Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra i Enoka na dia Ratsy aza ny OlonaNiara-nandeha Tamin’Andriamanitra i Enoka na dia Ratsy aza ny Olona

Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra i Enoka na dia Ratsy aza ny OlonaNiara-nandeha Tamin’Andriamanitra i Enoka na dia Ratsy aza ny Olona

Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra i Enoka na dia Ratsy aza ny Olona

MANIZINGIZINA ny Devoly fa vitany ny mitarika ny olona rehetra tsy hanompo an’Andriamanitra, ary toa nahomby ihany izy. Tsy nisy mpanompon’i Jehovah nahatoky nisongadina, nandritra ny efa ho dimanjato taona taorian’ny nahafatesan’i Abela. Nanjary nahazatra kosa ny fitondran-tena ratsy.

Nandritra izany fotoana feno fahasimbana ara-panahy izany no niainan’i Enoka. Teraka tamin’ny 3404 al.f.i. izy, araka ny fandaharan-taonan’ny Baiboly. Olona nankasitrahan’Andriamanitra i Enoka, fa tsy toy ny mpiara-belona taminy. Nosokajin’i Paoly ho anisan’ny mpanompon’i Jehovah nanam-pinoana tokony halain’ny Kristianina tahaka izy. Iza i Enoka? Inona avy no zava-tsarotra natrehiny? Ahoana no niatrehany azy ireny? Nahoana no zava-dehibe amintsika ny tsy fivadihany?

Tamin’ny andron’i Enosy, efa ho efajato taona talohan’i Enoka, “vao niantsoana ny anaran’i Jehovah.” (Genesisy 4:26) Efa nampiasaina hatramin’ny nisian’ny olombelona ny anaran’Andriamanitra. Miharihary, araka izany, fa tsy fiantsoana ny anaran’i Jehovah tamim-pinoana sy tamin’ny fivavahana madio, io nanomboka tamin’ny andron’i Enosy io. Misy manam-pahaizana hebreo nilaza fa tokony hoe “nanomboka nanamavo” na “nanomboka àry ny fanamavoana” no hamakiana ny Genesisy 4:26. Mety ho niantso ny tenany hoe Jehovah ny olona, na nanome io anarana io ho an’olon-kafa nolazainy fa nanelanelana azy tamin’Andriamanitra, rehefa nivavaka izy. Nomena an’io anarana io koa angamba ny sampy.

‘Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Enoka’

‘Niara-nandeha tamin’Andriamanitra’, dia i Jehovah, hatrany, i Enoka na dia voahodidin’ny olona ratsy aza. Tsy voalaza hoe niara-nandeha tamin’Andriamanitra ry Seta, Enosy, Kenana sy Mahalalila ary Jareda, razambeny. Tsy nitovy tamin’ny an’i Enoka ny nanaovan’izy ireo izany, fara faharatsiny, satria niavaka ny fomba fiainan’i Enoka.​—Genesisy 5:3-27.

Tsy maintsy mahafantatra tsara sy mifandray akaiky amin’Andriamanitra izay olona miara-mandeha aminy. Tsy nahavita izany i Enoka raha tsy nanao ny sitrapon’Andriamanitra. Nankasitrahan’i Jehovah ny fifikiran’i Enoka taminy. Milaza mihitsy ny fandikan-teny grikan’ny Fitopolo fa ‘tena nankasitrahan’Andriamanitra i Enoka’, ary milaza toy izany koa ny apostoly Paoly.​—Genesisy 5:22; Hebreo 11:5.

Ny finoan’i Enoka no tena nahatonga azy hifandray tsara tamin’i Jehovah. Tsy maintsy ho naneho finoana an’ilay ‘taranaky’ ny “vehivavy” izy. Nety ho nahafantatra kely ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’i Adama sy i Eva tany Edena i Enoka, raha nifankahalala tamin’i Adama. ‘Nazoto nitady an’Andriamanitra’ i Enoka satria nahafantatra azy.​—Genesisy 3:15; Hebreo 11:6, 13.

Na ho an’i Enoka na ho antsika, dia tsy ampy ny mahafantatra an’Andriamanitra mba hifandraisana tsara aminy. Raha tena tiantsika ny olona iray, moa ve tsy hisy heriny eo amin’ny eritreritsika sy ny ataontsika ny fomba fiheviny? Tsy hiteny na hanao zavatra hanimba izany fisakaizana izany isika. Raha mieritreritra ny hanova ny fiainantsika isika, moa ve tsy hoheverintsika koa izay ho fiantraikan’izany eo amin’ny fifandraisantsika aminy?

Misy fiantraikany eo amin’izay ataontsika koa ny faniriana hifandray akaiky hatrany amin’Andriamanitra. Tsy maintsy fantatsika marina aloha izay ankasitrahany sy tsy ankasitrahany. Rehefa fantatsika izany, dia ho afaka hiezaka mafy hampifaly azy amin’ny eritreritra sy ny ataontsika isika.

Eny, tsy maintsy mampifaly an’Andriamanitra isika, mba hiaraha-mandeha aminy. Nanao izany nandritra ny an-jatony taona maro i Enoka. Raha ny marina, dia mampiseho fanaovan-javatra miverimberina sy mitohy ny endrik’ilay matoanteny hebreo milaza hoe ‘niara-nandeha’ tamin’Andriamanitra i Enoka. Anisan’ny “niara-nandeha tamin’Andriamanitra” koa i Noa.​—Genesisy 6:9.

Loham-pianakaviana niteraka “zazalahy sy zazavavy” i Enoka. I Metosela no iray tamin’ireo zanany lahy. (Genesisy 5:21, 22) Tsy maintsy ho nanao araka izay fara heriny i Enoka mba hitondrana tsara ny ankohonany. Tsy mora taminy anefa ny nanompo an’Andriamanitra, noho izy voahodidin’olona ratsy fanahy. I Lameka, rain’i Noa ihany, angamba no mpiara-belona taminy naneho finoana an’i Jehovah. (Genesisy 5:28, 29) Tsy natahotra anefa i Enoka, fa nanaraka ny fivavahana marina.

Inona no nanampy an’i Enoka hahatoky hatrany teo anatrehan’Andriamanitra? Tsy isalasalana fa tsy nifanerasera tamin’ireo nanamavo ny anaran’i Jehovah izy. Tsy nanana namana tsy mpivavaka tamin’Andriamanitra koa izy. Tsy maintsy ho nahatapa-kevitra an’i Enoka tsy hanao zavatra tsy nampifaly ny Mpamorona azy koa, ny fitadiavany ny fanampian’i Jehovah tamim-bavaka.

Faminaniana momba ireo ratsy fanahy

Tena sarotra ny mihazona fitondran-tena tsara rehefa voahodidin’olona ratsy fanahy isika. Nanambara hafatra fanamelohana hentitra ho an’ny ratsy fanahy koa anefa i Enoka. Notarihin’ny fanahin’Andriamanitra izy, ka naminany toy izao: “ ‘Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.’ ”​—Joda 14, 15.

Inona no vokatr’izany teo amin’ireo tsy mpino mafy hatoka? Rariny raha nety ho tsy tian’olona na ho nesoina sy norahonana, i Enoka, noho izany teny manindrona izany. Tsy maintsy ho nisy nitady hamono azy. Tsy natahotra an’izany anefa izy. Fantany ny nanjo an’i Abela marina, ary vonona ny hanompo an’Andriamanitra tahaka azy izy, na inon-kidona na inon-kihatra.

“Nentin’Andriamanitra” izy

Toa nisy nitady hamono i Enoka fony izy “nentin’Andriamanitra.” (Genesisy 5:24) Tsy navelan’i Jehovah hampijalin’ny fahavalo romotra ilay mpaminaniny nahatoky. Araka ny apostoly Paoly, dia ‘nafindra i Enoka mba tsy hiharan’ny fahafatesana.’ (Hebreo 11:5) Maro no milaza hoe tsy maty i Enoka, fa nalain’Andriamanitra tany an-danitra ary mbola velona tany. Nilaza mazava anefa i Jesosy hoe: “Tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona.” “Mpialoha” izay rehetra ho any an-danitra i Jesosy.​—Jaona 3:13; Hebreo 6:19, 20.

Koa inona àry no nitranga tamin’i Enoka? Izao no mety ho dikan’ny hoe ‘nafindra i Enoka mba tsy hiharan’ny fahafatesana’: Nataon’Andriamanitra izay hahavariana be azy tamin’ny fahitana ara-paminaniana iray, ka nofaranany tamin’izay ny ainy. Tsy nijaly be i Enoka, araka izany, rehefa maty. “Tsy hita izy”, satria toa nampanjavonin’i Jehovah, toy ny nataony tamin’ny fatin’i Mosesy, ny fatiny.​—Deoteronomia 34:5, 6.

Velona nandritra ny 365 taona i Enoka, fa tsy dia ela sahala amin’ny ankamaroan’ny mpiara-belona taminy. Ny zava-dehibe amin’ireo tia an’i Jehovah anefa dia ny manompo azy amim-pahatokiana mandra-pahafatiny. Fantatsika fa nanao izany i Enoka satria “talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.” Tsy lazain’ny Soratra Masina ny fomba nilazan’i Jehovah an’izany tamin’i Enoka. Talohan’ny nahafatesany anefa, dia nahazo toky ny amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra izy, ary azontsika antoka fa hotsaroan’i Jehovah izy amin’ny fitsanganana amin’ny maty.

Tahafo ny finoan’i Enoka

Mety tsara ny hanahafantsika ny finoan’ireo tia an’Andriamanitra. (Hebreo 13:7) Mpaminanin’Andriamanitra nahatoky voalohany i Enoka noho ny finoany. Mahery setra sy manamavo zava-masina ary ratsy fanahy, toy ny tamin’ny andron’i Enoka, ny olona ankehitriny. Tsy toy izany anefa i Enoka. Tena nanam-pinoana izy ary fakan-tahaka teo amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra. Eny, nomen’i Jehovah hafatra fanamelohana mavesa-danja i Enoka, nefa nohatanjahiny koa mba hanambara azy io. Naneho herim-po i Enoka nanatanteraka ny asa nanirahana azy, ary niahy azy Andriamanitra na dia teo aza ny fanoheran’ny fahavalo.

Hanatanjaka antsika mba hanambara ny hafany amin’izao andro farany izao koa i Jehovah, raha manam-pinoana toa an’i Enoka isika. Hanampy antsika hiatrika fanoherana izy. Hampiavaka tsara antsika amin’ireo ratsy fanahy ny fifikirantsika aminy. Hanampy antsika hiara-mandeha amin’Andriamanitra sy hanana fitondran-tena mampifaly ny fony, ny finoana. (Ohabolana 27:11) Noho ny finoana, dia nahavita niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Enoka marina na dia ratsy aza ny olona. Koa afaka manao toy izany koa isika.

[Efajoro, pejy 30]

Naka Teny avy tao Amin’ny Bokin’i Enoka ve ny Baiboly?

Sady tsy ara-tsindrimandry no tsy anisan’ny Baiboly ny Bokin’i Enoka. Nolazaina fa nosoratan’i Enoka izy io, nefa tsy marina izany. Toa nosoratana tamin’ny taonjato voalohany na faharoa al.f.i. tany ho any izy io, ary fitambarana angano jiosy nitarina, izay miharihary fa fanamboamboarana ilay tantara fohy momba an’i Enoka ao amin’ny Genesisy. Izany fotsiny dia efa ampy mba hanilihan’ireo tia ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra azy io.

Ny bokin’i Joda ihany, ao amin’ny Baiboly, no mirakitra ireto teny ara-paminanian’i Enoka ireto: “ ‘Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.’” (Joda 14, 15) Maro ny manam-pahaizana manizingizina fa nalaina mivantana avy tao amin’ny Bokin’i Enoka io faminanian’i Enoka momba ny mpiara-belona taminy ratsy fanahy io. Mety ho naka hevitra avy tamin’ny boky tsy ara-tsindrimandry sy tsy azo itokisana ve i Joda?

Tsy lazain’ny Soratra Masina ny fomba nahafantaran’i Joda ny faminanian’i Enoka. Mety ho naka teny avy tamin’ny loharanon-kevitra iray niombonana fotsiny izy, angamba lovantsofina azo itokisana nifampitampita hatramin’ny andro fahiny. Nanao toy izany koa i Paoly, rehefa nilaza fa i Jana sy i Jambra no anaran’ireo ombiasy tsy fantatra anarana nanohitra an’i Mosesy tao amin’ny lapan’ny Farao. Raha afaka nijery loharanon-kevitra fahiny toy izany ny mpanoratra ny Bokin’i Enoka, nahoana no tsy mba afaka nanao toy izany koa i Joda? *​—Eksodosy 7:11, 22; 2 Timoty 3:8.

Tsy zava-dehibe ny fomba nahazoan’i Joda ny fanazavana momba ny hafatr’i Enoka ho an’ny ratsy fanahy. Azo itokisana izy io satria nanoratra teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra i Joda. (2 Timoty 3:16) Nanakana azy tsy hilaza zavatra tsy marina ny fanahy masin’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 28 Nilaza zavatra tsy hita ao amin’ny Baiboly koa i Stefana mpianatra. Ireto avy no noresahiny: Ny fanabeazana ejipsianina azon’i Mosesy, ny hoe 40 taona izy fony nandositra an’i Ejipta, ireo 40 taona nitoerany tany Midiana, ary ny anjara asan’ny anjely tamin’ny fampitana ny Lalàn’i Mosesy.​—Asan’ny Apostoly 7:22, 23, 30, 38.

[Sary, pejy 31]

Nilaza tamin-kerim-po ny hafatr’i Jehovah i Enoka