Fomba Anamaivanana ny Vesatry ny Adim-piainana
Fomba Anamaivanana ny Vesatry ny Adim-piainana
“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”—MATIO 11:28.
1, 2. a) Inona no lazain’ny Baiboly fa manampy mba hanamaivana ny adim-piainana mavesatra loatra? b) Inona no soa azo avy amin’ny fampianaran’i Jesosy?
EKENAO angamba fa mavesatra tokoa ny adim-piainana. Asehon’ny Baiboly fa tototry ny zava-manahirana ny olombelona, ka maro no mitebiteby eo am-piandrasana ny fanamaivanana amin’izao adim-piainana mavesatra izao. (Romana 8:20-22) Asehon’ny Soratra Masina koa anefa ny fomba ahazoantsika sahady fanamaivanana amin’ny fahoriana. Mahazo izany fanamaivanana izany isika, rehefa manaraka ny torohevitra sy ny ohatra navelan’ny tovolahy iray niaina 2 000 taona lasa izay. Mpandrafitra no asany, nefa ny olona no tena tiany. Tena nanohina ny fon’ny olona izy, nanome izay nilain’izy ireo, nanampy ny ory ary nampionona ny ketraka. Ambonin’izany, dia nanampy azy ireo handroso ara-panahy izy. Nahazo fanamaivanana tamin’ny adim-piainana mavesatra loatra àry izy ireo, ary afaka mahazo izany koa ianao.—Lioka 4:16-21; 19:47, 48; Jaona 7:46.
2 I Jesosy avy any Nazareta io lehilahy io. Tsy ny fianarana ambony nokatsahin’ny sasany tany Roma na tany Atena na tany Aleksandria no nitari-dalana azy. Malaza anefa ny fampianarany. Ny votoatin’izy io dia ilay fanjakan’Andriamanitra hitondra soa ho an’ny tany manontolo. Nanazava fitsipika fototra momba ny fiainana koa i Jesosy, ary tena ilaina izy ireny hatramin’izao. Mandray soa avy hatrany ny olona mianatra sy mampihatra izay nampianarin’i Jesosy, ka anisan’izany soa izany ny fanamaivanana ny adim-piainana mavesatra loatra. Tsy mba maniry izany koa ve ianao?
3. Inona no fanasana lehibe nataon’i Jesosy?
3 Mety tsy hino izany ianao. ‘Olona efa taloha ela be izany ve dia hisy vokany eo amin’ny fiainako?’ Henoy àry izao fanasan’i Jesosy izao: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:28-30) Inona no tiany holazaina? Ndeha hofakafakaintsika tsara ireo teny ireo, ka hojerentsika hoe nahoana izany no manampy mba hanamaivanana ny adim-piainana mampahory.
4. Iza no niresahan’i Jesosy, ary nahoana no mety ho sarotra tamin’ny mpihaino azy ny nanao izay notakina tamin’izy ireo?
4 Niresaka tamin’ny olona niezaka mafy hanaraka ny lalàna i Jesosy. ‘Navesatra entana’ anefa izy ireo, satria nataon’ny mpitondra fivavahana jiosy ho enta-mavesatra ny fivavahana. (Matio 23:4) Saika ny lafiny rehetra tamin’ny fiainana dia nanaovan’izy ireo fitsipika avokoa. Tsy ho kivy ve ianao raha itenenana foana hoe “tsy azo atao” izao na “tsy azo atao” irỳ? Hahita fahamarinana sy fahitsiana ary fiainana tsara kokoa anefa ny olona, rehefa manaiky ny fanasan’i Jesosy, ka mihaino azy. Eny, ilaina ny mihaino an’i Jesosy Kristy, mba hahafantarana an’ilay Andriamanitra marina. Nampiseho ary mbola mampiseho ny toetran’i Jehovah mantsy i Jesosy. Hoy izy: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray.”—Jaona 14:9.
Vesaran’ny adim-piainana ve ianao?
5, 6. Ampitahao ny asa sy ny karama tamin’ny andron’i Jesosy sy ny antsika ankehitriny.
5 Mampanahy anao angamba izany, satria mety ho mafy ny manjo anao any am-piasana na ao an-trano. Misy andraikitra tsy arakao koa angamba. Mitovy amin’ireo olona tso-po nampian’i Jesosy ianao, raha izany. Diniho fotsiny, ohatra, ny fitadiavam-bola. Maro ankehitriny no miady mafy mba hahazoana izany. Toy izany koa tamin’ny andron’i Jesosy.
6 Niasa mafy adiny 12, nandritra ny 6 andro isan-kerinandro ny mpiasa iray tamin’izany, nefa denaria iray monja no karamany isan’andro. (Matio 20:2-10) Manao ahoana izany raha oharina amin’ny karamanao na ny karaman’ny namanao? Sarotra ihany ny mampitaha ny karama taloha amin’ny karama ankehitriny, nefa azo ampitahaina angamba ny fahefa-mividy. Misy manam-pahaizana milaza fa karama adiny iray no vidin’ny mofo iray vita tamin’ny lafarinina 900 grama eo ho eo, tamin’ny andron’i Jesosy. Misy koa milaza fa karama adiny roa no vidin’ny divay tsara eran’ny kaopy. Hitanao amin’izany fa tena nitrongy vao homana ny olona tamin’izany fotoana izany. Nila famelombelomana sy fanamaivanana toa antsika koa izy ireo. Raha miasa ianao, dia mety hihevitra fa mila miasa mafy kokoa. Tsy manam-potoana isaintsainana tsara isika matetika, alohan’ny hanapahana hevitra. Ekenao angamba fa tena mila fanamaivanana ianao.
7. Ahoana no nandraisan’ny olona ny hafatr’i Jesosy?
7 Tsy mahagaga àry raha tena nahasarika ny ankamaroan’ny mpihaino an’i Jesosy ny fanasana nataony ho an’izay “miasa fatratra sy mavesatra entana.” (Matio 4:25; Marka 3:7, 8) Tadidio koa fa nampanantena izy hoe: ‘Hanome anareo fitsaharana [na famelombelomana] aho.’ Mbola mampanantena izany izy ankehitriny. Mety hahazo izany isika sy ny havan-tiantsika, “miasa fatratra sy mavesatra entana.”
8. Nahoana no manampy trotraka ny adim-piainana ny fitaizana sy ny fahanterana?
8 Vesaran’ny zava-manahirana hafa koa ny olona. Sarotra ny mitaiza. Tsy mora koa ny fiainan’ny ankizy. Betsaka no manana aretina ara-tsaina na aretina hafa, na antitra izy na tanora. Manan-java-manahirana hafa ny be taona, na Mpitoriteny 12:1.
dia mety ho ela velona kokoa aza, ary na dia mihatsara aza ny fitsaboana.—Eo ambanin’ilay zioga
9, 10. Nanondro inona ny zioga hatramin’izay, ary nahoana i Jesosy no nanasa ny olona hitondra ny ziogany?
9 Asa raha voamarikao fa nilaza i Jesosy ao amin’ny Matio 11:28, 29 hoe “ento ny ziogako, ka mianara amiko.” Nihevi-tena ho nitondra zioga mihitsy ny sarambaben’olona, tamin’izany andro izany, rehefa niasa. Nanondro ny fanandevozana foana ny zioga hatramin’izay. (Genesisy 27:40; Levitikosy 26:13; Deoteronomia 28:48) Nilanja zioga ara-bakiteny mba hitondrana entana mavesa-be ny ankamaroan’ny mpiasa nandray karama isan’andro, tamin’ny andron’i Jesosy. Misy zioga mety tsara amin’ny hatoka sy ny soroka, fa mety hisy kosa hanorisory satria mankarary, arakaraka ny nanamboarana azy. Mety ho efa nanamboatra zioga i Jesosy satria mpandrafitra, ary mety ho hainy ny nanao zioga “mora.” Nasiany hoditra na lamba angamba ilay zioga, mba hahafinaritra ny mitondra azy.
10 Angamba nampitovy ny tenany tamin’ny mpanome zioga tsara i Jesosy, rehefa nilaza hoe “ento ny ziogako.” Zioga “mora” ho an’ny hatoka sy ny sorok’ilay mpiasa angamba no namboariny. Izany no nahatonga azy hilaza koa hoe: “Maivana ny entako.” Nidika izany fa nahafinaritra ilay zioga, sady tsy asan’andevo koa ilay asa. Marina aloha fa tsy nanamaivana ny olona tamin’ny fahoriana rehetra nisy tamin’izany i Jesosy, rehefa nanasa azy ireo hitondra ny ziogany. Tena hamelombelona azy ireo anefa ny fomba fihevitra vaovao nasehony. Hahazoan’izy ireo fanamaivanana koa ny fanovana ny fomba fiainany sy ny fomba fanaovany zavatra. Ambonin’izany, dia ho hitan’izy ireo fa hanjary ho maivana kokoa ny adim-piainana, rehefa manana fanantenana mazava sy mafy orina izy ireo.
Afaka mahazo famelombelomana ianao
11. Nahoana i Jesosy no tsy nilaza fa ho afaka amin’ny zioga rehetra ny olona rehefa mitondra ny ziogany?
11 Mariho fa tsy nilaza akory i Jesosy hoe ho afaka amin’ny zioga rehetra ny olona, rehefa handray ny ziogany. Mbola hifehy azy ireo mantsy i Roma, ary mifehy ny tany misy ny Kristianina koa ireo fanjakana ankehitriny. Tsy maintsy nandoa hetra tamin’ny Romanina ihany izy ireo. Mbola nisy koa ny aretina sy ny zava-nanahirana ara-bola. Mbola nisy vokany tamin’ny olona koa ny tsy fahalavorariana sy ny fahotana. Nahazo famelombelomana anefa izy ireo, rehefa nanaraka ny fampianaran’i Jesosy, ary afaka mahazo izany koa isika.
12, 13. Inona no hitondra famelombelomana, araka ny nantitranterin’i Jesosy, ka inona no nataon’ireo nahazo izay nolazainy?
12 Ny fanaovana mpianatra no tena fampiharana ilay ohatra noraisin’i Jesosy momba ny zioga. Tsy isalasalana fa ny fampianarana no nimasoany, ka ny Fanjakan’Andriamanitra no tena nantitranteriny. (Matio 4:23) Tokony hanaraka azy hanao io asa io koa àry ireo nilazany hoe “ento ny ziogako.” Hita ao amin’ny Filazantsara fa nanosika olona tso-po hiova asa i Jesosy, na dia nibahan-toerana teo amin’ny fiainan’izy ireo aza ny asany. Tadidio ilay fanasana nataony tamin’i Petera, Andrea sy Jakoba ary Jaona: “Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo.” (Marka 1:16-20) Io asa io no nataon’i Jesosy vain-dohan-draharahany. Nasehony an’ireo mpanarato ireo fa ho afa-po tokoa izy ireo raha manao azy io, ka manaraka ny tari-dalany sy mandray ny fanampiany eo am-panaovana izany.
13 Nisy Jiosy nahazo ny tiany holazaina, ka nampihatra izany. Alao sary an-tsaina ny zava-nitranga teny amoron-dranomasina, voatantara ao amin’ny Lioka 5:1-11. Nisy mpanarato efatra niasa mafy nandritra ny iray alina manontolo, nefa tsy nahazo na inona na inona. Feno tampotampoka teo anefa ny haratony rehefa nalatsany! Tsy kisendrasendra izany, fa noho ny fahagagana nataon’i Jesosy. Tazan’izy ireo teny amoron-dranomasina ny vahoaka nihaino tsara ny fampianaran’i Jesosy. Noho izany, dia nazava izao tenin’i Jesosy tamin’izy efa-dahy izao: “Hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho [azonareo].” Inona àry no nataon’izy ireo? “Nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesosy.”
14. a) Inona no hamelombelona antsika? b) Inona ilay vaovao tsara mamelombelona notorin’i Jesosy?
Matio 4:19) Manontolo andro no anaovan’ny sasany izany, fa misy kosa manao izany tapa-potoana, araka izay vitany. Tsapan’izy rehetra fa mamelombelona izany, ka tsy dia mafy aminy intsony ny adim-piainana. Zavatra mahafinaritra azy ireo mantsy no ataony, dia ny filazana ny vaovao tsara, izany hoe ny “filazantsaran’ny fanjakana.” (Matio 4:23) Mahafaly foana ny milaza vaovao tsara, indrindra fa io vaovao tsara io. Ao amin’ny Baiboly no ahitantsika ny hevi-dehibe ilaina mba handresena lahatra ny olona, fa azony atao ny miatrika tsara kokoa ny adim-piainana.—2 Timoty 3:16, 17.
14 Tena afaka manao toy izany koa ianao. Mbola mitohy ny asa fampianarana ny fahamarinana ara-baiboly. Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa eo ho eo eran-tany no nanaiky ny fanasan’i Jesosy ‘hitondra ny ziogany’, ka lasa “mpanarato olona.” (15. Inona no soa azo avy amin’ny fampianaran’i Jesosy momba ny fiainana?
15 Efa nandray soa tamin’ny fampianaran’i Jesosy momba ny fomba fiaina, na dia ireo vao nanomboka nianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra aza. Betsaka no afaka milaza fa tena namelombelona sy nanampy azy hanova tanteraka ny fiainany ny fampianaran’i Jesosy. Mba hanamarinanao izany, dia diniho ny fitsipika vitsivitsy momba ny fiainana, misongadina ao amin’ny fitantarana momba an’i Jesosy sy ny fanompoany, indrindra fa ny Filazantsaran’i Matio sy Marka ary Lioka.
Fomba ahazoana famelombelomana
16, 17. a) Aiza no ahitana ny sasany amin’ireo fampianarana fototra avy amin’i Jesosy? b) Inona no ilaina, raha tiana ny hahazo famelombelomana avy amin’ny fampiharana ny fampianaran’i Jesosy?
16 Malaza mandraka ankehitriny ilay lahateny nataon’i Jesosy tamin’ny 31 am.f.i. Toriteny teo An-tendrombohitra no ahafantaran’ny maro azy io. Voasoratra ao amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7 sy ny Lioka toko faha-6 izy io, ary mamintina ny ankamaroan’ny fampianaran’i Jesosy. Misy fampianaran’i Jesosy koa ao amin’ny toerana hafa ao amin’ny Filazantsara. Mora azo nefa mety ho sarotra ampiharina ny ankamaroan’ny zavatra nolazainy. Ahoana raha vakina sy dinihina tsara ireo toko ireo? Avelao hanan-kery amin’ny fomba fisainanao sy ny toetranao ny hevitra fonosin’izy ireo.
17 Misy fomba maro azo anasokajiana ny fampianaran’i Jesosy. Ireo fampianarany fototra no hatambatsika. Amin’izay dia handinika iray isan’andro isika mandritra ny iray volana, ka ny hampihatra izany amin’ny fiainana no tanjona. Ahoana no hatao? Aza lalovana fotsiny ireo hevitra. Tadidio ilay mpanan-karena nanontany an’i Jesosy Kristy hoe: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Nampahatsiahivin’i Jesosy azy ny zava-dehibe takin’ny Lalàn’Andriamanitra, ka namaly izy fa efa tandremany avokoa izany. Takany anefa fa tsy ampy izany. Nasain’i Jesosy niezaka mafy kokoa àry izy mba hampihatra ny fitsipik’Andriamanitra eo amin’ny fiainany, fa tsy ho mpianatra anarany fotsiny. Toa tsy vonona hanao izany rehetra izany anefa io lehilahy io. (Lioka 18:18-23) Izay te hianatra ny fampianaran’i Jesosy àry, dia tokony hitadidy fa tsy ampy ny manaiky ny fampianarany, fa ilaina koa ny mampihatra azy ireny, mba hanamaivanana ny adim-piainana.
18. Hazavao ny fomba azo ampiasana ilay faritra voafefy mba hahitana soa.
18 Hojerentsika ny hevitra voalohany amin’ilay faritra voafefy, mba hanombohana ny fandinihana sy ny fampiharana ny fampianaran’i Jesosy. Ny Matio 5:3-9 no asaina jerena. Mety haka fotoana misimisy ihany ny fisaintsainana ireo torohevitra tsara ao amin’ireo andinin-teny ireo. Inona anefa no toe-tsaina tokony hananantsika, raha atao indray mijery ireo? Inona no ilainao, raha tena maniry hahazaka ny adim-piainana mavesatra loatra ianao? Inona no soa horaisinao, raha miezaka ianao mba hamela ny zavatra ara-panahy hibahana kokoa ao an-tsainao? Sao dia tsy tokony hampiasa saina loatra amin’ny zavatra sasany ianao, mba hahatonga ny zavatra ara-panahy hibahana kokoa ao an-tsainao? Hitombo sahady ny fahasambaranao, raha manao izany ianao.
19. Inona no hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ireo fampianaran’i Jesosy?
19 Misy zavatra hafa azonao atao indray izao. Ahoana raha miara-mandinika ireo andinin-teny ireo amin’ny mpanompon’i Jehovah hafa, angamba ny vadinao, na havanao akaiky na namanao? (Ohabolana 18:24; 20:5) Tadidio fa nanontany olona ilay mpanan-karena. I Jesosy no nanontaniany. Afaka nampitombo ny fahasambarany sy nanalava ny androm-piainany ny valin-teny azony. Marina fa tsy hitovy amin’i Jesosy ilay mpiara-manompo handinika ireo andinin-teny ireo miaraka aminao. Samy handray soa anefa ianareo, rehefa miresaka momba ny fampianaran’i Jesosy. Iezaho atao haingana izany.
20, 21. Inona no fandaharana tsara arahina mba hianarana ireo fampianaran’i Jesosy, ary ahoana no ahitanao raha mandroso ianao?
20 Jereo indray ilay faritra voafefy hoe “Fampianarana Natao Hanampy Anao.” Natambatra ireo fampianarana ireo mba handinihanao anankiray isan’andro. Azonao vakina aloha izay nolazain’i Jesosy ao amin’ireo andinin-teny. Avy eo, dia saintsaino izay nolazainy. Eritrereto ny fomba azonao ampiharana izany. Raha heverinao fa efa manao izany ianao, dia saintsaino indray izay zavatra hafa azonao atao mba hanarahana io fampianaran’Andriamanitra io. Ampiharo mandritra io andro io izany. Raha sarotra aminao ny mahazo ny hevitr’ilay izy na ny fomba ampiharana azy, dia io ihany saintsainina ny ampitso. Tadidio anefa fa tsy voatery ho hainao ampiharina tanteraka izy io vao hianatra zavatra hafa ianao. Afaka mandinika fampianarana hafa ianao ny ampitson’iny. Azonao jerena, amin’ny faran’ny herinandro, hoe nanao ahoana ny fampiharanao ny efatra na dimy tamin’ny fampianaran’i Jesosy. Ampitomboy isan’andro ny zavatra ianaranao ny herinandro manaraka. Aza kivy, raha hitanao fa nisy fampianarana tsy nampiharinao tsara. Hanjo ny Kristianina rehetra izany. (2 Tantara 6:36; Salamo 130:3; Mpitoriteny 7:20; Jakoba 3:8) Iezaho ampiharina indray ilay izy mandritra ny herinandro fahatelo sy fahefatra.
21 Mety ho vitanao ao anatin’ny iray volana eo ho eo ireo hevitra 31. Na izany na tsy izany, inona no ho vokany tsapanao? Tsy ho sambatra kokoa ve ianao, na mety hahazo aina kokoa? Na kely fotsiny aza ny fanatsarana vitanao, dia azo inoana fa ho maivana kokoa ny adim-piainana, na fara faharatsiny, ho zakanao kokoa izany, sady fantatrao izay tokony hatao. Tadidio fa mbola Filipiana 3:16.
nampianatra zavatra hafa mahafinaritra i Jesosy, ankoatra ireo efa eo amin’ilay lisitra. Ahoana raha karohina izany, ka iezahana ampiharina?—22. Inona no mety ho vokatry ny fampiharana ny fampianaran’i Jesosy, nefa inona koa no tokony hodinihintsika?
22 Mora tokoa ny ziogan’i Jesosy, na dia misy lanjany aza. Maivana ny entany, izany hoe ny fampianarany sy ny hoe mpianany. Izao no nolazain’ny apostoly Jaona, naman’i Jesosy, taorian’ny 60 taona mahery naha mpianatr’i Jesosy azy: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Afaka matoky izany koa ianao. Arakaraka ny hampiharanao ny fampianaran’i Jesosy no hahitanao fa tsy hampahory anao loatra ireo zavatra mahatonga adim-piainana ho an’ny maro. Ho hitanao fa tena nihamaivana ny adim-piainanao. (Salamo 34:8) Misy zavatra hafa tokony hodinihinao momba ilay ziogan’i Jesosy anefa. Nilaza koa mantsy i Jesosy fa “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” izy. Ahoana no hanahafantsika azy amin’izany? Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.—Matio 11:29.
Ahoana no Havalinao?
• Nahoana isika no tokony hitodika any amin’i Jesosy mba hanamaivanana ny adim-piainana mavesatra loatra?
• Nanondro inona ny zioga hatramin’izay, ary nahoana?
• Nahoana i Jesosy no nanasa ny olona hitondra ny ziogany?
• Ahoana no ahazoanao famelombelomana ara-panahy?
[Fanontaniana]
[Teny notsongaina, pejy 14]
Ny andinin-tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ity taona 2002 ity dia hoe: “Mankanesa atỳ amiko, ... fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”—Matio 11:28.
[Efajoro/Sary, pejy 12, 13]
Fampianarana Natao Hanampy Anao
Inona avy no fianarana tsara hita ao amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny toko faha-7? Ireo no mirakitra ny zavatra nampianarin’i Jesosy, Mpampianatra Lehibe, teny amin’ny havoanan’i Galilia. Vakio ao amin’ny Baibolinao ireo andinin-teny voasoratra etsy ambany, ary apetraho amin’ny tenanao ny fanontaniana eo akaikiny.
1. 5:3-9 Tokony hanao ahoana ny toetrako, araka ireo andininy ireo? Inona no azoko atao mba hahasambatra ahy kokoa? Ahoana no ifantohako kokoa amin’ny zavatra ara-panahy ilaiko?
2. 5:25, 26 Tsy ho tia ady tahaka ny olona maro isika, fa hanao inona kosa?—Lioka 12:58, 59.
3. 5:27-30 Inona no antitranterin’i Jesosy momba ny fanonofinofisana zavatra manaitaitra ny filan’ny nofo? Nahoana no ho sambatra sy hiadan-tsaina kokoa aho, raha miezaka tsy hanao izany?
4. 5:38-42 Tsy tia mandefitra ny olona amin’izao fotoana izao. Nahoana anefa aho no tokony hiezaka tsy hanahaka azy ireo?
5. 5:43-48 Inona no soa ho azoko, raha miezaka aho mba hahafantatra tsara kokoa ny olona mety ho noheveriko ho fahavalo? Nahoana no azo inoana fa hifankahazo kokoa na hifandray tsara izahay amin’izay?
6. 6:14, 15 Mialona ve aho sa mitahiry lolompo matoa mitady tsy hamela heloka indraindray? Inona no hampiova ahy?
7. 6:16-18 Ny fisehoako ivelany ve no ahiko kokoa noho ny toetrako? Inona no tokony hotandremako kokoa?
8. 6:19-32 Inona no mety ho vokany, raha fatra-pitady vola na matimatin-karena aho? Inona no tokony hoeritreretiko mba hanalavirana izany?
9. 7:1-5 Inona no tsapako rehefa miaraka amin’ny olona tsy manao afa-tsy ny manome tsiny na manakiana na mitsingoloka ny toetran’ny hafa aho? Nahoana no tsy tokony hanao toa azy ireo aho?
10. 7:7-11 Ilaiko ny fikirizana rehefa mangataka zavatra amin’Andriamanitra aho. Rahoviana koa anefa no ilako izany?—Lioka 11:5-13.
11. 7:12 Fantatro io torohevitra nomen’i Jesosy io, nefa impiry moa aho no mampihatra azy io?
12. 7:24-27 Izaho ihany no tompon’andraikitra amin’izay ataoko amin’ny fiainako, koa inona no tokony hataoko mba hiomanako hiatrika zava-manahirana maro? Nahoana no tokony hoeritreretiko dieny izao izany?—Lioka 6:46-49.
Fampianarana hafa azoko dinihina:
13. 8:2, 3 Ahoana no hampisehoako fangoraham-po amin’ny olona sahirana, toy ny fanaon’i Jesosy?
14. 9:9-38 Mamindra fo ve aho, ary inona no mbola azoko atao mba hanehoana io toetra io bebe kokoa?
15. 12:19 Manahaka ny nataon’i Jesosy, araka io faminaniana momba azy io ve aho, ka miezaka tsy hifamaly amin’ny olona?
16. 12:20, 21 Inona no soa ataoko, rehefa tsy manambany olona aho, na amin’ny teniko na amin’ny ataoko?
17. 12:34-37 Inona no ataoko anton-dresaka? Fantatro fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava, koa nahoana no tokony handinika izay ao am-poko aho?—Marka 7:20-23.
18. 15:4-6 Inona no ataoko mba hiahiana amim-pitiavana ny be taona, araka ireo tenin’i Jesosy ireo?
19. 19:13-15 Tokony hanokana fotoana hanaovana inona aho?
20. 20:25-28 Nahoana no tsy mahasoa ny manampatra fahefana? Ahoana no anahafako an’i Jesosy amin’io lafiny io?
Fianarana hafa nosoratan’i Marka:
21. 4:24, 25 Zava-dehibe ve ny fomba itondrako ny olona?
22. 9:50 Inona no soa horaisin’ny hafa, raha voahevitra tsara ny teniko?
Diniho koa ireto fampianarana nosoratan’i Lioka ireto:
23. 8:11, 14 Inona no mety ho vokany, raha ny fanahiana na ny harena na ny fahafinaretana no avelako hibahana eo amin’ny fiainako?
24. 9:1-6 Inona no nataon’i Jesosy teo amin’ny toerana voalohany, na dia afaka nanasitrana ny marary aza izy?
25. 9:52-56 Mora tezitra ve aho? Miezaka tsy hamaly faty ve aho?
26. 9:62 Ahoana no tokony hiheverako ny andraikitro hitory ny Fanjakan’Andriamanitra?
27. 10:29-37 Ahoana no hanaporofoako fa miahy ny hafa aho ary tena namana?
28. 11:33-36 Inona no fiovana azoko atao mba hanatsorana ny fiainako?
29. 12:15 Inona no ifandraisan’ny fiainana sy ny fananana?
30. 14:28-30 Inona no soa horaisiko ary hisoroka inona aho, raha mieritreritra tsara vao manapa-kevitra?
31. 16:10-12 Inona avy no soa mety ho azoko raha tsy mivadika mihitsy aho?
[Sary, pejy 10]
Mamelombelona ilay asa famonjena aina atao eo ambany ziogan’i Jesosy