy takatra mandritra ny “andro farany”?
9 Miaina amin’ny “andro mahory” isika ankehitriny. (2 Timoty 3:1) Efa nilaza i Daniela mpaminany fa “hitombo ny fahalalana” mandritra izao “andro farany” izao. (Daniela 12:4) Noho izany, dia nanampy ireo olona tso-po hahatakatra ny hevitry ny Teniny, i Jehovah, ilay Mpampita Hevitra Lehibe. Maro be ankehitriny no mahatakatra fa nomena fiandrianana tany an-danitra i Kristy Jesosy tamin’ny 1914. Fantatr’izy ireo koa fa hamarana tsy ho ela ny faharatsiana rehetra izy, ary hanova ny tany manontolo ho paradisa. Torina maneran-tany ankehitriny izany lafiny lehibe amin’ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana izany.—Matio 24:14.
10. Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona nanoloana ny torohevitr’i Jehovah, nandritra ireo taonjato?
10 Eny, nanambara ny sitrapony sy ny fikasany tamin’ny olona tetỳ an-tany i Jehovah nandritra ny tantara manontolo. Misy olona maro nihaino sy nampihatra ny fahendren’Andriamanitra ka nandray soa avy tamin’izany, voalaza ao amin’ny Baiboly. Resahina ao koa ireo olon-kafa izay nanda ny torohevitra feno fitiavan’Andriamanitra, ka nanaraka ny lalana nampidi-doza narahin’i Adama sy i Eva. Nanome ohatra momba izany i Jesosy rehefa niresaka ny amin’ny lalana roa ara-panoharana. Mitarika ho amin’ny fandringanana ny lalana iray. Lehibe sy malalaka izy io ka ireo olona maro be mandà ny Tenin’Andriamanitra no manaraka azy io. Ilay lalana iray hafa kosa mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Na dia tery aza izy io, dia io no lalana arahin’ireo olom-bitsy manaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra ary miaina mifanaraka amin’izany.—Matio 7:13, 14.
Ankasitrahantsika izay ananantsika
11. Manaporofo inona ny fahalalantsika ny Baiboly sy ny finoantsika azy io?
11 Anisan’ireo nifidy ny lalana mankany amin’ny fiainana ve ianao? Raha izany no izy, dia tsy isalasalana fa tsy maniry hiala amin’io lalana io ianao. Ahoana no ahafahanao manao izany? Saintsaino tsy tapaka ny soa noraisinao teo amin’ny fiainanao, noho ny fahafantaranao ireo fahamarinana ara-baiboly, ary mahaiza mankasitraka rehefa manao izany. Efa porofon’ny fitahian’Andriamanitra anao na dia ny nandraisanao tsara ny vaovao tsara fotsiny aza. Nampiseho izany i Jesosy rehefa nivavaka tamin-dRainy nanao hoe: “Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika.” (Matio 11:25) Ny mpanjono sy ny mpamory hetra no nahatakatra ny fampianaran’i Jesosy, fa tsy ireo mpitarika ara-pivavahana nahita fianarana ambony. Hoy koa i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy”. (Jaona 6:44) Raha nanjary nahafantatra ny Baiboly ianao, ary mino sy manaraka izay ampianariny, dia porofo izany fa notaomin’i Jehovah ianao. Antony ifaliana izany.
12. Amin’ny fomba ahoana avy no hoe manome fahazavana ara-panahy ny Baiboly?
Ezekiela 18:4) Manampy antsika tsy hifandray amin’ny maty ny fahafantarana ny marina momba ireo anjely ratsy. Mampionona ireo namoy havan-tiana tao amin’ny fahafatesana ny fampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty. (Jaona 11:25) Asehon’ny faminanian’ny Baiboly amintsika hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana, ary ataony izay hahatonga antsika hatoky ny fampanantenan’Andriamanitra amin’ny hoavy. Manamafy ny fanantenantsika hiaina mandrakizay koa ireny faminaniana ireny.
12 Mirakitra fahamarinana manafaka ny olona ny Tenin’Andriamanitra, ary manome fahazavana ara-panahy. Afaka tamin’ny finoanoam-poana sy ny fampianaran-diso ary ny tsy fahalalana izay hita eo amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro, ireo miaina mifanaraka amin’ny fahalalana ao amin’ny Baiboly. Manafaka antsika amin’ny tahotra sao ampijalin’ireo maty na ny tahotra sao mijaly ireo havan-tiantsika nodimandry, ohatra, ny fahafantarana ny marina momba ny fanahy. (13. Amin’ny ahoana no mitondra soa ara-batana ho antsika ny fanarahana ny Tenin’Andriamanitra?
13 Mampianatra antsika hanana fomba fiaina izay mitondra soa ara-batana ny zavatra takin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Mianatra manalavitra ireo fanao mandoto ny vatantsika isika, ohatra, toy ny fifohana sigara sy fihinanana paraky ary ny fampiasana zava-mahadomelina hafa. Manalavitra ny fisotroana tafahoatra isika. (2 Korintiana 7:1) Miaro amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ny fanarahana ny lalàn’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. (1 Korintiana 6:18) Rehefa arahintsika ny torohevitr’Andriamanitra mba tsy ho tia vola, dia tsy afointsika noho ny fikatsahana harena ny fiadanan-tsaina ananantsika, toy ny ataon’ny olona maro. (1 Timoty 6:10) Tamin’ny fomba ahoana avy no nandraisanao soa ara-batana noho ny fampiharanao ny Tenin’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao?
14. Inona no herin’ny fanahy masina eo amin’ny fiainantsika?
14 Raha miaina mifanaraka amin’ny Tenin’Efesiana 4:24, 32) Mamokatra voa ao amintsika koa ny fanahin’Andriamanitra, dia ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. (Galatiana 5:22, 23) Ireo toetra ireo no mampisy fifandraisana mahafinaritra sy sarobidy amin’ny hafa, anisan’izany ny fianakaviana. Mahazo hery anaty isika, ka izany dia manampy antsika hiatrika zava-tsarotra amin-kerim-po. Hitanao ve hoe tamin’ny fomba ahoana no nanana heriny tsara teo amin’ny fiainanao ny fanahy masina?
Andriamanitra isika, dia mahazo ny fanahy masin’i Jehovah. Miezaka isika hanana ny toetran’i Kristy izay miavaka sy manintona tokoa noho ny famindram-po sy ny fangoraham-po. (15. Inona no soa raisintsika rehefa miaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika?
15 Manatanjaka ny fifandraisantsika amin’i Jehovah isika rehefa miaina mifanaraka amin’ny sitrapony. Vao mainka isika resy lahatra fa mahatakatra ny mahazo antsika izy, ary tia antsika. Tsapantsika avy amin’ny zavatra diavintsika eo amin’ny fiainana fa manohana antsika ao anatin’ny sarotra izy. (Salamo 18:18) Hitantsika fa tena mihaino ireo vavaka ataontsika izy. (Salamo 65:2) Manjary miantehitra amin’ny tari-dalany isika, ary matoky fa hahasoa antsika izany. Ary manana ny fanantenana mahatalanjona isika fa amin’ny fotoana mety, dia hataon’Andriamanitra lasa lavorary ireo olony mahatoky, ary homeny fiainana mandrakizay. (Romana 6:23) “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy”, hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra. (Jakoba 4:8) Tsapanao ve fa nihanatanjaka ny fifandraisanao tamin’i Jehovah rehefa nanatona azy ianao?
Harena tsy roa aman-tany
16. Fiovana inona avy no nataon’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany?
16 Nampahatsiahivin’i Paoly ny Kristianina voahosotry ny fanahy tamin’ny taonjato voalohany fa mpijangajanga, mpanitsakitsa-bady, lehilahy miray amin’ny lehilahy, mpangalatra, matimatin-karena, mpimamo, sy mpanaratsy ary mpanao an-keriny, ny sasany tamin’izy ireo taloha. (1 Korintiana 6:9-11) Nampiova be azy ireo ny fahamarinana ara-baiboly; “voasasa” izy ireo. Andramo alaina sary an-tsaina izay ho fiainanao raha toa ianao tsy nianatra ilay fahamarinana mpanafaka hita ao amin’ny Baiboly. Tena harena tsy roa aman-tany tokoa ny fahamarinana. Sambatra erỳ isika fa mampita hevitra amintsika i Jehovah!
17. Ahoana no amahanana ara-panahy ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny fivoriana kristianina?
17 Eritrereto koa ireo fitahiana azontsika eo anivon’ny fianakavian’ny mpirahalahy samy hafa firazanana! Manome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, anisan’izany ny Baiboly sy gazety ary zavatra vita an-tsoratra hafa amin’ny fiteny maro be. (Matio 24:45-47) Nandritra ireo fivorian’ny kongregasiona tamin’ny taona 2000, dia Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maro no nandinika indray izay hevitra misongadina avy tao amin’ny boky lehibe valo ao amin’ny Soratra Hebreo. Nahasoa azy ireo ny fisaintsainana ireo fampianarana ara-baiboly maro tao amin’ilay bokikely hoe Foto-dresaka Ara-baiboly. Nandinika ny ampahefatry ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany izy ireo, sy ilay boky hoe Diniho ny Faminanian’i Daniela!, efa ho izy manontolo. Ankoatra ny lahatsoratra fianarana 52 avy tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, dia nandinika lahatsoratra fanampiny 36 koa izy ireo. Ankoatra izany, dia nahazo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana niisa 12 izy ireo ary lahateny ho an’ny besinimaro mahakasika foto-kevitra ara-baiboly isan-karazany, isan-kerinandro. Izany ka fanomezana fahalalana ara-panahy tondraka!
18. Inona avy no fanampiana raisintsika ao amin’ny kongregasiona kristianina?
18 Maneran-tany, dia maherin’ny 91 000 ny kongregasiona manohana sy mampahery amin’ny alalan’ireo fivoriana sy ny fiarahana. Eo koa ny fanohanan’ireo Kristianina matotra hafa izay vonona hanampy antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy. (Efesiana 4:11-13) Eny, tena mahasoa antsika tokoa ny fahalalana ny fahamarinana. Mahafaly ny mahafantatra sy manompo an’i Jehovah. Marina tokoa ireto teny nosoratan’ny mpanao salamo ireto: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.”—Salamo 144:15.
Tadidinao Ve?
• Iza no nampitan’i Jehovah hevitra, talohan’ny Kristianisma?
• Tamin’ny fomba ahoana no nampamirapiratana kokoa ny hazavana ara-panahy tamin’ny taonjato voalohany? Ary amin’ny andro ankehitriny?
• Inona avy ireo fitahiana azo rehefa miaina mifanaraka amin’ny fahalalana an’i Jehovah?
• Nahoana isika no faly noho ny fahalalantsika an’Andriamanitra?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 8, 9]
Nanambara ny sitrapony tamin’i Mosesy sy i Noa ary i Abrahama, i Jehovah
[Sary, pejy 9]
Mampahazava ny Teniny i Jehovah, amin’ny androntsika
[Sary, pejy 10]
Eritrereto ny fitahiana azontsika eo anivon’ny fianakavian’ny mpirahalahy samy hafa firazanana!