Ahoana no Amonjen’i Jesosy Antsika?
Ahoana no Amonjen’i Jesosy Antsika?
“Mamonjy i Jesosy!” “I Jesosy no Mpamonjy antsika!” Hita misoratra eny amin’ny rindrina sy eny an-toeran-kafa any amin’ny tany maro ireo teny ireo. Olona an-tapitrisany maro no mino amim-pahatsorana fa i Jesosy no Mpamonjy azy. Raha anontanianao izy hoe: “Ahoana no amonjen’i Jesosy antsika?”, dia mety hamaly izy hoe: “Maty ho antsika i Jesosy”, na “Maty noho ny fahotantsika i Jesosy.” Afaka mamonjy antsika tokoa ny fahafatesan’i Jesosy. Ahoana anefa no ahafahan’ny fahafatesan’ny lehilahy iray hikosoka ny fahotan’ny maro? Ahoana no havalinao, raha misy manontany anao hoe: “Nahoana no mamonjy antsika ny fahafatesan’i Jesosy?”
TENA tsotra nefa mazava sady misy heviny lehibe ny valin-teny omen’ny Baiboly. Mba hahazoana izany tsara anefa, dia tokony hoheverintsika ho vahaolana ho an’ny zava-manahirana lehibe, ny fiainan’i Jesosy sy ny fahafatesany. Amin’izay ihany vao hazava tsara amintsika fa tena sarobidy ny fahafatesany.
Niezaka namaha ny olana nipoitra tamin’i Adama nanota Andriamanitra, rehefa naniraka an’i Jesosy hanome ny ainy. Loza tokoa no naterak’io fahotana io! Lavorary ilay lehilahy voalohany sy i Eva vadiny. Tany Edena izy ireo no nipetraka. Nomen’Andriamanitra asa tsara izy ireo, dia ny fikarakarana an’io zaridaina tsara tarehy io. Nasaina nanara-maso tamim-pitiavana an’ireo Genesisy 1:28) Asa mahafinaritra sady mahaliana tokoa izany nomena azy ireo izany! Sambatra koa izy mivady satria nifankatia. (Genesisy 2:18) Tsy nisy nahory azy. Fiainana sambatra mandrakizay no niandry azy.
zavaboary hafa teto an-tany izy ireo. Rehefa hameno ny tany ny olombelona, dia tokony ho nitariny maneran-tany ny paradisa. (Sarotra eritreretina ny antony nahatonga an’i Adama na i Eva nanota. Nikomy tamin’i Jehovah Andriamanitra namorona azy anefa izy mivady. Nampiasa bibilava ny zavaboary ara-panahy antsoina hoe Satana Devoly mba hamitahana an’i Eva. Nanjary tsy nankatò an’Andriamanitra àry i Eva, ary nanaraka azy i Adama.—Genesisy 3:1-6.
Efa fantatra tsara izay hataon’ny Mpamorona an’i Adama sy i Eva. Efa nambarany toy izao ny ho vokatry ny tsy fankatoavana: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17) Niandry valiny izao ny fanontaniana lehibe iray.
Miatrika olana lehibe ny olombelona
Niteraka olana saro-bahana ho an’ny olombelona ny fahotan’i Adama sy i Eva. Lavorary i Adama tamin’ny voalohany. Fiainana tonga lafatra sady mandrakizay àry no niandry ny taranany. Nanota anefa i Adama raha mbola tsy nanan-janaka akory. Fony mbola tsy teraka ny taranak’olombelona, dia nomelohina toy izao izy: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19) Voaheloka ho faty niaraka tamin’i Adama koa àry ny olombelona rehetra, rehefa nanota izy, ka maty, araka ny efa nolazain’Andriamanitra.
Mety tokoa raha niteny toy izao ny apostoly Paoly, tatỳ aoriana: ‘Niditra avy tamin’ny olona iray [i Adama] ho amin’izao tontolo izao ny ota, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Romana 5:12) Eny, noho ny fahotan’i Adama, dia aretina sy fahanterana ary fahafatesana no niandry ny taranany, nefa tokony ho lavorary sy hiaina mandrakizay izy ireo.
Mety hisy hilaza hoe: “Tsy rariny izany.” “Tsy izahay ange no tsy nankatò an’Andriamanitra, fa i Adama e! Koa nahoana izahay no tsy hahazo ny fiainana sy fahasambarana mandrakizay intsony?” Fantatsika fa raha misy olona mangalatra, nefa ny zanany no ampidirina am-ponja, dia ara-drariny raha hitaraina ilay zanany hoe: “Tsy rariny izao! Tsy izaho ange no nangalatra e!”—Deoteronomia 24:16.
Nieritreritra angamba i Satana, rehefa nitarika an’i Adama sy i Eva hanota, fa tsy ho hitan’Andriamanitra izay hatao. Nanomboka namely sahady ny Devoly, raha mbola tsy nanan-janaka akory i Adama. Vao nanota i Adama, dia nipetraka ny fanontaniana lehibe hoe: ‘Hataon’i Jehovah ahoana ny zanak’i Adama sy i Eva?’
Nanao ny rariny i Jehovah Andriamanitra. “Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!”, hoy ilay lehilahy marina atao hoe Eliho. (Joba 34:10) Hoy koa i Mosesy mpaminany momba an’i Jehovah: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4) Tsy nanafoana ny fahafahantsika hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany ny vahaolana nentin’Andriamanitra handaminana ny voka-dratsin’ny fahotan’i Adama.
Manome vahaolana lavorary Andriamanitra
Diniho ilay vahaolana hazavain’Andriamanitra rehefa nanameloka an’i Satana Devoly izy. Hoy i Jehovah tamin’i Satana: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy [ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra] ary ny taranakao [ny tontolo fehezin’i Satana] sy ny taranany [i Jesosy Kristy]: izy hanorotoro ny lohanao [ny an’i Satana], ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony [ny fahafatesan’i Jesosy].” (Genesisy 3:15) Toa miresaka momba ny fikasany i Jehovah, ao amin’io faminaniana voalohany io: Hirahiny ho etỳ an-tany i Jesosy Zanany, ka hiaina toy ny olombelona lavorary. Avy eo dia hotorotoroina ny ombelahin-tongony, izany hoe ho faty izy na dia tsy mpanota aza.
Nahoana Andriamanitra no nitaky ny hahafatesan’ny olona lavorary iray? Inona no sazy nomen’i Jehovah Andriamanitra an’i Adama raha nanota izy? Tsy ny fahafatesana ve? (Genesisy 2:16, 17) “Fahafatesana no tambin’ny ota”, hoy ny apostoly Paoly. (Romana 6:23) Maty noho ny fahotany ihany i Adama. Fiainana no natolotra azy, saingy naleony nanota, ka ny fahafatesana no saziny. (Genesisy 3:19) Ahoana ny amin’ny taranak’olombelona rehetra nanjary voaheloka noho io fahotana io? Tsy maintsy misy olona manome ny ainy mba hikosehana ny fahotan’izy ireo. Ny fahafatesan’iza anefa no tena afaka hanarona ny fahotan’ny olombelona rehetra?
“Aina solon’ny aina”, no notakin’ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny firenen’ny Isiraely fahiny. (Eksodosy 21:23) Araka io lalàna io, dia tsy maintsy mitovy vidy amin’ny aina narian’i Adama ny aina atao sorona mba hanavotana ny olombelona amin’ny fahotana. Ny fahafatesan’ny olona lavorary ihany no afaka hikosoka ny fahotana. Lavorary toy izany i Jesosy. Tena “avotra” mifanandrify àry izy, ary afaka mamonjy ny taranak’i Adama rehetra.—1 Timoty 2:6; Romana 5:16, 17.
Tena sarobidy ny fahafatesan’i Jesosy
Tsy nisy vidiny ny fahafatesan’i Adama, satria mendrika ny ho faty noho ny fahotany izy. Sarobidy anefa ny fahafatesan’i Jesosy, satria tsy nanota izy. Neken’i Jehovah Andriamanitra ny vidin’ny aina lavorary natolotr’i Jesosy, mba hanavotana ny olona mankatò, taranak’i Adama mpanota. Tsy ny fahotantsika taloha fotsiny no voakosok’io soron’i Jesosy io. Tsy hisy hantenaina mantsy isika raha izany. Mamerina manota foana isika, satria notorontoronina tamin’ny fahotana. (Salamo 51:5) Velom-pankasitrahana tokoa isika, satria mety ho tonga lavorary indray, noho ny fahafatesan’i Jesosy. Izany rahateo no nirin’Andriamanitra ho an’ny taranak’i Adama sy i Eva!
Azo oharina amin’ny raim-pianakaviana nodimandry i Adama. Namela trosa be (fahotana) tsy ho voaloantsika izy. Toy ny raim-pianakaviana tsara fanahy kosa i Jesosy, ka namela lova lehibe ho antsika rehefa maty. Sady ampy andoavana ilay trosa be navelan’i Adama io lova io, no ampy iainantsika mandrakizay. Tsy vitan’ny hoe mikosoka ny fahotantsika taloha fotsiny ny fahafatesan’i Jesosy, fa fandaharana faran’izay tsara ho an’ny hoavintsika koa.
Mamonjy i Jesosy, satria maty ho antsika. Tena sarobidy io fahafatesany io! Rehefa mihevitra izany ho vahaolana nentin’Andriamanitra namahana ilay olana lehibe nateraky ny fahotan’i Adama isika, dia mihamafy ny finoantsika an’i Jehovah, ary matoky ny fomba fiasany isika. Eny, ny fahafatesan’i Jesosy no manafaka “izay rehetra mino” azy, amin’ny fahotana sy ny aretina ary ny fahanterana sy ny fahafatesana. (Jaona 3:16) Velom-pankasitrahana an’Andriamanitra ve ianao, noho izy tia antsika ka nitady fomba hamonjena antsika?
[Sary, pejy 5]
Namindra ny fahotana sy ny fahafatesana tamin’ny olombelona i Adama
[Sary, pejy 6]
Nanome vahaolana lavorary i Jehovah