“Ny Fitahian’i Jehovah no Mampanan-karena”
“Ny Fitahian’i Jehovah no Mampanan-karena”
SAMY te hotahina avokoa isika rehetra. Lazain’ny rakibolana iray fa mitondra “fahasambarana sy fahasoavana ary fanambinana ny fitahiana.” Ny tena fitahiana maharitra rehetra anefa dia avy amin’ny Mpamorona antsika be fitiavana, satria i Jehovah no Mpanome “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra.” (Jakoba 1:17) Mandrotsaka ny fitahiany amin’ny olon-drehetra izy, na dia amin’ireo tsy mahalala azy aza. Hoy i Jesosy momba an-dRainy: “Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:45) Ahin’i Jehovah manokana anefa ireo tia azy.—Deoteronomia 28:1-14; Joba 1:1; 42:12.
Hoy ny mpanao salamo: “Tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana izy.” (Salamo 84:11) Eny, tsara sy misy heviny ny fiainan’izay manompo an’i Jehovah. Fantany fa “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” Hoy koa ny Baiboly: “Izay [tahìn’i Jehovah] no handova ny tany.” (Ohabolana 10:22; Salamo 37:22, 29) Fitahiana tokoa re izany!
Ahoana no ahazoantsika ny fitahian’i Jehovah? Mila mamboly toetra mampifaly azy aloha isika. (Deoteronomia 30:16, 19, 20; Mika 6:8) Hitantsika amin’ny ohatr’ireto mpanompon’i Jehovah taloha telo ireto izany.
Mitahy ny mpanompony i Jehovah
Mpanompon’Andriamanitra niavaka i Noa. Izao no vakintsika ao amin’ny Genesisy 6:8: “Noa kosa nahita fitia teo imason’i Jehovah.” Nahoana? Satria mpankatò i Noa. Hoy ilay fitantarana: “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Noa.” Narahiny ny toro lalana marin’i Jehovah ary nankatoaviny ny didiny. ‘Nanao araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy’ i Noa, na dia tafalentika tao anatin’ny herisetra sy ny faharatsian-toetra aza ny tontolo nanodidina azy. (Genesisy 6:9, 22) Koa nasain’i Jehovah nanao “sambo-fiara hamonjena ny ankohonany” àry izy. (Hebreo 11:7) Noho izany, dia tsy maty i Noa sy ny ankohonany, rehefa naringana ny mpiara-belona taminy. Izany koa no mbola mampisy ny taranak’olombelona hatramin’izao. Maty i Noa tatỳ aoriana, kanefa nanantena ny hitsangana izy, mba hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa. Fitahiana tondraka tokoa ny azy!
Nanan-toetra nampifaly an’i Jehovah koa i Abrahama. Ny finoana no lehibe indrindra tamin’izany. (Hebreo 11:8-10) Nandao fiainana nampiadana tany Ora sy tany Harana izy, satria ninoany ny fampanantenan’i Jehovah fa hihamaro ny taranany sady ho fitahiana ho an’ny firenena rehetra. (Genesisy 12:2, 3) Na dia notsapaina nandritra ny taona maro aza ny finoany, dia novalian-tsoa izy io rehefa teraka i Isaka zanany. Tamin’ny alalany àry no nahatonga an’i Abrahama ho razamben’ny Isiraely, ilay firenena voafidin’i Jehovah, ary ho razamben’ny Mesia koa, tatỳ aoriana. (Romana 4:19-21) “Rain’ny olona rehetra izay mino” koa izy, ary nanjary nantsoina hoe “Sakaizan’Andriamanitra.” (Romana 4:11; Jakoba 2:23; Galatiana 3:7, 29) Nisy heviny tokoa ny fiainany ary tondraka ny fitahiana azony!
Diniho koa i Mosesy, lehilahy nahatoky. Anisan’ny toetrany niavaka indrindra ny fankasitrahany zavatra ara-panahy. Nolavin’i Mosesy ny harenan’i Ejipta rehetra ary “naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.” (Hebreo 11:27) Efa antitra izy fony niverina tany Ejipta, rehefa afaka 40 taona tany Midiana. Sahy nifanandrina tamin’i Farao izay fahefana lehibe indrindra tamin’izany fotoana izany izy, mba hitaky ny hanafahana ny rahalahiny. (Eksodosy 7:1-7) Nanatri-maso ny loza folo sy ny fisarahan’ny Ranomasina Mena ary ny fandringanana ny tafik’i Farao, izy. Nampiasain’i Jehovah izy hanome ny Lalàna ho an’ny Isiraely sy ho mpanelanelana amin’ny fanekeny tamin’ilay firenena vaovao. Nitarika ny firenen’ny Isiraely tany an’efitra nandritra ny 40 taona i Mosesy. Tena nisy heviny ny fiainany, ary be dia be ny fanendrena sarobidy azony.
Fitahiana ankehitriny
Asehon’ireo fitantarana ireo fa tena misy heviny ny fiainan’ireo manompo an’Andriamanitra. Mahazo fitahiana tondraka ny vahoakan’i Jehovah rehefa miezaka hankatò sy hanam-pinoana ary hahay hankasitraka zavatra ara-panahy.
Ahoana no itahiana antsika? Afaka mifaly “amin’ny zava-tsoan’i Jehovah” isika, nefa an-Jeremia 31:12) Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” no anomezan’i Jehovah sakafo ara-panahy be dia be, manampy antsika hitoetra eo amin’ny “làlana izay mankany amin’ny fiainana.” (Matio 7:13, 14; 24:45; Jaona 17:3) Anisan’ny fitahiana tondraka koa ny fiarahana amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina. Mahasambatra tokoa ny miara-mivory na manao zavatra hafa miaraka amin’ireo mpiara-mivavaka, izay mampiseho fitiavana sy miezaka amim-pahatsorana hitafy “ny toetra vaovao.” (Kolosiana 3:8-10; Salamo 133:1) Ny fitahiana lehibe indrindra raisintsika anefa dia ny tombontsoa sarobidy mifandray manokana amin’i Jehovah Andriamanitra sy manara-dia an’i Kristy Jesosy, Zanany.—Romana 5:1, 8; Filipiana 3:8.
tapitrisany maro no mosarena ara-panahy ao amin’ny Kristianisma Anarana. (Rehefa saintsainintsika izany fitahiana izany, dia takatsika fa tena sarobidy tokoa ny fanompoantsika an’Andriamanitra. Mety ho tonga ao an-tsaintsika ny fanoharan’i Jesosy ny amin’ilay mpandranto nikatsaka vato soa. Hoy i Jesosy momba azy: “Ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.” (Matio 13:46) Azo antoka fa toy izany no fahitantsika ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, ny tombontsoantsika manompo azy, ny fiarahantsika kristianina sy ny fanantenantsika ary ireo fitahiana hafa rehetra mifandray amin’ny finoantsika. Tsy misy zava-tsarobidy kokoa noho izany eo amin’ny fiainantsika.
Mba manomeza koa ho an’i Jehovah
Koa satria ekentsika fa i Jehovah no Mpanome ny fanomezan-tsoa rehetra, dia voatosika Matio 28:19) Izany no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah izay somokotra erỳ mitsidika ny mpiara-belona aminy, any amin’ny tany maherin’ny 230. Tsy mitsitsy izay kely ananany izy ireo, na fotoana io, na hery, na fananana, mba hanampiana ny hafa “ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.”—1 Timoty 2:4.
ny fontsika haneho fankasitrahana ny fitahiana rehetra azontsika. Ahoana no azontsika anaovana izany? Fomba iray ny fanampiana ny hafa hahazo ireo fitahiana ireo koa. (Diniho izay nataon’ny mpisava lalana any Glendale, Kalifornia, Etazonia. Manao dia 100 kilaometatra mandroso sy miverina izy ireo mba hitsidihana fonja federaly, isaky ny asabotsy maraina. Tsy kivy anefa izy ireo na dia tsy afaka mamangy ireo voafonja afa-tsy mandritra ny ora vitsivitsy monja isaky ny mandeha aza. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Tena mahafa-po ny miasa amin’io faritany hafa kely io. Faly be izahay manao azy io. Betsaka loatra ireo liana, hany ka tsy araka intsony. Olona dimy izao no ampianarinay, ary misy efatra hafa mangataka fampianarana Baiboly.”
Vonona hanao an-tsitrapo an’io asa mamonjy aina io ny mpitory kristianina be zotom-po. Tahafiny ny toe-tsain’i Jesosy, izay nilaza hoe: “Nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana.” (Matio 10:8) An-tapitrisany maro no manao izany fanompoana tsy mitady tombony izany maneran-tany. Vokatr’izany, dia olona tso-po maro be no tonga mpianatra. Efa ho 1,7 tapitrisa no nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah tato anatin’ireo dimy taona farany fotsiny. Noho izany fitomboana tsy mitsahatra izany dia ilaina ny mamoaka Baiboly sy boky sy gazety ara-baiboly ary manorina Efitrano Fanjakana vaovao sy toeram-pivoriana hafa. Avy aiza ny vola hanaovana ireo zavatra ireo? Avy amin’ny fanomezana an-tsitrapo avokoa.
Maro no mitrongy vao homana satria mahantra ny taniny. Araka ilay gazety hoe Mpahay Siansa Vaovao (anglisy), dia lany amin’ny sakafo fotsiny ny 70 isan-jaton’ny fidiram-bolan’ny olona arivo tapitrisa. Maro amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika kristianina no toy izany. Tsy manam-bola tsotra izao izy ireo mba hahazoana boky sy gazety kristianina, na Efitrano Fanjakana mendrika, raha tsy ampian’ny mpiray finoana aminy.
Mazava loatra fa tsy midika akory izany fa faly miantehitra amin’ny hafa fotsiny izy ireo. Mila fanampiana anefa izy ireo. Fony nampirisihin’i Mosesy ny Isiraelita mba hanome zavatra ho fisaorana an’i Jehovah noho ny fitahiany, dia hoy izy: “Fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian’i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.” (Deoteronomia 16:17) Noho izany, rehefa nahita vehivavy mpitondratena nanome “farantsakely roa” tao amin’ny tempoly i Jesosy, dia nidera azy teo anatrehan’ny mpianany izy. Nanao izay azony natao izy. (Lioka 21:2, 3) Manao izay azony atao koa ny Kristianina mahantra. Raha misy tsy fahampiana, dia afaka mameno izany ny fanomezan’ny Kristianina hafa manan-katao kokoa.—2 Korintiana 8:13-15.
Tena ilaina ny ananantsika antony manosika tsara rehefa mba manome toy izany koa ho an’Andriamanitra isika. (2 Korintiana 8:12) Hoy i Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ‘ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra.’ ” (2 Korintiana 9:7) Sady manohana ny fitaran’ny fandaminan’Andriamanitra ankehitriny isika no mampitombo ny fifaliantsika, rehefa manome an-tsitrapo.—Asan’ny Apostoly 20:35.
Fomba roa azontsika anomezana ho an’i Jehovah ho setrin’ny fitahiana azontsika, ny fitoriana sy ny fanomezana an-tsitrapo. Tena mampahery mihitsy ny mahalala fa irin’i Jehovah ny hitahy olona tso-po maro kokoa, izay mety ho mbola tsy mahalala azy ankehitriny! (2 Petera 3:9) Koa aoka àry hampiasaintsika hatrany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny fananantsika, mba hitadiavana olona tso-po, ka hanampiana azy ireo hankatò sy hanam-pinoana ary hahay hankasitraka. Ho faly isika amin’izay hanampy azy ireo ‘hanandrana ka hizaha fa tsara i Jehovah.’—Salamo 34:8.
[Efajoro, pejy 28, 29]
Ireo Fomba Fidin’ny Sasany Hanaovana Fanomezana
FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY
Maro no manokana na manatsinjara vola arotsany ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Maneran-tany—Matio 24:14.”
Mandefa ireny vola ireny isam-bolana any amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York, na any amin’ny biraon’ny Sampana eo an-toerana, ny fiangonana. Ireo vola fanomezana an-tsitrapo dia azo alefa mivantana koa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Azo atao koa ny manome firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny, milaza fa fanomezana tsy misy fepetra izy ireo.
FANDAHARANA MOMBA NY FANOMEZANA MISY FEPETRA
Azo atao ny manome vola amin’ny fanaovana fifanarahana manokana, dia ny hamerenana ilay fanomezana amin’ilay mpanome, raha misy ilany izany. Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa, dia mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, voalaza amin’ny adiresy etsy ambony.
ASA FANASOAVANA NALAMINA MIALOHA
Ankoatra ny fanomezana vola tsy misy fepetra sy ny misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa mba hanohanana ny fanompoana momba ilay Fanjakana maneran-tany. Anisan’izany ny:
Fiantohana: Azo atao ny manendry ny FI.MPI.BA.MA. ho mpandray ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na ny fisotroan-dronono.
Kaonty any Amin’ny Banky: Ny kaonty any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaonty misy ny fisotroan-drononon’ny olona iray dia azo ankinina amin’ny FI.MPI.BA.MA. na azo aloa aminy ny vola amin’izany, rehefa maty ilay tompony, mifanaraka amin’ny zavatra takin’ny banky eo an-toerana.
Petra-bola (actions) sy Fanekem-bola (obligations): Azo atao fanomezana tsy misy fepetra ho an’ny FI.MPI.BA.MA. ny petra-bola sy ny fanekem-bola.
Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny FI.MPI.BA.MA. ny trano sy ny tany azo amidy. Azo atao fanomezana tsy misy fepetra izany, na misy ny fepetra hoe ho fananan’ilay mpanome ilay izy, ka azony ipetrahana, mandritra ny fahavelomany. Mifandraisa amin’ny biraon’ny Sampana eo amin’ny tany misy anao, alohan’ny hamindrana trano sy tany.
Didim-pananana sy Fanankinam-pananana (fidéicommis): Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA. amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna. Na azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa avy amin’ny fifanarahana momba ny fanankinam-pananana, izy io. Mety tsy hisy hetra aloa ho an’ny fanankinam-pananana natao ho tombontsoan’ny fikambanana ara-pivavahana.
Raha misy fanontanianao momba ireo fandaharana voalaza etsy ambony, dia iangaviana ianao hanoratra amin’ny:
Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.)
B.P. 116
105 Ivato