Azo Atao ny ho Tia Namana
Azo Atao ny ho Tia Namana
Maro no mihevitra fa avy amin’i Jesosy ilay fampianarana momba ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Izy mihitsy anefa no nilaza hoe: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.”—Jaona 7:16.
I JEHOVAH Andriamanitra Mpamorona tokoa no naniraka an’i Jesosy sy loharanon’ny fampianarany, anisan’izany ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.
Tian’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ny hitondran’ny olona ny namany toy izay tiany hitondrana ny tenany. I Jehovah no ohatra tsara indrindra teo amin’ny fiahiana izay hahasoa ny hafa. Nasehony tamin’ny famoronana ny olombelona izany: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” (Genesisy 1:27) Midika izany fa nataon’Andriamanitra tao amin’ny olombelona ny toetrany mahatalanjona, mba hifalian’izy ireo amin’ny fiainana, ao anatin’ny fiadanana sy fahasambarana ary filaminana mandrakizay. Afaka mitarika azy ireo hitondra ny olon-kafa toy izay tiany hito ndrana ny tenany ny feon’ny fieritreretana nomen’Andriamanitra azy, raha voaofana tsara.
Nanjary nanjaka ny fitiavan-tena
Inona no nitranga taorian’izany fiandohana tena tsara izany? Niharatsy toetra ny olona, ka nanjary tia tena. Fantatry ny ankamaroan’ny olona ilay tantara ao amin’ny Baiboly momba izay nataon’ny mpivady voalohany, araka ny Genesisy toko faha-3. Nanda ny fitondran’Andriamanitra i Adama sy i Eva ka nifidy ny tsy hiankina sy hanao izay tiany hatao, noho ny fampirisihan’i Satana, ilay mpanohitra ny fitsipik’Andriamanitra rehetra. Tsy vitan’ny hoe fatiantoka ho azy ireo ny vokatry ny fitiavan-tenany sy ny fikomiany, fa loza ho an’ny taranany koa. Asehon’izany mazava fa mitondra loza ny tsy firaharahana ilay fampianarana momba ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Izany no “nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”—Romana 5:12.
Tsy narian’i Jehovah Andriamanitra anefa ny olombelona, na dia nanda ny lalana natorony tamim-pitiavana aza. Nanome ny Lalàny ho an’ny firenen’ny Isiraely izy, ohatra, mba hitarika azy ireo. Nampianatra azy ireo hitondra ny olona toy izay tiany hitondrana ny tenany io Lalàna io. Nanome toromarika momba ny fitondrana ny andevo sy ny kamboty ary ny mpitondratena izy io. Voalaza tao koa ny tokony hatao rehefa nisy herisetra sy fakana olona an-keriny ary fangalarana. Nisy lalàna momba ny fahadiovana koa naneho fiahiana ny fahasalaman’ny olon-kafa. Nisy mihitsy aza lalàna momba ny firaisana. Namintina ny Lalàna toy izao i Jehovah: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, ary namerina io teny io koa i Jesosy. (Levitikosy 19:18; Matio 22:39, 40) Nisy koa Lalàna momba ny fitondrana ireo vahiny teo amin’ny Isiraelita. Hoy ny Lalàna: “Aza mampahory vahiny, fa hianareo mahalala ny fon’ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta ihany hianareo.” Tsy maintsy naneho hatsaram-panahy tamin’ireo nahantra àry ny Isiraelita.—Eksodosy 23:9; Levitikosy 19:34; Deoteronomia 10:19.
Nitahy ny Isiraelita foana i Jehovah raha mbola nanaraka tsara ny Lalàna koa izy ireo. Nanankarena ilay firenena nandritra ny fanjakan’i Davida sy i Solomona, ary sambatra sy afa-po ny olona. Hoy ny fitantarana: “Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly. Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona.”—1 Mpanjaka 4:20; 5:5.
Nampalahelo anefa fa tsy naharitra ela ny fiadanana sy ny filaminan’ilay firenena. Tsy notandreman’ny Isiraelita ny Lalàn’Andriamanitra nomena azy, ka nanjary ravan’ny fitiavan-tena ny fiahiana ny hafa. Nivadi-pinoana koa izy ireo, ka loza ho an’ny tsirairay sy ho an’ilay firenena no vokany. Navelan’i Jehovah handrava ny fanjakan’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema ary ilay tempoly kanto ny Babylonianina, tamin’ny 607 al.f.i. Nahoana? “Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko, dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity tany ity sy ny mponina eto mbamin’ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.” (Jeremia 25:8, 9) Izany no vokany rehefa mahafoy ny fivavahana madio amin’i Jehovah!
Ohatra tokony hotahafina
Tsy nampianatra ny fitiavana ny namana tahaka ny tena fotsiny i Jesosy Kristy, fa namela ohatra faran’izay tsara koa. Tena niahy izay hahasoa ny hafa izy. (Matio 9:36; 14:14; Lioka 5:12, 13) Nahita mpitondratena torotoro fo handeha handevina ny zanany lahitokana i Jesosy, indray mandeha, teny akaikin’ny tanànan’i Naina. Mitantara ny Baiboly hoe: “Nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy.” (Lioka 7:11-15) Araka ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (anglisy), ilay teny hoe “onena” dia midika hoe “mahatsapa toy ny mihatra amin’ny tena.” Tsapan’i Jesosy ny alahelom-pon’ilay vehivavy, ary izany no nahatonga azy hanao zavatra mba hanamaivanana ny alahelony. Dibo-kafaliana ilay mpitondratena rehefa natsangan’i Jesosy ny zanany ka “natolony tamin-dreniny”!
Nanaiky hijaly i Jesosy tamin’ny farany, araka ny fikasan’Andriamanitra, ka nanolotra ny ainy ho avotra mba hanafahana ny olombelona amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. Izany no ohatra miavaka indrindra amin’ny fampiharana ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.—Matio 20:28; Jaona 15:13; Hebreo 4:15.
Olona tia ny namany tahaka ny tenany
Misy olona tena tia ny namany tahaka ny tenany ve amin’izao andro izao? Misy tokoa, ary na dia amin’ny fotoan-tsarotra aza. Nitana ny finoany sy ny fitiavany ny namany, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Nazia, nandritra ny Ady Lehibe II, ka tsy nanaiky hampandefitra izany fitiavana izany. Nitarika ny vahoaka hankahala sy hanavakavaka ny Jiosy rehetra ny Fanjakana, kanefa mbola tia ny namany tahaka ny tenany ihany ny Kristianina. Niahy ny olona niaraka taminy foana izy ireo na tany amin’ny toby fitanana aza, ary nomeny tamin’ny sakafo kely nananany ireo olona mosarena, na Jiosy na tsy Jiosy. Tsy nanaiky handray fiadiana hamonoana olon-kafa izy ireo, na dia noteren’ny Fanjakana aza, satria tsy tiany koa ny hamonoan’ny olon-kafa azy. Ahoana moa no hamonoan’izy ireo ny olona tiany tahaka ny tenany? Nalefa tany amin’ny toby fitanana sy novonoina mihitsy ny ankamaroan’izy ireo noho izany.—Matio 5:43-48.
Hahita ohatra hafa momba ny fitiavana ny namana tahaka ny tena koa ianao, eo am-pamakiana ity lahatsoratra ity. Fantatry ny VaIsaia 2:2-4 dia “firenena maro”, olona miisa enina tapitrisa eo ho eo, no ‘ampianarin’i Jehovah ny amin’ny lalany, ka mandeha amin’ny atorony.’ Azo lazaina hoe nianatra ny “hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka.” Mahita fiadanana sy filaminana izy ireo amin’izao fotoan-tsarotra izao.
volombelon’i Jehovah fa olona maro no tsy manana fanantenana sy mila fanampiana. Izany no antony anampiany an-tsitrapo ny olon-kafa mba hianatra ny fanantenana sy ny fitarihan-dalana mahasoa ao amin’ny Baiboly. Tontosaina maneran-tany io asa fampianarana io ankehitriny ary mandroso mbola tsy nisy toy izany. Inona no vokany? Araka ny voalazan’nyAry ianao?
Diniho ny fahoriana sy ny fijaliana mianjady amin’ny olombelona, noho izy ireo tsy tia ny namany tahaka ny tenany, nanomboka tamin’ilay fikomiana notarihin’i Satana Devoly tany Edena. Efa hanova ny toe-javatra i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana? “Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly.” (1 Jaona 3:8) Hitranga izany rehefa manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Jesosy Kristy hendry sady mahery, dia Ilay nampianatra mba ho tia ny namana tahaka ny tena, sy tena nampihatra izany.—Salamo 37:9-11; Daniela 2:44.
Nilaza toy izao i Davida mpanjakan’ny Isiraely fahiny: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina. Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.” (Salamo 37:25, 26) Tsy manaiky ve ianao fa ny hahazo sy ny hangorona ihany no tian’ny ankamaroan’ny olona fa tsy mba ny ‘hiantra sy ny hampisambotra’? Mitondra fiadanana sy filaminana tokoa àry ny fitiavana ny namana tahaka ny tena, satria ahazoana fahasambarana ankehitriny sy amin’ny hoavy, rehefa hanapaka ny Fanjakan’Andriamanitra. Hesorin’Andriamanitra tsy hisy intsony eto an-tany ny fitiavan-tena sy ny faharatsiana, ary tontolo vaovao kosa no hataony solon’ity tontolo ratsy fitondran-tena entin’olombelona ity. Ho tena tia ny namany tahaka ny tenany ny olona rehetra amin’izay.—Salamo 29:11; 2 Petera 3:13.
[Sary, pejy 4, 5]
Tsy nampianatra ny olona ho tia ny namana tahaka ny tena fotsiny i Jesosy fa namela ohatra faran’izay tsara mihitsy koa
[Sary, pejy 7]
Mitondra fiadanana sy filaminana ny fitiavana ny namana tahaka ny tena