Mateza Noho ny Volamena
Mateza Noho ny Volamena
ZAVATRA faniry fatratra ny volamena, satria sady tsara tarehy no mateza izy io. Irin’ny olona koa izy io satria mamirapiratra foana ary toa tsy mety vasoka mihitsy. Izany no izy, satria tsy simban’ny rano, ny ôksizenina, ny solifara na saika ny zavatra hafa rehetra izy io. Mbola mamirapiratra foana ireo asa tanana volamena maro hita tao anatin’ireo sambo rendrika, na dia an-jatony taona maro tatỳ aoriana aza.
Mahaliana anefa ilay filazana ao amin’ny Baiboly fa misy zavatra mateza sy “tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza.” (1 Petera 1:7) Mety hahatratra 99,9 isan-jato ny fahadiovan’ny volamena “voazaha toetra”, izany hoe voadio tamin’ny afo na tamin’ny fomba hafa. Ho simba, na ho levona, anefa na dia ny volamena voadio aza, raha tratran’ny asidra nitirika mifangaro asidra kilôridirika avo telo heny. Antsoina hoe aqua regia (na “mpanjakan’ny rano”, raha adika) ilay ranoka mahalevona volamena. Rehefa milaza àry ny Baiboly fa ‘mety ho simba ny volamena’, dia mifanaraka amin’ny zava-misy ara-tsiansa izany.
Mifanohitra amin’izany fa mitarika ho amin’ny “famonjena” ny finoana kristianina. (Hebreo 10:39) Mety hovonoina ny olona manana finoana matanjaka, toy ny namonoana an’i Jesosy Kristy. Omena izao fampanantenana izao anefa ireo manana ny tena finoana: “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.” (Apokalypsy 2:10) Tsaroan’Andriamanitra hatrany ireo olona nihazona ny finoana hatramin’ny fahafatesana, ka hatsangany. (Jaona 5:28, 29) Tsy mahavita izany na dia ny volamena faran’izay betsaka aza. Amin’io lafiny io, dia tena sarobidy kokoa noho ny volamena ny finoana. Tsy maintsy ho voazaha toetra na hotsapaina koa anefa ny finoana, mba hananany hasarobidy toy izany. Raha ny marina, araka ny tenin’i Petera, dia ilay finoana voazaha toetra no sarobidy kokoa noho ny volamena. Ho faly hanampy anao hianatra ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’izay ianao dia ho afaka hanorina sy hihazona finoana matanjaka an’ilay Andriamanitra marina, dia i Jehovah, sy an’i Jesosy Kristy Zanany. Araka ny voalazan’i Jesosy, dia midika ho “fiainana mandrakizay” izany.—Jaona 17:3.