Asehoy ny Fandrosoanao
Asehoy ny Fandrosoanao
“Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.”—1 TIMOTY 4:15.
1. Ahoana no ahafahanao milaza fa masaka sy efa azo hanina ny voankazo iray?
ALAO sary an-tsaina ny voankazo tianao indrindra: paiso, poara, manga, na zavatra hafa. Fantatrao ve hoe oviana izy io no masaka sy azo hanina? Azo antoka fa fantatrao. Ny fofony sy ny lokony ary ny fikasihana azy dia efa mampitelin-drora anao. Mankafy erỳ ianao manaikitra azy. Tsara an! Mamy an! Faly erỳ ianao mihinana ilay izy.
2. Ahoana no ahafantarana fa matotra ny olona iray, ary inona no vokatr’izy io eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa?
2 Manana ny mifanitsy aminy izany zavatra tsotra nefa mahafinaritra izany. Toy ny voankazo masaka, dia miseho amin’ny endriny maro samy hafa koa ny hoe matotra ara-panahy ny olona iray. Hitantsika izany rehefa mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy izy, lalin-tsaina, hendry sy ny toy izany. (Joba 32:7-9) Azo antoka fa mahafinaritra ny miaraka sy miara-miasa amin’ny olona maneho ireo toetra ireo eo amin’ny fihetsiny sy ny ataony.—Ohabolana 13:20.
3. Inona no ahariharin’ny filazalazan’i Jesosy ny olona tamin’ny androny, raha mahakasika ny fahamatorana?
3 Etsy an-kilan’izany anefa, dia mety hisy olona efa lehibe, nefa hita amin’ny fomba firesany sy ny ataony fa tsy matotra ara-pihetseham-po sy ara-panahy izy. Raha niresaka ny amin’ny taranaka niovaova hevitra tamin’ny androny, ohatra, i Jesosy Kristy, dia nilaza hoe: “Tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy. Tonga ny Zanak’olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay.” Na dia efa lehibe aza ireo olona ireo, dia nolazain’i Jesosy fa nitondra tena toy ny “ankizy madinika”, tsy matotra mihitsy. Koa nanampy izy hoe: “Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.”—Matio 11:16-19.
4. Inona avy no fomba isehoan’ny fandrosoana sy ny fahamatorana?
4 Hitantsika avy amin’ireo tenin’i Jesosy ireo fa ny asan’ny olona iray sy ny vokatr’izany no mampiharihary na manana ny tena fahendrena izy na tsia. Io toetra io anefa no tena ama1 Timoty 4:15) Eny, ‘miseho’ na mora hitan’ny olona fa mandroso mihamatotra ny Kristianina iray. Toy ny fahazavana mamiratra, dia tsy toetra anaty na miafina akory ny fahamatorana kristianina. (Matio 5:14-16) Andao àry isika handinika fomba roa lehibe isehoan’ny fandrosoana sy ny fahamatorana: 1) rehefa mitombo ny fahalalana sy ny fahazoana hevi-javatra ary ny fahendrena; 2) rehefa maneho ny vokatry ny fanahy.
ntarana ny olona matotra. Mariho ny torohevitry ny apostoly Paoly ho an’i Timoty momba izany. Rehefa avy nitanisa ny zavatra tokony hokatsahin’i Timoty i Paoly, dia hoy izy: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” (Firaisan’ny finoana sy ny fahalalana
5. Ahoana no azo anazavana ny hoe matotra?
5 Ny hoe matotra ao amin’ny ankamaroan’ny diksionera dia hoe feno tsara ny fitomboany, tonga olon-dehibe, tonga eo amin’ny dingana farany na eo amin’ny tanjona nirina. Ny voankazo iray, araka ny voalaza tetsy ambony, dia masaka rehefa vita ny fitomboany ara-dalàna ka tonga amin’ny ilana azy ny bikany, ny lokony sy ny fofony ary ny tsirony. Koa mitovy amin’ny hoe tsara toetra sy feno ary tanteraka mihitsy aza, ny hoe matotra.—Isaia 18:5; Matio 5:45-48; Jakoba 1:4.
6, 7. a) Inona no mampiseho fa irin’i Jehovah ho tonga matotra ara-panahy avokoa ny mpivavaka aminy rehetra? b) Mifandray akaiky amin’inona ny hoe matotra?
6 Irin’i Jehovah Andriamanitra mafy ho tonga matotra ara-panahy avokoa ny mpivavaka aminy rehetra. Noho izany, dia nanao fanomezana mahatalanjona izy eo anivon’ny fiangonana kristianina. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tany Efesosy: “Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy; mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana.”—Efesiana 4:11-14.
7 Nohazavain’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo, fa ny iray amin’ireo antony nanaovan’Andriamanitra fanomezana ara-panahy tondraka toy izany eo anivon’ny fiangonana, dia mba hahatonga ny rehetra “ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara”, sy “ho lehilahy lehibe”, ary ‘hahatratra ny halehiben’i Kristy.’ Amin’izay ihany isika vao tsy ho toy ny zaza ara-panahy ka hampitambolimbolenin’ny hevi-diso sy ny fampianaran-diso. Hitantsika àry fa mifandray akaiky ny hoe mandroso mba ho tonga Kristianina matotra sy ny hoe mahazo “ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra.” Misy hevitra maromaro tsara arahintsika ao amin’ny torohevitr’i Paoly.
8. Inona no takina mba hahatongavana amin’ny ‘firaisan’ny’ finoana sy ny fahalalana tsara?
8 Izao no voalohany: Koa satria tsy maintsy Matio 24:45.
tandroana ny ‘firaisana’, ny Kristianina matotra dia tsy maintsy tafaray sy mifanaraka tanteraka amin’ny mpiray finoana aminy, eo amin’ny lafiny finoana sy fahalalana. Tsy mampandroso ny heviny manokana izy na manizingizina izany na manana ny fahazoany manokana ny hevitry ny Baiboly. Matoky tanteraka ny fahamarinana nahariharin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany, i Jesosy Kristy, sy ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ izy. Raha mihinana tsy tapaka ny sakafo ara-panahy omena “amin’ny fotoana” mety isika amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra kristianina sy ny fivoriana ary ireo fivoriambe, dia ho azo antoka fa ho voatandrontsika ny ‘firaisana’ amin’ny Kristianina hafa, eo amin’ny lafiny finoana sy fahalalana.—9. Hazavao ny hevitr’ilay teny hoe “finoana” izay nampiasain’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesiana.
9 Izao ny faharoa: Ny teny hoe “finoana” dia tsy manondro ny zavatra lazain’ny Kristianina tsirairay fa ekeny, fa ny fitambaran’ireo zavatra inoantsika kosa, dia ny ‘sakany sy lavany ary hahavony sy halalin’izy io.’ (Efesiana 3:18; 4:5; Kolosiana 1:23; 2:7) Ahoana tokoa moa no ahafahan’ny Kristianina iray ho tafaray amin’ny mpiray finoana aminy, raha tsy mino na tsy manaiky afa-tsy tapany sasany ihany amin’ny “finoana” izy? Midika izany fa tsy tokony hianina amin’ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly fotsiny isika na hanana fahalalana manjavozavo na tapatapany amin’ny fahamarinana. Tokony hanararaotra ny fandaharana rehetra ataon’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany kosa isika, mba hikarohana lalina ao amin’ny Teniny. Tsy maintsy miezaka mafy araka izay azo atao isika mba hahatakatra marina tsara sy amin’ny fomba feno ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany. Tafiditra amin’izany ny fakana fotoana anaovana ireto zavatra ireto: mamaky sy mianatra ny Baiboly mbamin’ny boky sy gazety ara-baiboly, mivavaka amin’Andriamanitra mba hampiany sy hotarihiny lalana, manatrika tsy tapaka ny fivoriana kristianina, ary mandray anjara feno amin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra.—Ohabolana 2:1-5.
10. Inona no hevitr’ilay teny hoe “mandra-pahatongantsika rehetra”, ao amin’ny Efesiana 4:13?
10 Izao ny fahatelo: Nataon’i Paoly nialoha ny filazany ireo tanjona telo ireo ny teny hoe “mandra-pahatongantsika rehetra.” Ilay hevitra hoe ‘isika rehetra’ eto, dia lazain’ny boky iray momba ny Baiboly fa midika hoe “tsy ny rehetra raisina tsirairay, fa miaraka daholo.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe tokony hiezaka isika tsirairay mba ho tonga Kristianina matotra miaraka amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany. Hoy ny nomarihin’ilay boky hoe Mpanazava ny Baiboly (anglisy): “Tsy tratran’ny olona iray fotsiny akory ny fahafenoana eo amin’ny ara-panahy, toy ny tsy ahafahan’ny tapany iray amin’ny vatana hahavita ny fitomboany ara-dalàna raha tsy mitombo tsara ilay vatana manontolo.” Nampahatsiahy ny Kristianina tany Efesosy i Paoly fa tokony hiezaka hahafantatra tsara izay rehetra tafiditra amin’ny finoana izy ireo, “mbamin’ny olona masina rehetra.”—Efesiana 3:18a.
11. a) Tsy midika ho inona akory ny hoe mandroso ara-panahy? b) Inona no ilaintsika hatao mba handrosoana?
11 Mazava avy amin’ny tenin’i Paoly fa ny fandrosoana ara-panahy akory tsy midika fotsiny hoe mameno ny saintsika amin’ny fahalalana sy ny fianarana be dia be. Tsy mampitolagaga ny hafa amin’ny fahazavan-tsaina ananany ny Kristianina matotra. Milaza kosa ny Baiboly hoe: “Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” (Ohabolana 4:18) Eny, “ny lalana” no “mihamazava”, fa tsy ilay olona akory. Handroso ara-panahy isika raha miezaka haharaka ireo fanazavana farany omen’i Jehovah ny vahoakany satria mihamazava hatrany ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra. Ny hoe maharaka amin’izay, dia midika hoe mandroso, ary afaka manao izany isika rehetra.—Salamo 97:11; 119:105.
Manehoa “ny vokatry ny Fanahy”
12. Nahoana no zava-dehibe ny hanehoana ny vokatry ny fanahy rehefa miezaka handroso ara-panahy?
12 Na dia zava-dehibe aza ny fahatongavana “amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara”, dia zava-dehibe toy izany koa ny anehoantsika ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika. Nahoana? Satria, araka ny efa hitantsika, dia tsy toetra anaty na miafina ny fahamatorana, fa toetra miharihary tsara izay afaka mitondra soa sy mampahery ny hafa. Mazava ho azy fa tsy miezaka fotsiny mba hiseho hahalala fomba akory isika rehefa miezaka handroso ara-panahy. Tsy izany no izy fa manjary miova be kosa ny toe-tsaintsika sy ny fihetsitsika rehefa mitombo ara-panahy sy manaraka ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra isika. “Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo”, hoy ny apostoly Paoly.—Galatiana 5:16.
13. Fiovana inona no mampiseho fa mandroso ny olona iray?
13 Notanisain’i Paoly, avy eo, ny “asan’ny nofo” izay betsaka sy “miharihary.” Talohan’ny nahafantaran’ny olona iray ny zavatra takin’Andriamanitra, dia nanaraka ny fomba fiainan’izao tontolo izao izy ary mety ho feno an’ireto zavatra notanisain’i Paoly ireto ny fiainany: “Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany.” (Galatiana 5:19-21) Rehefa mandroso ara-panahy anefa ilay olona, dia resiny tsikelikely ireo “asan’ny nofo” tsy faniry ireo ary soloany “ny vokatry ny Fanahy.” Ahariharin’izany fiovana hita maso izany fa mandroso mba ho tonga Kristianina matotra ilay olona.—Galatiana 5:22.
14. Hazavao ireo teny roa hoe “ny asan’ny nofo” sy “ny vokatry ny Fanahy.”
14 Tsara homarihintsika ireo teny roa hoe “ny asan’ny nofo” sy “ny vokatry ny Fanahy.” Ny “asa” dia vokatry ny ataon’ny tena. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe vokatry ny safidy nataon’ny tena, na ny fitaoman’ny nofo mpanota, ireo zavatra nolazain’i Paoly fa asan’ny nofo ireo. (Romana 1:24, 28; 7:21-25) Ny teny hoe “vokatry ny Fanahy” kosa anefa, dia midika fa ireo toetra voatanisa ireo dia vokatry ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny olona iray, fa tsy noho ny fiezahany hanatsara ny toetrany. Tsy misy hafa amin’ny hoe mamoa ny hazo iray rehefa voakarakara tsara, dia toy izany koa fa haneho ny vokatry ny fanahy ny olona iray rehefa miasa malalaka eo amin’ny fiainany ny fanahy masina.—Salamo 1:1-3.
15. Nahoana no zava-dehibe ny hiheverana ireo lafiny rehetra amin’ny “vokatry ny Fanahy”?
* Tsy isika akory no mifidy izay tiantsika indrindra amin’ireo vokatry ny fanahy samihafa. Zava-dehibe avokoa ireo toetra notanisain’i Paoly, dia ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny fanaovan-tsoa, ny fahamarinana, ny fahalemem-panahy, ny fahononam-po. Ireo rehetra ireo mitambatra no mahaforona ny toetra vaovao kristianina. (Efesiana 4:24; Kolosiana 3:10) Mety hisy toetra sasany amin’ireo hiseho kokoa eo amin’ny fiainantsika vokatry ny efa toetrantsika manokana sy ny fironantsika. Na izany aza, dia zava-dehibe ny hiheverantsika ireo toetra rehetra voalazan’i Paoly. Afaka mampiseho kokoa toetra toy ny an’i Kristy isika raha manao izany.—1 Petera 2:12, 21.
15 Lafiny iray hafa tsara hodinihina ny nampiasan’i Paoly ilay teny hoe “vokatra” mba hilazana ny fitambaran’ireo toetra tsara rehetra noresahiny.16. Inona no tanjontsika rehefa miezaka ho tonga Kristianina matotra isika, ary ahoana no hanatratrarantsika izany?
16 Ny lesona lehibe azontsika tsoahina avy amin’ilay famelabelaran’i Paoly dia izao: Tsy ny hahazo fahalalana na fianarana be, na ny hahalala fomba akory no tanjontsika, rehefa miezaka ho tonga Kristianina matotra isika. Ny tanjontsika kosa dia ny hahatonga ny fanahin’Andriamanitra hiasa malalaka eo amin’ny fiainantsika. Arakaraka ny hanarahan’ny saintsika sy ny asantsika ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, no hahatonga antsika ho matotra ara-panahy. Ahoana no ahafahantsika mahatratra izany tanjona izany? Tsy maintsy sokafantsika ny fontsika sy ny saintsika mba hanan-kery eo amin’izy ireo ny fanahin’Andriamanitra. Voafaoka amin’izany ny fanatrehantsika tsy tapaka ny fivoriana kristianina sy ny fandraisana anjara amin’izany. Tokony hianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy hisaintsaina azy io koa isika, ka hanaiky hotarihiny eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa sy eo amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra ataontsika. Azo antoka amin’izay fa hiseho mazava tsara ny fandrosoantsika.
Manaova fandrosoana ho voninahitr’Andriamanitra
17. Ahoana no ifandraisan’ny fanaovana fandrosoana sy ny fanomezam-boninahitra ilay Raintsika any an-danitra?
17 Amin’ny farany, dia tsy isika no hoderaina noho ny fisehoan’ny fandrosoantsika, fa i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra izay nahatonga antsika ho matotra ara-panahy. Ny alina talohan’ny namonoana an’i Jesosy, dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo.” (Jaona 15:8) Manome voninahitra an’i Jehovah ireo mpianatra rehefa mamoa ny vokatry ny fanahy sy ny voan’ilay Fanjakana eo amin’ny fanompoany.—Asan’ny Apostoly 11:4, 18; 13:48.
18. a) Inona no fijinjana mahafaly misy ankehitriny? b) Inona no zava-tsarotra aterak’izany fijinjana izany?
18 Tahin’i Jehovah ankehitriny ny vahoakany izay manao fijinjana ara-panahy maneran-tany. Hatramin’ny taona maromaro izao, dia tokotokony ho 300 000 isan-taona ny vaovao manolo-tena ho an’i Jehovah sy mampiseho izany amin’ny alalan’ny batisa anaty rano. Mahafaly antsika izany ary tsy isalasalana, fa mahafaly an’i Jehovah koa. (Ohabolana 27:11) Kanefa, mba hampifaliana sy hiderana an’i Jehovah hatrany, dia ilain’ireo olona vaovao rehetra ireo ny ‘mandeha ao [amin’i Kristy], ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana.’ (Kolosiana 2:6, 7) Miteraka zava-tsarotra roa sosona tsy maintsy resen’ny vahoakan’Andriamanitra izany. Voalohany: Raha vao vita batisa ianao, moa ve ianao hanaiky hilofo ka ‘hampiseho ny fandrosoanao amin’ny olona rehetra’? Faharoa: raha efa elaela ianao no tao amin’ny fahamarinana, moa ve ianao hanaiky hiantsoroka ny andraikitrao hikarakara izay hahasoa ara-panahy an’ireo vaovao? Koa na vaovao ianao na efa tranainy, dia mazava fa ilaina ny mandroso mba ho matotra.—Filipiana 3:16; Hebreo 6:1.
19. Inona avy no tombontsoa sy fitahiana mety ho azonao raha mampiseho ny fandrosoanao ianao?
19 Fitahiana mahatalanjona no miandry izay rehetra miezaka mafy mba hampiseho ny fandrosoany. Tadidio ny teny nampahery nataon’i Paoly taorian’ny nampirisihany an’i Timoty mba handroso: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (1 Timoty 4:16) Raha mazoto mampiseho ny fandrosoanao ianao, dia hanana tombontsoa koa ny hidera ny anaran’Andriamanitra sy hahazo ny fitahiany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 15 “Voa” fotsiny no nilazana ilay teny hoe “vokatra”, tamin’ny fiteny tany am-boalohany.—Galatiana 5:22, Dikan-teny Isan’andalan’ilay Fanjakana.
Tadidinao Ve?
• Amin’ny fomba ahoana avy no isehoan’ny fandrosoana ara-panahy?
• Fahalalana sy fahazoana hevi-javatra inona no ahitana taratra fa matotra ny olona iray?
• Nahoana no mampiseho fandrosoana ara-panahy ny fanehoana “ny vokatry ny Fanahy”?
• Inona no zava-tsarotra tsy maintsy ekentsika horesena rehefa miezaka ny ho matotra isika?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 13]
Mora hita ny fahamasahana, na fahamatorana
[Sary, pejy 15]
Mandroso ara-panahy isika rehefa maharaka ireo fanazavana farany momba ny fahamarinana
[Sary, pejy 17]
Manampy antsika hampiseho “ny vokatry ny Fanahy” ny vavaka