Moa ve Ianao Manana Fanahy Tsy Mety Maty?
Moa ve Ianao Manana Fanahy Tsy Mety Maty?
“IZAY soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (2 Timoty 3:16) Eny, bokim-pahamarinana avy amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, ny Baiboly.—Salamo 83:18.
Koa satria i Jehovah no Mpamorona ny zava-drehetra, anisan’izany ny olombelona, dia fantany tsara izay mitranga amintsika rehefa maty isika. (Hebreo 3:4; Apokalypsy 4:11) Nomeny valiny marina sy mahafa-po ireo fanontaniana momba ny any ankoatra. Hita izany ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry, dia ny Baiboly.
Inona moa ny fanahy?
Ny hevitra fototry ny teny nadika hoe “fanahy” ao amin’ny Baiboly, dia “fofon’aina”. Tsy hoe misefo fotsiny anefa izany. Nilaza, ohatra, i Jakoba mpanoratra ny Baiboly hoe: “Maty ny tena, raha tsy misy fanahy”. (Jakoba 2:26) Ny fanahy àry no mamelona ny vatana.
Tsy mety ho ny fofon’aina, na ny rivotra, mivoaka sy miditra ao amin’ny havokavoka fotsiny akory io hery mamelona io. Fa nahoana? Satria rehefa mitsahatra ny fisefoana, dia mbola misy aina ihany ao amin’ny selan’ny vatana mandritra ny fotoana fohy—“mandritra ny minitra maromaro”, araka ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy). Izany no ahafahana mamelona olona iray noheverina fa maty. Raha vantany vao maty anefa ilay tselatr’aina ao amin’ireo selan’ny vatana, dia very maina ny ezaka rehetra hamelomana ilay olona indray. Tsy afaka mamelona indray na dia sela iray aza, ny fofon’aina na ny rivotra rehetra eo amin’izao tontolo izao. Ny fanahy àry dia ny herim-piainana tsy hita maso—ny tselatr’aina mihazona ireo sela sy ilay olona ho velona. Ny fofon’aina no mitana io herim-piainana io.—Joba 34:14, 15.
Ao amin’ny olombelona ihany ve no iasan’io fanahy io? Manampy antsika hanatsoaka hevitra marina momba izany ny Baiboly. Niaiky i Solomona Mpanjaka hendry fa samy manana fanahy na ny olombelona na ny biby, ka nanontany izy hoe: “Iza no mahalala ny fanahin’ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin’ny biby, na midina amin’ny Mpitoriteny 3:19-21) Voalaza àry fa manana fanahy na ny biby na ny olona. Ahoana no hetezan’izany?
tany izy, na tsia?” (Azo ampitahaina amin’ny herinaratra mandeha ao amin’ny milina na fitaovana elektrika iray, ny fanahy na herim-piainana. Afaka manao asa maro samihafa ilay herinaratra tsy hita maso, arakaraka ilay fitaovana ampiasana azy. Ny fatana elektrika, ohatra, manome hafanana, ny ordinatera mikirakira fanazavana, ary ny televiziona manome sary sy feo. Tsy maka ny toetoetran’ilay fitaovana ampiasana azy velively anefa ilay herinaratra. Mitoetra ho hery fotsiny ihany izy io. Toy izany koa fa, tsy maka ny toetoetran’ireo zavaboary velominy ilay herim-piainana. Tsy manan-toetra maha izy azy izy io ary tsy mahay mieritreritra. Samy manana fanahy na ny olona na ny biby. (Mpitoriteny 3:21) Tsy hoe lasa zavaboary ara-panahy ka manohy miaina any amin’ny faritra hafa akory ny fanahin’ny olona iray, rehefa maty izy.
Raha izany no izy, manao ahoana àry ny olona rehefa maty? Ary manao ahoana ny fanahy rehefa maty ny olona?
“Hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao”
Rehefa ninia tsy nankatò ny didin’Andriamanitra i Adama, ilay lehilahy voalohany, dia hoy Andriamanitra taminy: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19) Taiza i Adama talohan’ny namoronan’Andriamanitra azy avy tamin’ny vovoka? Tsy taiza tsy taiza izy! Tsy nisy fotsiny izy. Koa ny tian’i Jehovah Andriamanitra holazaina àry rehefa nilaza izy fa ‘hiverina any amin’ny tany’ i Adama, dia hoe ho faty i Adama ary hiverina ho anisan’ireo zavatra ao amin’ny tany. Tsy hifindra hankany amin’ny faritra ara-panahy akory i Adama. Tsy hisy toy ny teo aloha i Adama rehefa maty. Fahafatesana—tsy fananana aina—no saziny, fa tsy fifindran-toerana tany amin’ny faritra hafa.—Romana 6:23.
Ahoana ny amin’ireo hafa efa maty? Ny toetran’ny maty dia voalaza mazava ao amin’ny Mpitoriteny 9:5, 10, izay amakiantsika hoe: “Ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona ... Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.” Ny fahafatesana àry, dia tsy fisiana. Nanoratra ny mpanao salamo fa rehefa maty ny olona iray, dia “miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany”.—Salamo 146:4.
Mazava àry fa manjary tsy misy ilay olona rehefa maty. Tsy mahalala na inona na inona izy. Tsy afaka mahita na mandre anao, na miresaka aminao izy. Sady tsy afaka manampy anao izy no tsy afaka manisy ratsy anao koa. Tena tsy tokony hatahotra ny maty ianao.
‘Miverina amin’Andriamanitra’ ny fanahy
Lazain’ny Baiboly fa rehefa maty ny olona, ‘ny fanahy dia hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny’. (Mpitoriteny 12:7) Midika ve izany fa misy zavatra ara-panahy mamakivaky ara-bakiteny ny habakabaka mba hankany amin’Andriamanitra? Tsy izany velively! Ny fomba ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe ‘miverina’, dia tsy mitaky fifindran-toerana ara-bakiteny. Nilazana, ohatra, ny Isiraelita tsy nahatoky hoe: “Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Malakia 3:7) Ny ‘fiverenan’ny’ Isiraely tamin’i Jehovah dia nidika ho fialana tamin’ny fanaovan-dratsy, ary fanarahana indray ny lalana marin’Andriamanitra. Ary ny ‘fiverenan’i’ Jehovah tamin’ny Isiraely dia nidika ho fanehoana indray fankasitrahana ny vahoakany. Amin’ireo raharaha roa ireo, dia tsy fifindran-toerana ara-bakiteny akory no tafiditra amin’ny hoe ‘fiverenana’, fa toe-tsaina iray.
Toy izany koa, eo am-pahafatesana, rehefa ‘miverina’ amin’Andriamanitra ny fanahy, dia tsy mifindra ara-bakiteny avy eto an-tany mankany an-danitra. Raha vantany vao miala amin’ny olona iray ny herim-piainana, dia Andriamanitra irery ihany sisa no afaka mamerina azy io ao anatin’ilay olona. ‘Miverina amin’Andriamanitra’ àry ny fanahy amin’ny heviny hoe miankina tanteraka amin’Andriamanitra izao ny hany fanantenan’ilay olona ho velona indray amin’ny hoavy.
Diniho, ohatra, izay lazain’ny Soratra Masina momba ny fahafatesan’i Jesosy Kristy. Mitantara toy izao i Lioka, mpanoratra Filazantsara: “Niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.” (Lioka 23:46) Tsy teny an-dalana ara-bakiteny ho any an-danitra akory i Jesosy, tamin’ny fotoana nialan’ny fanahiny taminy. Tsy natsangana tamin’ny maty izy raha tsy tamin’ny andro fahatelo, ary 40 andro taorian’izay izy vao niakatra tany an-danitra. (Asan’ny Apostoly 1:3, 9) Tamin’ny fotoana nahafatesany kosa, dia nanolotra tamin-toky ny fanahiny teo an-tanan-dRainy i Jesosy, ary natoky tanteraka ny fahaizan’i Jehovah hamelona azy indray.
Eny, afaka mamelona olona indray Andriamanitra. (Salamo 104:30) Fanantenana lehibe tokoa no atolotr’izany!
Fanantenana azo antoka
Hoy ny Baiboly: ‘Avy ny andro handrenesan’izay rehetra ao amin’ny fasam-pahatsiarovana ny feon’i Jesosy; dia hivoaka izy’. (Jaona 5:28, 29, NW ) Eny, nampanantena i Jesosy Kristy fa hatsangana amin’ny maty, na hovelomina indray, izay rehetra ao amin’ny fahatsiarovan’i Jehovah. Azo antoka fa ho anisan’izany ireo mpanompon’i Jehovah nanao ny marina. Olon-kafa an-tapitrisany maro anefa no efa maty nefa tsy nampiseho na hanaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra izy ireo na tsia. Na, tsy nahafantatra izay notakin’i Jehovah izy ireo na, tsy nanam-potoana hanaovana ny fiovana nilaina. Tsaroan’Andriamanitra koa ireny olona ireny ary hatsangany amin’ny maty, satria hoy ny Baiboly: “Hisy fitsanganan’ ny marina sy ny meloka.”—Asan’ny Apostoly 24:15.
Feno fankahalana sy ady, herisetra sy fandatsahan-dra, fandotoana sy aretina, ny tany ankehitriny. Raha hovelomina indray eo amin’ny tany toy izany ny maty, dia azo antoka fa tsy haharitra ela ny fahasambarana aterak’izany. Nampanantena anefa ny Mpamorona fa hamarana tsy ho ela ilay tontolo fehezin’i Satana Devoly ankehitriny. (Ohabolana 2:21, 22; Daniela 2:44; 1 Jaona 5:19) Tena hisy amin’izay ny fitambaran’olona marina—“tany vaovao”.—2 Petera 3:13.
“Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”, amin’izany fotoana izany. (Isaia 33:24) Na dia ny fangirifirin’ny fahafatesana aza dia hesorina, satria ‘hofoanan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha’. (Apokalypsy 21:4) Izany ka fanantenana ho an’ireo ‘ao amin’ny fasam-pahatsiarovana’!
Rehefa hamarana ny faharatsiana rehetra eto an-tany i Jehovah, dia tsy hiara-haringany ny marina sy ny ratsy fanahy. (Salamo 37:10, 11; 145:20) Raha ny marina, dia hisy “olona betsaka ... avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” ho tafita velona amin’ilay “fahoria na lehibe”, izay handringana ity tontolo ratsy ankehitriny ity. (Apokalypsy 7:9-14) Noho izany, dia hisy olona sesehena eo mba hitsena ny maty.
Tsy andrinao ve ny hahita indray ireo havan-tianao? Irinao ve ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany? Tsy maintsy mianatra ny marina momba ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany àry ianao. (Jaona 17:3) ‘Tian’i Jehovah hovonjena sy ho tonga amin’ny fahalalana ny marina ny olona rehetra.’—1 Timoty 2:3, 4.
[Sary, pejy 4]
“Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao”
[Sary, pejy 5]
Azo ampitahaina amin’ny herinaratra ny fanahy
[Sary, pejy 7]
Hitondra fifaliana maharitra ny fitsanganana amin’ny maty