Nampirisihina Hanatanteraka ny Asany Ireo Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra
Nampirisihina Hanatanteraka ny Asany Ireo Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra
MPAMPIANATRA ana hetsy no niara-nivory mba handray toromarika, volana vitsivitsy lasa izay. An-jato ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra”, natao nanomboka tamin’ny May 2001. Nampirisihina ny mpanatrika mba hampiana-tena, hahay kokoa, ary hanatontosa ny asa fampianarana nanirahana azy.
Nanatrika an’io fivoriambe io ve ianao? Azo antoka, raha izany, fa nankasitrahanao ny sakafo ara-panahy tsara nomena tamin’ireny fivoriana nanompoana an’i Jehovah Andriamanitra marina ireny. Andeha àry isika izao hamintina ny fianarana noraisina tamin’ny fandaharan’io fivoriambe io.
Andro voalohany: Mahasoa ho Fampianarana ny Soratra Ara-tsindrimandry
Niarahaba ny mpanatrika tonga soa ny mpitari-draharahan’ny fivoriambe, tamin’ilay lahateny hoe “Manovoza Fianarana, Ianareo Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra.” Lasa Mpampianatra Lehibe i Jesosy Kristy, satria nampianarin’i Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra. (Isaia 30:20; Matio 19:16) Tsy maintsy ampianarin’i Jehovah koa isika raha te handroso amin’ny maha mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra.
Avy eo dia nisy ilay lahateny hoe “Mitondra Vokatra Tsara dia Tsara ny Fampianarana Momba Ilay Fanjakana.” Nanasongadina ny fifaliana sy fitahiana azo noho ny fanaovana mpianatra ny fanadinadinana mpitory ny Tenin’Andriamanitra za-draharaha.
Nanaraka izany ilay lahateny nandrisika hoe “Entanin’ny ‘Asa Lehibe Ataon’Andriamanitra.’ ” Nandrisika ny olona tamin’ny taonjato voalohany hanao zavatra ny “asa lehibe ataon’Andriamanitra” mifandray amin’ilay Fanjakana. (Asan’ny Apostoly 2:11) Manentana ny olona hanao zavatra koa isika rehefa manambara ny “asa lehibe”, toy ny fampianaran’ny Baiboly momba ny avotra sy ny fananganana ny maty ary ny fanekena vaovao.
Nampirisika ny rehetra ilay lahateny nanaraka hoe “Mahità Fahafinaretana Amin’ny Fahamarinan’i Jehovah.” (Salamo 35:27) Manjary manaraka ny fahamarinana isika, rehefa mianatra ho tia ny tsara sy mankahala ny ratsy, sy rehefa mianatra Baiboly sy manohitra ny fitaomana manimba ara-panahy ary miezaka manetry tena. Izany no hiaro antsika tsy hitady naman-dratsy sy tsy ho tia zavatra ara-nofo toa an’izao tontolo izao ary tsy hanao fialam-boly maloto sy feno herisetra.
Ilay lahateny fototra hoe “Ampy Fitaovana Tsara mba ho Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra” dia nampahatsiaro antsika fa amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny masina ary ny fandaminany eto an-tany no ampiofanan’i Jehovah antsika mba ho lasa mpanompo mahay. Nampirisika antsika toy izao momba ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra, ilay mpandahateny: “Ny zava-kendrentsika dia ny hanendaka ilay hafatra avy eo amin’ireo pejin’ny Baiboly, ka hampiraikitra izany ao am-pon’ny mpihaino.”
Ny lohatenin’ny fitohitohizan-dahateny voalohany tamin’ilay fivoriambe dia hoe “Sady Mampianatra ny Tenantsika no Mampianatra ny Hafa.” Nohamafisin’ilay tapany voalohany fa tsy maintsy arahintsika ny tari-dalana ara-pitondran-tena kristianina ampianarintsika. Nampirisika antsika ‘hizara tsara ny teny fahamarinana’ kosa ilay tapany faharoa. (2 Timoty 2:15) Mila mazoto mianatra ny Baiboly tsy tapaka isika, mba hampianaran-tena, na efa nanompo hatramin’ny ela isika na vaovao. Nasehon’ny tapany farany tamin’ilay fitohitohizan-dahateny fa hararaotin’ny Devoly isika raha vao manana toetra toy ny avonavona, toe-tsaina tsy tia fiankinana, fiheveran-tena ho zavatra, fialonana, fitsiriritana, fahatezerana latsa-paka, lolompo, ary ny fanakianana foana. Handositra antsika anefa ny Devoly raha manohitra azy mafy isika. Mila manatona an’Andriamanitra isika mba hanoherana ny Devoly.—Jakoba 4:7, 8.
Nasehon’ilay lahateny tonga ara-potoana hoe “Ankahalao Ilay Loza Mamely Izao Tontolo Izao, dia ny Boky sy Sary Vetaveta” ny fomba hiadiantsika amin’io zavatra mandrahona ny fahasalamantsika ara-panahy io. Izao no nolazain’ny mpaminany Habakoka momba an’i Jehovah: “Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy ary tsy mahajery fahoriana.” (Habakoka 1:13) Tokony ‘hankahala ny ratsy’ isika. (Romana 12:9) Nampirisihina ny ray aman-dreny mba hanara-maso ny fampiasan’ny zanany Internet sy ny fijereny televiziona. Tokony hangataka fanampiana amin’ny namana matotra, hoy ilay mpandahateny, ny olona voasariky ny boky sy sary vetaveta. Manampy koa ny misaintsaina sy miezaka mitadidy andinin-teny toy ny Salamo 97:10; Matio 5:28; 1 Korintiana 9:27; Efesiana 5:3, 12; Kolosiana 3:5; ary 1 Tesaloniana 4:4, 5.
Nanome toky antsika ilay lahateny nanaraka hoe “Aoka Hiaro Anao ny Fiadanan’Andriamanitra”, fa afaka mametraka ny entantsika amin’i Jehovah isika, rehefa vesaran’ny fanahiana. (Salamo 55:22) Raha mamboraka ny ao am-pontsika amin’ny vavaka isika, dia homen’i Jehovah antsika ny “fiadanan’Andriamanitra”, izany hoe ny fahatoniana sy filaminan-tsaina avy amin’ny fifandraisana sarobidy aminy.—Filipiana 4:6, 7.
Nifarana tamin’ny fomba nahafinaritra indrindra ny andro voalohany, noho ilay lahateny nanazava ny Isaia toko faha-60 hoe “Fenoin’i Jehovah Voninahitra sy Fahazavana ny Vahoakany.” Mifaly amin’ny fahazavan’i Jehovah miaraka amin’ireo Kristianina voahosotra ireo “hafa firenena”, izany hoe ireo ondry hafa mihamitombo, eto amin’ity tontolo maizina ity. Niresaka ny andininy faha-19 sy 20 ilay mpandahateny, ka nanazava toy izao: “Tsy ‘hilentika’ toy ny masoandro na ‘hisoka’ toy ny volana i Jehovah. Hanohy hameno voninahitra ny vahoakany izy, amin’ny fanomezana fahazavana azy ireo. Izany ka fanomezan-toky ho antsika izay mamakivaky ny andro faran’ity tontolo ao anatin’ny haizina ity!” Tamin’ny faran’ilay lahateny dia nambaran’ilay mpandahateny ny fivoahan’ny faharoa amin’ilay boky hoe Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra. Efa voavakinao ve io boky vaovao io?
Andro faharoa: Mahay Mampianatra ny Hafa
Nodinihina aloha ny andinin-teny ho an’ny andro tamin’ny andro faharoa, ary avy eo isika dia nihaino tsara ilay fitohitohizan-dahateny faharoa tamin’ilay fivoriambe, dia ilay hoe “Mpanompo Mahatonga ny Hafa ho Mpino.” Nasongadin’ireo mpandahateny tamin’io fitohitohizan-dahateny io ireo dingana telo hanampiana ny olona ho tonga mpino: ny fanelezana ny hafatra momba ilay Fanjakana sy fanolokoloana ny fahalianana hita ary fampianarana azy hitandrina izay nandidian’i Kristy. Nahita fomba voafaritra tsara hampianarana ny hafa ho tonga mpianatra isika tamin’ireo fanadinadinana sy fampisehoana.
Ny foto-kevitry ny lahateny nanaraka dia hoe “Ampio Fifikirana Amin’Andriamanitra ny Fiaretanareo.” Matio 24:13) Tokony hampiasaintsika ireo fandaharana rehetra nomen’i Jehovah, mba hambolena fifikirana aminy. Izany dia ny vavaka, fianarana manokana, fivoriana, ary fanompoana. Tsy tokony havelantsika haka tsikelikely ny toeran’ny fifikirana amin’Andriamanitra, na hanimba azy io ny faniriana sy ny fanaovan-javatra eo amin’izao tontolo izao.
Nasehon’ilay mpandahateny fa ny ‘faharetantsika hatramin’ny farany’ no tena zava-dehibe. (Ahoana no hahitan’ireo miasa fatratra sy mavesatra entana famelombelomana amin’izao andro izao? Namaly izany ilay lahateny hoe “Mahità Famelombelomana eo Ambanin’ny Ziogan’i Kristy.” Nanasa tamim-pitiavana ny mpanara-dia azy hanaiky ny ziogany sy hianatra aminy i Jesosy. (Matio 11:28-30) Manaiky ny ziogan’i Jesosy isika rehefa manaraka ny ohatra navelany, ka manana fiainana tsotra sy voalanjalanja. Nanasongadina ny tena hevi-dehibe tamin’io anjara io ny fanadinadinana rahalahy sasany nanatsotra ny fiainany.
Iray amin’ireo zava-misongadina amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah ny batisan’ireo mpanompon’Andriamanitra vao nanolo-tena. Ilay rahalahy nanao ilay lahateny hoe “Mampitombo ny Tombontsoa Hampianatra ny Batisa”, dia niarahaba an’ireo mpilatsaka hatao batisa, ary nampirisika azy ireo mba hanitatra ny fanompoany. Afaka miezaka hahazo andraikitra samihafa eo anivon’ny fiangonana, ireo mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra vao vita batisa mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina.
“Tahafo Ilay Mpampianatra Lehibe” no lohatenin’ny lahateny voalohany tamin’ny tolakandro. Nandinika tsara ny Rainy sy nanahaka azy i Jesosy tany an-danitra, nandritra ny taona maro tsy hita isa, ka lasa Mpampianatra Lehibe. Nampiasa fomba fampianatra nandaitra izy fony teto an-tany. Anisan’izany ny fanontaniana lalina sy ny fanoharana tsotra sy mazava. Ny Tenin’Andriamanitra foana no nataon’i Jesosy fototry ny fampianarany, ary nafana fo sy tsara fanahy ary niaiky mafy ny amin’izay nolazainy izy, rehefa niteny. Tsy voatosika hanahaka ilay Mpampianatra Lehibe ve isika?
Nampirisika antsika hanompo ny hafa toy ny nataon’i Jesosy ilay lahateny nampahery hoe “Vonona Hanompo ny Hafa ve Ianao?” (Jaona 13:12-15) Nilaza nivantana ilay mpandahateny fa tokony ho toa an’i Timoty ireo lehilahy mahafeno fepetra, hikaroka fomba hanampiana ny hafa. (Filipiana 2:20, 21) Nampirisihina koa ny ray aman-dreny mba hanahaka an’i Elkana sy Hana, ka hanampy ny zanany ho tonga mpanompo manontolo andro. Nampirisihina mba hahafoy tena toa an’i Jesosy sy Timoty koa ny tanora. (1 Petera 2:21) Nanohina ny fontsika koa ny tenin’ireo efa nitady fomba hanompoana ny hafa.
Ny foto-kevitry ny fitohitohizan-dahateny fahatelo dia hoe “Mandraisa Soa Bebe Kokoa Amin’ny Fampianaran’Andriamanitra.” Nohamafisin’ilay mpandahateny voalohany fa zava-dehibe ny mampifantoka ny saina maharitra kokoa. Mba hahavitana izany, dia mety hanao fianarana manokana fohy isika amin’ny voalohany, avy eo dia hiezaka hampitombo ny halavany. Nampirisihiny koa ny mpanatrika mba hijery andinin-teny sy handray an-tsoratra, mandritra ny fivoriana. Nilaza ny mpandahateny fa ilaintsika ny mifikitra amin’ny “mariky ny teny tsy misy kilema.” (2 Timoty 1:13, 14) Tsy maintsy manararaotra ny fotoana anaovana fianarana manokana sy anatrehana fivoriana isika, mba hiarovan-tena amin’ireo gazety sy radio ary tele mampiseho fitondran-tena maloto, ireo fahendren’olombelona, ireo fanakianana, ary ireo fampianaran’ny mpivadi-pinoana. (Efesiana 5:15, 16) Nasongadin’ilay mpandahateny farany tamin’ilay fitohitohizan-dahateny fa ilaina ny mampihatra ny zavatra nianarantsika, mba handraisantsika soa feno amin’ny fampianaran’Andriamanitra.—Filipiana 4:9.
Nientam-po tokoa isika nihaino ilay lahateny hoe “Fandaharana Vaovao mba Handrosoantsika Ara-panahy”! Faly isika rehefa nandre fa havoaka tsy ho ela ilay boky hoe Mandraisa Soa avy
Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Vao mainka tsy andrintsika izay hahazoana ilay boky rehefa nolazain’ilay mpandahateny ny hevitra raketiny. Izao no nolazainy mahakasika ilay fizarana momba ny lafin-javatra asaina tandremana: “Tsy mampiasa ny fomba fampianatry ny boky tsotra io boky vaovao io, rehefa manazava ireo lafin-javatra 53 ilaina mba hahaizana mamaky teny sy miteny ary mampianatra. Toro lalana ao amin’ny Baiboly kosa no arahiny.” Hasehon’io boky io ny fahaiza-mampianatry ny mpaminany sy i Jesosy ary ny mpianany. Tena hanampy antsika ho mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra mahay kokoa io boky io, sy ny endrika vaovaon’ny Sekolin’ny Fanompoana.Andro fahatelo: Hevero ny Fotoana ka Tongava Mpampianatra
Rehefa vita ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ilay andro farany, dia nihaino tsara an’ilay fitohitohizan-dahateny farany hoe “Manomana Antsika ho Amin’ny Andron’i Jehovah ny Faminanian’i Malakia” ny rehetra. Zato taona teo ho eo taorian’ny niverenan’ny Jiosy avy tany Babylona no naminanian’i Malakia. Nanjary nivadi-pinoana sy ratsy fanahy indray ny Jiosy, ka nanala baraka ny anaran’i Jehovah, satria tsy niraharaha ny lalàny marina, sady nanao fanatitra biby jamba sy mandringa ary marary. Nisaraka tamin’ny vadin’ny fahatanorany koa izy ireo, azo inoana fa mba hanambadiana vehivavy vahiny.
Manome toky antsika ny toko voalohany amin’ny faminanian’i Malakia fa tia ny vahoakany i Jehovah. Asongadiny fa ilaina ny matahotra sy manaja an’Andriamanitra, ary ny mankasitraka ny zava-masina. Manantena i Jehovah fa homentsika azy ny tsara indrindra avy amintsika, ka hanompo azy noho ny fitiavana tsy mitady valiny isika. Tsy tokony ho fombafomba fotsiny ny fanompoana masina ataontsika, ary tsy maintsy hampamoahin’Andriamanitra isika.
Nampiharin’ilay mpandahateny nanaraka tamin’ny androntsika ny toko faharoa amin’ny Malakia, ka hoy izy: “Mitandrina ve isika mba ‘tsy hisy tsy fahamarinana eo amin’ny molotsika’?” (Malakia 2:6) Tokony hahazo antoka ireo mitarika fa miorina mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampianarany. Tokony hankahalaintsika ny famitahana toy ny fisaraham-panambadiana tsy ara-drariny.—Malakia 2:14-16.
Nanampy antsika hiomana ho amin’ny andron’i Jehovah ny mpandahateny farany tamin’ilay fitohitohizan-dahateny, rehefa namelabelatra ilay foto-kevitra hoe “Iza no ho Tafita Velona Amin’ny Andron’i Jehovah?” Hoy ilay mpandahateny: “Mampionona ny mpanompon’i Jehovah ny mahalala fa tanteraka amin’izy ireo amin’ny ambaratonga lehibe ny Malakia toko faha-3 andininy faha-17! Hoy izy io: ‘Ho rakitra
soa ho Ahy ireny amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy.’ ”Anisan’ny zava-nisongadina tamin’ny fivoriambe koa ilay fampisehoana tantara momba ny zanak’i Kora, hoe “Hajao ny Fahefan’i Jehovah.” Tsy nivadika tamin’i Jehovah sy ny solontenany mihitsy izy ireo, na dia nikomy tamin’i Mosesy sy Arona aza ny rainy. Maty i Kora sy ny mpanaraka azy, fa tafavoaka velona kosa ireo zanak’i Kora. Nilaza ny fomba ampiharantsika an’ilay tantara ilay lahateny nanaraka hoe “Aza Mivadika fa Ekeo ny Fahefan’Andriamanitra.” Nampitandrina antsika momba ireto fahadisoana enina nataon’i Kora sy ny mpanaraka azy ireto, ilay mpandahateny: tsy nanohana tamim-pahatokiana ny fahefan’i Jehovah, namela ny avonavona sy ny fanirian-daza ary ny fialonana handresy azy, nifantoka tamin’ny tsy fahalavorarian’ireo voatendrin’i Jehovah, namboly toe-tsaina be taraina, tsy afa-po tamin’ireo tombontsoam-panompoana nananany, ary namela ny fisakaizana na ny fatoram-pianakaviana hanjary ho zava-dehibe kokoa noho ny tsy fivadihana tamin’i Jehovah.
Ny foto-kevitry ny lahateny ho an’ny besinimaro dia hoe “Iza no Mampianatra Fahamarinana ny Firenena Rehetra?” Tsy ny fahamarinana amin’ny ankapobeny no noresahina tamin’izany, fa ny fahamarinana momba ny fikasan’i Jehovah nambaran’i Jesosy. Noresahin’ilay mpandahateny ny fahamarinana mifandray amin’ny zavatra inoana sy ny fanolorana fivavahana ary ny fitondran-tena. Vao mainka natoky isika fa ‘eo amintsika marina tokoa Andriamanitra’, rehefa avy nampitahaina tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.—1 Korintiana 14:25.
Rehefa vita ny famintinana Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ilay herinandro, dia natao ilay lahateny hoe “Ilaina Maika ny Hanatontosana ny Fampianarana Nanirahana Antsika.” Nanosika ny mpampianatra ny tenin’Andriamanitra rehetra nanatrika teo hanao zavatra izy io. Nantitranterina tamin’ny famerenana fohy ny fandaharana fa zava-dehibe ny mampiasa Baiboly rehefa mampianatra. Nasongadina koa ny fomba hahatongavana ho mpampianatra mahay, sy ny ilana hiekena fa tena fahamarinana no ampianarintsika ny olona. Nampirisika antsika ilay mpandahateny mba ‘hampiseho ny fandrosoantsika’ sy ‘hitandrina ny tenantsika sy ny fampianarantsika.’—1 Timoty 4:15, 16.
Tena sakafo ara-panahy tondraka tokoa no noraisintsika tamin’iny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra” iny. Enga anie isika hanahaka an’i Jehovah, ilay Mpampianatra antsika lehibe indrindra sy i Jesosy Kristy Mpampianatra Lehibe, ka hampianatra olon-kafa ny Tenin’Andriamanitra!
[Efajoro/Sary, pejy 28]
Zava-baovao Tena Ilaina
Nientam-po ireo mpanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra” rehefa nandray ilay trakta vaovao sy ilay bokikely vaovao, natao mba hampianarana ny fahamarinana ara-baiboly ny olona any amin’ny faritra sasany amin’ny tany. Ilay trakta hoe Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao? dia fitaovana mora ampiasaina mba hiresahana amin’ny olona any amin’ny tany tsy manana afa-tsy teny iray ilazana ireo teny roa samy hafa momba ny fanahy ao amin’ny Baiboly. Hazavain’izy io fa samy hafa ny zavaboary ara-panahy sy ny fanahy ao amin’ny olombelona, ary tsy lasa zavaboary ara-panahy ny fanahy, na aina ao amin’ny olona, rehefa maty izy.
Navoaka tamin’ny faran’ny andro faharoa kosa ilay bokikely hoe Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany? Nomanina mba hampianarana Baiboly izy io. Nokendrena tamin’izany indrindra ireo olona tsy mahafantatra hoe tena manana ny maha izy azy ny Mpamorona, ary tena misy boky avy amin’Andriamanitra. Efa nampiasa ireo zavatra vaovao ireo teny amin’ny fanompoana ve ianao?
[Sary, pejy 26]
An-jato no natao batisa tany Milan, Italia, sy tany amin’ireo fivoriambe naneran-tany
[Sary, pejy 29]
Nanohina ny fon’ny mpanatrika ilay tantara hoe “Hajao ny Fahefan’i Jehovah”