Nozahanay Toetra i Jehovah
Tantaram-piainana
Nozahanay Toetra i Jehovah
NOTANTARAIN’I PAUL SCRIBNER
“Manao ahoana Madama Stackhouse. Mandray komandin’ny gatôn’ny Paka aho androany maraina, ka inoako fa ho tianao raha hanaovana iray ny fianakavianao.” Fiandohan’ny lohataona 1938 tamin’izay, ary tany Atco, New Jersey, Etazonia aho, niresaka tamin’ny iray amin’ireo client mahafatra-po indrindran’ny mpanao mofo niasako. Taitra aho fa tsy nety nanao komandy i Madama Stackhouse.
“TSY dia mahaliana ahy loatra izany”, hoy izy, “satria tsy mankalaza Paka izahay.”
Inona intsony no holazaiko? Tsy mankalaza Paka hoe? Mazava ho azy fa ny client foana no tompon’ny teny farany. Inona àry no hatao? “Tena gatô tsara ange izy io e! Ary fantatro fa tianao ny gatônay”, hoy aho nanohy ny teniko, sady natahotra ihany. “Tsy mety ho tianareo mianakavy ihany ve izy io, na dia hmm... tsy mankalaza Paka aza ianareo?”
“Aan!”, hoy indray izy, “fa misy zavatra tiako holazaina anao Ramose Scribner, ary izao angamba no fotoana mety ilazana azy io.” Nanova ny fiainako manontolo io resaka io! Niaraka tamin’ny kompania, na kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Berlin, any New Jersey, i Madama Stackhouse. Nohazavainy ny niavian’ny Paka, ary nomeny bokikely telo aho, dia ilay hoe Voaro, Voala Sarona, ary Fiarovana (anglisy). Nentiko tany an-trano izy ireo, ary nahaliana ahy ihany, na dia natahotra kely aza aho. Toa zavatra efa reko tamin’izaho mbola kely no nolazain’i Madama Stackhouse.
Fifaneraserana voalohany tamin’ny Mpianatra ny Baiboly
Teraka tamin’ny 31 Janoary 1907 aho, ary matin’ny kansera i Dada, tamin’ny 1915, raha vao valo taona monja aho. Noho izany, dia lasa niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniny tany
Malden, Massachusetts, tao amin’ny tranobe iray, izahay sy i Mama. Nipetraka tao amin’ny rihana fahatelo tao koa i Benjamin Ransom, dadatoako, sy ny vadiny. Niaraka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, i Dadatoa Ben, nanomboka tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19. Niraiki-po be tamin’i Dadatoa Ben aho, na dia noheverin’ny fianakavian’i Mama, izay Metodista, ho hafahafa aza izy. Talohan’ny nisarahan’izy ireo, dia nataon’ny vadin’i Dadatoa Ben izay hampidirana azy vetivety tany amin’ny trano fitsaboana marary saina, noho ny fivavahany! Navoakan’ireo mpitsabo i Dadatoa Ben, satria hitan’izy ireo avy hatrany fa olona salama saina tsara izy. Niala tsiny taminy, izy ireo.Nentin’i Dadatoa Ben ho any amin’ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena tany Boston aho, indrindra fa rehefa nisy mpandahateny mpitsidika, na fisehoan-javatra manokana. Indray mandeha, dia i Charles Taze Russel, mpiandraikitra ny asa fitoriana tamin’izany andro izany, mihitsy no mpandahateny mpitsidika. Indray mandeha koa, dia ny fampisehoana ny “Photo-Drame de la création” no fisehoan-javatra manokana. Na dia tamin’ny 1915 aza izany, dia mbola mazava ato an-tsaiko foana ny sarin’i Abrahama mitondra an’Isaka ho any an-tendrombohitra mba hatao fanatitra. (Genesisy toko 22) Toa mbola hitako i Abrahama, natoky tanteraka an’i Jehovah, sy Isaka, miara-mananika an’ilay tendrombohitra sady mitondra kitay. Nampiaiky volana ahy mihitsy izany, satria kamboty ray aho.
Nifindra tany Maine i Dadatoa Ben sy ny vadiny avy eo, ary nanambady indray i Mama, ka nifindra tany New Jersey izahay. Noho izany, dia tsy hitako nandritra ny fotoana ela be i Dadatoa Ben. Nihaona tamin’i Marion Neff, anisan’ireo ankizy valo tao amin’ny fianakaviana presbyterianina iray aho, tamin’izaho zatovo. Tiako ny niaraka tamin’io fianakaviana io, ary niaraka tamin’izy ireo sy ny tanora tany am-piangonany foana aho saika isan’alahady hariva, ka lasa presbyterianina koa, nony farany. Mbola tadidiko foana anefa ny sasany tamin’ireo zavatra nianarako tany amin’ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly. Nivady izahay sy i Marion tamin’ny 1928, ary teraka tamin’ny 1935 sy 1938 i Doris sy i Louise, zanakay. Samy nahatsiaro ho nila fitarihana ara-panahy hitondranay ny ankohonanay izahay izao manan-janaka kely izao.
Nahita ny fahamarinana tao amin’ireo bokikely
Nitady fiangonana hivavahana izahay sy i Marion, ka nanao fandaharana toy izao: Nifandimby izahay isan’alahady, ka ny iray niandry ny ankizy tao an-trano, fa ny iray kosa nitady fiangonana. Anjaran’i Marion ny nijanona tao an-trano indray mandeha, nefa naleoko niandry ny ankizy, mba hahafahako hamaky ilay bokikely hoe Voaro, iray tamin’ireo bokikely telo nomen’i Madama Stackhouse ahy. Tsy nety nijanona intsony aho rehefa nanomboka namaky azy io! Nanjary niaiky hatrany aho fa nahita zavatra tsy ananan’ny fiangonana na iza na iza. Mbola toy izany koa ny herinandron’iny. Vonona hiandry ny ankizy aho, mba hahafahako hamaky ilay bokikely faharoa hoe Voala Sarona. Toa efa fantatro izay novakiko. Io ve no ninoan’i Dadatoa Ben? Noheverin’ny fianakavianay ho fivavahan’adala ny azy. Dia ahoana izao ny hevitr’i Marion? Tsy nila nanahy ny amin’izany aho, satria rehefa avy niasa aho, andro vitsivitsy taorian’ny namakiako an’ilay hoe Voala
Sarona, dia nanaitra ahy i Marion, rehefa niteny hoe: “Novakiko ireo bokikely nentinao. Mahaliana ireo bokikely ireo an!” Afaka tamin’izay ny tahotro!Nisy fanazavana momba ilay boky hoe Fahavalo (anglisy), ao amin’ny faran’ireo bokikely. Navoaka vao haingana izy io, ary manatsinkafona ny fahadisoan’ny fivavahan-diso. Nataonay izay hahazoana azy io. Mbola tsy lasa akory anefa ny taratasy fanafaranay, dia nisy Vavolombelona nandondòna tao aminay, ka nanolotra io boky io mihitsy. Nanampy anay hanapa-kevitra io boky io! Tsy nitady fiangonana intsony izahay, fa nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny kompanian’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Camden, New Jersey. Volana vitsivitsy monja tatỳ aoriana, tamin’ny alahady 31 Jolay 1938, dia nisy 50 teo ho eo izahay no nihaino diska misy lahatenin’ny batisa nataon’i Rutherford, teo an-tokotanin’i Madama Stackhouse, tao amin’ilay trano saika nivarotako gatôn’ny Paka mihitsy. Avy eo dia nisolo akanjo tao an-trano ny 19 taminay, ary natao batisa teo amin’ny renirano kely teo akaiky teo.
Tapa-kevitra ny ho mpisava lalana
Nisy anabavy iray tao amin’ny kompania niresaka tamiko momba ny mpitory atao hoe mpi
sava lalana, izay manao ny fanompoana ny besinimaro ho asany lehibe indrindra. Nahaliana ahy avy hatrany izany, ka tsy ela aho dia nahafantatra fianakaviana iray mpisava lalana daholo. Mpisava lalana tao amin’ny kongregasiona iray teo akaiky teo ny rahalahy be taona iray, dia ny Rahalahy Konig sy ny vadiny ary ny zanany vavy efa lehibe. Tena nampiaiky volana ahy izay raim-pianakaviana tanora ny fifaliam-be tsapan’ny fianakavian’i Konig teo amin’ny fanompoana. Matetika aho no nandalo kely tany amin-dry zareo tamin’ny fiara fitondrako gatô, ary niara-nanao isan-trano tamin’izy ireo. Tsy ela dia naniry ho mpisava lalana koa aho. Ahoana anefa no hanaovako izany? Manan-janaka kely roa izahay sy i Marion, ary maka fotoana be ny asako. Nanomboka tamin’izay mantsy ny Ady Lehibe Faharoa tany Eoropa, ary nihamaro hatrany ny tovolahy nanao miaramila teto Etazonia, ka nitombo ny asan’ireo tsy nanao miaramila. Nampirisihina aho mba hampitombo ny lalam-barotro, ary fantatro fa tsy ho afaka hanao mpisava lalana mihitsy aho raha manao izany.Noresahiko tamin’ny Rahalahy Konig ny faniriako ho mpisava lalana, ka hoy izy: “Tohizo fotsiny ny asa mafy eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary resaho aminy amin’ny vavaka foana ny zava-kendrenao. Hanampy anao hanatratra izany izy.” Izany foana no nataoko nandritra ny herintaona mahery. Matetika aho no nieritreritra andinin-teny toy ny Matio 6:8, izay manome toky fa fantatr’i Jehovah izay ilaintsika, na dia mbola tsy angatahintsika aza. Niezahako foana koa ny nanaraka ny Matio 6:33, izay manoro hevitra ny hikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Nampahery ahy koa ny Rahalahy Melvin Winchester, mpikarakara ny zaonina (na mpiandraikitra ny fizaran-tany).
Noresahiko tamin’i Marion ny zava-kendreko. Noresahinay ny Malakia 3:10, izay mampirisika antsika hizaha toetra an’i Jehovah, ka hahita fa handrotsaka fitahiana ho antsika izy. Nampahery ahy ny valin-teniny: “Aza atao manakana anao tsy hanao mpisava lalana aho, raha izay no tianao hatao. Afaka mikarakara ny ankizy aho rehefa mpisava lalana ianao. Tsy mila zavatra ara-nofo betsaka koa ange isika e!” Efa fantatro fa mpikarakara tokantrano mahay mitsitsy sy mitandrina i Marion, satria efa 12 taona no nivadianay. Mpisava lalana namako nandritra ny efa ho 60 taona izy izao, ary anisan’ny nahatonga anay hahomby tamin’ny fanompoana manontolo andro ny fahaizany mianina amin’ny kely ananana nefa manao azy io ho toy ny zavatra betsaka.
Nandamin-javatra sy nivavaka izahay, sady nanangom-bola kely nandritra ny volana maro, ka afaka nividy tranofiara mirefy dimy metatra sy sasany hipetrahanay mianakavy, tamin’ny fahavaratry ny 1941. Niala tamin’ny asako aho ary nanomboka nanao mpisava lalana maharitra tamin’ny Jolay 1941 ka mbola mpanompo manontolo andro hatramin’izao. Ny faritaniko voalohany dia fijanonan’ny aotobisy folo teo amin’ny Lalana Faha-50, anelanelan’i New Jersey sy St. Louis, Missouri, izay hanaovana ny fivoriambenay tamin’ny fiandohan’ny Aogositra. Nomena ahy ny anarana sy ny adiresin’ny rahalahy nipetraka tamin’ireo lalana ireo, ka nanoratra mialoha aho nilaza ny fandalovako. Tokony hitady ny biraon’ny mpisava lalana aho rehefa tonga any amin’ny fivoriambe, mba hahazo faritany vaovao.
“Hozahako toetra i Jehovah”
Nofenoinay boky tao anatin’ny tranofiaranay rehefa hamonjy ny fivoriana farany tao Camden izahay, mba hanao veloma an’ireo rahalahy. Toa noheverin’ireo rahalahy sasany ho tsy azo notanterahina ny fikasanay, satria nanan-janaka kely roa izahay sady mbola tsy fantatra izay halehanay aorian’ny fivoriambe. Maro tamin’izy ireo no nilaza hoe: “Mandra-pihaona vetivety e!” Namaly azy ireo aho hoe: “Tsy hilaza aloha aho hoe tsy hiverina e! Hozahako toetra i Jehovah, satria nilaza izy fa hikarakara ahy.”
Efa 60 taona izao no nanaovanay mpisava lalana tamin’ny tanàna 20 avy any Massachusetts ka hatrany Mississippi, ka afaka milaza izahay fa tena nanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah. Tsy izay ihany fa mihoatra noho izay rehetra azonay nantenaina tamin’ny 1941 ny fitahiana narotsak’i Jehovah tamiko sy tamin’i Marion ary tamin’ireo zanakay. Anisan’izany ny hoe mpisava lalana nahatoky tao amin’ny kongregasiona teo akaiky ireo zanakay ary araka ny isa farany dia manan-janaka ara-panahy 100 eo ho eo manerana ny Morontsiraka Atsinanan’i Etazonia, izahay. Nisy 52 tamin’ireo olona nampianariko no nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah Andriamanitra, ary 48 ny an’i Marion.
Nandeha tany St. Louis izahay tamin’ny Aogositra 1941, ka nihaona tamin’ny Rahalahy T. J. Sullivan, avy any amin’ny Betela. Nitondra ny taratasy fanokanana ahy izy. Tena nilaiko izy io satria efa nananontanona ny ady sy ny fiantsoana ahy ho miaramila. Nolazaiko tamin’ny Rahalahy Sullivan fa mitovy ny fotoana laninay mivady amin’ny fanompoana, ary maniry ny hiara-manao mpisava lalana amiko izy. Na dia mbola tsy nisy biraon’ny mpisava lalana aza tamin’ilay fivoriambe, dia nosoniavin’ny Rahalahy Sullivan teo no ho eo ny taratasy fanendrena an’i Marion, ary nanontany anay izy hoe: “Aiza ianareo no hanao mpisava lalana aorian’ny fivoriambe?” Mbola tsy fantatray izany, ka hoy izy: “Aza manahy ny amin’izany, fa hihaona amin’ny olona manana faritany ilana mpisava lalana ianareo atỳ amin’ny fivoriambe, ka ho voavaha izay olana izay. Manorata fotsiny dia lazao aminay hoe lasa aiza ianareo, ka hotendrenay.” Dia izay tokoa no nitranga. Nahafantatra olona tany New Market, Virginie, ny Rahalahy Jack DeWitt, mpikarakara ny zaonina taloha. Nanana tranon’ny mpisava lalana ireo olona ireo, ary nila mpisava lalana maromaro. Nankany New Market àry izahay, rehefa vita ny fivoriambe.
Nisy fifaliana tsy nampoizinay tany New Market. Iza moa ilay avy any Philadelphie tonga hanampy anay amin’ny asan’ny mpisava lalana, fa tsy i Benjamin Ransom! I Dadatoa Ben. Namafy ny voan’ny fahamarinana tato am-poko izy, 25 taona mahery lasa izay, tany Boston, ary tena fifaliana tokoa ny miara-manompo isan-trano aminy izao! Tsy very mihitsy ny fitiavan’i Dadatoa Ben an’i Jehovah sy ny fanompoana, na dia tsy niraharaha sy naneso ary nanenjika azy aza ny fianakaviana.
Nijanona valo volana tao amin’ny tranon’ny mpisava lalana tao New Market izahay. Anisan’ny nianaranay tamin’izany ny nanakalo boky sy gazety tamin’ny akoho sy atody. Avy eo dia notendrena ho mpisava lalana manokana tany Hanover, Pennsylvanie, izahay mivady sy i Dadatoa Ben ary ny olona telo hafa. Io no fanendrena voalohany tamin’ireo enina azonay tany Pennsylvanie tamin’ny 1942 ka hatramin’ny 1945.
Mpisava lalana manokana nandritra ny Ady Lehibe Faharoa
Nisy fotoana nanenjehana anay tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, noho izahay tsy nandray anjara tamin’ny ady. Nanohana anay foana anefa i Jehovah. Simba ny fiaranay, indray mandeha, tany Provincetown, Massachusetts, ka voatery nandeha an-tongotra kilaometatra maromaro, namakivaky tanàna feno Katolika mpanenjika, aho mba hanao fiverenana mitsidika. Nandalo andian-jiolahimboto aho. Fantatr’izy ireo aho, ka nanomboka niantsoantso izy ireo. Nihazakazaka aho, sady henoko nandalo teo amin’ny sofiko ny vato, ary nanantena fa tsy hanenjika ahy izy ireo. Tonga soa aman-tsara tao an-tranon’ilay olona liana ihany aho. Niala tsiny toy izao anefa ilay tompon-trano, izay manam-pahefana tao amin’ny Tafika Amerikanina: “Tsy afaka mandray anao aho androany, satria hadinoko fa handeha hijery sinema any an-tanàna izahay.” Natahotra mafy aho, satria fantatro fa miandry ahy hiverina ireo mpitora-bato. Faly tampoka anefa aho rehefa nilaza ilay lehilahy hoe: “Maninona moa raha miara-mivoaka aminay ianao, dia eny an-dalana isika miresaka e?” Afaka nanao fanambarana taminy ihany aho, sady tsy nisy nitora-bato.
Fianakaviana sy fanompoana
Nahazo fanendrena maro tany Virginie izahay, taorian’ny ady, ka anisan’izany ny valo taona nanaovanay mpisava lalana manokana sy maharitra teto Charlottesville. Lehibe sy nanambady ireo zanakay vavy tamin’ny 1956, ary nanomboka nandeha indray izahay sy i Marion, nanao mpisava lalana tany Harrisonburg, Virginie, sy nanao mpisava lalana manokana tany Lincolnton, Caroline Avaratra.
Notendrena ho mpiandraikitra ny fizaran-tany aho tamin’ny 1966, ka nitety kongregasiona sy nampahery ny rahalahy, toy ny nataon’ny Rahalahy Winchester tamiko tany New Jersey tamin’ireo taona 1930. Nitsidika ireo kongregasiona tany Tennessee aho, nandritra ny roa taona. Avy eo dia nasaina niverina tamin’ny fanompoana tianay indrindra izahay sy i Marion, dia ny fanompoan’ny mpisava lalana manokana. Nanao izany tany Deep South, ampitan’i Géorgie sy i Mississippi, izahay tamin’ny 1968 ka hatramin’ny 1977.
Notendrena ho mpiandraikitra ny kongregasiona (mpiandraikitra mpitantan-draharaha amin’izao fotoana) aho, tany Eastman, Géorgie, mba hisolo rahalahy be taona iray izay mpiandraikitra ny fizaran-tany nandritra ny taona maro, kanefa naOhabolana 3:5, 6, manao hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Noho ny ezaka mafy mba hifampiresahana tsara hatrany dia tafaray indray ilay kongregasiona, ary nandray soa ny rehetra.
njary tsy salama be. Nahafinaritra fa nahay nankasitraka sy nanohana izy. Zava-dehibe izany satria nisy tsy fifanarahana tao amin’ny kongregasiona, ary nisy nanana andraikitra tafiditra tamin’izany. Nihanafana ilay raharaha, ka imbetsaka aho no nivavaka tamin’i Jehovah. Tsaroako ny andinin-teny toy nyNanomboka nihaosa izahay tamin’ny 1977, ka notendrena indray ho eto amin’ny faritr’i Charlottesville, toerana ipetrahan’ireo zanakay vavy miaraka amin’ny fianakaviany avy. Faly niasa teto izahay nandritra ireo 23 taona farany, satria nanampy tamin’ny famoronana ny kongregasiona tao Ruckersville sy i Virginie, ary nahita ny zanaka sy zafikelin’ireo mpianatray voalohany tonga anti-panahin’ny kongregasiona, na mpisava lalana, na Betelita. Mbola manaraka fandaharam-panompoana tsara ihany izahay sy i Marion, ary anti-panahin’ny Kongregasiona Atsinanana eto Charlottesville aho, ka mitarika fianarana ny boky sy manao lahateny ho an’ny besinimaro.
Nahita zava-manahirana toy ny rehetra izahay, nandritra ny fiainanay. Na dia niezaka aza, ohatra, izahay, dia nisy fotoana nahaosa ara-panahy an’i
Doris tamin’izy zatovo, ka lasa nanambady olona tsy Vavolombelona izy. Tsy nanary tanteraka ny fitiavany an’i Jehovah anefa izy, ka nanompo nandritra ny 15 taona tao amin’ny Betela any Wallkill, New York, i Bill zanany. Samy maty vady i Doris sy i Louise izao, nefa faly manao mpisava lalana maharitra ao amin’ny kongregasiona eto akaikinay.Fianarana noraisina
Nianarako foana ny hampihatra fitsipika tsotra vitsivitsy mba hahombiazana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah: Tsory foana ny fiainanao. Ataovy fakan-tahaka foana ny fitondran-tenanao, na dia amin’ny fiainanao manokana aza. Ampiharo amin’ny zava-drehetra ny toromariky ny “mpanompo mahatoky sy malina”.—Matio 24:45, NW.
Ireto misy fanipazan-kevitra fohy nefa mandaitra nosoratan’i Marion, mba hanaovana mpisava lalana na dia mitaiza aza: Manaova fandaharam-potoana voalanjalanja, ary araho izany. Ataovy tena asanao ny fanompoan’ny mpisava lalana. Mihinàna sakafo mahasalama. Mialà sasatra tsara. Aza atao be loatra ny fialam-boly. Ataovy izay hahitan’ny zanakao fa mahafinaritra ny fiainana mifanaraka amin’ny fahamarinana sy ny lafim-panompoana rehetra. Ataovy mahaliana azy ireo foana ny fanompoana.
Efa samy 90 taona mahery izahay izao. Efa 62 taona izay no lasa hatramin’ny nihainoanay ny lahatenin’ny batisanay teo an-tokotanin’i Madama Stackhouse, ary efa nandany 60 taona tamin’ny fanompoana manontolo andro izahay. Afaka milaza izahay sy i Marion fa tena afa-po tanteraka tamin’ny fiainanay izahay. Tena velom-pankasitrahana aho noho ny fampaherezana azoko tamin’izaho vao nanan-janaka, mba hametraka ny tanjona ara-panahy ho eo amin’ny toerana voalohany sy hanatratra izany. Isaorako koa ny fanohanan’i Marion vady malalako sy ireo zanakay vavy, tao anatin’ireo taona maro lasa. Na dia tsy manankarena ara-nofo aza izahay, dia matetika aho no mampihatra ny Mpitoriteny 2:25 amin’ny tenako, manao hoe: “Fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?”
Tena nanatanteraka ny fampanantenany ao amin’ny Malakia 3:10 taminay tokoa i Jehovah. ‘Nampidina fitahiana manana amby ampy ho anay’ tokoa izy.
[Efajoro/Sary, pejy 29]
FAHATSIAROVANA NY ANDRON’NY ADY
Mbola tsaroanay mianakavy tsara ny zava-nitranga tamin’ny ady, na dia efa ho 60 taona lasa aza izany.
“Nangatsiaka i Pennsylvanie”, hoy i Doris. “Ary 30 degre ambanin’ny zero izany indray alina”. Hoy koa i Louise: “Nifampiampofo izahay sy i Doris tao amin’ny seza tao aoriana tamin’ny fiaranay, mba hanafanana ny tongotray.”
“Tsy nahatsiaro ho nahantra sy nafoy mihitsy anefa izahay”, hoy i Doris. “Nifindra monina matetika kokoa noho ny ankamaroan’ny olona izahay, nefa nisakafo tsara foana izahay, ary nahazo akanjo tsara avy tamin’ny namanay manan-janaka vavy zokinay kely fotsiny, avy tany Ohio.”
“Nasehon’i Dada sy i Mama foana fa tiany sy maminy izahay”, hoy i Louise, “ary miara-manompo amin’izy ireo foana izahay. Nanjary tsapanay fa akaiky azy ireo tokoa izahay.”
“Nanana fiara Buick Special 1936 aho”, hoy i Paul, ary nalaza ho mora simba ny axes tamin’izy ireny. Natanjaka loatra ho an’ilay fiara manontolo angamba ny maotera. Matetika no toa tamin’ny alina mangatsiaka indrindra no simba ilay izy, ary lasa indray aho nitady axe vaovao tany amin’ny toerana misy fiara tonta. Lasa nikoizana tamin’ny fanoloana axe aho.”
“Tadidiko koa ny karatra fahazoana entana”, hoy i Marion. “Voafetra daholo ny zava-drehetra: hena, lasantsy, pne, ny zava-drehetra mihitsy. Isaky ny mifindra faritany izahay, dia tsy maintsy mankany amin’ny birao teo an-toerana mba hangataka karatra fahazoana entana. Mety ho volana maromaro vao ho azo izany, ary toa isaky ny mba azonay ny karatray, dia mahazo faritany vaovao indray izahay, ary voatery mamerina mangataka indray toy ny teo. Nikarakara anay foana anefa i Jehovah.”
[Sary]
Izaho sy i Marion miaraka amin’i Doris (ankavia) sy i Louise, 2000
[Sary, pejy 25]
Izaho 11 taona, miaraka amin’i Neny, 1918
[Sary, pejy 26]
Izahay sy i Louise sy i Marion ary i Doris, tamin’ny batisan’izy mirahavavy, 1948
[Sary, pejy 26]
Sary mariazinay, Oktobra 1928
[Sary, pejy 26]
Izaho (eo afovoany) sy ny zanakay, Yankee Stadium, 1955