Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manantena Famonjena ve Isika?

Afaka Manantena Famonjena ve Isika?

Afaka Manantena Famonjena ve Isika?

Nolazaina fa ny taonjato be vonoan’olona indrindra dia ny taonjato faha-20. Tena niely patrana ny heloka bevava, ny ady sy ny adim-poko, ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fanaovana ny tsy marina ary ny herisetra, nandritra ireo am-polony taona vitsivitsy farany. Eo koa ny fanaintainana sy fijaliana vokatry ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana. Iza àry no tsy maniry ho afaka amin’ireo zava-manahirana lehibe ankehitriny? Afaka manantena famonjena ve isika?

DINIHO ny fahitana azon’ny apostoly Jaona, 2 000 taona lasa izay. Nanoratra toy izao izy: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:3, 4) Hoy koa i Isaia mpaminany: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.”​—Isaia 25:8.

Eritrereto fotsiny ange izay hitranga rehefa ho tanteraka ireo fampanantenan’Andriamanitra ireo e! Ho afaka amin’ny fahoriana sy herisetra ny olona, ary hanjavona ireo antony mampijaly sy mampahory azy. Tsy hamely antsika intsony, na dia ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana aza! Mampanantena ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, fa hiaina mandrakizay eto an-tany, ao anatin’ny toe-piainana lavorary, isika. (Lioka 23:43; Jaona 17:3) Afaka mahazo an’io fiainana io izay rehetra maniry izany. ‘Tian’Andriamanitra hovonjena ny olona rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.’​—1 Timoty 2:3, 4.

Raha te hahazo ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra anefa isika, dia tsy maintsy mazava tsara amintsika fa mamonjy antsika i Jesosy Kristy ary tsy maintsy mino azy isika. I Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Nohazavain’ny apostoly Petera toy izao, fa mandray anjara lehibe amin’izany i Jesosy Kristy: “Tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” (Asan’ny Apostoly 4:12) Nilaza toy izao tamin’ny olona iray tso-po nanontany azy ireo ny apostoly Paoly sy i Silasy: “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao.”​—Asan’ny Apostoly 16:30, 31.

Eny, i Jesosy Kristy no “Tompon’ny aina”, ary izy irery ihany no afaka mamonjy antsika. (Asan’ny Apostoly 3:15) Nahoana anefa no lazaina fa tena ilaina io lehilahy iray io mba hamonjena antsika? Tokony ho azontsika antoka kokoa ny fanantenantsika famonjena, rehefa mazava tsara amintsika ny anjara asany amin’izany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Pejy 3: Bombers: USAF photo; starving children: UNITED NATIONS/J. FRAND; burning battleship: U.S. Navy photo