Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanome ‘Hery Lehibe’ i Jehovah

Nanome ‘Hery Lehibe’ i Jehovah

Tantaram-piainana

Nanome ‘Hery Lehibe’ i Jehovah

NOTANTARAIN’I HELEN MARKS

Izaho irery no niandry teo amin’ny doanin’ny iray tamin’ireo seranam-piaramanidina nangingina indrindra tany Eoropa, tamin’ny andro nigaingaina teo antenatenan’ny 1986. Tany Tirana, renivohitr’i Albania, ilay nilaza ny tenany ho “ny firenena voalohany tsy mino an’Andriamanitra” no nitrangan’izany.

NANAHY aho sady natahotra rehefa nisava ny entako ny polisy iray nitam-piadiana. Nety ho noroahina hiala tao amin’ilay tany aho raha nanao na niteny zavatra nampiahiahy azy, ary nety ho nalefa tany am-ponja na tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona ireo olona niandry ahy tao ivelany. Soa ihany fa nomeko siligaoma sy biscuits ilay polisy mba hahafalifaly kokoa azy. Efa 60 taona mahery aho tamin’izay, nefa ahoana no nahatongavako tamin’io toe-javatra io? Nahoana no sahy nanandrana nampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana tany amin’ny iray tamin’ireo tany kominista farany aho, nefa olona niadana tsara?

Zazavavy farofy be fanontaniana

Matin’ny pnemonia ny raiko, roa taona taorian’ny nahaterahako tamin’ny 1920 tany Ierápetra, Kreta. Nahantra sady tsy nahay taratasy i Neny. Efatra mianadahy izahay ary izaho no farany. Voan’ny ngorongosy aho ka hatsatra sy farofy. Nampirisika an’i Neny ny mpiara-monina mba hanokana ny fotoanany sy ny karama keliny ho an’ireo zokiko salama ary hamela ahy ho faty. Faly aho fa tsy nanao izany izy.

Tian’i Neny ho azo antoka fa lasa tany an-danitra tokoa ny fanahin’i Dada, ka nankeny amin’ny fasan’i Dada matetika izy, ary mazàna aza no nangataka ny pretra ortodoksa mba hanao fotoam-pivavahana niaraka taminy. Lafo anefa ny vola naloa tamin’izany. Mbola tsaroako ilay indray Krismasy nangatsiaka be izay, rehefa avy teny am-pasana izahay sy i Neny. Nandeha niadana dia niadana nanaraka azy aho. Vao avy nomena ny pretra daholo ny ambim-bolanay. Nahandro anana ho anay ankizy i Neny, ary lasa nankao an’efitra ilany sady noana no nitomany satria kivy. Sahy nankany amin’ny pretra aho tatỳ aoriana mba hanontany azy hoe nahoana no maty i Dada ary nahoana no tsy maintsy nandoa vola ho azy ny reniko mahantra. Menatra izy sady nibitsibitsika hoe: “Nalain’Andriamanitra izy. Lalam-piainana izany. Aza misosoka alahelo intsony.”

Sarotra tamiko ny nampifanaraka ny valin-teniny tamin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo, nianarako tany an-tsekoly. Mbola tsaroako fa manomboka amin’izao teny mahafinaritra sady misy heviny izao izy io: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10) Nahoana izahay no nijaly raha tian’Andriamanitra hatao etỳ an-tany ny sitrapony?

Saika voavaly io fanontaniako io, tamin’ny 1929, rehefa nitsidika anay i Emmanuel Lionoudakis, Vavolombelon’i Jehovah, mpitory manontolo andro. * Nanontany azy izay notadiaviny i Neny nefa tsy namaly izy fa nanolotra karatra fitoriana fotsiny. Nasain’i Neny novakiko ilay izy. Tsy dia azoko loatra izay voasoratra tao, satria vao sivy taona aho tamin’izay. Nihevitra i Neny fa moana ilay olona ka hoy izy: “Mampalahelo ianao! Ianao tsy mahay miteny, izaho kosa tsy mahay mamaky teny.” Nasain’i Neny tamin-katsaram-panahy nandeha izy avy eo.

Voavaly ny fanontaniako, taona vitsy tatỳ aoriana. Nahazo ilay boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Aiza moa Ireo Maty?, i Emmanuel Paterakis anadahiko, ary ilay mpitory efa nankao aminay ihany no nanome ilay izy. * Maivamaivana aho rehefa avy namaky an’ilay izy ka nahafantatra fa tsy nalain’Andriamanitra ny raiko. Takatro fa vokatry ny tsy fahalavorarian’olombelona ny fahafatesana ary hatsangana eto an-tany paradisa ny raiko.

“Simban’ity boky ity mihitsy ianao!”

Nanampy anay ny fahamarinana ara-baiboly. Hitanay ny Baibolin’i Dada, ka nanomboka nianaranay. Teo amorom-patana izahay matetika no nanao izany, sady nampiasa labozia. Izaho irery no tovovavy liana tamin’ny Baiboly teo amin’ny faritra nisy anay, koa tsy nasaina nandray anjara tamin’ny zavatra nataon’ireo Vavolombelona aho. Nisy fotoana tena niheverako fa natokana ho an’ny lehilahy ihany io fivavahana io.

Nandrisika ahy ny fahazotoan’ny anadahiko nitory. Nanomboka nanara-maso ny fianakavianay ny polisy, tsy ela taorian’izay, ka tonga tao aminay foana na andro na alina mba hitady an’i Emmanuel sy ireo boky. Tsaroako tsara indray mandeha fa tonga tao aminay ny pretra mba handresy lahatra anay hiverina tany am-piangonana. Nasehon’i Emmanuel azy avy tao amin’ny Baiboly fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. Nosintonin’ilay pretra ilay Baiboly ary nahetsiketsiny teo anoloan’ny tarehin’ny anadahiko sady nikiakiaka izy hoe: “Simban’ity boky ity mihitsy ianao!”

Tsy nety nanao raharaha miaramila i Emmanuel tamin’ny 1940, ka nosamborina ary nalefa tany amin’ny faritra nisy ady tany Albania. Tsy afaka nifandray taminy intsony izahay ka noheverinay fa maty izy. Tsy nampoizinay anefa fa nandefa taratasy ho anay avy tany am-ponja izy, roa taona tatỳ aoriana. Velona soa aman-tsara izy! Tsy voakosoka ato an-tsaiko mihitsy ny iray tamin’ny andinin-teny nosoratany: “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” (2 Tantara 16:9) Tena nilainay mihitsy izany fampaherezana izany!

Nangataka anadahy mba hitsidika ahy i Emmanuel, na dia tany am-ponja aza izy. Nasiana fivoriana niafina avy hatrany tany amin’ny toeram-piompiana tany ivelan’ny tanàna. Tsy fantatray fa nisy nitsikilo izahay! Nisy polisy nirongo fiadiana nanodidina anay, indray alahady. Nampiakariny tao anaty kamiao tsy nisy tafo aoriana izahay ary nentiny naseho eran’ny tanàna. Toy ny mbola reko foana ny olona naneso sy nanevateva anay, kanefa nomen’i Jehovah fiadanana anaty tamin’ny alalan’ny fanahiny izahay.

Nalefa tany amin’ny tanàna hafa izahay avy eo ka nampidirina tao amin’ny efitra figadrana maizina sady maloto. Siô no nataoko fivoahana ary nodiovina indray mandeha isan’andro ilay izy. Nohelohina higadra valo volana aho satria nolazaina fa “mpampianatra” an’ilay antokon’olona. Nikarakara ilay raharaha anefa ny mpisolovava an’ilay anadahy niara-nigadra taminay, ka nafahana izahay avy eo.

Fiainam-baovao

Nanomboka nitsidika fiangonana tany Atena tamin’ny naha mpiandraikitra mpitety faritany i Emmanuel, raha vao afaka tany am-ponja. Nifindra tany Atena aho tamin’ny 1947. Tamin’izay aho vao nahita Vavolombelona betsaka, tsy lehilahy ihany fa vehivavy sy ankizy koa. Afaka nanolo-tena ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano ihany aho, tamin’ny Jolay 1947. Nieritreritra foana ny ho misionera aho ka nanomboka nianatra teny anglisy isan-kariva. Lasa mpisava lalana aho tamin’ny 1950. Nifindra mba hiara-mipetraka tamiko i Neny, ary nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly koa. Vavolombelon’i Jehovah foana izy mandra-pahafatiny, 34 taona tatỳ aoriana.

Nihaona tamin’i John Marks (Markopoulos) avy eto Etazonia aho tamin’ny 1950. Lehilahy nohajaina sady araka ny fanahy izy. Teraka tany atsimon’i Albania izy, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah rehefa nifindra teto Etazonia. Nandalo tany Gresy izy tamin’ny 1950 mba haka visa hankanesana tany Albania, izay tany kominista hiringiriny tsy nifandray tamin’ny firenen-kafa mihitsy tamin’izany. Tsy nahazo nankany Albania anefa i John, na dia efa tamin’ny 1936 aza izy no nahita farany ny fianakaviany. Nahafinaritra ahy ny zotom-pony tsy nety lefy ho an’ny fanompoana an’i Jehovah sy ny fitiavany lalina ny mpiara-manompo. Natao mariazy izahay tamin’ny 3 Aprily 1953. Nanaraka azy tany New Jersey, eto Etazonia, aho avy eo.

Nahandro sy nivarotra sakafo maraina ho an’ny mpanarato teny amoron-dranomasin’i New Jersey izahay sy i John mba hahazoana vola nilaina tamin’ny fitoriana manontolo andro. Nandritra ny vanin-taona mafana ihany izahay no nanao izany, vao mangiran-dratsy hatramin’ny sivy ora maraina. Notsorinay ny fiainanay ary nafantokay tamin’ny asa ara-panahy ny sainay, hany ka afaka nanokana ny ankamaroan’ny fotoananay ho an’ny fitoriana izahay. Nasaina nankany amin’ireo tanàna tsy ampy mpitory izahay, rehefa nivadibadika ny taona. Afaka nanampy olona liana izahay, nanokatra fiangonana, ary nanorina Efitrano Fanjakana, noho ny fanampian’i Jehovah.

Nila fanampiana ny mpiara-manompo

Nisy zavatra nampientam-po niandry anay tatỳ aoriana kely. Te hifandray tamin’ireo Kristianina tany amin’ireo tany balkanika nandrarana ny asantsika, ireo anadahy tompon’andraikitra. Tafasaraka tanteraka tamin’ny rahalahiny naneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah tany, nandritra ny taona maro; kely na tsy nisy mihitsy ny sakafo ara-panahy azon’izy ireo, nefa mafy ny fanenjehana. Narahi-maso foana ny ankamaroan’izy ireo, ary maro no nalefa tany am-ponja na tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona. Nila maika boky ara-baiboly sy fitarihan-dalana ary fampaherezana izy ireo. Nisy hafatra miafina nilaza toy izao, ohatra, voaray avy tany Albania: “Mivavaha amin’ny Tompo ho anay. Nalaina isan-trano ny boky. Tsy avelany hianatra izahay. Olona telo no nogadraina.”

Niainga àry izahay tamin’ny Novambra 1960 mba hanao dia naharitra enim-bolana, hitsidihana ny sasany tamin’ireo tany ireo. Tena nila ‘hery lehibe’, herim-po avy amin’Andriamanitra, fahasahiana, ary fahaiza-mamoron-kevitra, izahay mba hanaovana io asa io. (2 Korintiana 4:7) Albania no nalehanay voalohany. Niainga izahay rehefa avy nividy fiara tany Paris. I John irery no nahazo visa hankanesana tany Albania rehefa tonga tany Roma izahay. Tsy maintsy nankany Atena, any Gresy, aho niandry azy.

Tonga tany Albania i John tamin’ny faran’ny Febroary 1961 ary nijanona tany hatramin’ny faran’ny Martsa. Nihaona tamin’ny anadahy 30 i John tany Tirana. Faly erỳ izy ireo nahazo boky sy fampaherezana tena nilainy! Tsy nisy olona avy tany ivelany nitsidika azy ireo mihitsy nandritra ny 24 taona.

Nanohina an’i John ny tsy fivadihana sy ny fiaretan’izy ireo. Fantany fa noroahina tamin’ny asany sy nogadraina ny maro tamin’izy ireo, satria tsy nandray anjara tamin’ny zavatra nataon’ny fitondrana kominista. Tohina ny fony rehefa nisy anadahy roa efa 80 taona nanome azy vola 100 dolara ho an’ny asa fitoriana. Tahirin’izy ireo nandritra ny taona maro avy tamin’ny vola kely fisotroan-drononony ilay izy.

Nijanona farany tany Albania i John tamin’ny 30 Martsa 1961, andron’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Izy no nanao ny lahatenin’ny Fahatsiarovana, ary 37 no nanatrika. Navoakan’ireo anadahy haingana avy tao amin’ny varavarana ambadika i John, raha vao vita ilay izy, ary naterin’izy ireo tany amin’ny seranan’i Durrës, ka nandray sambo tiorka mpitondra entana, mba ho any Pirée, any Gresy.

Faly aho fa tafahaona soa aman-tsara indray izahay. Afaka nanohy ny dianay ho any amin’ny tany balkanika telo hafa nandrarana ny asantsika izahay. Nety ho nampidi-doza ilay izy satria nitondra boky ara-baiboly sy milina fanoratana ary zavatra hafa koa, izahay. Tombontsoa ho anay ny nihaona tamin’ny sasany tamin’ny anadahy sy rahavavy tena tsy nivadika, vonona hamoy ny asany sy ny fahafahany ary ny ainy, ho an’i Jehovah. Nandrisika anay ny zotom-po sy ny tena fitiavana nasehon’izy ireo. Niaiky koa izahay fa tena nanome ‘hery lehibe’ i Jehovah.

Niverina teto Etazonia izahay rehefa vita soa aman-tsara ny dianay. Mbola nampiasa fomba samihafa nandefasana boky sy ahazoana tatitra momba ny asan’ireo Vavolombelona tany Albania izahay, nandritra ireo taona nanaraka.

Nandeha matetika, saika nahita loza

Nivadika ny taona, ary maty teo amin’ny faha-76 taonany i John, tamin’ny 1981. Nahatsiaro ho irery aho. Nanasa ahy hiara-mipetraka aminy i Evangelia, zana-drahavaviko, sy i George Orphanides, vadiny, ka nanampy ahy ara-pihetseham-po sy tamin’ny lafiny rehetra. Nahatsapa ny fanampian’i Jehovah koa izy ireo fony nanompo tany Soudan, tao anatin’ny fandrarana. *

Natao indray izay hifandraisana tamin’ny anadahintsika tany Albania, tatỳ aoriana. Nipetraka tany ny havan’ny vadiko, koa nanontaniana aho raha hanaiky ho any. Nanaiky avy hatrany aho!

Nomen’ny ambasady albaney tany Atena visa ihany aho tamin’ny May 1986, rehefa nangataka nandritra ny volana maro. Nampitandrina ahy mafy ny ambasady fa raha sanatria mahita olana aho any, dia tsy hahazo fanampiana avy atỳ ivelany mihitsy. Ankona ilay mpivarotra tapakila rehefa nahita fa tapakila ho any Albania no novidiko. Noreseko ny tahotra, ka tsy ela aho dia tao anatin’ilay hany fiaramanidina nampitohy an’i Atena sy i Tirana isan-kerinandro. Albaney telo efa be taona no hany niaraka tamiko, ary avy nitsabo tena tany Gresy izy ireo.

Raha vao nidina ny fiaramanidina aho dia nentina tao amin’ny efitra iray babangoana natao ho fisavana entana. Vonona ny hanampy ahy hihaona tamin’ireo anadahy vitsy tany an-toerana ny roa tamin’ny zandrin’ny vadiko, na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza. Tsy maintsy nilaza tamin’ny manam-pahefana izy ireo fa tonga aho, satria izay no notakin’ny lalàna. Nanjary nanara-maso ahy akaiky ny polisy. Nasain’ireo havako nijanona tany an-tranony aho mandra-pitadiny ny roa tamin’ireo anadahy nipetraka tany Tirana sy hitondrany azy ireo any amiko.

Sivy ny anadahy fantatra nanerana an’i Albania, tamin’izany. Nanjary tena mailo be izy ireo, satria efa taona maro no nisian’ny fandrarana ary nenjehina sy narahi-maso akaiky izy ireo. Hita tamin’ny endrik’izy mirahalahy fa niahiahy ahy izy ireo. Rehefa tsy natahotra ahy intsony ry zareo, dia izao no fanontaniany voalohany: “Aiza ireo Tilikambo Fiambenana?” Tsy nanana Baiboly akory izy ireo, fa boky roa efa tonta no nampiasainy nandritra ny taona maro.

Notantarain’izy ireo daholo ny fepetra tsy mifaditrovana nampiharin’ny fitondrana taminy. Notantarain’izy ireo, ohatra, fa nisy fifidianana, ary tsy nety nanao politika ny anadahy iray. Ny Fanjakana no nifehy ny zava-drehetra, ka tsy homena sakafo ny fianakaviany. Hogadraina daholo ny zanany efa manambady sy ny vady aman-janak’izy ireo, na dia tsy misy idiran’izy ireo amin’ny fivavahany aza. Voalaza fa natahotra an’izany ny fianakavian’ilay anadahy ka namono azy ny alina talohan’ilay fifidianana, nanipy azy tao anaty lava-drano, ary nody nilaza avy eo fa natahotra izy ka namono tena.

Mampahonena ny fahantran’ireo Kristianina ireo. Tsy nety nandray anefa izy ireo rehefa nomeko 20 dolara isan’olona, fa niteny hoe: “Sakafo ara-panahy ihany no tianay.” Niaina teo ambany fitondrana tsy refesi-mandidy nandritra ny am-polo taona izy ireo. Hain’ny mpitondra ny nitarika ny ankamaroan’ny mponina tsy hino an’Andriamanitra. Mafy toy ny an’ny Vavolombelona rehetra anefa ny finoana sy ny fahatapahan-kevitr’ireo Kristianina ireo. Nampiaiky volana ahy ny fahaizan’i Jehovah nanome ‘hery lehibe’ tao anatin’ny toe-javatra faran’izay sarotra, rehefa nandao an’i Albania aho, tapa-bolana tatỳ aoriana.

Mbola nahazo tombontsoa nitsidika an’i Albania indray aho tamin’ny 1989 sy 1991. Nitombo haingana ny mpivavaka amin’i Jehovah satria nihanalalaka tsikelikely ny fivavahana sy ny fanehoan-kevitra tany amin’ilay firenena. Nitombo ho mpitory marisika maherin’ny 2 200 izao ireo Kristianina vita fanoloran-tena vitsy kely tany tamin’ny 1986. Anisan’ireny i Melpo, zaobaviko. Tsy nitahy an’ireo antoko-mpitory nahatoky ireo tokoa ve i Jehovah?

Fiainana nahafa-po noho ny herin’i Jehovah

Mino aho, rehefa manao jery todika, fa tsy very maina ny asanay sy i John. Nampiasainay tamin’ny fomba mahasoa ny herin’ny fahatanoranay. Tsara lavitra noho ny asa hafa rehetra nety ho nataonay ny fanompoana manontolo andro. Faly aho mahita ireo olona maro nampianarinay ny fahamarinana ara-baiboly. Efa be taona aho izao, ka mampirisika amin’ny foko rehetra an’ireo tanora mba ‘hahatsiaro ny Mpamorona azy amin’ny andro fahatanorany.’—Mpitoriteny 12:1.

Mbola mpitory manontolo andro ny vaovao tsara ihany aho, na dia efa 81 taona mahery aza. Mifoha maraina be aho mitory eny amin’ny fiandrasana bisy, parking, arabe, fivarotana, zaridainam-panjakana. Sahirana noho ny fahanterana aho ankehitriny, nefa tena nanampy ahy ireo anadahy sy rahavavy ara-panahy be fitiavana, ny fianakaviam-be ara-panahy, ary ny fianakavian’ny zana-drahavaviko. Nianarako koa, ambonin’ny zavatra rehetra, fa ‘avy amin’Andriamanitra ny hery lehibe, fa tsy avy aminay.’—2 Korintiana 4:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1999, pejy 25-29, ny tantaram-piainan’i Emmanuel Lionoudakis.

^ feh. 11 Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1996, pejy 22-27, ny tantaram-piainan’i Emmanuel Paterakis.

^ feh. 31 Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1992 (frantsay), pejy 91-92, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 25]

Ambony: John (farany ankavia), izaho (eo afovoany), Emmanuel anadahiko eo ankaviako, i Neny eo ankaviany, miaraka amin’ny Betelita maromaro, tany Atena, 1950

[Sary, pejy 25]

Ankavia: Izaho sy i John tany am-piasanay tany amoron-dranomasin’i New Jersey, 1956

[Sary, pejy 26]

Fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Tirana, Albania, 1995

[Sary, pejy 26]

Tranon’ny Betela any Tirana, Albania, vita tamin’ny 1996

[Sary, pejy 26]

Ambony: Lahatsoratra nalaina avy tamin’ny “Tilikambo Fiambenana” 1940, nadika niafina tamin’ny teny albaney

[Sary, pejy 26]

Miaraka amin’i Evangelia Orphanides, zana-drahavaviko (ankavanana), sy George vadiny