Mianara Hatahotra An’i Jehovah
Mianara Hatahotra An’i Jehovah
“Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva.”—DEOTERONOMIA 5:26.
1. Nahoana isika no matoky fa tsy ho voagejan’ny tahotra intsony ny olona indray andro any?
TSY afaka amin’ny olona mihitsy ny tahotra. An-tapitrisany maro no mitebiteby lava, noho ny tahotra ny hanoanana, ny aretina, ny heloka bevava na ny ady. Izany no antony ilazan’ny sasin-tenin’ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona, fa irina ny hiainan’ny olon-drehetra ao anatin’ny tontolo iray tsy voagejan’ny tahotra. * Soa ihany fa manome toky antsika Andriamanitra hoe hisy tokoa io tontolo io, na dia tsy ny olombelona aza no hahavita izany. Nampanantena antsika tamin’ny alalan’i Mika mpaminany izy hoe ‘tsy hisy hanaitaitra’ ny vahoakany, ao amin’io tontolo hanjakan’ny rariny io.—Mika 4:4.
2. a) Inona no lazain’ny Soratra Masina mba hampirisihana antsika hatahotra an’Andriamanitra? b) Inona avy no fanontaniana mety hipetraka momba ny adidintsika hatahotra an’Andriamanitra?
2 Afaka mitarika antsika hanao zavatra tsara koa anefa ny tahotra. Imbetsaka ny Soratra Masina no mampirisika ny mpanompon’Andriamanitra mba hatahotra an’i Jehovah. Hoy i Mosesy tamin’ny Isiraelita: “Matahora an’i Jehovah Andriamanitrao hianao, ka manompoa Azy.” (Deoteronomia 6:13) Nanoratra toy izao i Solomona, taonjato maro tatỳ aoriana: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (Mpitoriteny 12:13) Mampirisika ny olon-drehetra ‘hatahotra an’Andriamanitra sy hanome voninahitra Azy’ koa isika, amin’ny alalan’ny fitoriantsika, tarihin’ny anjely. (Apokalypsy 14:6, 7) Sady tokony hatahotra an’i Jehovah ny Kristianina no tsy maintsy tia azy amin’ny fony rehetra koa. (Matio 22:37, 38) Ahoana no hitiavantsika an’Andriamanitra sady hatahorantsika azy? Nahoana isika no tokony hatahotra Andriamanitra be fitiavana? Inona no soa azontsika avy amin’izany? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia tsy maintsy mazava amintsika aloha ny dikan’ny hoe tahotra an’Andriamanitra. Tsy maintsy mazava amintsika koa fa tena ilaina izy io mba hihavanana aminy.
Talanjona sy manaja fatratra ary matahotra
3. Inona no dikan’ny hoe matahotra an’Andriamanitra?
3 Tokony hatahotra an’Andriamanitra Mpamorona azy ny Kristianina. Ny dikan’ny hoe matahotra an’Andriamanitra dia “talanjona sy manaja fatratra ny Mpamorona ary matahotra ny hampahasosotra azy.” Misy akony eo amin’ny lafiny roa amin’ny fiainantsika àry ny tahotra an’Andriamanitra: ny fiheverantsika an’Andriamanitra sy ny fiheverantsika ny fitondran-tena halany. Samy tena zava-dehibe ireo, ka tokony hodinihina tsara. Araka ny asehon’ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Vaovao, dia ‘mifehy ny fiainan’ny Kristianina, eo amin’ny ara-panahy sy ara-pitondran-tena’ io tahotra sy fanajana io.
4. Inona no hahatonga antsika ho talanjona sy hanaja fatratra ny Mpamorona antsika?
4 Inona no hahatonga antsika ho talanjona sy hanaja fatratra ny Mpamorona antsika? Talanjona isika, rehefa mahita toerana tsara tarehy na riandrano mahazendana na masoandro mody mahavariana. Vao mainka talanjona isika, rehefa takatsika amin’ny mason’ny finoana, fa Andriamanitra no nanao ireny. Mahatsapa Salamo 8:3, 4) Rehefa talanjona toy izany isika, dia manjary manaja fatratra an’i Jehovah, ka voatosika hisaotra sy hidera azy noho ny zava-drehetra ataony ho antsika. Hoy koa i Davida: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.”—Salamo 139:14.
toa an’i Davida isika, fa tsinontsinona raha oharina amin’ireo zavaboary mahatalanjona nataon’i Jehovah. “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy?” (5. Nahoana isika no tokony hatahotra an’i Jehovah, ary inona no ohatra tsara manampy antsika amin’izany?
5 Manjary matahotra an’Andriamanitra, noho izy Mpamorona manan-kery sy Fahefana Fara Tampony, isika, rehefa talanjona sy manaja fatratra azy. Hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitana ireo voahosotra mpanara-dia an’i Kristy any an-danitra, dia ireo “naharesy ka afaka tamin’ny bibi-dia sy ny sariny.” Hoy izy ireo: “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao?” (Apokalypsy 15:2-4) Matahotra an’Andriamanitra, noho ny fahalehibeazany, ireo mpiara-manjaka amin’i Kristy ireo. Izany no mahatonga azy ireo hanome voninahitra an’Andriamanitra, amin’ny maha fahefana fara tampony Azy. Tsy tokony hatahotra an’Andriamanitra tokoa ve isika, rehefa mijery ny zava-drehetra nataony sy ny fanaovany ny rariny eo amin’ny fitondrany izao rehetra izao?—Salamo 2:11; Jeremia 10:7.
6. Nahoana isika no tokony hatahotra ny hampahasosotra an’Andriamanitra?
6 Tsy vitan’ny hoe talanjona noho ny zavatra ataon’Andriamanitra sy manaja azy fatratra ny olona matahotra azy, fa matahotra ny hampahasosotra azy na ny tsy hankatò azy koa. Nahoana? Satria “tsy mety manamarina ny meloka” i Jehovah, na dia “mahari-po sady be famindrampo” aza. (Eksodosy 34:6, 7) Be fitiavana sy famindram-po i Jehovah, nefa tsy milefitra amin’ny olona manao ny tsy marina na minia manao ratsy. (Salamo 5:4, 5; Habakoka 1:13) Tsy ho afa-maina izay minia manao ratsy sy tsy mibebaka, ka mitsangana ho fahavalony. “Zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tànan’Andriamanitra velona”, hoy ny apostoly Paoly. Ho voaro foana isika raha atahorantsika hitranga amintsika izany.—Hebreo 10:31.
‘Aoka izy no ifikiranareo’
7. Nahoana isika no matoky fa manan-kery hamonjena antsika i Jehovah?
7 Manjary matoky an’i Jehovah ny olona manaja sy matahotra azy fatratra ary mitadidy tsara fa manan-kery lehibe izy. Toy ny ankizy tsy manana ahiahy rehefa eo akaikin’ny rainy, dia tsy manana ahiahy koa isika tarihin’ny tanan’i Jehovah. Mariho ny zavatra nataon’ny Isiraelita, rehefa nafahan’i Jehovah avy tany Ejipta izy ireo: “Hitan’ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon’ny tànan’i Jehovah tamin’ny Egyptiana, dia natahotra an’i Jehovah ny olona ka nino an’i Jehovah sy Mosesy mpanompony.” (Eksodosy 14:31) Porofoin’ny zava-nitranga tamin’i Elisa koa fa “ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.” (Salamo 34:7; 2 Mpanjaka 6:15-17) Hita avy amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny sy ny zavatra niainantsika tsirairay, fa mampiasa ny heriny hamonjena ny mpanompony tokoa i Jehovah. (2 Tantara 16:9) Manjary takatsika àry fa “ny fahatahorana an’i Jehovah dia fiarovana mahatoky.”—Ohabolana 14:26.
8. a) Nahoana ny tahotra an’Andriamanitra no manosika antsika handeha amin’ny lalany? b) Hazavao ny antony tokony ‘hifikirantsika’ amin’i Jehovah.
8 Tsy vitan’ny hoe mahatonga antsika hatoky an’Andriamanitra fotsiny ny fahatahorantsika azy, fa manosika antsika handeha amin’ny lalany koa. Nivavaka toy izao tamin’i Jehovah i Solomona, rehefa nitokana ny tempoly: “Mba hatahorany [ny Isiraelita] Anao sy handehanany amin’ny làlanao amin’izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ny tany nomenao ny razanay.” (2 Tantara 6:31) Efa nampirisika ny Isiraelita toy izao koa i Mosesy: “Manaraha an’i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.” (Deoteronomia 13:5) Asehon’ireo andinin-teny ireo tsara fa ny fatokisana an’i Jehovah no mahatonga ny olona haniry handeha amin’ny lalany sy ‘hifikitra’ aminy. Te hankatò sy hanompo ary hifikitra amin’i Jehovah tokoa isika, rehefa matahotra azy, toy ny ankizy mifikitra amin’ny rainy itokisany tanteraka.—Salamo 63:8; Isaia 41:13.
Izay tia an’Andriamanitra dia matahotra azy
9. Inona no ifandraisan’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny tahotra an’Andriamanitra?
9 Lazain’ny Soratra Masina fa afaka ny ho tia an’Andriamanitra isika, na dia matahotra azy aza. Ny Isiraelita, ohatra, dia nasaina ‘hatahotra an’i Jehovah mba handeha amin’ny lalany rehetra ary ho tia Azy.’ (Deoteronomia 10:12) Mifandray akaiky àry ny tahotra sy ny fitiavana an’Andriamanitra. Manosika antsika handeha amin’ny lalan’Andriamanitra ny fahatahorana azy, ary izany indray kosa dia manaporofo fa tia azy isika. (1 Jaona 5:3) Mety tsara izany, satria matahotra ny hampalahelo ny olona tiantsika isika. Nampalahelo an’i Jehovah ny Isiraelita rehefa nikomy tany an’efitra. Azo antoka fa tsy te hampalahelo an’ilay Raintsika any an-danitra toy izany mihitsy isika. (Salamo 78:40, 41) Mampifaly an’i Jehovah kosa isika rehefa mankatò ka tsy mivadika aminy, satria “Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy.” (Salamo 147:11; Ohabolana 27:11) Manosika antsika hampifaly an’Andriamanitra ny fitiavana azy, ary manampy antsika tsy hampalahelo azy kosa ny fahatahorana azy. Toetra mifameno ireo, fa tsy mifanipaka akory.
10. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nahafinaritra azy ny fahatahorana an’i Jehovah?
10 Asehon’ny fiainan’i Jesosy Kristy tsara, fa sady afaka ny ho tia an’Andriamanitra isika no afaka ny hatahotra azy. Hoy i Isaia mpaminany, momba an’i Jesosy: “Ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah; ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah.” (Isaia 11:2, 3) Asehon’io faminaniana io fa nanosika an’i Jesosy hatahotra ilay Rainy any an-danitra ny fanahin’Andriamanitra. Marihintsika koa fa tsy nangeja azy io ta hotra io, fa nahafa-po azy kosa. Finaritra i Jesosy nanao ny sitrapon’Andriamanitra sy nampifaly azy, na dia tao anatin’ny fisedrana mafy indrindra aza. Nilaza toy izao tamin’i Jehovah izy, rehefa nadiva hovonoina teo amin’ny hazo fijaliana: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Matio 26:39) Nanjary nihaino ny fitalahoan’ny Zanany i Jehovah ary nanatanjaka azy sy namonjy azy tamin’ny fahafatesana, satria hitany fa natahotra Azy i Jesosy.—Hebreo 5:7.
Mianara hatahotra an’i Jehovah
11, 12. a) Nahoana isika no tsy maintsy mianatra ny hatahotra an’Andriamanitra? b) Ahoana no ampianaran’i Jesosy antsika hatahotra an’i Jehovah?
11 Talanjona sy matahotra avy hatrany isika manoloana ny herin’ny zavaboary sy ny hakantony. Tsy tonga ho azy toy izany anefa ny tahotra an’Andriamanitra. Izany no nahatonga an’i Jesosy Kristy, ilay Davida Lehibe, hanasa antsika amin’izao faminaniana izao: “Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’i Jehovah no hampianariko anareo.” (Salamo 34:11) Ahoana no ampianaran’i Jesosy antsika hatahotra an’i Jehovah?
12 Mampianatra antsika hatahotra an’i Jehovah i Jesosy, satria manampy antsika hahatakatra hoe inona avy ireo toetra mahatalanjon’ilay Raintsika any an-danitra. (Jaona 1:18) Hita amin’ny ohatr’i Jesosy ny fihevitr’Andriamanitra sy ny fomba ifandraisany amin’ny hafa, satria nampiseho tsara ny toetran’ny Rainy izy. (Jaona 14:9, 10) Ny sorona nataon’i Jesosy koa no mahatonga antsika ho afaka hangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra. Fomba miavaka nampisehoan’i Jehovah ny famindrampony izany, ary efa antony lehibe tokony hatahorantsika azy sahady. Hoy ny mpanao salamo: “Eo aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao.”—Salamo 130:4.
13. Inona avy ireo dingana hanampy antsika hatahotra an’Andriamanitra, araka ny Ohabolana?
13 Asehon’ny Ohabolana ireo dingana hanampy antsika hatahotra an’Andriamanitra. “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, ... dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” (Ohabolana 2:1-5) Mba hatahorana an’Andriamanitra àry, dia tsy maintsy mianatra ny Teniny sy miezaka mafy hahatakatra ny fampianarana hita ao isika, ary manaraka tsara ny torohevitra omeny.
14. Inona no azontsika atao mba hanarahana ilay torohevitra nomena an’ireo mpanjakan’ny Isiraely?
14 Nasaina nandika ny Lalàna ny mpanjaka tsirairay teo amin’ny Isiraely fahiny, ka tokony ‘hamaky azy io amin’ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’ny lalàna.’ (Deoteronomia 17:18, 19) Tena ilaintsika koa ny mamaky sy mianatra Baiboly mba hianarantsika hatahotra an’i Jehovah. Mahazo fahendrena sy fahalalana avy amin’Andriamanitra isika, rehefa mampihatra ny fitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika. ‘Ho fantatsika marina ny atao hoe fahatahorana an’i Jehovah’, satria hitantsika ny soa entiny eo amin’ny fiainantsika, ary heverintsika ho sarobidy ny fihavanantsika amin’Andriamanitra. Ambonin’izany, dia afaka mihaino ny fampianaran’Andriamanitra sy mianatra hatahotra Azy ary handeha amin’ny lalany ny tanora sy ny be taona, rehefa miara-mivory amin’ny mpiray finoana.—Deoteronomia 31:12.
Sambatra izay matahotra an’i Jehovah
15. Inona no ifandraisan’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fahatahorana azy?
15 Hitantsika, araka izany, fa mahasoa ny tahotra an’Andriamanitra, ary tokony hanana azy io isika rehetra, satria anisan’ny fototry ny fanompoantsika an’i Jehovah izy io. Io no mahatonga antsika hatoky azy tanteraka sy handeha amin’ny lalany ary hifikitra aminy. Toy ny tamin’i Jesosy Kristy, dia afaka manosika antsika hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika koa, manomboka izao ka ho mandrakizay, ny tahotra an’Andriamanitra.
16. Nahoana i Jehovah no mampirisika antsika hatahotra azy?
16 Tsy mampihorohoro na mamepetra tsy misy antony ny tahotra an’Andriamanitra. Manome toky antsika ny Baiboly fa “sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah, dia izay mandeha amin’ny làlany.” (Salamo 128:1) Mampirisika antsika hatahotra azy i Jehovah, satria fantany fa hiaro antsika izany. Miahy antsika sy tia antsika tokoa izy, araka izao teniny tamin’i Mosesy izao: “Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy [ny Isiraelita] hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay!”—Deoteronomia 5:26.
17. a) Inona no soa azontsika rehefa matahotra an’Andriamanitra isika? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
17 Hahita soa koa isika, raha mianatra hatahotra an’i Jehovah. Inona avy izany soa izany? Voalohany, dia mampifaly an’Andriamanitra izany ary manampy antsika hifandray akaiky aminy. Hitan’i Davida tamin’ny zavatra niainany fa “hanefa ny irin’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.” (Salamo 145:19) Faharoa, dia mahasoa antsika ny tahotra an’Andriamanitra, satria manampy antsika hifady ny ratsy. (Ohabolana 3:7) Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, fa miaro antsika amin’ny loza ara-panahy ny tahotra an’Andriamanitra. Hodinihintsika koa ny ohatra ao amin’ny Soratra Masina ny amin’ny olona natahotra an’Andriamanitra, ka nifady ny ratsy.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 1 Neken’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 10 Desambra 1948 ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona.
Hainao Valiana ve Ireto?
• Inona no dikan’ny hoe matahotra an’Andriamanitra, ary inona no akon’izy io eo amintsika?
• Inona no ifandraisan’ny hoe matahotra an’Andriamanitra sy ny hoe miara-mandeha aminy?
• Araka ny ohatra navelan’i Jesosy, inona no ifandraisan’ny tahotra an’Andriamanitra sy ny fitiavana azy?
• Inona avy ireo dingana hanampy antsika hatahotra an’i Jehovah?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 17]
Nahazo baiko handika ny Lalàna sy hamaky azy io isan’andro ny mpanjaka isiraelita tsirairay
[Sary, pejy 18]
Ny tahotra an’i Jehovah dia mahatonga antsika hatoky azy, toy ny zanaka matoky ny rainy
[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]
Kintana: Photo by Malin, © IAC/RGO 1991