Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpitory ny Filazantsara Avokoa ny Kristianina Marina

Mpitory ny Filazantsara Avokoa ny Kristianina Marina

Mpitory ny Filazantsara Avokoa ny Kristianina Marina

“Mihirà ho an’i Jehovah, misaora ny anarany; lazao isan-andro isan-andro ny famonjeny mahafaly.”—SALAMO 96:2.

1. Inona no vaovao tsara ilain’ny olona ho re, ary nahoana no fakan-tahaka amin’ny fampielezana ny vaovao tsara ny Vavolombelon’i Jehovah?

MISY loza mitranga foana isan’andro eto an-tany. Koa tena mampionona ny filazan’ny Baiboly fa hifarana tsy ho ela ny ady, ny asan-jiolahy sy ny hanoanana ary ny fampahoriana. (Salamo 46:9; 72:3, 7, 8, 12, 16) Tsy vaovao tsara ilain’ny rehetra ho re ve izany? Eny tokoa, hoy ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatra hatraiza hatraiza ho mpitory ny “teny soa mahafaly” izy ireo. (Isaia 52:7) Marina fa maro ny Vavolombelona nenjehina noho izy ireo tapa-kevitra ny hitory ny vaovao tsara, kanefa izay hahasoa ny olona no imasoany. Fanta-daza amin’ny zotom-pony sy ny fikirizany tokoa ireo Vavolombelona!

2. Inona no antony iray mampahazoto ny Vavolombelon’i Jehovah?

2 Mazoto sahala amin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Marina ny nolazain’ny gazety katolika iray momba ireny Kristianina ireny hoe: “Vao vita batemy ireo Kristianina voalohany, dia nahatsapa fa andraikiny ny nampiely ny Evanjely. Niresaka azy io tamin’ny hafa ireo andevo.” Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mazoto be toy ireny Kristianina voalohany ireny? Voalohany, dia satria avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny vaovao tsara ambarany. Tsy antony tsara indrindra ve izany? Arahin’izy ireo ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Mihirà ho an’i Jehovah, misaora ny anarany; lazao isan-andro isan-andro ny famonjeny mahafaly.”—Salamo 96:2.

3. a) Inona no antony faharoa mampahazoto ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Ahoana no ‘hamonjen’Andriamanitra’ ny olombelona?

3 Mampahatsiahy antsika ny antony faharoa mampahazoto ny Vavolombelon’i Jehovah, ny tenin’ilay mpanao salamo. Hafatra momba ny famonjena no entin’izy ireo. Eo amin’ny sehatry ny fitsaboana, ny sosialy sy ny toe-karena ary ny sehatra hafa, dia misy olona miezaka hanatsara ny fari-piainan’ny hafa. Mendri-piderana ny ezaka toy izany. Tena voafetra anefa ny vitan’ny olona raha ampitahaina amin’ny ‘famonjen’Andriamanitra.’ Hovonjen’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ireo mpandefitra, ho afaka amin’ny ota sy ny aretina ary ny fahafatesana. Eny, hiaina mandrakizay izy ireo! (Jaona 3:16, 36; Apokalypsy 21:3, 4) Anisan’ny “fahagagana” ambaran’ny Kristianina ankehitriny ny famonjena, ho fankatoavana ireto teny ireto: “Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahitr[’Andriamanitra], ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. Fa lehibe Jehovah ka miendrika hoderaina indrindra sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra.”—Salamo 96:3, 4.

Ny ohatry ny Tompo

4-6. a) Inona no antony fahatelo mampahazoto ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Ahoana no nanehoan’i Jesosy ny zotom-pony ho an’ny asa fitoriana ny vaovao tsara?

4 Ity no antony fahatelo mampahazoto ny Vavolombelon’i Jehovah: Manahaka ny ohatr’i Jesosy Kristy izy ireo. (1 Petera 2:21) Tamin’ny fony rehetra no ‘nitoriany ny teny soa mahafaly tamin’ny mpandefitra.’ (Isaia 61:1; Lioka 4:17-21) Tonga mpitory ny filazantsara, na mpilaza vaovao tsara, izy. Nitety an’i Galilia sy i Jodia izy “nitory ny filazantsaran’ny fanjakana.” (Matio 4:23) Fantany fa maro no hanaiky ny vaovao tsara, ka hoy izy tamin’ny mpianany: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.”—Matio 9:38.

5 Nifanaraka tamin’ny vavaka nataony, dia nampiofana ny olona ho mpitory ny filazantsara i Jesosy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia naniraka ny apostoliny izy hoe: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Ho tsara kokoa ve ny nanaovany asa sosialy mba hanampiana ny olona tamin’izany andro izany? Sa tokony ho nanao politika izy ireo mba hiadiana tamin’ny tsolotra niely patrana? Tsia. Nolazain’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy toy izao ny tokony hataon’ny Kristianina rehetra mitory ny filazantsara: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria.”—Matio 10:5-7.

6 Naniraka mpianatra hafa i Jesosy tatỳ aoriana mba hanambara hoe: ‘Efa mby akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’ Dibo-kafaliana i Jesosy rehefa nitantaran’izy ireo ny fahombiazana hitany. Nivavaka izy hoe: “Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika.” (Lioka 10:1, 8, 9, 21) Mpanarato sy tantsaha zatra niasa mafy ary ny nitovitovy tamin’izany, teo aloha, ny mpianatr’i Jesosy. Toy ny zaza madinika izy ireo raha nampitahaina tamin’ny mpitondra fivavahana nahita fianarana ambony. Nampiofanina mba hanambara ny vaovao faran’izay tsara anefa ireo mpianatra ireo.

7. Taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, iza aloha no nitorian’ireo mpanara-dia azy ny vaovao tsara?

7 Taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia notohizin’ny mpanara-dia azy ny fampielezana ny vaovao tsara momba ny famonjena. (Asan’ny Apostoly 2:21, 38-40) Iza aloha no nitorian’izy ireo? Nankany amin’ny firenena tsy nahalala an’Andriamanitra ve izy? Tsia, nankany amin’ny Isiraely aloha izy. Efa maherin’ny 1 500 taona anefa no nahalalan’ny Isiraely an’i Jehovah. Koa zon’ny Kristianina ve ny nitory tany amin’ny tany efa nisy mpivavaka tamin’i Jehovah? Eny. Hoy i Jesosy taminy: “Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany [ianareo].” (Asan’ny Apostoly 1:8) Nila nahare ny vaovao tsara toy ny firenen-kafa rehetra ny Isiraely.

8. Ahoana no anahafan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ny mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany?

8 Mitory maneran-tany koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Miara-miasa amin’ilay anjely hitan’i Jaona izy ireo, dia anjely “nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra.” (Apokalypsy 14:6) Tamin’ny taona 2001, dia nitory tany amin’ny tany sy faritany 235 izy ireo, anisan’izany ny tany antsoina hoe kristianina. Misy mihevitra fa diso ny Vavolombelon’i Jehovah raha mitory any amin’ny toerana efa misy fiangonana lazaina fa kristianina. Lazainy ho “mangalatra ondry” mihitsy azy izy ireny. Tsaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny fihetseham-pon’i Jesosy nanoloana ny Jiosy nanetry tena tamin’ny androny. Efa nanana mpisorona ny Jiosy, kanefa tsy nisalasala i Jesosy nitory ny vaovao tsara taminy. “Nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” (Matio 9:36) Rehefa tojo olona manetry tena izay tsy mahalala an’i Jehovah sy ny Fanjakany ny Vavolombelon’i Jehovah, tsy tokony hitory ny vaovao tsara ve izy satria hoe efa mpiangona ao amin’ny fivavahana iray ireny olona ireny? Tokony hitory izy ireo ho fanahafana an’ireo apostolin’i Jesosy. Tsy maintsy hitoriana ny vaovao tsara “ny firenena rehetra” tsy an-kanavaka.—Marka 13:10.

Nitory avokoa ny Kristianina tany am-boalohany

9. Iza tamin’ireo anisan’ny fiangonana kristianina no nitory tamin’ny taonjato voalohany?

9 Iza no nitory ny filazantsara tamin’ny taonjato voalohany? Ny Kristianina rehetra. Hoy ilay mpanoratra atao hoe W. Williams: ‘Voamarina fa nitory ny filazantsara avokoa ny Kristianina anisan’ny Fiangonana voalohany.’ Hoy ny Baiboly momba izay nitranga tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i.: “Samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra [na lahy na vavy], ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.” Tonga mpitory ny filazantsara na lahy na vavy, na antitra na tanora ary na andevo na olona afaka. (Asan’ny Apostoly 1:14; 2:1, 4, 17, 18; Joela 3:1, 2; Galatiana 3:28) Kristianina maro no nandositra an’i Jerosalema rehefa nenjehina, nefa “izay niely dia nitory teny tontolo eny.” (Asan’ny Apostoly 8:4) Nitory ny filazantsara avokoa “izay niely” fa tsy ny olom-bitsy ihany.

10. Inona no asa roa sosona vitan’ny Kristianina, talohan’ny nandravana ny tontolo jiosy?

10 Izany tokoa no izy tany am-boalohany. Naminany i Jesosy hoe: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Efa notorina hatraiza hatraiza tokoa ny vaovao tsara, talohan’ny nandravan’ny tafika romanina ny tontolo jiosy. (Kolosiana 1:23) Nankatò an’ity didin’i Jesosy ity avokoa ny mpanara-dia azy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Misy mpitory sasany ankehitriny mampirisika ny mpandefitra hino an’i Jesosy ary mamela azy hanao izay saim-pantany avy eo. Tsy nanao toy izany anefa ny Kristianina tany am-boalohany, fa nampianatra ny mpandefitra kosa ho tonga mpianatr’i Jesosy, ary nampiofana azy teo anivon’ny fiangonana mba hitory ny vaovao tsara sy hanao mpianatra. (Asan’ny Apostoly 14:21-23) Izany koa no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.

11. Iza ankehitriny no manambara ny vaovao faran’izay tsara amin’ny olombelona?

11 Vavolombelon’i Jehovah maromaro no lasa misionera, ho fanahafana an’i Paoly sy i Barnabasy ary ny hafa tamin’ny taonjato voalohany. Tena mahasoa ny asa ataony, satria izy tsy manao politika na zavatra hafa ankoatra ny fitoriana ny vaovao tsara. Ankatoaviny fotsiny izao didin’i Jesosy izao: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria.” Tsy misionera anefa ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maro no miasa ary misy mbola mianatra. Misy manana ankohonana. Ny Vavolombelona rehetra anefa no mitory ny vaovao tsara. Na antitra na tanora ary na lahy na vavy, dia samy faly manaraka ilay fampirisihan’ny Baiboly hoe: “Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana.” (2 Timoty 4:2) ‘Tsy mitsahatra mampianatra sy mitory an’i Jesosy ho Kristy’ izy ireo, sahala amin’ny mpialoha lalana azy tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 5:42) Manambara ny vaovao faran’izay tsara ho an’ny olombelona izy ireo.

Mitaona olona sa mitory?

12. Ahoana no iheverana ny fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena?

12 Misy milaza ankehitriny fa manimba ny olona ny fitaomana azy hanaraka ny finoan’ny tena. Lazain’ny boky navoakan’ny Filan-kevitry ny Fiangonana Maneran-tany mihitsy aza fa “fahotana ny mitaona olona hanaraka ny finoan’ny tena.” Nahoana? Hoy ny Tatitra Katolika Maneran-tany (anglisy): “Mitaraina lava ny Eglizy Ortodoksa noho ireo ‘mitaona ny olona hanaraka ny finoany’ izay heveriny fa manery azy hiova finoana.”

13. Inona no ohatra mampiseho fa manimba ny olona ny fanerena azy hiova finoana?

13 Manimba ny olona ve ny fitaomana azy hanaraka ny finoan’ny tena? Mety hanimba. Nilaza i Jesosy fa nanimba ireo olona notaominy hanaraka ny finoany ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. (Matio 23:15) Tena tsy mety ny ‘manery olona hiova finoana.’ Araka ilay mpahay tantara atao hoe Josèphe, ohatra, rehefa resin’ilay Makabeo Jean Hyrcan ny Idomeanina, dia “tsy navelany hijanona tao amin’ny taniny raha tsy noforana sy nanaraka ny lalàn’ny Jiosy.” Tsy maintsy nanaraka ny fivavahana jiosy ny Idomeanina teo ambany fitondrana jiosy. Nandresy ny Saxons mpanompo sampy tany amin’ny faritra avaratr’i Eoropa, i Charlemagne, mpanjakan’ny Francs, tamin’ny taonjato fahavalo am.f.i, ary nanery azy ireo hiova finoana. * Tamin’ny fony tokoa ve anefa no niovan’ny Saxons na ny Idomeanina finoana? Azo lazaina hoe tena nifikitra tamin’ny Lalàn’i Mosesy tokoa ve i Heroda Mpanjaka idomeanina, izay nitady hamono an’i Jesosy zaza?—Matio 2:1-18.

14. Ahoana no ataon’ny misionera sasany ao amin’ny Kristianisma Anarana mba hanerena ny olona hiova finoana?

14 Misy manery olona hiova finoana ve ankehitriny? Azo lazaina hoe misy. Voalaza fa misy misioneran’ny Kristianisma Anarana manolotra vatsim-pianarana any an-tany hafa ho an’ireo mety hiova finoana. Misy koa ny tsy manome anjara sakafo ho ana mpitsoa-ponenana maty noana, raha tsy mihaino toriteny aloha izy ireny. Araka ny nambara tamin’ny fivoriamben’ny Eveka Ortodoksa tamin’ny 1992, dia “na, tambatambazana zavatra ny olona na, terena amin’ny fomba samihafa rehefa taomina hiova finoana.”

15. Mitaona olona hanaraka ny finoany ve ny Vavolombelon’i Jehovah? Hazavao.

15 Tsy mety ny manery olona hiova finoana. Tsy manao an’izany mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. * Noho izany, dia tsy mitaona olona hanaraka ny finoany izy. Mitory ny vaovao tsara amin’ny rehetra kosa izy, toy ny nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Asaina hianatra Baiboly izay manaiky an-tsitrapo an’ilay vaovao tsara, mba hananany finoana mafy orina momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Noho izany, dia miantso ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah izy ireo, mba ho voavonjy. (Romana 10:13, 14, 17) Safidin’ny tsirairay ny hanaiky ny vaovao tsara na tsia. Tsy misy terena. Raha misy izany, dia tsy hisy dikany ny fiovany finoana. Tsy maintsy avy amin’ny fo mantsy ny fivavahana vao heken’Andriamanitra.—Deoteronomia 6:4, 5; 10:12.

Fitoriana ny filazantsara ankehitriny

16. Lazalazao ny fitomboan’ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.

16 Tanteraka tokoa ny Matio 24:14 ankehitriny, noho ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Fitaovana iray lehibe ampiasainy amin’izany ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. * Enina arivo teo ho eo ny isan’ny nivoaka voalohany tamin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1879, ary tamin’ny fiteny iray monja. Afaka 122 taona mahery tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny 2001, dia nahatratra 23 042 000 ny isan’ny nivoaka, ary tamin’ny fiteny 141. Niara-nitombo tamin’izany koa ny fitoriana ny filazantsara ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ampitahao ireo ora an’arivony vitsivitsy isan-taona nitoriana ny filazantsara tamin’ny taonjato faha-19 sy ireo 1 169 082 225 ora natokana hitoriana tamin’ny taona 2001. Mariho ireo fampianarana ny Baiboly maimaim-poana 4 921 702 notarihina isam-bolana tamin’ny antsalany. Goavana tokoa ny asa tsara dia tsara vita! Mpitory ilay Fanjakana marisika 6 117 666 no nahavita izany.

17. a) Inona avy no andriamani-diso ivavahana ankehitriny? b) Inona no ilain’ny rehetra ho fantatra na inona na inona fiteniny, firazanany, na toerany ara-tsosialy?

17 Hoy ny mpanao salamo: “Ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; fa Jehovah no nanao ny lanitra.” (Salamo 96:5) Atao andriamanitra kely mihitsy ankehitriny ny firenena, ny sainam-pirenena, ny olona ambony, ny fananana, eny, fa na dia ny harena aza. (Matio 6:24; Efesiana 5:5; Kolosiana 3:5) Hoy i Mohandas Gandhi, filoha hindoa taloha: ‘Mino mafy aho fa Kristianina anarana fotsiny i Eoropa ankehitriny. I Mamôna [harena] no tena ivavahany.’ Ilaina ho re hatraiza hatraiza tokoa ny vaovao tsara. Mila mahafantatra an’i Jehovah sy ny fikasany ny rehetra, na inona na inona fiteniny, firazanany na toerany ara-tsosialy. Irintsika ny hanarahan’ny rehetra ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah. Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany”! (Salamo 96:7, 8) Ampian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona hahafantatra momba an’i Jehovah mba ho afaka hanome voninahitra azy koa. Mandray soa lehibe ireo manaiky ny vaovao tsara. Inona avy no soa azony? Izany no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Araka ny Rakipahalalana Katolika (anglisy), ny fanerena ny vahoaka hanaraka fivavahana iray, nandritra ny Fanavaozana, dia voafintina tamin’ny teny filamatra latinina nadika hoe: “Izay mitondra ny tany no mandidy ny amin’ny fivavahana arahina.”

^ feh. 15 Nivory ny Vaomiera Iraisam-pirenen’ny Fahalalahana Ara-pivavahana any Etazonia tamin’ny 16 Novambra 2000. Nilaza ny lehilahy iray tao fa tsy mitovy amin’ireo manery ny olona hiova finoana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nomarihiny fa rehefa mitory ny Vavolombelon’i Jehovah, dia azon’ny olona atao fotsiny ny miteny hoe “Tsy liana aho.”

^ feh. 16 Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah no lohateny manontolon’ilay gazety.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana no mazoto mitory ny filazantsara ny Vavolombelon’i Jehovah?

• Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mitory na dia any amin’ny tany efa misy fiangonana lazaina fa kristianina aza?

• Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy mitaona olona hanaraka ny finoany?

• Manao ahoana ny fitomboan’ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Nazoto nitory ny filazantsara i Jesosy ary nampiofana ny hafa hanao toy izany

[Sary, pejy 10]

Nitory ny filazantsara ny rehetra teo anivon’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany

[Sary, pejy 11]

Tsy mety ny manery olona hiova finoana